Ny soratra masina
Helamàna 2


Toko 2

Tonga lohan’ny mpitsara i Helamàna, zanakalahin’i Helamàna—Nitarika ny antokon’i Kiskomena i Gadiantôna—Namono an’i Kiskomena ny mpanompon’i Helamàna, ary nilefa nankany an-tany foana ny tarik’i Gadiantôna. Tokony ho 50–49 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ny zava-nitranga, tamin’ny taona faharoa amby efapolon’ny fitondran’ny mpitsara, taorian’ny efa nampiorenan’i Môrônihà indray ny fandriampahalemana teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita, dia indro tsy nisy nameno ny toeram-pitsarana; noho izany dia nanomboka nisy fifandirana indray teo anivon’ny vahoaka momba izay hameno ny toeram-pitsarana.

2 Ary ny zava-nitranga dia i Helamàna izay zanakalahin’i Helamàna no notendren’ny feon’ny vahoaka hameno ny toeram-pitsarana.

3 Nefa indro, i Kiskomena izay efa namono an’i Pahôràna dia namela otrika handringanana an’i Helamàna koa; ary izy dia notohanan’ny antokony izay efa nifanao dina fa tsy hisy hahafantatra ny faharatsiany.

4 Fa nisy izany Gadiantôna izany, izay havanana izaitsizy tokoa tamin’ny teny maro ary koa tamin’ny famitahany, izay nitozo tamin’ny asa miafin’ny famonoana sy ny fandrobana; noho izany izy dia nanjary mpitondra ny antokon’i Kiskomena.

5 Koa nohasohasoiny izy ireo ary koa i Kiskomena, fa raha mametraka azy eo amin’ny toeram-pitsarana izy ireo dia hotoviny amin’ireo izay ao amin’ny antokony ireo ny fametrahana azy ireo ao amin’ny hery sy ny fahefana eo anivon’ny vahoaka; noho izany i Kiskomena dia nikatsaka ny hamongotra an’i Helamàna.

6 Ary ny zava-nitranga raha nandeha nankany amin’ny toeram-pitsarana izy hamongotra an’i Helamàna, dia indro ny anankiray tamin’ny mpanompon’i Helamàna, rehefa nivoaka tamin’ny alina sy efa nahazo, tamin’ny alalan’ny fiovan’endrika, fahalalana ny amin’ireo tetika ireo izay efa novolavolain’ity antoko ity hamongorana an’i Helamàna—

7 Ary ny zava-nitranga dia nihaona tamin’i Kiskomena izy sy nanome azy famantarana iray; noho izany i Kiskomena dia nampahalala azy ny tanjon’ny faniriany, naniry ny hitarihany azy any amin’ny toeram-pitsarana mba hahazoany mamono an’i Helamàna.

8 Ary nony efa nahalala ny fon’i Kiskomena manontolo ny mpanompon’i Helamàna ary nahalala fa ny tanjony dia ny hamono, ary koa ny tanjon’ireo rehetra ireo izay ao amin’ny antokony dia ny hamono sy handroba ary hahazo fahefana, (ary izany no tetiny miafina sy tsikombakombany) dia hoy ny mpanompon’i Helamàna tamin’i Kiskomena: Aoka isika handeha hankany amin’ny toeram-pitsarana.

9 Ankehitriny dia nahafinaritra an’i Kiskomena izaitsizy tokoa izany, satria nihevitra izy fa hahatanteraka ny fikasany; nefa indro, ny mpanompon’i Helamàna, raha nandeha nankany amin’ny toeram-pitsarana izy ireo, dia nitomboka an’i Kiskomena teo amin’ny fony, ka dia nianjera izy, maty tsy nigiaka. Ary nihazakazaka izy sy niteny tamin’i Helamàna ny zavatra rehetra izay efa hitany sy reny ary nataony.

10 Ary ny zava-nitranga dia nampaniraka hisambotra ity antokona mpandroba sy mpamono miafina ity i Helamàna mba hahazoana manjedana azy ireo araka ny lalàna.

11 Nefa indro, nony nahita i Gadiantôna fa tsy niverina i Kiskomena, dia natahotra izy fandrao hofongorana; koa nataony izay hanarahan’ny antokony azy. Ary vaky nandositra niala ny tany, tamin’ny lalana miafina, nankany an-tany foana izy ireo; ary dia toy izany no tsy nahafahana nahita azy ireo na taiza na taiza rehefa naniraka i Helamàna hampisambotra azy ireo.

12 Ary horesahina misimisy kokoa ny amin’ity Gadiantôna ity any aoriana. Ary dia toy izany no nifaranan’ny taona faharoa amby efapolon’ny fitondran’ny mpitsara teo amin’ny vahoakan’i Nefia.

13 Ary indro, any amin’ny faran’ity boky ity dia ho hitanareo fa ity Gadiantôna ity no nahatonga ny fianjerana, eny, saika ny famongorana tanteraka ny vahoakan’i Nefia.

14 Indro, ny tiako holazaina dia tsy ny fiafaran’ny bokin’i Helamàna, fa ny tiako holazaina kosa dia ny fiafaran’ny bokin’i Nefia izay efa nangalako ny fitantarana rehetra izay efa nosoratako.