Antso ao amin’ny misiôna
Toko 3: Lesona 1: Ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy


“Toko 3: Lesona 1: Ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy,” Torio ny filazantsarako: Torolalana amin’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (2023)

“Toko 3: Lesona 1,” Torio ny Filazantsarako

Toko 3: Lesona 1

Ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Sary
Ny Fahitana Voalohany

Mety hanontany tena ny olona

  • “Tena misy marina ve Andriamanitra?

  • Ahoana no ahafahako mahatsapa ho akaiky kokoa an’ Andriamanitra?

  • Ahoana no ahafahako mianatra fahamarinana ao anatin’izao tontolo mampisafotofoto saina izao?

  • Ahoana no ahafahan’ny fivavahana manampy ahy?

  • Nahoana no misy fiangonana maro be?

  • Nahoana aho no manana olana maro?

  • Ahoana no ahafahako mahita fiadanana ao anatin’ny fotoan’ny korontana?

  • Ahoana no ahafahako ho sambatra kokoa?

  • Ahoana no ahafahan’ny mpaminany iray manampy an’izao tontolo izao ankehitriny?

Hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao dia nanambara ny filazantsara tamin’ireo zanany tamin’ny alalan’ny mpaminany Andriamanitra. Nanao izany tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanany Izy. Fahiny dia nanambara ny filazantsara tamin’ireo mpaminany toa an’i Adama, i Noa, i Abrahama, ary i Mosesy i Jesoa. Maro anefa no nanda izany.

Roa arivo taona lasa izay, i Jesoa Kristy mihitsy no nampianatra ny filazantsarany sy nanorina ny Fiangonany. Na i Jesoa aza dia nolavin’ny olona. Fotoana fohy taorian’ny nahafatesany, dia niely patrana ny fialana tamin’ny fahamarinan’ny Tompo sy ny Fiangonana. Tsy teto an-tany intsony ny fahafenoan’ny filazantsara sy ny fahefan’ny fisoronana.

Taonjato maro taty aoriana dia niantso mpaminany iray hafa Andriamanitra, dia i Joseph Smith. Naverin’ Andriamanitra tamin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara tamin’ny alalany ary nanome lalana azy Izy hanorina indray ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Ny fananana ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy eto an-tany dia iray amin’ireo fitahiana lehibe amin’izao androntsika izao. Manampy antsika hamaly ireo fanontaniana manitikitika indrindra eo amin’ny fiainana ny filazantsara. Mitarika antsika mandritra ny fotoan-tsarotra ireo mpaminany velona. Efa eto an-tany indray ny fahefan’ny fisoronan’ Andriamanitra mba hitahiana ny zanany.

Sary
misiônera mampianatra fianakaviana

Sosokevitra enti-mampianatra

Ity fizarana ity dia manome santionana rindran-damina mba hanampiana anao hiomana hampianatra. Ahitana ohatra amin’ireo fanontaniana sy fanasana azonao ampiasaina koa izany.

Rehefa miomana hampianatra ianao dia diniho ombam-bavaka ny toe-javatra iainan’ny olona tsirairay sy ny zavatra ilainy ara-panahy. Manapaha hevitra hoe inona no zavatra tena hanampy ka tokony hampianarina. Miomàna hamaritra teny mety tsy azon’ny olona. Manaova drafitra mifanaraka amin’ny habetsaky ny fotoana hanananao, ary tadidio ny hihazona ny lesona ho fohy.

Misafidiana soratra masina hampiasaina rehefa mampianatra ianao. Ny fizarana “Fototra ara-potopampianarana” ao amin’ny lesona dia ahitana soratra masina mahasoa maro.

Eritrereto izay fanontaniana hapetraka rehefa mampianatra ianao. Manomàna fanasana hatolotra izay hamporisika ny olona tsirairay handray andraikitra.

Antitrantero ireo fitahiana nampanantenain’ Andriamanitra, ary zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny zavatra ampianarinao.

Inona no azonao ampianarina ny olona ao anatin’ny 15–25 minitra

Misafidiana iray na maromaro amin’ireto fitsipika manaraka ireto mba hampianarina. Ny fototra ara-potopampianarana ho an’ny fitsipika tsirairay dia omena aorian’ity rindran-damina ity.

Andriamanitra dia Ilay Raintsika be fitiavana any An-danitra

  • Andriamanitra no Raintsika any An-danitra ary zanany isika. Nahary antsika tahaka ny endriny Izy.

  • Mahafantatra antsika manokana Andriamanitra ary tia antsika.

  • Manana vatana nofo sy taolana feno voninahitra sy lavorary Andriamanitra.

  • Te hanome antsika fiadanana sy ny fahafenoan’ny fifaliana izay haharitra mandrakizay Andriamanitra.

  • Noho ny fitiavan’ Andriamanitra antsika dia naniraka an’i Jesoa Kristy Zanany Izy mba hanavotra antsika amin’ny fahotana sy ny fahafatesana.

Manambara ny filazantsara amin’ny alalan’ny Mpaminany Andriamanitra isaky ny fotoampitantanana

  • Miantso mpaminany ho solontenany eto an-tany Andriamanitra.

