Seminera
Lioka 15


Lioka 15

Ireo fanoharana momba ireo zavatra very

Sary
A father hugging his prodigal son. altered version

Rehefa akaiky hifarana ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy teto an-tany, dia nitaraina mikasika ny fiarahan’i Jesoa tamin’ireo mpamory hetra sy ny mpanota ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna. Ho valin’ny fitarainan’izy ireo dia nampianatra ireo fanoharana momba ny ondry very, sy ilay farantsa kely very ary ny zanaka adala i Jesoa. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hiaiky sy hahatsapa ny halehiben’ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny fanomezany lanja anao sy ny hafa rehetra.

Fanomanana ny mpianatra: Amporisiho ireo mpianatra handalina ny iray amin’ireo fanoharana ao amin’ny Lioka 15 na izy rehetra mialoha ny fotoam-pianarana. Asao izy ireo mba handinika ny zavatra ampianarin’ireo fanoharana ireo momba ny fitiavan’ Andriamanitra.

Sahanasa fianarana azo atao

Manan-danja toy ny ahoana izany?

Hevero ny hitondra sakafo na vola ao am-pianarana mba ho fitaovana hita maso hanehoana ity sahanasa manaraka ity. Ampiasao izay sakafo na vola tsara ampiasaina kokoa amin’izany sy mora azo, ary ampifanaraho amin’ny sandam-bola ampiasaina ao amin’ny faritra misy anao ireto vola voatanisa ireto. Ohatra, ity sahanasa ity dia azo tanterahina amin’alan’ny vatomamy iray sy vola 100Ar. Asao ireo mpianatra hampiseho amin’alalan’ny rantsan-tanan’izy ireo ny lanjan’ny zavatra tsirairay eo imasony isaky ny dingana tsirairay.

Raha atao amin’ny mari-drefy 1 ka hatramin’ny 10, ka ny 1 no ambany indrindra ary ny 10 kosa no ambony indrindra, dia isa firy no omenao mba hanehoana ny fitiavanao hahazo ireto manaraka ireto?

  • Ny tsindrin-tsakafo tianao indrindra

  • Ny tsindrin-tsakafo tianao indrindra raha ohatra ka latsaka tamin’ny tany ilay izy

  • Ny tsindrin-tsakafo tianao indrindra raha ohatra ka voahitsak’olona ilay izy

  • Vola 20.000Ar

  • Vola 20.000Ar raha ohatra ka latsaka tamin’ny tany

  • Vola 20.000Ar raha ohatra ka voahitsak’olona

Makà fotoana fohy hisaintsainana ny mety ifandraisan’io sahanasa io amin’ny lanjan’ny olona.

  • Ahoana no hampitahana io fifanahafana io amin’ny fahamarinan’ny fomba fahitantsika ny lanjan’ny tenantsika manokana?

  • Nahoana isika indraindray no mahatsapa ho alaim-panahy hieritreritra na hitondra ny tenantsika sy ny hafa toy ny hoe tsy manan-danja?

Mety hanampy ny mizara ny teny nolazain’ny Filoha President Dieter F. Uchtdorf izay hita ao amin’ny fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny” any amin’ny faran’ity lesona ity.

Eritrereto ny fomba hitondranao ireo olona izay mety mila mibebaka sy mivoatra, isan’izany ianao. Rehefa mianatra ity lesona ity ianao, dia tadiavo ireo fahamarinana miresaka mikasika ny zavatra tsapan’ny Tompo amin’ireo olona mila mibebaka sy ny fomba hitondrany azy ireo.

Mampianatra fanoharana miisa telo i Jesoa ao amin’ny Lioka 15 . Vakio ny Lioka 15:1–2 , dia tadiavo ny toe-javatra nisy nahatonga ny Mpamonjy nampianatra ireo fanoharana ireo. Fantaro fa ny mpamory hetra dia Jiosy mpanangona hetra ho an’ny Rômana ka noho izany dia nankahalain’ny Jiosy hafa tamin’ny ankapobeny.

