Seminera
Matio 11:27; Jaona 5:19, 30; Jaona 8:18–28


Matio 11:27; Jaona 5:19, 30; Jaona 8:18–28

“Haneho Azy ny Zanaka”

Sary
Christ is sitting down on the ground in the temple teaching a group of people. Outtakes included some more of Jesus teaching, the other outtakes with this image are from a different title: “Jesus Christ. Light of the World” showing Christ after the event of the Woman taken in Adultery and the Jews questioning his authority.

Nijoro ho vavolombelona ny Mpamonjy fa afaka mamantatra bebe kokoa ny Ray any An-danitra isika amin’ny fandalinana ny ohatra nasehon’ny Zanany. Izay rehetra nolazain’i Jesoa Kristy sy nataony dia nanaraka ny ohatry ny Rainy ary natao hitondrana antsika bebe kokoa amin’ny Ray. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra bebe kokoa ny toetran’ny Ray any An-danitra sy ny fahatsapany momba anao.

Manampy ny mpianatra hianatra. Mahazo hery ny mpianatra rehefa manadihady ny Soratra Masina mba hahazoana fahatakarana sy hahitany ho an’ny tenany ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara. Tokony omena fahafahana hanazava ny filazantsara amin’ny alalan’ny fampiasany ny teniny manokana izy ireo ary hizara zavatra izay fantany sy tsapany ary hijoro ho vavolombelona mikasika izany. Izany dia hanampy amin’ny famadihana ireo fahalalana ara-tsaina ananan’izy ireo momba ny filazantsara ho lasa fahatsapana ao am-po.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy ny fomba hanamafisany orina izany.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona ity dia miresaka momba ny votoatin-kevitra izay horesahina ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy rehefa mandalina izany ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ao amin’ny Matio 14 ; Marka 6 ; Jaona 5–6 , ary koa rehefa handalina ny Jaona 7–10 izy ireo. Ity lesona ity dia napetraka eto mba hanomezana toerana ho an’ny lesona hafa mandritra ireo herinandro manaraka. Azo ampianarina mandritra ny herinandro itsahina izany na afindra amin’ny iray amin’ireo herinandro manaraka ireo.

Mahafantatra momba ny Ray any An-danitra

Eritrereto izao rafi-tantara manaraka izao:

Tao anatin’ny lahateny iray nandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia nahare mpikambana iray tao amin’ny paroasiny i Claudio nilaza hoe: “Fantatro fa mahafantatra ahy ny Ray any An-danitra ary tia ahy Izy. Fantany ny zavatra ilaiko ary mikatsaka ny hanampy ahy Izy.” Gaga i Claudio ary nanontany tena hoe ahoana no ahalalan’ilay vehivavy an’izany rehetra izany momba ny Ray any An-danitra. Rehefa nisaintsaina ny zavatra fantany momba ny Ray any An-danitra manokana izy dia tsapany ho toy ny tsy dia nisy loatra izany. Nanandrana nitady soratra masina mihintsy aza izy ary tsy nahita fahombiazana firy koa.

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hahatsapantsika ho toa an’i Claudio indraindray?

  • Ahoana no mety ho sarotra ho antsika ny fahatsapana ho tsy mahafantatra ny Ray any An-danitra na ny tsy mahalala akory ny momba Azy?

Omeo fomba iray ireo mpianatra hanaovana fandinihan-tena momba ny zavatra fantany sy takany momba ny Ray any An-danitra. fomba iray hanaovana izany ity sahanasa manaraka ity.

Misy hevitra fanampiny hita ao amin’ny fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny”.

Diniho ny zavatra nianaranao momba ny Ray any An-danitra sy ny fiantraikan’izany fahalalana izany teo aminao. Soraty eo afovoan’ny taratasy kely na ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny teny hoe “Ray any An-danitra”. Soraty manodidina ireo teny ireo ny zavatra fantatrao momba ny Ray any An-danitra.

  • Hisy fiantraikany amin’ny fomba ahoana eo fiainan’ny olona iray ny fahafantarana tsara kokoa momba ny Ray any An-danitra?