  • Fahiny, Andriamanitra dia niantso mpaminany toa an’i Adama, i Noa, i Abrahama, ary i Mosesy.

  • Mandray fanambarana avy amin’ Andriamanitra ny mpaminany velona iray mba hampianatra sy hitarika antsika ankehitriny.

Ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy teto an-tany sy ny Sorompanavotany

  • Zanak’ Andriamanitra i Jesoa Kristy.

  • Nandritra ny asa fanompoany teto an-tany dia nampianatra ny filazantsarany sy nanorina ny Fiangonany i Jesoa.

  • Niantso Apôstôly roa ambin’ny folo i Jesoa ary nanome azy ireo fahefana hitarika ny Fiangonany.

  • Tamin’ny fiafaran’ny fiainany dia nanonitra ny fahotantsika i Jesoa tamin’ny alalan’ny fijaliany tao amin’ny Saha Getsemane sy nandritra ny Fanomboana. Taorian’ny nahafatesan’i Jesoa dia nitsangana tamin’ny maty Izy.

  • Noho ny sorompanavotan’i Jesoa dia afaka ny ho voavela sy ho voadio amin’ny fahotantsika isika rehefa mibebaka. Mitondra fiadanana ho antsika sy manome fahafahana antsika mba ho afaka hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra ary handray ny fahafenoan’ny fifaliana izany.

  • Noho ny fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty dia hitsangana amin’ny maty avokoa isika rehetra aorian’ny fahafatesantsika. Midika izany fa ny fanahin’ny olona tsirairay sy ny vatany dia hatambatra indray ka hiaina mandrakizay.

Ny Fahalavoana

  • Taorian’ny nahafatesan’ireo Apôstôlin’i Jesoa dia niely patrana ny fialana tamin’ny filazantsara sy ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

  • Nandritra izany fotoana izany dia novain’ny olona ireo fampianaran’ny filazantsara. Novain’ny olona koa ireo ôrdônansin’ny fisoronana, toy ny batisa. Tsy teto an-tany intsony ny fahefan’ny fisoronana sy ny Fiangonana izay naorin’i Jesoa.

Ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’i Joseph Smith

  • Nikatsaka ny hahafantatra izay fiangonana marin’ Andriamanitra i Joseph Smith mba hahafahany miditra ho mpikambana ao amin’izany. Niseho tamin’i Joseph Smith ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tamin’ny 1820. Nantsoina hoe ny Fahitana Voalohany izany zava-niseho izany.

  • Niantso an’i Joseph Smith ho mpaminany Andriamanitra, tahaka ny niantsoany mpaminany tany aloha tany.

  • Naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’i Joseph Smith ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

  • Nisy iraka avy any an-danitra hafa namerina tamin’ny laoniny ny fisoronana, ary i Joseph dia nahazo lalana hanangana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

  • I Jesoa Kristy dia manohy mitarika ny Fiangonany ankehitriny amin’ny alalan’ireo mpaminany sy apôstôly velona.

Ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy

  • Ny Bokin’i Môrmôna dia bokin-tsoratra masina nosoratan’ireo mpaminany tany Amerika tamin’ny andro fahiny. Nandika izany tamin’ny alalalan’ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny i Joseph Smith

  • Miaraka amin’ny Baiboly, ny Bokin’i Môrmôna dia manome fijoroana ho vavolombelona momba ny asa fanompoan’i Jesoa sy ny fampianarany ary ny asa nanirahana azy amin’ny maha-Mpamonjy antsika Azy.

  • Afaka manakaiky kokoa an’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna sy ny fanarahana ireo fitsipika ao anatiny.

  • Afaka mahafantatra isika fa ny Bokin’i Môrmôna dia tenin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny famakiana izany sy ny fisaintsainana izany ary ny fivavahana momba izany. Izany dingana izany dia hanampy antsika hahafantatra fa mpaminany i Joseph Smith.

Mivavaha mba hahafantarana ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina

  • Ny vavaka dia fifampiresahana eo amin’ Andriamanitra sy ny zanany.

  • Amin’ny alalan’ny vavaka amin-kitsim-po dia afaka mahafantatra isika fa marina ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

  • Rehefa mivavaka isika dia mampianatra sy manamafy fahamarinana amintsika ny Fanahy Masina.

Sary
misiônera mampianatra zatovolahy

Fanontaniana azonao apetraka amin’ny olona

Ireto fanontaniana manaraka ireto dia ohatra amin’ny zavatra azonao apetraka amin’ny olona. Ireo fanontaniana ireo dia afaka manampy anao hanao resadresaka manan-danja sy hahatakatra ny zavatra ilain’ny olona iray sy ny fomba fijeriny.

  • Inona no inoanao momba an’Andriamanitra?

  • Hanampy anao amin’ny fomba ahoana ny fahatsapana ho akaiky kokoa an’ Andriamanitra?

  • Inona no zavatra fantatrao momba an’i Jesoa Kristy? Inona no fiantraikan’ny fiainany sy ny fampianarany teo aminao?