  • Inona no ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo anao momba ny Mpamonjy? Inona no mety hitovizantsika amin’ireo Fariseo indraindray?

Namaly ny fitarainan’ireo Fariseo sy Mpanora-dalàna tamin’ny alalan’ny fanoharana momba ny ondry very iray, ny farantsakely very iray, ary ny zanaka very iray i Jesoa Kristy.

Hevero ny hanasa ireo mpianatra hamintina ny zavatra fantany momba ireo fanoharana ireo sy ny fomba anehoan’izany ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ampifanaraho amin’ny fahatakarana ananan’ny mpianatra sy ny zavatra ilainy ireo sahanasa fianarana ato amin’ity lesona ity.

Ilay ondry very sy ilay farantsakely very

Sary
Shepherd carrying the lost lamb. Outtakes include the shepherd holding the sheep, walking with the lamb returning to the other shepherd, as well as some shots with the filming crew.
Sary
Woman looking for her lost coin.

Vakio na avereno jerena ilay fanoharana momba ny ondry very ( Lioka 15:4–7 ) na ny farantsa kely very ( Lioka 15:8–10), dia mitadiava teny na andian-teny maneho ny hasarobidin’ireo zavatra very teo imason’ny tompony.

  • Inona avy ireo teny na andian-teny maneho ny hasarobidin’ilay zavatra very teo imason’ilay tompony?

  • Mety maneho olona amin’ny fomba ahoana ilay ondry na ilay farantsa ao amin’ireo fanoharana ireo?

  • Araka ireo andinin-tsoratra masina ireo dia inona ny zavatra tsapan’ireo olona izay manampy amin’ny fitadiavana ireo very ara-panahy rehefa mibebaka ny mpanota iray? Inona ny zavatra tsapan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Inona no lesona nianaranao momba ny Mpamonjy avy tamin’ireo fanoharana ireo?

Raha ilaina, dia ampio ny mpianatra hitady ireo fahamarinana tahaka ny hoe: Mahafantatra ny lanjan’ny olona tsirairay ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary maniry ny hanangona ny olona rehetra hiverina any Amin’Izy Ireocary Faly ny Ray any An-danitra rehefa mibebaka ireo zanany.

Ilay zanaka adala

Ny fanoharana fahatelo ao amin’ny Lioka 15 dia fantatry ny besinimaro amin’ny hoe ny fanoharana ny amin’ilay zanaka adala (ny teny hoe adala dia midika hoe mpandanilany foana, tsy mitandrina, na koa tia manao zavatra mihoatra ny tokony ho izy). Ity fanoharana ity anefa dia mitantara ny tantaran’ny zanakalahy roa izay samy nila fanampiana avy tamin’ny rain’izy ireo. Rehefa mandalina ianao, dia tadiavo ireo fahamarinana izay manambara ny zavatra tsapan’ny Ray any An-danitra ho an’ireo zanany rehetra izay very ara-panahy na inona na inona antony sy ny fomba hitondrany azy ireo.

Vakio ny Lioka 15:11–32, ary alaivo sary an-tsaina hoe maneho ny Ray any An-danitra ilay ray ao anatin’io tantara io. Hevero ny hanisy marika ireo teny na andian-teny izay manambara ny zavatra tsapany ho an’ireo zanany.

Sary
Woman looking for her lost coin.

Ny mpianatra dia afaka mandalina ity fanoharana ity amin’alalan’ny fampiasana endrika “filalaovana tantara an-tsehatra ataona mpamaky teny” izay ahitana mpandray anjara efatra: ny mpitantara: ( andininy 11, 13–16, 20, 25–28), ny zanaka adala ( andininy 12, 17–19, 21), ny raim-pianakaviana ( andininy 22–24, 31–32), ary ny zanakalahy matoa ( andininy 29–30). Hevero ny hampiato matetika ireo mpamaky mba hanampiana azy ireo hahatakatra sy handinika ny zavatra rehetra izay lazain’ireo mpandray anjara tsirairay sy ny zavatra izay mety ho eritreretiny sy tsapany.