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia tadiavo ireo fahamarinana momba ny Ray any An-danitra sy ny Zanany izay afaka manampy anao hahatakatra bebe kokoa ny toetran’Izy Ireo sy ny fahatsapan’Izy Ireo momba anao. Azonao atao ny manampy ao amin’ny taratasy ny zavatra nianaranao momba ny Ray any An-danitra.Niresaka tsy tapaka momba ny Rainy i Jesoa Kristy ary nanao izany nomban’ny tamin’ny tanjona manan-danja. Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary tadiavo izay tian’i Jesoa ho fantatry ny mpanara-dia Azy momba ny Tenany sy ny Ray any An-danitra:

Soraty eo amin’ ny solaitrabe ireo andinin-tsoratra masina ireo. Hevero ny hanasa ny mpianatra handalina samy irery ireo andininy ireo. Avy eo izy ireo dia afaka mizara izay hitany ao anatina vondrona kely, na amin’ny iray kilasy.

Ny Matio 11:27 miaraka amin’ny fanovana ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manazava ireo izay hanehoan’ny Zanaka ny Tenany dia hahita ny Ray ihany koa .

  • Ahoana no hamintinanao ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy tamin’ny zavatra novakinao?

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fomba iray manan-danja ahafahantsika mahafantatra ny Ray any An-danitra.Azonao atao ny mijery ny horonan-tsary “La grandeur de Dieu,” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny kaodim-potoana 0:00 ka hatramin’ny 1:07 na mamaky ity teny manaraka ity.

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Amin’ireo tanjona mahatalanjona maro notanterahina teo amin’ny fiainana sy ny asa fanompoana nataon’i Jesoa Kristy Tompo, dia matetika tsy ankalazaina ny lafiny lehibe amin’izany iraka izany. Ireo mpanara-dia Azy dia tsy nahatakatra tsara izany tamin’izany fotoana izany, ary maro amin’ny Kristianisma maoderina no tsy mahatakatra azy io ankehitriny, saingy ny Mpamonjy Tenany mihitsy no nilaza sy nanantitrantitra izany ombieny ombieny. Izany no fahamarinana lehibe fa tamin’ny zavatra rehetra izay nolazain’i Jesoa sy nataony, tafiditra ao anatin’izany, ary indrindra indrindra tamin’ny fijaliana sy ny sorona manavotra nataony, dia nasehony antsika hoe iza ary manao ahoana Andriamanitra ilay Raintsika Mandrakizay, ary tena nanolo-tena tanteraka ho an’ireo zanany Izy tamin’ny vanim-potoana sy tao amin’ny firenena rehetra. Niezaka nampahafantatra tamintsika tsirairay avy ny tena toetran’ny Rainy, ny Raintsika any An-danitra, tamin’ny alalan’ny teny sy ny asa i Jesoa.

(Jeffrey R. Holland, “La grandeur de Dieu,” Liahona, nov. 2003, 70)

  • Inona no ianaranao avy amin’ny teny nataon’ny Loholona Holland?

Fitsipika iray azontsika ianarana ny hoe: Mampiseho amintsika ny toetran’ny Ray any An-danitra ny tenin’i Jesoa Kristy sy ny asany.

Hevero ny hanoratra io fahamarinana io eny amin’ny solaitrabe.

  • Ahoana no fahitanao io fahamarinana nampianarina tao amin’ny tenin’ny Mpamonjy izay vao avy novakianao teo io?

Nanazava bebe kokoa momba izany fahamarinana izany ny Loholona Holland. Azonao atao ny mijery ny horonan-tsary “La grandeur de Dieu” manomboka amin’ny kaodim-potoana 11:25 ka hatramin’ny 12:49 na mamaky ity teny manaraka ity.

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Ka rehefa namahana ny noana, nanasitrana ny marary, niteny mafy ny fihatsaram-belatsihy, ary niangavy ny olona mba hino—dia izay ilay Kristy maneho amintsika ny fomban’ny Ray, Izy “izay mamindra fo sy miantra, tsy mora sosotra, mahari-po ary heniky ny hatsarana.” Tamin’ny fiainany ary indrindra tamin’ny fahafatesany no nanambaran’ i Kristy hoe: “Ity no fangoraham-pon’ Andriamanitra izay asehoko anareo, ary ny Ahy ihany koa.” Amin’ny fanehoan’ilay Zanaka tonga lafatra ny fiahian’ilay Ray tonga lafatra, amin’ny fiaretan’Izy Ireo fijaliana sy ny alahelo hiombonany noho ny fahotana sy ny ratram-pon’ny maro amintsika, dia hitantsika ny tena hevitr’ ilay fanambarana hoe: “Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’ izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao” [ Jaona 3:16–17 ].