  • Ahoana no ahitanao valiny azo ianteherana ao anatin’izao tontolo misafotofoto izao?

  • Hanampy anao amin’ny fomba ahoana ny fahalalana fa misy mpaminany velona eto an-tany ankehitriny?

  • Efa nandre momba ny Bokin’i Môrmôna ve ianao? Afaka mizara ny antony maha-zava-dehibe izany ve izahay?

  • Azonao zaraina ve ireo zavatra inoanao momba ny vavaka? Afaka mizara ireo zavatra inoanay momba ny vavaka ve izahay?

Ireo fanasana azonao atolotra

  • Moa ve ianao hangataka amin’ Andriamanitra ao anatin’ny vavaka mba hanampy anao hahafantatra raha toa ka marina ny zavatra nampianarinay? (Jereo ny “Tari-dalana enti-mampianatra: Vavaka” ao amin’ny fizarana farany amin’ity lesona ity.)

  • Handeha ho any am-piangonana ve ianao amin’ity alahady ity mba hianatra bebe kokoa momba ny zavatra nampianarinay?

  • Moa ve ianao hamaky ny Bokin’i Môrmôna sy hivavaka mba hahafantarana fa tenin’ Andriamanitra izany? (Azonao atao ny manolotra toko na andininy manokana.)

  • Moa ve ianao hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa ka hatao batisa? (Jereo ny “Ny fanasana mba hatao batisa sy horaisina ho mpikambana,” izay mialoha avy hatrany ity lesona ity.)

  • Afaka mametraka fotoana hanaovana ny fitsidihanay manaraka ve isika?

Fototra ara-potopampianarana

Ity fizarana ity dia manome fotopampianarana sy soratra masina hohalalininao mba hanamafisana ny fahalalanao ny filazantsara sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny filazantsara ary hanampiana anao hampianatra.

Sary
fianakaviana

Andriamanitra dia Ilay Raintsika be fitiavana any An-danitra

Andriamanitra no Raintsika any An-danitra ary zanany isika. Nahary antsika tahaka ny endriny Izy. Izy dia “manana vatana nofo sy taolana” be voninahitra sy tonga lafatra, “ azo tsapain-tanana toy ny an’ ny olona” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22).

Mahafantatra antsika manokana Andriamanitra ary tia antsika mihoatra noho izay azontsika takarina. Takany ny fitsapana atrehintsika sy ny alahelontsika ary ny fahalementsika, ary manolo-tanana mba hanohana antsika ao anatin’izany Izy. Faly amin’ny fivoarantsika Izy ary hanampy antsika hanao safidy tsara. Te hifandray amintsika Izy, ary afaka mifandray Aminy amin’ny alalan’ny vavaka isika.

Nomen’ Andriamanitra antsika izany zavatra ianaina teto an-tany izany mba hahafahantsika mianatra sy mivoatra ary ho tonga tahaka Azy kokoa. Tiany, amin’ny fitiavana tonga lafatra, isika hiverina any Aminy aorian’ny fahafatesantsika. Saingy tsy hahavita irery izany isika. Satria tia antsika Andriamanitra dia nandefa ny Zanany Jesoa Kristy Izy mba hanavotra antsika. “Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Lahitokana, mba … hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16-17 ).

Te hanome antsika fiadanana sy ny fahafenoan’ny fifaliana izay haharitra mandrakizay Andriamanitra. Nanolotra drafitra izay manome antsika fahafahana mba hahazo ireo fitahiana ireo Izy. Antsoina hoe drafitry ny famonjena izany drafitra izany (jereo ny lesona 2).

Fandalinana ny soratra masina

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

Sary
Moses and the Tablets (I Mosesy sy ireo Takela-bato), nataon’i Jerry Harston

Manambara ny filazantsara amin’ny alalan’ny Mpaminany Andriamanitra isaky ny fotoampitantanana

Solontenan’ Andriamanitra eto ambonin’ny tany ireo mpaminany

Ny fomba iray manan-danja hanehoan’ Andriamanitra ny fitiavany antsika dia ny fiantsoana mpaminany, ny fanomezana azy ireo ny fahefan’ny fisoronana ary ny fitaomana ny fanahin’izy ireo hiteny ho Azy. Solontenan’ Andriamanitra eto ambonin’ny tany ny mpaminany. Ny mpaminany Amosa ao amin’ny Testamenta Taloha dia nanoratra fa “tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony” (Amosa 3:7). Voasoritra etsy ambany ny sasany amin’ireo fitahiana azontsika avy amin’ireo mpaminany velona.

Vavolombelon’i Jesoa Kristy. Ny mpaminany dia vavolombelona manokan’i Jesoa Kristy, mijoro ho vavolombelona momba Azy ho Mpamonjy sy Mpanavotra antsika.

Fampianarana. Mandray fitarihana avy amin’ Andriamanitra ny mpaminany mba hanampy antsika hanavaka ny fahamarinana amin’ny fahadisoana. Mampianatra antsika hankatò ny didin’ Andriamanitra sy hibebaka rehefa diso izy ireo. Manameloka ny fahotana izy ireo ary mampitandrina ny amin’izay mety ho vokatr’izany.

