“Tombano ny fianaranao, Fizarana 2: Isaia 1–2; 6; 9; 11–12; 29; 49; 53; 58; 61; Salamo 23–24; Daniela 1–3; 6; Malakia 3,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Tombano ny fianaranao, Fizarana 2: Isaia 1–2; 6; 9; 11–12; 29; 49; 53; 58; 61; Salamo 23–24; Daniela 1–3; 6; Malakia 3,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Tovana
Tombano ny fianaranao, Fizarana 2
Isaia 1–2; 6; 9; 11–12; 29; 49; 53; 58; 61; Salamo 23–24; Daniela 1–3; 6; Malakia 3
Ny fakana fotoana hamantarana ny fitomboana sy ny fivoarana ara-panahy dia manamafy orina ny fifandraisantsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary mandrisika antsika hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Ity lesona ity dia manampy anao hanombantombana ny fivoarana ara-panahy anananao avy amin’ny fandalinanao ny Isaia 1–2; 6; 9; 11–12; 29; 49; 53; 58; 61; Salamo 23–24; Daniela 1–3; 6; Malakia 3. Mitadiava fotoana ahafahana mizara ny sasany amin’ireo valinteninao amin’ny namana na amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana.
Fanamarihana: Alohan’ny hamenoana ity fanombantombanana ity dia ataovy izay hamitana ireo vakiteny takina raha toa ka tsy mbola nanao izany ianao: Isaia 1–2; 6; 9; 11–12; 29; 49; 53; 58; 61; Salamo 23–24; Daniela 1–3; 6; Malakia 3.
Mihatsara iray isan-jato
Nandritra ny zato taona mahery izay dia sahirana ny ekipam-pirenena mpanao hazakazaka am-bisikiletan’i Grande Bretagne ary tsy nahazo afa-tsy medaly vitsivitsy tamin’ny fifaninana ôlaimpika. Saingy tamin’ ny 2003, ny mpanazatra an’ilay ekipa dia nahita fa afaka mitondra fanatsarana iray isan-jato teo amin’ireo sehatra tsy noraharahiana sy tsy ampoizina mba hahatonga ilay ekipa ho tsara kokoa. Vokatr’izany, hatramin’ny 2003, dia nandrombaka ny Tour de France in’enina ny mpihazakazaka am-bisikileta Britanika. Izy ireo ihany koa no nandrombaka saika ny medaly volamena tamin’ny lalao ôlaimpika Fahavaratra 2020 (jereo ny Michael A. Dunn, “Mihatsara iray isan-jato,” Liahona, nôv. 2021).
Nanazava ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
Fihatsarana ara-panahy bitika sy tsy tapaka ary mandeha tsikelikely no dingana tian’ny Tompo ataontsika. (“Clean Hands and a Pure Heart,” Liahona, Nôv. 2007, 82)
Azonao atao ny manoratra ny valinteninao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinana na mizara izany amin’ny namana na olona iray ao amin’ny fianakaviana:
-
Inona avy ireo karazana fahatsapana ara-panahy voarainao avy amin’ny Fanahy Masina tato ho ato? Inona ny zavatra nataonao mba hanatanterahana izany?
-
Inona no sasany tamin’ireo fivoarana kely ara-panahy nataonao amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy anao?
-
Inona avy ireo sehatra sasany izay mbola ilainao hitondrana fanatsarana kely ara-panahy?
Hazavao ireo anaram-boninahitra sy anjara asan’i Jesoa Kristy
Rehefa mandalina ny tenin’ny Tompo ao amin’ny Testamenta Taloha isika dia mianatra kokoa momba ny anaram-boninahiny sy ny anjara asany. Ampiasao ity kisary ity mba hanaovana izao manaraka izao:
-
Soraty eo afovoan’ny faribolana ny hoe “Jesoa Kristy”.
