Ny soratra masina
Etera 5


Toko 5

Vavolombelona telo sy ny asa mihitsy no hijoro ho toy ny fanambarana ny amin’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna.

1 Ary ankehitriny, izaho Môrônia dia efa nanoratra ny teny izay efa nandidiana ahy, araka ny fitadidiako; ary efa nolazaiko anao ny zavatra izay efa nofeheziko; koa aza kasihina ireny mba hahazoanao mandika izany; fa voarara aminao izany zavatra izany, raha tsy fahendrena ao amin’ Andriamanitra izany atsy ho atsy.

2 Ary indro, mety ho tombontsoa ho anao ny hahazoanao mampiseho ny takelaka amin’ireo izay hanampy amin’ny famoahana ity asa ity;

3 Ary telo no hanehoana izany amin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra; noho izany dia ho fantany marina tokoa fa ireo zavatra ireo dia marina.

4 Ary amin’ny vavan’ny vavolombelona telo no hampiorenana ireo zavatra ireo; ary ny fanambaran’ny telo sy ity asa ity izay ao aminy no hanehoana ny herin’ Andriamanitra, ary koa ny teniny izay ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina no vavolombelona manambara—ary izany rehetra izany dia hijoro ho toy ny fanambarana miampanga izao tontolo izao amin’ny andro farany.

5 Ary raha toa ka mibebaka izy ary manatona ny Ray amin’ny anaran’i Jesoa, dia horaisina ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra izy.

6 Ary ankehitriny, raha tsy manam-pahefana amin’ireo zavatra ireo aho, dia tsarainareo; satria ho fantatrareo fa manam-pahefana aho rehefa hahita ahy ianareo ary rehefa hijoro eo anoloan’ Andriamanitra isika amin’ny andro farany. Amena.