Ireto eto ambany ireto dia natao mba hanampiana ireo mpianatra hamakafaka ilay fanoharana sy hampifandray izany amin’ny fiainan’izy ireo manokana.

Tadidio ny fomba nanakianan’ireo Fariseo ny Mpamonjy noho Izy nandray sy niara-nisakafo tamin’ireo mpanota.

  • Inona araka ny eritreritrao ny zavatra izay nantenain’ny Mpamonjy mba hianaran’ireo Fariseo avy tamin’io fanoharana io?

  • Inona ao amin’ity fanoharana ity no heverinao fa manan-danja indrindra ka tokony ho takatrao sy ho tadidinao? Nahoana?

Fahamarinana anankiray ianarantsika avy amin’ity fanoharana ity ny hoe manome lanja sy tia ny zanany rehetra ny Ray any An-danitra ary miandry am-pitiavana Izy mba handray izay rehetra hiverina any Aminy.

Hevero ny hametraka fanontaniana fanampiny toy ny hoe “Inona ny zavatra tsikaritrao mikasika ny fomba nahatonga ilay zanaka adala ho very?” “Amin’ny inona no mety ho azo hiheverana ilay zanakalahy iray hafa ho very ihany koa?” “Inona ny zavatra azontsika ianarana avy amin’ity fanoharana ity momba fihetsika hasetrin’ny Ray any An-danitra an’ireo izay mikatsaka ny hiverina Aminy sy ireo izay efa niezaka nijanona ho mahatoky Taminy? Nahoana no mety hanan-danja aminao ny fahatakarana izany mikasika ny Ray any An-danitra?”

  • Ahoana no mety iharan’ireo fanoharana ao amin’ny Lioka 15 amin’ireo izay very ara-panahy noho ny fahotana sy ireo izay mety mahatsapa ho tsy mitovy amin’ny hafa, tsy tiana, na koa tsy hitan’ny hafa?

Mamantatra ny lanjako manokana

Ataovy sary tsotsotra ao amin’ny pejy anankiray ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mpiandry ondry iray mitazona ondry na ny raim-pianakaviana iray mamihina ny zanany lahy. Ampiasao ny faritra malalaka manodidina io sary io mba hiraketana ireto manaraka ireto:

  • Teny na andian-teny (tafiditra anatin’izany ireo tao amin’ny Lioka 15) izay mampahatsiahy anao fa tena tian’ny Ray any An-danitra tokoa ianao sy ny olona hafa rehetra, eny fa na dia mila mibebaka aza ianao sy ny hafa.

  • Ireo fomba azonao hitondrana amim-pangorahana ireo izay mila mibebaka, ao anatin’izany ianao.

Hevero ny hanasa ireo mpianatra hizara ny ampahany tiany indrindra tamin’ny sahanasa izay vitan’izy ireo.

  • Rehefa mieritreritra ny fomba itondranao ny tenanao sy ny olona manodidina anao ianao, dia ahoana ny fomba tianao hampiharana ny zavatra izay nianaranao androany?

Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny famindram-pon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny fanirian’Izy Ireo mba hiverenan’ny rehetra any Aminy.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Lioka 15:7 . Inona no tian’ny Tompo holazaina tamin’ny hoe “sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany”?

Nampianatra i Joseph Smith fa fomba iray hanazavana ny fanoharana momba ny ondry very ny fampitahana ireo ondry sivy amby sivi-folo amin’ireo Fariseo sy Sadoseo izay tsy nieritreritra akory fa mila manatona an’i Jesoa Kristy sy mibebaka izy ireo (jereo ny Tantara, 1838–1856 [Manuscript History of the Church], Andiany D-1, 1459, josephsmithpapers.org).

Nahoana no zava-dehibe tokoa ny mitady sy mikaroka ary manolokolo ireo izay very?

Nampianatra ny Filoha M. Russell Ballard, izay Filoha mpisolo toerana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Official portrait of President M. Russell Ballard of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004.

