Seminera
Lioka 12–17; Jaona 11


Lioka 12–17; Jaona 11

Topimaso

Nampianatra ny fanoharana ny amin’ilay ondry very sy ilay farantsakely very ary ilay zanaka adala ny Mpamonjy. Nanasitrana ireo boka fololahy ihany koa Izy ary nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty. Ity herinandro ity dia ahitana famerenana fifehezana fotopampianarana iray mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Lioka 15

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hamantatra sy hahatsapa fa lehibe ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy azy ireo sy ny hafa ary manome lanja lehibe azy ireo sy ny hafa Izy Ireo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Amporisiho ireo mpianatra handalina fanoharana iray na ireo fanoharana rehetra hita ao amin’ny Lioka 15 alohan’ny fotoam-pianarana. Asao izy ireo handinika ny zavatra izay ampianarin’ireo fanoharana ireo momba ny fitiavan’ Andriamanitra.

  • Fitaovana ilaina: Sakafo sy vola na sarin’izy ireo

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Rehefa nahavita nanao ilay sarina mpiandry ondry sy ondry na ray izay mamihina ny zanakalahiny sy avy nanoratra ireo teny na fehezan-teny manodidina ny sary nataony ireo mpianatra dia manasà mpianatra anankiray mba hitazona ny sary izay nataon’izy ireo eo amin’ny efijery ary hizara ny zavatra izay manan-danja indrindra amin’izy ireo avy amin’izany. Angataho ny iray kilasy mba hampiasa ny mode Affichage intervenant na Vue galérie (Speaker view na Galery view) mba hahafahany mahita izay olona miresaka. Izany dia hanampy azy ireo hahita ireo sary nozaraina.

Lioka 17:11–19

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa sy haneho fankasitrahana ny Ray any An-danitra, sy i Jesoa Kristy ary ny hafa.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba ho vonona ny hizara zavatra niainany vao haingana iray izay nahatsapan’izy ireo fankasitrahana ny Ray any An-danitra na i Jesoa Kristy. Raha tsy izany dia azon’ireo mpianatra atao ny manao lisitra milaza ny zavatra izay nataon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho azy ireo.

  • Taratasy zaraina: Taratasy zaraina momba ny famakiana milamina tsara sy ny fanehoana an-tsary

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Rehefa avy namaky milamina tsara ny Lioka 17:11–14 ireo mpianatra, dia mety hanampy ny fandefasana ireo fanontaniana izay hita ao amin’ilay taratasy nozaraina momba ny famakiana milamina tsara sy ny fanehoana an-tsary amin’ny alalan’ny chat na fifampiresahana. Raha manandrana mamaly fanontaniana ao anaty vondrona kely ireo mpianatra amin’ny alalan’ny fampiasana zana-bondrona (salle de répartition/ breakout room), dia asao izy ireo mba hanao copié-collé ireo fanontaniana eo amina tahirin-kevitra iray hafa. Amin’ny maro amin’ireny application fanaovana visio-conférence ireny dia tsy afaka miditra amin’ny chat natokana ho an’ny mpianatra ny mpianatra rehefa mbola tafajanona ao anaty zana-bondrona.

Jaona 11:1–46, Fizarana 1

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra mba hahita ireo fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy sy ireo fitsipika izay afaka mitarika azy ireo amin’ireo olana eo amin’ny fiainana.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra handalina ny Jaona 11 ary hitady ireo fitsipika izay afaka manampy azy ireo handray ny fanampian’ny Mpamonjy manoloana ireo fitsapana izay lalovan’izy ireo. Azon’izy ireo atao ny manao izany irery na koa miaraka amin’ny fianakaviany. Asao ireo mpianatra mba ho vonona hizara ny zavatra izay hitan’izy ireo.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Manasà mpianatra anakiray na roa izay niaina olana sarotra mba hizara ny momba izany any am-piandohan’ny fotoam-pianarana raha toa ka azo atao izany ary raha tsy mampaninona azy ireo ny fanaovana izany. Rehefa mandalina ny Jaona 11:1–46 ao an-dakilasy izy ireo dia asao izy ireo hizara ny fitsipika izay heveriny fa afaka hanampy azy ireo amin’ny olana toy izany. Raha tsy izany dia mety hisy mpianatra vitsivitsy manana namana na fianakaviana afaka mandray anjara amin’ilay visio-conférence mba hizara momba ny olana izay niainan’izy ireo.

Jaona 11:1–46, Fizarana 2

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanome fahafahana ireo mpianatra hampianatra fitsipika iray izay afaka manampy azy ireo sy ny hafa handray ny fanampian’ny Mpamonjy mandritra ireo olana misy eo amin’ny fiainana.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hieritreritra ireo zavatra izay nianaran’izy ireo avy tamin’ny tantaran’i Maria, i Marta, sy i Lazarosy ary ny Mpamonjy ao amin’ny Jaona 11:1–46 . Lazao azy ireo fa hanana fahafahana izy ireo hampianatra momba ny fitsipika izay nianaran’izy ireo avy amin’io tantara io. Asao izy ireo mba hivonona ny hitondra hevitra momba ny fomba izay hitany fa mahomby hampianarina io fitsipika io.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’nyvisio-conférence: Hevero ny hizara ireo mpianatra anaty zana-bondrona arakaraka ny fitsipika izay tian’izy ireo hampianarina. Afaka manomana lesona fohifohy ireo mpianatra, avy eo dia misy vondrona maro araka izay tratra afaka mampianatra ny leson’izy ireo amin’ny iray kilasy.

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana 7

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanome fahafahana ireo mpianatra mba hizatra hampihatra eo amin’ny fiainany ny sasany amin’ireo fotopampianarana izay nohalalinin’izy ireo tamin’ity taona ity .

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hifidy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray izay tsapan’izy ireo fa sarotra ny mampihatra azy eo amin’ny fiainany ary iray izay tsapany fa mora ny mampihatra azy. Asao izy ireo mba ho vonona hanazava ny antony.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’nyvisio-conférence: Afaka maka sary an-tsaina ireo mpianatra fa misiônera mitory ny filazantsara an-jotra izy ireo ary milalao an-tsehatra ny fampianarana ilay fianakaviana (izay lalaovin’ny mpampianatra na ireo olona hafa izay nasaina handray anjara amin’ity atrikasa ity). Ampiasao ireo rafitra fandefasana vidéo sy ny chat mba ho tahaka ny fihaonana amin’ny misiônera mpitory filazantsara an-jotra marina tokoa izany.