Mankahery antsika hitodika any amin’ Andriamanitra ny mpaminany ary manampy antsika handray ireo fitahiana iriny ho antsika. Ny fiarovana lehibe indrindra ananantsika dia ny fanarahana ny tenin’ny Tompo nomena tamin’ny alalan’ny mpaminaniny.

Ny fahefan’ny fisoronana. Ny mpaminany ankehitriny no mpihazona fisoronana mpiahy eto an-tany. Ny fisoronana dia ny hery sy ny fahefan’ Andriamanitra. Manana fahefana hiteny sy hiasa amin’ny anaran’ Andriamanitra ho famonjena ny zanany ny mpaminany.

Fitarihana ny Fiangonana. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia miorina eo amin’ny fanorenan’ny mpaminany sy ny apôstôly (jereo ny Efesiana 2:19–20; 4:11–14).

Mpaminany tamin’ny andro fahiny

I Adama no mpaminany voalohany teto an-tany. Nanambara taminy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy Andriamanitra ary nanome azy ny fahefan’ny fisoronana. Nampianatra ny zanany ireo fahamarinana ireo i Adama sy i Eva ary namporisika azy ireo hanana finoana ary hiaina ny filazantsara.

Nikomy sy nanalavitra ny filazantsara ny taranak’i Adama sy i Eva tamin’ny farany. Izany dia nitarika ho amin’ny toe-javatra iray antsoina hoe apôstazia, na fihemorana. Rehefa miely patrana ny apôstazia dia esorin’ Andriamanitra ny fahefan’ny fisoronany, izay ilaina mba hampianarana sy hanatanterahana ireo ôrdônansin’ny filazantsara.

Mirakitra fotoana maro nielezan’ny apôstazia ny Testamenta Taloha. Mba hamaranana izany vanim-potoana izany dia nifandray tamin’ny zanany Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fiantsoana mpaminany iray hafa. Nambarany indray ireo fahamarinan’ny filazantsara ary nomeny ny fahefan’ny fisoronana izy ireo. Anisan’ireny mpaminany ireny i Noa, sy i Abrahama, ary i Mosesy. Indrisy anefa fa rehefa nandeha ny fotoana, dia niverimberina nanda ireo mpaminany ny olona ary nihemotra tamin’ny farany.

Fandalinana ny soratra masina

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

  • Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mpaminany

  • Lohahevitra araka ny filazantsara: “Mpaminany,” “Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonana

Sary
O My Father (Ô ry Ray), nataon’i Simon Dewey

Ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy teto an-tany sy ny Sorompanavotany

Zanak’ Andriamanitra i Jesoa Kristy. Ivon’ny drafitr’ Andriamanitra ho antsika i Jesoa sy ny Sorompanavotany. Tafiditra tao anatin’ny Sorompanavotany ny fijaliany tao amin’ny Saha Getsemane, sy ny fanaintainany sy ny fahafatesany teo amin’ny hazofijaliana, ary ny Fitsanganany tamin’ny maty.

Hatramin’ny andron’i Adama sy i Eva dia niandrandra ny fiavian’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy sy Mpanavotra azy ireo ny olona. Nandefa an’i Jesoa tety an-tany ny Ray any An-danitra 2.000 taona mahery lasa izay.

Nanana fiainana lavorary sy tsy nisy fahotana i Jesoa. Nampianatra ny filazantsarany Izy ary nanorina ny Fiangonany. Niantso Apôstôly roa ambin’ny folo Izy ary nomeny ny fahefan’ny fisoronana izy ireo mba hampianatra sy hanatanteraka ireo ôrdônansy masina, toy ny batisa. Nomeny fahefana hitarika ny Fiangonany koa izy ireo.

Tamin’ny fiafaran’ny fiainany dia nanonitra ny fahotantsika tamin’ny alalan’ny fijaliany tao Getsemane sy nandritra ny Fanomboana Azy i Jesoa. Noho ny sorona fanavotana nataon’i Jesoa dia afaka ny ho voadio amin’ny fahotantsika isika rehefa mibebaka. Izany dia ahafahantsika miverina eo anatrehan’ Andriamanitra sy mandray ny fahafenoan’ny fifaliana.

Taorian’ny nanomboana an’i Jesoa dia nitsangana tamin’ny maty Izy, nahazo fandresena tamin’ny fahafatesana tamin’ny alalan’ny herin’ny Ray any An-danitra. Noho ny Fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty dia hitsangana amin’ny maty avokoa isika rehetra rehefa maty. Midika izany fa hitambatra indray ny fanahin’ny olona tsirairay sy ny vatany, ary ny tsirairay amintsika dia hiaina mandrakizay ao anatin’ny vatana tonga lafatra sy nitsangana tamin’ny maty. (Jereo ny “Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy” ao amin’ny lesona 2.)