(Jeffrey R. Holland, “La grandeur de Dieu,” Liahona, nov. 2003, 72)

Ampio ny mpianatra hanao fanazarana amin’ny fampiharana ity fitsipika ity (mijery ny teny sy ny zavatra nataon’ny Mpamonjy) ianarana bebe kokoa momba ny Ray any An-danitra. Hita etsy ambany ny ohatra iray amin’ny fomba fanaovana izany.

Safidio ny tantara tianao indrindra momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ny soratra masina. Soraty ilay andinin-tsoratra masina ary fintino. Avy eo dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no ianaranao momba ny Ray any An-danitra sy ny fahatsapany momba anao avy amin’ny zavatra lazain’i Jesoa Kristy na ataony ao amin’io tantara io?

  • Inona no fiantraikan’ny fahalalana izany momba ny Ray any An-danitra eo amin’ny fifandraisanao Aminy?

  • Ahoana no hanampian’ny fifandraisana tsara kokoa amin’ny Ray any An-danitra anao?

Hevero ny hanoratra eo afovoan’ny solaitrabe ny teny hoe “Ray any An-danitra”. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany. Miankina amin’ny habetsahan’ny mpianatra ao amin’ny kilasy sy ny fotoana ananana no ahafahan’ny mpianatra tsirairay mamaky na mamintina ny tantarany. Azon’izy ireo soratana manodidina ny anaran’ny Ray any An-danitra eo amin’ny solaitrabe ny zavatra nianarany momba Azy. Raha tsy izany dia azon’ny mpianatra atao ny mizara horonan-tsarin’ny Baiboly na Bokin’i Môrmôna momba ny tantarany, raha misy.

Mikatsaha fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina rehefa mamorona drafitra fohy ianao amin’ny fomba hanamafisana orina ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra ary soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izany.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Ahoana no ahafahan’ny fahalalana ny Ray any An-danitra mitaona ahy?

Nampianatra toy izao ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44):

Sary
Half-length frontal portrait of the Prophet Joseph Smith, Jr. Joseph’s head is turned to the side in a three-quarter view, right hand on hip and his left hand holds sheets of papers. He is depicted wearing a dark brown suit and a white shirt and tie.

Raha tsy mianatra na inona na inona ankoatra ny mihinana sy misotro ary matory ny [olona], ka tsy mahatakatra ireo fikasan’ Andriamanitra, dia mitovy amin’izany ny zavatra takatry ny biby. Ny biby dia mihinana, misotro, matory, ary tsy mahafantatra zavatra ankoatra izany momba an’ Andriamanitra. Ka dia mitovy amin’ny zavatra fantatsika ny zavatra fantany raha tsy hoe afaka mahatakatra isika amin’ny alalan’ny fitaomam-panahy avy amin’ Andriamanitra Tsitoha. Raha tsy mahatakatra ny toetran’ Andriamanitra ny [olombelona] dia tsy mahatakatra ny tenany manokana izy.

Sahanasa fianarana fanampiny

Sahanasa hafa azo atao hanombohana ny lesona

Hevero ny hizara zavatra niainana manokana tamin’ny fahafantaranao bebe kokoa ny ray aman-dreninao, ny raibe sy renibenao, na olon-kafa mitovy amin’ny ray aman-dreny ary tahaka ny ahoana no fiantraikan’ny fanaovana izany. Asao ny mpianatra hieritreritra sy hizara ny iray amin’izany ihany koa. Asao ny mpianatra handinika izay fantany sy ianarany momba ny Rainy any An-danitra.

Asa fanombatombanana ny fahatakaran’ny tena azo atao

Ampio ireo mpianatra hanombatombana ny ezaka ataon’izy ireo amin’izao hahafantarana bebe kokoa momba ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny fangatahana azy ireo hamita ity fanadihadiana manaraka ity:

(A) Manaiky tanteraka (B) Manaiky (D) Sady tsy manaiky no tsy mandà (E) Mandà (D) Mandà tanteraka

1. Eo am-pahafahantarana bebe kokoa momba ny Raiko any An-danitra aho.2. Mahatsapa ho manakaiky kokoa Azy aho.3. Ny fifandraisako amin’ny Ray any An-danitra dia matanjaka araka izay aniriko azy.4. Haiko ny manamafy orina ny fifandraisako amin’ny Ray any An-danitra.