Seminera
Lioka 11:1-13


Lioka 11:1-13

“Tompoko, mampianara anay hivavaka”

Sary
Two girls, likely sisters, kneel next to each other at a bed, praying. There are blankets folded up at the head of the bed. Behind them is a wardrobe.

Rehefa avy nandre an’i Jesoa nivavaka dia “hoy ny mpianany anankiray taminy: Tompoko, mampianara anay hivavaka” (Lioka 11:1). Novalian’i Jesoa izany tamin’ny fampianarana feno fahalalana izay afaka manampy amin’ny fanamafisana orina ny fifandraisantsika amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alàlan’ny vavaka. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hampanan-danja kokoa ny vavaka ataonao.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra izay nataon’izy ireo mba hampanan-danja kokoa ny vavaka ataon’izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Mampianatra momba ny vavaka ny Tompo

Manaova sary tsipika mitsivalana eny amin’ny solaitrabe. Soraty eo amin’ny sisiny iray amin’ilay tsipika ny hoe Mora ny vavaka ary soraty eny amin’ny sisiny ilany amin’ilay tsipika ny hoe Sarotra ny vavaka. Angataho ny mpianatra ho eny amin’ny solaitrabe ary hanoratra teny na andian-teny iray eo amin’ilay tsipitsipika izay mamaritra ny antony mety hiheverana ny vavaka ho mora na sarotra. Jereo tsara ny valin-tenin’ny mpianatra ary omeo fotoana amin’ny lesona izy ireo hamaliany ny ahiahiny sy ny fanontaniany.

Saintsaino ny valin’ireto fanontaniana roa ireto:

  • Nahoana no mora ny vavaka?

  • Nahoana no sarotra ny vavaka?

Ny vavaka dia mety ho tsotra sy mahitsy nefa lalina ary mamporisika anao hivoatra ihany koa. Rehefa mianatra avy amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy momba ny vavaka ianao dia mikatsaha fanambarana momba ny fomba ahafahanao manao ny vavakao ho manan-danja kokoa.Vakio ny Lioka 11:1 , ka tadiavo ny fangatahana nataon’ny mpianatry ny Mpamonjy taminy.

Novalian’i Jesoa tamin’ilay nanjary fantatra tamin’ny hoe vavaky ny Tompo izany. Nanolotra io vavaka io ihany koa Izy nandritra ny toriteny teo an-tendrombohitra (jereo ny Matio 6:9–13). Nihevitra ny sasany fa nikasa ny hanaovana tsianjery sy hamerimberenana io vavaka io i Jesoa. Saingy, nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “ny Vavaka nataon’ny Tompo dia ampiasaina ho maodely mba harahina fa tsy ho vavaka ho atao tsianjery ary haverimberina matetika” (“Lesona avy amin’ny vavaky ny Tompo,” Liahona, mey 2009, 46). Taorian’ny nanomezan’i Jesoa ny vavaka nampianarin’ny Tompo ho ohatra amin’ny fomba fivavaka dia nanolotra fampianarana nentanim-panahy hafa momba ny vavaka Izy.

Mianatra bebe kokoa momba ny vavaka

Raha te hahalala ireo fahamarinana izay mety hanampy anao ianao dia vakio tsara ireto fanontaniana manaraka ireto, misafidiana iray izay tianao ianarana bebe kokoa, ary vakio ireo andinin-tsoratra masina miaraka aminy.

  • Inona no zavatra azoko ianarana avy amin’ilay ohatra nasehon’ny Mpamonjy mikasika ny vavaka? ( Lioka 11:2–4 ; Matio 6:9–13)

  • Inona no zavatra nampanantenain’ny Mpamonjy momba ny vavaka? ( Lioka 11:9–13 ; jereo ihany koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 11:14 [ao amin’ny Lioka 11:13 , fanamarihana ambany pejy a])

  • Inona no nampitandreman’ny Mpamonjy antsika mba tsy ataontsika amin’ny vavaka ataontsika? ( Matio 6:7–8)

Asao ny mpianatra hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany na hifanakalo hevitra momba izany amin’ny iray kilasy.

  • Inona ny fahamarinana iray nianaranao momba ny vavaka avy amin’ireo andininy ireo?

  • Inona avy ireo zavatra efa niainanao tamin’io fahamarinana io?

  • Inona no zavatra ianaranao momba ny Rainao any An-danitra avy amin’ireo andininy ireo?

Manasà mpianatra maromaro izay vonona hizara ny valin-teniny. Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo fahamarinana nolazain’izy ireo .