Sarobidy amin’ny Raintsika any An-danitra avokoa ny fanahy tsirairay. Tsy tokony hohadinointsika mihitsy fa tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana no nanefan’i Jesoa Kristy Tompo sarany lehibe ho fanavotana antsika tsirairay avy. Tsy tokony ho very maina ny fijaliany satria tsy vitantsika ny mikolokolo sy mampianatra ireo izay miezaka ny hazoto ao amin’ny Fiangonana.

(M. Russell Ballard, “Are We Keeping Pace?Ensign, Nov. 1998, 8)

Lioka 15:12–13 . Inona no tian’ilay zanaka lahy nolazaina rehefa niteny izy hoe, “Omeo ahy ny anjara fananana tokony ho ahy”?

Araka ny fomba fanao tamin’ny andron’ny Mpamonjy, dia aorian’ny fahafatesan’ny rainy ihany vao afaka mandray ny lovany ny zanaka lahy. Ny fangatahan’ny zanaka ny lovany alohan’ny fahafatesan’ny rainy (jereo ny Lioka 15:12–13) dia fanafintohinana lehibe tokoa tamin’izany. Ny fangatahan’ilay zanaka lahy dia ho noraisina ho toy ny fandavana ny rainy, ny tranony, ny fitaizana azy, eny fa hatramin’ny fiarahamonina iray manontolo misy azy mihitsy aza.

(Testamenta Vaovao - Boky torolalana ho an’ny mpianatra [2018], ChurchofJesusChrist.org)

Inona avy ireo loharanom-pitaovana hafa afaka manampy ahy hahatakatra sy hampihatra ilay fanoharana momba ilay zanaka adala?

Sahanasa fianarana fanampiny

Teny nambara fanampiny

Rehefa vita ilay sahanasa tany amin’ny fiandohan’ny lesona dia hevero ny hizara ity teny nambara manaraka ity. Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany, dia nizara ny tantaran’ny “vehivavy iray nianjadian’ny fitsapana sy fahoriana tao anatin’ny taona maro [izay] nilaza tamin-dranomaso hoe, -Lasa nahatsapa ho toy ny vola taratasy 20 dôlara efa tranainy aho—miforiporitra, misy rovitra, maloto, efa nampiasaina be loatra ary misy tsipika mifaritra. Saingy mbola ilay vola taratasy 20 dôlara ihany aho. Misy ilana ahy. Na dia tsy dia mitovy amin’ilay mbola vaovao intsony aza aho ary na dia voakasokasoka sy efa nampiasaina be, dia mbola manana sanda 20 dôlara feno aho.-” Nanamarika ihany koa ny Filoha Uchtdorf fa, “tsy azontsika refesina mihitsy ny lanjan’ny fanahin’olona hafa iray toy ny tsy ahafahantsika mandrefy ny halehiben’izao tontolo izao. Olona manan-kaja avokoa ny olona rehetra izay mihaona amintsika eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra. Rehefa takatsika izany, dia afaka manomboka mahatakatra ny fomba tokony hitondrantsika ireo mpiara-belona amintsika isika” (jereo ny Dieter F. Uchtdorf, “Ianareo no tanakoLiahona, May 2010, 69).

Ilay ondry very sy ilay farantsakely very

Anontanio ireo mpianatra raha efa very zavatra sarobidy taminy izy ireo dia inona ny zavatra nataony mba hitadiavana ilay izy. Asao ny mpianatra hisaintsaina ny mety ho dikan’izany hoe misy olona iray very ara-panahy izany ary ho toy ny ahoana izany hoe miezaka mitady azy ireo izany. Rehefa mandalina ireo fanoharana ao amin’ny Lioka 15 izy ireo dia amporisiho mba hisaintsaina ny fomba nahaverezan’ilay ondry sy ilay farantsakely ary ilay zanaka adala sy ireo fomba samihafa nahitana azy ireo. Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny andraikitra izay sahanin’izy ireo mba hitady ireo izay very.