Sary
Ny Mpaminany Joseph Smith

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Ireo fitsipika fototra amin’ny fivavahantsika dia ny tenivavolombelon’ireo Apôstôly sy Mpaminany, mikasika an’i Jesoa Kristy, fa maty Izy, nalevina, ary nitsangana indray tamin’ny andro fahatelo, ary niakatra tany an-danitra; ary ny zavatra rehetra izay mikasika ny fivavahantsika dia manampy izany fotsiny” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith [2007], 49).

Fandalinana ny soratra masina

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

Ny Fahalavoana

Taorian’ny nahafatesan’i Jesoa Kristy dia nikatsaka ny hihazona ny fotopampianaran’i Kristy ho madio sy hitandro ny filaminana ao amin’ny Fiangonana ny Apôstôliny. Kanefa dia maro ny mpikamban’ny Fiangonana no niala tamin’ny Apôstôly sy ny fotopampianarana izay nampianarin’i Jesoa.

Taorian’ny namonoana ny Apôstôly dia niely patrana ny fihemorana tamin’ny filazantsara sy ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Io fihemorana io dia antsoina indraindray hoe Apôstazia Lehibe. Noho izany dia nesorin’ Andriamanitra teto an-tany ny fahefan’ny fisoronana. Tafiditra tao anatin’io zavatra nafoy io ny fahefana nilaina mba hitarihana ny Fiangonana. Vokatr’izany dia tsy teto an-tany intsony ilay Fiangonana naorin’i Jesoa.

Nandritra izany fotoana izany dia novain’ny olona ireo fampianaran’ny filazantsara. Ny ankamaroan’ny fahalalana momba ny tena toetran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina dia navadika na very. Novain’ny olona koa ireo ôrdônansin’ny fisoronana, toy ny batisa.

Taonjato maro taty aoriana, dia niezaka namerina ireo fampianarana sy ireo fomba fanao izay novana ny lehilahy sy vehivavy mpitady ny fahamarinana. Nikatsaka fahazavana ara-panahy lehibe kokoa izy ireo, ary ny sasany tamin’izy ireo dia niresaka ny amin’ny ilana famerenana amin’ny laoniny ny fahamarinana. Ny ezaka nataon’izy ireo dia nitarika ho amin’ny fananganana fiangonana maro.

Io vanim-potoana io dia niteraka fanantitranterana tsy nitsaha-nitombo momba ny fahalalahana ara-pivavahana, izay nanokatra ny lalana hamerenana amin’ny laoniny ny fahamarinana sy ny fahefana avy amin’ Andriamanitra.

Ireo mpaminany sy apôstôly dia efa nanambara mialoha ny fihemorana (jereo ny 2 Tesaloniana 2:1–3). Efa nilaza mialoha koa izy ireo fa haverina amin’ny laoniny eto an-tany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany (jereo ny Asan’ny Apostoly 3:20–21). Raha tsy nisy ny fihemorana dia tsy ho nilaina ny famerenana amin’ny laoniny.

Fandalinana ny soratra masina

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

Ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’i Joseph Smith

Ny Fahitana Voalohany sy ny Fiantsoana an’i Joseph Smith ho Mpaminany

Nandritra ireo taonjato izay tsy naha-teto an-tany ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, dia nanohy nanatona ireo zanany ny Ray any An-danitra. Rehefa nandeha ny fotoana dia nanomana ny lalana Izy mba hahazoan’izy ireo fitahiana indray amin’ny fahafenoan’ny filazantsarany. Rehefa nety ny toe-javatra, dia niantso an’i Joseph Smith Izy ho mpaminany izay hamerenana amin’ny laoniny ny filazantsara sy ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Nipetraka tany atsinanan’i Etazonia i Joseph Smith tamin’ny fotoan’ny fientanam-po ara-pivavahana lehibe. Nanokan-tena ho an’ Andriamanitra ny olona tao amin’ny fianakaviany ary nitady fahamarinana. Fiangonana maro no nilaza fa manana ny fahamarinana, ary naniry ny hahafantatra izay marina i Joseph (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:18). Ny Baiboly dia mampianatra fa “iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa” (Efesiana 4:5). Rehefa nanatrika fiangonana samihafa i Joseph dia sahiran-tsaina ny amin’izay tokony hidirany ho mpikambana. Nilaza Izy taty aoriana hoe:

“Saingy lehibe izaitsizy ny fifanjevoana sy ny adilahy teo anivon’ireo fivavahana samy hafa, ka tsy ho vitan’ny tanora toa ahy … ny hamantatra marina hoe iza no marina ary iza no diso. …

“Teo afovoan’izany ady antsanga sy horakoraka teo amin’ny hevitra izany, dia hoy aho mazàna anakampo: Inona no tokony hatao? Iza amin’ireo andiany rehetra ireo no marina? Sa miara-diso avokoa izy ireo? Raha marina ny anankiray aminy, dia iza izany? Ary ahoana no hahafantarako azy?” (Joseph Smith—Tantara 1:8, 10).

Tahaka ny olona maro dia nanana fanontaniana momba ny famonjena ny fanahiny ihany koa i Joseph Smith. Naniry ny ho voavela heloka sy ho madio eo anatrehan’ Andriamanitra izy. Rehefa nitady fahamarinana tany amin’ireo fiangonana samihafa izy, dia namaky tao amin’ny Baiboly hoe: “Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra, izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa, ary dia homena azy izany” (Jakoba 1:5).