Diniho hoe iza amin’ireto sahanasa telo manaraka ireto no mety mifanaraka indrindra amin’ny zavatra ilain’ny mpianatra. Afaka miara-miasa amin’ny sahanasa iray ny iray kilasy, na afaka aseho ireo sahanasa ireo mba hisafidianan’ny mpianatra tsirairay izay tian’izy ireo hatao.

Raha tsy izany, diniho ny hanangana faritra fianarana manerana ny efitrano fianarana amin’ny fampiasana ireto sahanasa manaraka ireto. Asao ny mpianatra handalina samirery na amin’ny vondrona kely eny amin’ny faritra fianarana tsirairay ary avy eo hanao tatitra amin’ny iray kilasy ny zavatra nianarany.

Mampitombo ny fahalalanao

Atrikasa A: Inona no zavatra azoko ianarana avy amin’ilay ohatra nasehon’ny Mpamonjy mikasika ny vavaka? ( Lioka 11:2–4)

Vakio tsara ireto andian-teny nampiasain’ny Mpamonjy tamin’ny vavaka nataony manaraka ireto, ary misafidiana roa amin’izany izay tianao hosaintsainina.

  • “Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao” ( Lioka 11:2).

  • “Ho tonga anie ny fanjakanao” ( Lioka 11:2).

  • “Hatao anie ny sitraponao, etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra” ( Lioka 11:2).

  • “Omeo anay isan’andro izay izay hanina sahaza ho anay” ( Lioka 11:3).

  • “Ary mamelà ny helokay; fa izahay koa mamela izay rehetra meloka aminay” ( Lioka 11:4).

  • “Ary aza avela ho voatarika amin’ny fakam-panahy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy“ (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 6:14 [Jereo koa ny Lioka 11:4 ]).

Amin’ireo andian-teny roa nofidinao tao an-tsaina dia eritrereto ireo valin-teninao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no hamintinanao ny dikan’ireo andian-teny ireo?

  • Oviana ianao no nivavaka nitovy tamin’ilay zavatra nivavahan’ny Mpamonjy? Inona no fiantraikan’izany taminao?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manampy ny mivavaka manaraka ny maodely nomen’ny Mpamonjy antsika?

Raha nisafidy an’ity sahanasa ity ianao dia soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny fomba iray tianao hanarahana ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny vavaka ataonao.

Atrikasa B: Inona no zavatra nampanantenain’ny Mpamonjy momba ny vavaka? ( Lioka 11:9–13)

Araka ny voalaza ao amin’ny Lioka 11:9 , dia nampanantena ny Tompo hoe: “Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondòny, dia hovohana ianareo.”

Hevero ny hanasa mpianatra telo haneho an-tsehatra tsirairay avy hoe manao ahoana ny mangataka, mitady ary mandondona alohan’ny hametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona no itovian’ny fihetsika “mangataka”, “mitady” ary “mandondona”? Inona kosa no tsy mampitovy azy ireo?

  • Ahoana no fomba hanampian’ireo teny ireo anao hahatakatra ny fomba atao mba hanan-danja kokoa ny vavaka atao?

Avy eo dia nampitahain’i Jesoa ny fanirian’ny ray ety an-tany hanome fanomezana ho an’ny zanany sy ny fanirian’ny Ray any An-danitra hanome fanomezana antsika. Nampianatra i Jesoa fa raha ny ray ety an-tany aza “mahalala manome zava-tsoa ho an’ [ny] zana[ny]” ( Lioka 11:13), tsy mainka ve ny Ray, Izay any an-danitra nohanome Fanahy Masina ho an’ izay mangataka aminy?” (Jereo ny https://www.churchofjesuschrist.org/study/scriptures/nt/luke/11?lang=eng ). Zava-dehibe ny mahatsiaro fa ny Ray any An-danitra dia mamaly ny vavaka amin’ny fombany sy amin’ny fotoany.

  • Araka ny eritreritrao, inona avy ireo karazana fanomezana tian’ny Ray any An-danitra homena an’ireo izay mangataka sy mitady izany? Inona araka ny eritreritrao no tiany homena anao?

Raha nisafidy an’ity sahanasaa ity ianao dia soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny momba ny fotoana iray nahatsapanao fa nahazoanao valim-bavaka, na farito izay hataonao hikatsahana valim-bavaka.

Ampidiro ao anatin’izany fa mety hanampy hahatonga ny vavaka ataonao ankehitriny hisy lanjany kokoa ny fahatsiarovana fa mamaly vavaka Andriamanitra.

