Seminera
Matio 11–12; Lioka 11


Matio 11–12; Lioka 11

Topimaso

Nijoro ho vavolombelona ny Mpamonjy fa afaka mamantatra bebe kokoa ny Ray any An-danitra isika amin’ny alalan’ny fandalinana ny ohatra izay nasehon’ny Zanany. Nandritra ny asa fanompoana izay nataony dia nampianatra ny lalàna lehibe indrindra ary nanao asa fanasitranana ampahibemaso Izy. Nampianatra Izy fa raha manatona Azy isika dia hohamaivaniny ireo enta-mavesatsika ary homeny fitsaharana isika. Nanolotra ireo fampianarana lalim-paka momba ny Sabata sy ny fivavahana ihany koa Izy.

Miomàna hampianatra

Ireto fampahalalana manaraka ireto dia manoro hevitra ireo mpampianatra mahakasika ny hevitra izay mety ilain’izy ireo hiomanana mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Matio 11:27; Jaona 5:19, 30; Jaona 8:18–28

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra bebe kokoa ny toetran’ny Ray any An-danitra sy ny fahatsapany momba anao.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hieritreritra ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy ny fomba izay ataony mba hanamafisany izany.

  • Fitaovana ho an’ireo mpianatra: Diary fandalinana na sombin-taratasy isaky ny mpianatra tsirairay

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéo conférence: Amin’ny faran’ny lesona dia asao ireo mpianatra hizara ny zavatra izay nosoratan’izy ireo momba ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny chat. Misafidiana mpianatra iray izay nizara zavatra tao amin’ny chat hizara bebe kokoa momba ny fanamarihany. Aorian’ny fizarana izay nataon’io mpianatra io dia asao izy ireo samy hisafidy fanamarihan’ny mpianatra iray hafa ary asao izany mpianatra izany hizara ihany koa rehefa avy eo.

Matio 11:28–30

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hampitombo ny fahatokian’ireo mpianatra fa hanampy azy ireo ny Tompo amin’ireo fanamby sy enta-mavesatr’izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hanontany olona iray ao amin’ny fianakaviany na namany momba ny fomba nanomezan’ny Mpamonjy fiadanana na fampahezezana azy ireo.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéo conférence: Hevero ny mampiseho sary-na tapa-kazo sy mampiasa fitaovana ahafahana miara-miasa, tahaka ny tabilao fotsy ohatra, mba hanomezana ireo mpianatra fahafahana manoratra ireo teny na manao sary manodidina ny sarin’ilay tapa-kazo mba hanehoana ireo enta-mavesatra sy ireo fanamby izay atrehan’izy ireo.

Fifehezana fotopampianarana: Matio 11:28–30

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanome fahafahana ireo mpianatra hanazava ny fahatakaran’izy ireo ity fotopampianarana ity amin’ny alalan’ny fampiharana ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy amin’ny rafi-tantara mitovitovy amin’ireo zavatra izay efa niainan’izy ireo teo amin’ny fiainany manokana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hanao fanazaran-tena amin’ny fitadidina ny andinin-tsoratra masina fehezina mirakitra fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja anatin’ny soratra masina ho an’ny Matio 11:28–30 (na izy iray manontolo aza raha toa ka afaka manao an’izany ireo mpianatra). Angataho izy ireo hisaintsaina ny fomba ahafahany mampihatra ny zavatra izay nianarany momba ny fahafahan’i Jesoa Kristy manamaivana ireo enta-mavesany raha toa ka manatona Azy izy ireo.

  • Votoatin-kevitra tokony haseho: Ny sahanasa fohy fampifandraisana

  • Fitaovana ho an’ireo mpianatra: Sombin-taratasy izay azon’ireo mpianatra hanoratana sy hifanakalozana amin’ny hafa

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéo conferénce: Hevero ny hizara ny efijery amin’ireo mpianatra mba hahafahana mampiseho ilay application Maîtrise de la doctrine sy ny fomba fidirana amin’izany. Manaova sahanasa fanaovana tsianjery miaraka amin’ny iray kilasy.

Marka 2:23–3:6

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny tanjon’ny Sabata sy ny fomba tokony hatao mba hahafahana mandray tanteraka ireo fitahiana avy amin’ny Tompo eo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisaintsaina fomba iray tian’izy ireo indrindra hanakaikezana kokoa ny Mpamonjy, zavatra ataon’izy ireo samirery na miaraka amin’ny fianakaviany, rehefa amin’ny andro Sabata.

  • Taratasy zaraina: “Ny Andro Sabata”

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny vidéo conferénce: Hevero ny hampiasa chat mba hamelana ireo mpianatra hametraka fanontaniana izay manitikitika azy ireo momba ny andro Sabata. Ny fahitana ireo fanontanian’ny sasany dia mety hanosika azy ireo hamaly sy hametraka fanontaniana bebe kokoa.

Lioka 11:1-13

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hanao ny vavak’izy ireo ho manan-danja kokoa.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra izay nataon’izy ireo mba hampisy lanjany kokoa ny vavaka izay ataon’izy ireo.

  • Fitaovana ilaina: Tsipika marindrano iray izay nosoritana eny amin’ny solaitrabe, miaraka amin’ny andian-teny hoe Mora ny vavaka anyy amin’ny faran’ilay tsipika ary ny andian-teny manao hoeny hoe Sarotra ny vavaka any amin’ny ilan’ilay tsipika

  • Soso-kevitra ho fampianarana amin’ny alalan’ny vidéo conferénce: Ho isan’ilay sahanasa izay atao amin’ny fanombohana ny kilasy dia hevero ny manao fitsapan-kevitra ireo mpianatra mba hahafahana manontany ny hevitr’izy ireo na mora na sarotra ny vavaka.