Noho io andinin-tsoratra masina io dia nanapa-kevitra i Joseph hanontany an’ Andriamanitra izay tokony hataony. Tamin’ny lohataonan’ny taona 1820 dia nandeha tany amin’ny ala kely iray teo akaikin’ny tranony izy ary nandohalika nivavaka. Misy fitantarana miisa efatra momba ilay fahitana taorian’izany, izay noraketin’i Joseph Smith na nosoratan’ireo mpitantsoratra teo ambany fitarihany (jereo ny Gospel Topics Essays, “First Vision Accounts”). Ao amin’ilay fitantarana voarakitra ho soratra masina dia notantarainy toy izao ny zavatra niainany:

Sary
The First Vision (Ny Fahitana Voalohany), nataon’i Linda Christensen sy Michael Malm

“Nahita andrim-pahazavana teo ambonin’ny lohako indrindra aho, nihoatra ny famirapiratan’ny masoandro, nidina tsikelikely teo amboniko. … Rehefa nijanona teo amboniko ilay hazavana dia nahita Olona roa aho izay mihoatra ny famaritana rehetra ny famirapiratany sy ny voninahiny nijoro nitsingevaheva teo amboniko. Niteny tamiko ny anankiray Taminy, niantso ahy tamin’ny anarako sady nanondro ilay anankiray no nanao hoe—Ity no Zanako Malalako. Henoy Izy!Joseph Smith—Tantara 1:16–17

Niseho tamin’i Joseph Smith tao anatin’ny fahitana iray Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany. Nilaza taminy ny Mpamonjy mba tsy hiditra ho mpikambana any amin’izay fiangonana misy.

Ao amin’ny fitantarana iray hafa momba ny Fahitana Voalohany dia nolazain’i Joseph fa niteny taminy koa ny Tompo hoe: “Voavela ny fahotanao.… Indro, izaho no Tompon’ny voninahitra. Nohomboina teo amin’ny hazofijaliana ho an’izao tontolo izao aho, mba hahazoan’izay rehetra mino ny anarako ny fiainana mandrakizay.”

Taorian’ilay fahitana dia nilaza i Joseph hoe: “Heniky ny fitiavana ny fanahiko ary nandritra ny andro maro dia afaka niravoravo fatratra aho ary niaraka tamiko ny Tompo” (Joseph Smith History, circa Summer 1832, 3, josephsmithpapers.org; spelling and punctuation modernized).

Tamin’ny alalan’io fahitana io dia lasa vavolombelon’i Jesoa Kristy i Joseph Smith ary nianatra fahamarinana manan-danja momba ny Andriamanitra. Ohatra, nianatra izy fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia olona misaraka miavaka tsara. Rehefa niantso azy tamin’ny anarany izy ireo dia fantany fa fantatr’izy ireo manokana izy. Rehefa nolazaina tamin’i Joseph fa voavela ny helony, dia fantany fa be famindram-po Andriamanitra. Nanome fifaliana azy izany zavatra niainana izany.

Tahaka ny nataon’ Andriamanitra tamin’ireo mpaminany maro teo aloha dia niantso an’i Joseph Smith Izy ho mpaminany izay hamerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara eto an-tany. Ity famerenana amin’ny laoniny ity dia hanampy ny zanak’ Andriamanitra hahita fifaliana eto amin’ity izao tontolo izao ity sy fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy—amin’ny alalan’i Jesoa Kristy avokoa.

Famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana sy ny fanalahidin’ny fisoronana

Sary
Upon You My Fellow Servants (Ianareo ry mpiara-manompo amiko no tolorako), nataon’i Linda Curley Christensen sy Michael Malm

Taorian’ny fisehoan’ny Ray sy ny Zanaka dia nisy iraka avy any an-danitra hafa nalefa tany amin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery mpiara-miasa aminy. Niseho tamin’ny maha-olona efa nitsangana tamin’ny maty azy i Jaona Mpanao Batisa ary nanome azy ireo ny Fisoronana Aharôna sy ny fanalahidin’izany. Ny Fisoronana Aharôna dia ahitana ny fahefana hanaovana batisa.

Sary
The Voice of Peter, James, and John (Ny Feon’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona), nataon’i Welden C. Andersen

Fotoana fohy taorian’izay dia niseho tamin’ny maha-olona efa nitsangana tamin’ny maty azy i Petera sy i Jakoba ary i Jaona—ireo Apôstôlin’i Kristy tany am-boalohany—ary nanome ny Fisoronana Melkizedeka sy ny fanalahidiny an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery. Io fisoronana io no fahefana nomen’i Kristy ny Apôstôliny fahiny.

Sary
Image of Moses Elias and Elijah descending into the Kirtland temple and appearing to Joseph Smith.

