Seminera
Jaona 11:1–46, Tapany 1


Jaona 11:1–46, Tapany 1

Nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty i Jesoa

Sary
Christ at the tomb of Lazarus. He has His hand extended to the entry of the tomb as He commands Lazarus to rise from the dead. Lazarus (in burial robes) is visible standing inside the entry to the tomb. A man is moving the stone door of the tomb away from the tomb entry. Several people (men and women) are watching the miracle in amazement.

Nangataka an’i Jesoa i Maria sy i Marta mba ho tonga hanampy an’i Lazarosy anadahin’izy ireo izay narary. Nahemotr’i Jesoa ny diany ka tonga efatra andro taorian’ny nahafatesan’i Lazarosy Izy. Naneho ny fangorahany i Jesoa ary nitomany niaraka tamin’ireo mpirahavavy. Avy eo dia nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty Izy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hamantatra ireo fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy sy ireo fitsipika izay afaka mitarika anao hamakivaky ireo olan’ny fiainana.

Mamela ny mpianatra hamantatra karazana fahamarinana milaza fotopampianarana sy fitsipika. Mitaky fampiharana voalanjalanja tsara ny fianarana mamantatra ireo fotopampianarana sy fitsipika hita ao amin’ny soratra masina. Ny mpampianatra dia tokony hanampy amim-pahavitrihana ireo mpianatra hahazo ny fahaiza-manao hamantatra sy hanonona avy amin’ny ezaka ataony manokana ireo fotopampianarana sy fitsipika.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra handalina ny Jaona 11 ary hitady ireo fitsipika izay afaka manampy azy ireo handray ny fanampian’ny Mpamonjy ao anatin’ny fizahan-toetra azy ireo. Afaka manao izany samirery na miaraka amin’ny fianakaviany izy ireo. Asao izy ireo mba ho tonga amim-pahavononana hizara ny zavatra hitany.

Sahanasa fianarana azo atao

Mariho fa ity no lesona voalohany amin’ireo lesona roa momba ny Jaona 11 . Ity lesona ity dia manampy ny mpianatra hamantatra ireo fitsipika ao amin’ilay toko. Ny lesona faharoa dia mamela ny mpianatra hampianatra mikasika ny iray amin’ireo fitsipika ireo. Aoka ianao hijery akaiky ireo mpianatra izay mety miatrika olana sarotra. Raha ilaina dia amboary ity rafi-tantara manaraka ity na mamoròna rafi-tantara hafa mety hitondra vokatsoa kokoa ho an’ny mpianatra.

Mieritrereta olona iray ao amin’ny fianakavianao akaiky. Alaivo sary an-tsaina hoe lasa narary mafy izy ireo ka notandindomin-doza ny ainy.

  • Inona no mety ho zavatra tsapanao?

  • Inona no mety hataonao?

  • Inona avy ireo fanontaniana mety hanananao?

Ao amin’ny Jaona 11 , dia niatrika io toe-javatra io i Maria, sy i Marta ary i Lazarosy. Na dia mifandray amin’ny aretina sy ny fahafatesana aza ny zavatra niainan’izy ireo dia azontsika ampiharina amin’izay mety ho olana hatrehantsika ireo fitsipika izay ianarantsika avy amin’ny zavatra niainan’izy ireo.

Soraty manakaiky ny faratampon’ny taratasinao ny hoe: “Ny zavatra tokony ho fantatrao rehefa miatrika olana.” Mandritra ny lesona dia eritrereto ireo olana izay atrehinao na mety hatrehinao. Katsaho ny hamantatra ireo fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany izay tsapanao fa mety hitarika anao sy hanome fanantenana anao mandritra ireo olana ireo. Raketo ao anatin’ny taratasinao ireo eritreritra tonga ao an-tsainao. Eritrereto tsara ny fomba ahafahan’ny fahamarinana tsirairay hitanao manampy anao hahatsapa fitiavana ho an’ny Mpamonjy sy avy amin’ny Mpamonjy.

Mitady fahamarinana

Fantaro hoe iza amin’ireto sahanasa manaraka ireto no hitondra vokatsoa indrindra ho an’ny mpianatra. Raha toa ka efa mora amin’ireo mpianatra ny mamantatra samirery ireo fitsipika dia hevero ny hamela azy ireo handalina sy hamantatra avy amin’ny ezaka ataony ireo fitsipika ary aza manampy azy ireo hamantatra na dia ny iray amin’izany aza. Ampahatsiahivo azy ireo ilay sahanasa Fanomanana ny mpianatra ary asao izy ireo hampiasa ny hevi-baovao azon’izy ireo avy amin’io sahanasa mandritra ny ambiny sisa amin’ny lesona.

Fahaizana mandalina soratra masina iray mety hanampy amin’ny famantarana ireo fitsipika ny fiatoana kely rehefa mahatsikaritra zavatra manan-danja mba hametrahana fanontaniana tsotra ianao, toy ireto:

  • Inona no mety ho tian’ny Ray any An-danitra ianarako avy amin’ireo andininy ireo?

  • Inona no ampianarin’io tantara io ahy momba an’i Jesoa Kristy?

Vakio ny Jaona 11:1–7 , ary apetraho amin’ny tenanao ireo fanontaniana teo aloha.

Asao ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireo fitsipika nozarain’izy ireo. Raha sahirana mamantatra fitsipika ireo mpianatra na raha toa ka mety ahitana hevitra azo ampiasaina tsara ny fanaovana izao manaraka izao, dia hevero ny hanoratra ireto fitsipika manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe sy hametraka ireo fanontaniana aorian’izany.