Atrikasa D: Inona no nampitandreman’ny Mpamonjy antsika mba tsy ataontsika ao amin’ny vavaka ataontsika? ( Matio 6:7–8)

Tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra dia nampianatra i Jesoa fa tsy tokony “hanao teny maro foana” isika ( Matio 6:7). Ato anatin’ity sahan-kevitra ity, ny hoe foana dia midika hoe tsy misy heviny. Ny fanaovana teny maro foana rehefa mivavaka dia mamerina vavaka mitovy hatrany na teny mitovy hatrany rehefa mivavaka, ary tsy mieritreritra rehefa manao izany. Raha amin-kitsimpo ny fangatahantsika, na dia miverimberina aza ny vavaka ataontsika, dia tsy fanaovana teny maro foana izany.

  • Ahoana no mety hanampian’ny fisorohana ny fanaovana teny maro foana ao amin’ny vavaka ataontsika antsika hanakaiky kokoa ny Tompo?

  • Inona no azonao atao hanampiana anao tsy hampiasa teny maro foana rehefa mivavaka?

Mieritrereta ohatra amin’ny vavaka nolazainao fa am-piheverana sy amin-kitsimpo.

  • Ahoana no fiantraikan’ny vavaka toy izany aminao?

Raha nisafidy an’ity sahanasa ity ianao dia soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny fomba iray tianao hanarahana ny fampianaran’ny Mpamonjy mba hisorohana ny fteny maro foana amin’ny vavaka ataonao.

Asao ny mpianatra izay vonona hizara ny zavatra nianarany androany na ny zavatra kasain’izy ireo hatao mba hahatonga ny vavak’izy ireo hisy lanjany kokoa. Mijoroa ho vavolombelona amin’ny maha-zava-dehibe ny vavaka misy lanjany amin’ny fametrahana fifandraisana mafy orina amin’ny Ray any An-danitra.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Inona avy ireo ohatra sasantsasany amin’ireo vavaka misy lanjany?

Dia ahoana raha toa ka tsy voavaly ny vavaka ataoko?

Nampianatra ny Loholona J. Devn Cornish ao amin’ny Fitopololahy hoe:

Sary
Official Portrait of Elder J. Devn Cornish. Photographed August 2017.

Indraindray isika dia toa tsy mahazo ny valin’ ireo vavaka izay nataontsika tamin’ ny fo ary feno fiezahana. Mitaky finoana ny mahatsiaro fa ny Tompo dia mamaly amin’ ny fotoanany sy ny fombany mba tena hitahiana tsara antsika. Na rehefa alefa lavitra ny saina, dia ho tsapantsika matetika fa efa mahafantatra tanteraka ny zavatra tokony hataontsika isika.

Aoka ianao tsy ho kivy raha toa ka tsy tonga dia misy vokany aminao izany. Toy ny fianarana teny vahiny iray dia mitaky fampiharana sy ezaka izany. Aoka ho fantatrao anefa fa afaka mianatra ny fitenin’ ny Fanahy ianao ary rehefa hainao izany dia hanome finoana sy hery lehibe anao ao anatin’ ny fahamarinana.

(J. Devn Cornish, “Ny fahafahana mivavaka,” Liahona, nôv. 2011, 103)

Ahoana raha tsy mahatsapa ho mendrika ny hivavaka aho?

Nampianatra ny Loholona J. Devn Cornish ao amin’ny Fitopololahy hoe:

Sary
Official Portrait of Elder J. Devn Cornish. Photographed August 2017.

Mety hisy ihany ny loza toy ny hoe mahatsapa tsy dia manana faharisihana loatra ny hivavaka ny olona iray. Izany hevitra izany dia avy amin’ ny fanahin’ ny devoly izay ilay mampianatra antsika mba tsy hivavaka (jereo ny 2 Nefia 32:8). Tena mampivarahontsana mitovy amin’ ny olona iray tena marary izay mihevitra fa marary loatra ka tsy afaka mankany amin’ ny dokotera intsony, ny fieritreretana fa be fahotana loatra isika ka tsy afaka mivavaka intsony!

(J. Devn Cornish, “Ny fahafahana mivavaka,” Liahona, nôv. 2011, 103)

Sahanasa fianarana fanampiny

Inona ihany koa no azontsika ianarana avy amin’ny vavaky ny Tompo?

Ny vavaky nyTompo dia manolotra fomba fijery maro momba ny vavaka misy lanjany. Ireto lahateny roa manaraka ireto dia samy manolotra fampianarana momba ny ampahany manokana amin’ny vavaky ny Tompo. Hevero ny hampiasa ity fizarana amin’ity lahateny ity hanoloana ny fizarana ao amin’ilay lesona mitondra ny lohateny hoe “Mianatra bebe kokoa momba ny vavaka.”

J. Devn Cornish, “Ny fahafahana mivavaka,” Liahona, nôv. 2011, 101–3