Niseho tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny Tempolin’i Kirtland i Mosesy sy i Elia ary i Elisa ary nanolotra azy ireo ny fahefana fanampiny sy ny fanalahidin’ny fisoronana ilaina mba hanatanterahana ny asan’ Andriamanitra amin’ny andro farany. Nanome ny fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely i Mosesy. I Elia no nanolotra ny fotoampitantanan’ny filazantsaran’i Abrahama. Nanolotra ny fanalahidin’ny fahefana entina mamehy i Elisa. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:11–16; jereo koa ny Boky torolalana maneran-tany, 3.1.)

Fananganana ny Fiangonana

Nasaina nanangana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy indray teto an-tany indray i Joseph Smith. Tamin’ny alalany no niantsoan’i Jesoa Kristy ny Apôstôly roa ambin’ny folo.

Ireo mpaminany tamin’ny andron’ny Baiboly dia niantso izao fotoana iainantsika izao ho andro farany na ireo andro farany. Fotoana fohy alohan’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany izao. Izany no antony niantsoana ny Fiangonana hoe Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:3–4; jereo koa ny 3 Nefia 27:3–8).

Ireo Mpaminany sy Apôstôly velona ankehitriny

Tahaka ny niantsoan’i Jesoa ny Apôstôly nandritra ny asa fanompoany teto an-tany mba hitarika ny Fiangonany, dia niantso Apôstôly Izy hitarika izany ankehitriny. Mpaminany sy mpahita ary mpanambara ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Ny Apôstôly zokiny indrindra ihany no antsoina hoe ny mpaminany satria izy no miahy ny Fiangonana manontolo ary manana fahefana manokana hiteny ho an’ny Tompo. Izy no mpandimby an’i Joseph Smith nahazo lalana. Izy sy ireo Apôstôly ankehitriny dia manoritra ny fahefan’izy ireo hatrany amin’i Jesoa Kristy ao anatin’ny rojom-pitohizan’ireo fanendrena tsy misy fahatapahana izay nanomboka tamin’ny fotoana nanendrena an’i Joseph Smith teo ambanin’ny tanan’ireo iraka avy any an-danitra.

Fandalinana ny soratra masina

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

Ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy

Ny Bokin’i Môrmôna dia bokin-tsoratra masina tranainy tahaka ny Baiboly. Ny Baiboly dia vavolombelona iray momba an’i Jesoa Kristy, ary ny Bokin’i Môrmôna dia vavolombelona faharoa momba ny asa fanompoany sy ny fampianarany ary ny asa nanirahana Azy amin’ny maha-Mpamonjy antsika.

Notarihin’ny iraka avy any an-danitra antsoina hoe Môrônia i Joseph Smith mba ho any amin’ny havoana iray izay nandevenana rakitsoratra fahiny iray nandritra ny taonjato maro. Io rakitsoratra io, izay nosoratana teo amin’ny takela-bolamena (ravina metaly manify), dia nahitana ireo asa soratry ny mpaminany mikasika ny fifandraisan’ Andriamanitra tamin’ny sasany tamin’ireo mponina fahiny tany Amerika. Nandika io rakitsoratra io tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’ Andriamanitra i Joseph Smith.

Nahafantatra momba ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy ireo mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ary nampianatra ny filazantsarany. Taorian’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty dia niseho tamin’ireo olona ireo Izy ary nanompo azy ireo manokana. Nampianariny izy ireo ary naoriny ny Fiangonany.

Ny Bokin’i Môrmôna dia manampy antsika hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra rehefa mianatra sy mahatakatra ary mampihatra ny fampianarany isika. Nilaza ny Mpaminany Joseph Smith fa “hanatona bebe kokoa an’ Andriamanitra ny olona amin’ny fanarahana ny fepetra ao anatiny toy izay ny ao anatin’ny boky hafa” (Enseignements: Joseph Smith, 64).

Sary
lehilahy iray mamaky boky

Mba hahafantarana fa ny Bokin’i Môrmôna dia tenin’ Andriamanitra dia mila mamaky izany isika, misaintsaina izany ary mivavaka momba izany. Nampanantena ny mpaminanin’ny Bokin’i Môrmôna iray fa hanambara amintsika ny fahamarinan’ny boky Andriamanitra rehefa mivavaka amin’ny amim-kitsim-po, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy (jereo ny Môrônia 10:3–5). Tena ilaina ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna mba hananana fiovam-po maharitra.

Rehefa mamaky ny Bokin’i Môrmôna sy mivavaka momba izany isika dia hianatra fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy izay hitahy ny fiainantsika. Ho fantatsika koa fa mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith ary naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalany ny filazantsara sy ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Mampanantena anareo aho fa rehefa mandalina ombam-bavaka ny Bokin’i Môrmôna isan’andro ianareo dia handray fanapahan-kevitra tsara kokoa ianareo, isan’andro Mampanantena aho fa rehefa misaintsaina ny zavatra halalininareo ianareo dia hisokatra ny varavaran’ny lanitra, ka handray ny valin’ny fanontanianareo sy torolalana ho an’ny fiainanareo ianareo. Mampanantena aho fa rehefa mandalina lalina ny Bokin’i Môrmôna ianareo dia ho voaro amin’ireo zavatra ratsy amin’izao vanin’andro izao, eny na dia ny aretina mamikitry ny pôrnôgrafia sy ireo fiankinan-doha hafa mahadonto ny saina mihitsy aza.” (“Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?Liahona, nôv. 2017, 62–63).

