Seminera
Tombano ny fianaranao, Fizarana 1: Mosesy 1–5; Abrahama 1–3; Genesisy 37; 39; 41


“Tombano ny fianaranao, Fizarana 1: Mosesy 1–5; Abrahama 1–3; Genesisy 37; 39; 41,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Tombano ny fianaranao, Fizarana 1: Mosesy 1–5; Abrahama 1–3; Genesisy 37; 39; 41,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Tovana

Tombano ny fianaranao, Fizarana 1

Mosesy 1–5; Abrahama 1–3; Genesisy 37; 39; 41

Ny fisaintsainana sy ny fanombatombanana ny fandalinantsika ara-panahy dia afaka manampy antsika hanakaiky kokoa ny Mpamonjy. Ity fanombatombanana ity dia manampy anao hitadidy sy hanombatombana hoe ahoana no nanampian’ny fandalinanao ny Mosesy 1–5 sy ny Abrahama 1–3; ary ny Genesisy 37; 39; 41 hivoatra ara-panahy sy hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy. Mitadiava fotoana ahafahana mizara ny sasany amin’ireo valinteninao amin’ny namana na amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana.

Fanamarihana: Alohan’ny hanaovana ity fanombantombanana ity dia ataovy azo antoka ny famitana ireo vakiteny takina raha toa ka tsy mbola nanao izany ianao: Mosesy 1-5;sy Abrahama 1-3;ary ny Genesisy 37; 39; 41.

Inona no zavatra ianaranao? Manao ahoana ny fivoaranao?

Zina Flowers and Zina Seeds

Eritrereto ny dingan’ny fizotry ny voa iray ho lasa voninkazo.

  • Inona avy ireo zavatra sasantsasany ilain’ny voa iray mba hamoahany ny heriny feno?

  • Amin’ny fomba ahoana no mampitovy ny dingana arahina amin’ny fahatongavana tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny dingana arahin’ny voa iray amin’ny fahatongavana ho voninkazo?

Makà minitra vitsy hanoratana ao amin’ny diary fandalinanao momba ny fivoaranao kokoa ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa mandalina ny Testamenta Taloha ianao. Rehefa manoratra ianao dia afaka manampy anao hitadidy ireo fahamarinana nianaranao ny Fanahy Masina. Afaka manampy anao ihany koa ny Fanahy hamantatra ireo fomba nitomboanao ara-panahy.

Fanazavana ny vokatry ny Fahalavoana sy ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpanavotra antsika Azy

Zava-dehibe ny mahatakatra ny Fahalavoana ao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra sy ny anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny maha-Mpanavotra antsika Azy tamin’ny vokatry ny Fahalavoana. Misafidiana iray amin’ireto lohahevitra eto ambany ireto. Avereno jerena ny Mosesy 4:6–13; 22–25; 5:5–12, ary eritrereto ny fomba hanazavanao ilay lohahevitra nosafidinao.

  1. Ny safidin’i Adama sy Eva izay nitondra tany amin’ny Fahalavoana

  2. Ny vokatry ny Fahalavoana ho an’i Adama sy i Eva sy ireo zanaky ny Ray any An-danitra rehetra

  3. Ny fomba hanavotan’ny Mpamonjy antsika amin’ny vokatry ny Fahalavoana

Raketo an-tsoratra ao anatin’ny diary fandalinanao ny fomba hanazavanao ilay lohahevitra nosafidinao ary manaova fanazarana manazava ireo lohahevitra ireo amin’olona ao amin’ny fianakaviana na namana, na ny mpampianatra seminera anao.

Mampitombo ny faniriantsika hanatanteraka ny fahafahantsika ho lasa tahaka an’ Andriamanitra sy ny tanjona eo anatrehan’izany

Old Testament Lesson 21 - Identity

Manaova sarin’olona tsotsotra iray afaka maneho anao. Soraty ao anatin’io sarin’olona tsotsotra io na eo akaikiny ireo fahamarinana momba ny fahafahanao ho lasa tahaka an’ Andriamanitra izay nianaranao vao haingana tao amin’ny Testamenta Taloha. Raha azo atao dia ataovy manondro ny tenanao manokana ireo teny ireo amin’ny fampiasana ny hoe “izaho” na “aho”. Ampiasao ny sasany na izy rehetra amin’ireto soratra masina izay nohalalininao vao haingana manaraka ireto mba hanampiana anao:

Abrahama 3:22–23

Mosesy 1:1–11

Mosesy 1:12–24

Genesisy 1:26–27

Avy eo dia misafidiana sahanasa iray hovitaina amin’ireto manaraka ireto.

Safidy A: Mamariparita toe-javatra vitsivitsy ka ny fahalalana ireo fahamarinana ireo dia mety hanampy olona iray eo am-piatrehana izany. Hazavao ny fomba ahafahan’ireo fahamarinana ireo manampy amin’ny toe-javatra tsirairay.

Safidy B: Fenoy ireto andian-teny manaraka ireto:

Manampy ahy ny fahafantarana ireo fahamarinana ireo rehefa

  • mieritreritra ny momba ny tenako aho satria …

  • Miatrika fakam-panahy aho satria …

  • Mifandray amin’ny hafa aho satria …

  • Manapa-kevitra aho satria …

Mandray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely

Ao amin’ny Testamenta Taloha isika dia mianatra momba ny fampanantenan’ny Tompo tamin’ny mpianakavin’i Isiraely izay fantatra amin’ny hoe Fanekempihavanan’i Abrahama. Vakio ny Abrahama 2:8–11 mba hamerenana mijery ny atao hoe fanekempihavanana. Namporisika ireo zatovon’ny Fiangonana ny Filoha Russell M. Nelson mba hanampy ny hafa hiditra ao amin’io fanekempihavanana amin’ny Tompo io. Izany no antsoina hoe fanangonana an’i Isiraely. Nizara ny fomba ahafahantsika mandray anjara amin’izany ny Filoha Nelson:

Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Isaky ny manao zavatra izay hanampy olona isika—eo amin’ny lafy roa amin’ny voaly—mba hanao dingana mitondra any amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra dia manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely izay isika (“Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona, nôv. 2020, 92–93).

Eritrereto ny fomba ahafahanao mandray anjara mavitrika amin’ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny alalan’ny famoronana kisary tahaka ity manaraka ity ao amin’ny diary fandalinanao. Tanisao ao anatin’ny faribolana tsirairay ny eritreritrao sy ny fahatsapanao.

Tohizo ny mikatsaka ny fanampian’ny Fanahy Masina mba hamantarana ireo fomba ahafahanao mandray anjara amin’ny fanangonana an’i Israely. Na dia mety tsy nanao zavatra betsaka aza ianao mba hanampiana amin’ny fanangonana an’i Isiraely dia afaka manomboka izao ianao. Hitahy anao sy ny hafa ny Tompo rehefa manatanteraka ny drafitrao ianao.