-
Soraty ao anatin’ireo faribolana hafa ny sasany amin’ireo anaram-boninahitra sy anjara asan’i Jesoa Kristy izay nohalalininao tao amin’ny Testamenta Taloha sy andininy iray izay ahafahanao mahita izany. Afaka manampy faribolana fanampiny ianao ho an’ny anaram-boninahitra tsirairay izay hitanao. Mety hanampy ny mamerina mijery ny Isaia 9:6–7; 53:3–5. (Afaka mahita anaram-boninahitra sy anjara asa hafa ianao ao amin’ny Isaia 7:14; 33:22; 40:28; 43:3; 48:17; Jeremia 17:13; Ezekiela 34:11–13. Azonao atao ihany koa ny mijery ny Les noms du Christ hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.)
Eo am-pisaintsainanao ny zavatra ampianarin’ireo anaram-boninahitra sy anjara asan’i Jesoa Kristy antsika momba Azy dia misafidiana anaram-boninahitra iray izay nanaitra anao. Mifantoha amin’io anaram-boninahitra na anjara asa io rehefa mamaly ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ianao:
-
Inona no ampianarin’ity anaram-boninahitra na anjara asa ity anao momba an’i Jesoa Kristy?
-
Toe-java-misy toy inona eo amin’ny fiainanao no mety hiatsara rehefa mahatsiaro izany anaram-boninahitra na anjara asan’i Jesoa Kristy izany ianao?
-
Ahoana no fahitanao ny fanatanterahan’ny Mpamonjy io anaram-boninahitra na anjara asa io eo amin’ny fiainanao na eo amin’ny fiainan’ny hafa ankehitriny?
Azavao ireo faminaniana ao amin’ny Testamenta Taloha momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny andro farany
Alaivo sary an-tsaina hoe manana namana iray izay liana amin’ny fianarana misimisy kokoa momba Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ ny Olomasin’ny Andro Farany ianao. Tianao ny hampiseho amin’ilay namanao fa ny Baiboly dia mampianatra momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Eritrereto ny zavatra azonao zaraina amin’io namanao io. Avy eo dia avereno jerena ireto andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manaraka ireto. Mamantara lafiny iray amin’ny Famerenana amin’ny laoniny izay naminaniana ao amin’ny Testamenta Taloha izay azonao zaraina amin’ny namanao.
Isaia 29:13–14
Ezekiela 37:15–17
Daniela 2:44–45
-
Ahoana no hanazavanao io faminaniana ao amin’ny Testamenta Taloha io amin’ilay namanao?
-
Mampianatra anao inona momba ny Mpamonjy sy ny Fiangonany io faminaniana io?
Raketo an-tsoratra ao anatin’ny diary fandalinanao ny valin-teninao na manaova fanazaran-tena mizara ny fomba hanazavanao ilay faminaniana amin’ny namana iray, na olona iray ao amin’ny fianakavianao, na amin’ny mpampianatra anao.
Mahatsapa faniriana misimisy kokoa handresy ny fahotana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy
Ao amin’ny Isaia 1:18, ny Tompo dia nampiasa sary mba hanampiana antsika hahatakatra ny zavatra azon’ny Mpamonjy atao eo amin’ny fiainantsika rehefa mandresy ny fahotana amin’ny alalan’ny Sorompanavotany isika. Alaivo sary an-tsaina hoe nangatahina ianao hanao lahateny mandritra ny dimy minitra momba ny fandresena ny fahotana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Manorata rindran-damina fohy momba ny mety ho endriky ny lahateninao izay ahitana ireto manaraka ireto:
-
Ny zavatra nianaranao tao amin’ny Testamenta Taloha. Ohatra mety ho tafiditra amin’izany ny Isaia 1:18 sy ny Isaia 53:3–5.
-
Ny zavatra nampianarin’ny Fanahy anao momba ny Mpamonjy sy ny fibebahana.
-
Ny zavatra tsapanao momba an’i Jesoa Kristy sy ny sorona nataony izay ahafahana manadio ny fahotantsika.