Fandalinana ny soratra masina

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

  • Torolalana ho an’ny Soratra masina: “Bokin’i Môrmôna

  • Sujets de l’Évangile: “Livre de Mormon

Sary
vehivavy iray mivavaka

Mivavaha mba hahafantarana ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina

Satria Raintsika Andriamanitra dia hanampy antsika hamantatra ny fahamarinana Izy. Afaka mahafantatra isika fa marina ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy rehefa mamaky ny Bokin’i Môrmôna sy mivavaka amin’ Andriamanitra isika. Rehefa mivavaka amim-pinoana sy amin’ny tena finiavana isika dia hamaly ny fanontaniantsika Izy ary hitarika ny fiainantsika.

Matetika Andriamanitra no mamaly ny vavaka ataontsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Rehefa mivavaka isika dia mampianatra sy manamafy ny fahamarinana ny Fanahy Masina. Mahery vaika ny fifandraisana avy amin’ny Fanahy Masina. Matetika izy ireny no tonga toy ny fanomezan-toky mangina amin’ny alalan’ny fahatsapantsika sy ny eritreritsika ary ny fahatsapantsika (jereo ny 1 Mpanjaka 19:11–12; Helamàna 5:30; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2).

Ny fandalinana tsy tapaka ny soratra masina (indrindra ny Bokin’i Môrmôna), ny fanatrehana ny fivoriana fanasan’ny Tompo isan-kerinandro, ary ny vavaka amin-kitsim-po dia manampy antsika hahatsapa ny herin’ny Fanahy Masina sy hahita ny fahamarinana.

Fandalinana ny soratra masina

Hianatra kokoa momba ity fitisipika ity

  • Torolalana ho an’ny Soratra Masina,“Vavaka

  • .

  • Sujets de l’Évangile, “Prière

Drafi-pampianarana fohy mankany amin’ny drafi-pampianarana antonontonony

Ity rindran-damina manaraka ity dia santionany amin’ny zavatra azonao ampianarina olona iray raha toa ka tsy manana afa-tsy fotoana fohy ianao. Rehefa mampiasa ity rindran-damina ity dia mifidiana fitsipika iray na maromaro hampianarina. Ny fototra ara-potopampianarana ho an’ny fitsipika tsirairay dia omena mialoha ao amin’ny lesona.

Rehefa mampianatra ianao dia mametraha fanontaniana ary mihainoa. Manolora fanasana izay hanampy ny olona hianatra ny fomba hanakaikezana kokoa an’ Andriamanitra. Ny fanasana manan-danja iray atao dia ny mba hihaonan’ilay olona aminao indray. Ny halavan’ny lesona dia hiankina amin’ny fanontaniana apetrakao sy ny fihainoana ataonao.

Sary
misiônera miresaka amin’ny lehilahy iray

Inona no azonao ampianarina ny olona ao anatin’ny 3–10 minitra

  • Andriamanitra dia Raintsika any An-danitra, ary nahary antsika araka ny endriny Izy. Mahafantatra antsika manokana Izy ary tia antsika. Te hanome antsika fiadanana sy ny fahafenoan’ny fifaliana izay haharitra mandrakizay Izy.

  • Zanak’ Andriamanitra i Jesoa Kristy. Ny asa nanirahana Azy dia ny hahatonga antsika ho voadio amin’ny fahotantsika sy handresy ny fahafatesana ary hahazo ny fiainana mandrakizay.

  • Miantso mpaminany ho solontenany eto an-tany Andriamanitra. Fahiny dia niantso mpaminany toa an’i Adama, i Noa, i Abrahama ary i Mosesy Izy. Mandray fanambarana avy amin’ Andriamanitra ny mpaminany velona iray mba hampianatra sy hitarika antsika ankehitriny.

  • Nanangana ny Fiangonany nandritra ny asa fanompoana teto an-tany i Jesoa. Taorian’ny nahafatesan’ireo Apôstôlin’i Jesoa dia niely patrana ny fialana tamin’ny filazantsara sy ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Novain’ny olona ireo fampianaran’ny filazantsara maro sy ireo ôrdônansin’ny fisoronana, toy ny batisa.

  • Niantso an’i Joseph Smith ho mpaminany Andriamanitra, tahaka ny niantsoany mpaminany tany aloha tany. Niseho taminy Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy. Naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

  • Ny Bokin’i Môrmôna dia bokin-tsoratra masina iray. Tahaka ny Baiboly, dia testamenta iray momba an’i Jesoa Kristy izy io ary manampy antsika hanatona akaiky kokoa an’ Andriamanitra rehefa mamaky azy io isika sy mampihatra ireo fitsipika ao anatiny. Nandika izany tamin’ny alalalan’ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra sy ny heriny i Joseph Smith

  • Afaka mifandray amin’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny vavaka amin-kitsim-po. Afaka mahafantatra isika fa marina ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.