Misy fitsipika isan-karazany mety efa hitanao avy amin’ireo andininy ireo. Ireto misy ohatra vitsivitsy. Hevero ny hanisy marika, ao amin’ny ohatra ana fitsipika tsirairay, ireo andian-teny na antsipirian-javatra avy amin’ireo andininy novakinao izay manohana ilay fitsipika.

Na dia tian’i Jesoa Kristy aza isika dia hiaritra fitsapana.

Na dia rehefa manaraka an’i Jesoa Kristy amim-pahatokiana aza isika dia mbola hiaritra fitsapana ihany.

Rehefa miatrika olana isika dia afaka mikatsaka ny fanampian’ny Tompo, ary hamaly antsika amin’ny fotoany sy ny fombany manokana Izy.

Hevero ny hanoratra ireo fitsipika ireo ao amin’ny taratasinao.

  • Manampy anao amin’ny fomba ahoana ny fahalalana ireo fahamarinana ireo?

Roa andro taorian’ny nandrenesan’ny Mpamonjy momba ny aretin’i Lazarosy dia nandeha nankany an-tranon’i Lazarosy ny Mpamonjy. Rehefa tonga tany Izy, dia efa tao am-pasana efatra andro i Lazarosy (jereo ny Jaona 11:17).

Nanazava ny hevitra fonosin’ny hoe efatra andro ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) tao amin’ny Kôlejin’ ny Apôstôly Roambinifolo.

Sary
Head and shoulders portrait of Elder Bruce R. McConkie.

Efa nanomboka ny fahalovan’ilay razana; efa ela no voamarina tanteraka ny fahafatesana. … Ny teny hoe efatra andro dia nanana dikany manokana ho an’ny Jiosy; zavatra ninoan’ny maro teo anivon’izy ireo ny hoe ny fanahy dia efa niala tanteraka ny vatana rehefa tonga ny andro fahefatra ary tsy azo ovana intsony izany.

(Bruce R. McConkie, Doctrinal New Testament Commentary, boky faha3. [1965–73], 1:533)

Tohizo ny fanazaran-tena amin’ny famantarana ireo fitsipika rehefa mamaky ny Jaona 11:18–46 ianao. Miatoa kely indraindray dia ametraho fanontaniana ny tenanao rehefa tojo antsipirian-javatra manan-danja ianao, toy ny zavatra nataon’i Maria sy i Marta mba hanehoana ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy na ny fihetsika nasehon’ny Mpamonjy tao anatin’ny toe-javatra tsirairay. Ampidiro ao anatin’ny taratasinao ireo fitsipika izay hitanao, ary hevero ny hanisy marika ireo antsipirian-javatra manan-danja sy ny hanoratra fanamarihana hafa ao amin’ny soratra masinao.

  • Inona no mety ho tian’ny Ray any An-danitra ianaranao avy amin’ity tantara ity?

Inona no ampianarin’io tantara io anao momba an’i Jesoa Kristy?

Asao ny mpianatra ho eny amin’ny solaitrabe ary hanoratra fitsipika iray izay hitany. Mety hahita fahamarinana toa ireto izy ireo:

  • Afaka misafidy ny hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika mandritra ireo fitsapana lalovantsika (jereo ny Jaona 11:20–27).

  • Afaka manao fahagagana eo amin’ny fiainantsika ny Mpamonjy rehefa manao asa amim-pinoana Azy isika (jereo ny Jaona 11:20–27, 38–44).

  • I Jesoa Kristy no Fananganana amin’ny maty sy Fiainana (jereo ny Jaona 11:25).

  • Ny fahagagana ataon’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika dia tonga araka ny sitrapony sy ny fotoany (jereo ny Jaona 11:1–7, 11–17, 39–45).

  • Afaka manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fanehoana fangorahana ny hafa (jereo ny Jaona 11:32–36).

  • Manana fahefana amin’ny fiainana sy ny fahafatesana i Jesoa Kristy (jereo ny Jaona 11:20–27, 39–45).

  • Afaka mahita ny fiasan’ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny heriny ao anatin’ny tolona ataontsika isika (jereo ny Jaona 11:11–15, 40–42).

Hevero ny hametraka ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto amin’ny mpianatra raha mila fanampiana izy ireo amin’ny famantarana ireo fahamarinana fanampiny.

  • Inona no nataon’i Maria sy i Marta mba hampiharana finoana an’i Jesoa Kristy nandritra ny fitsapana nolalovan’izy ireo?

  • Mampianatra anao inona momba ny Mpamonjy ny valin-teny nomeny azy ireo?

  • Zavatra inona ao amin’io tantara io no mampianatra anao hatoky bebe kokoa ny Mpamonjy?

  • Nanampy anao tamin’ny fandalinanao tamin’ny fomba ahoana ny fiatoana kely rehefa nahita antsipirian-javatra manan-danja sy ny fametrahana fanontaniana?

Azonao atao ny mizara ny mpianatra ho tsiroaroa mba hilalao an-tsehatra ity toe-javatra manaraka ity.

Alaivo sary an-tsaina hoe nanana fahafahana niresahana tamin’ny olona nandalo fitsapana sarotra ianao. Safidio ny iray amin’ireo fitsipika hitanao tao amin’ny Jaona 11:1–46 dia zarao ny fomba ahafahan’io fitsipika io manampy azy ireo. Ampidiro ao ny hevitrao mikasika ny fomba ahafahan’io fitsipika io manampy io olona io hahatakatra momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny fanirian’Izy Ireo ho antsika.

Vakio manontolo ireo fitsipika nosoratanao ao amin’ilay taratasy hoe “Ny zavatra tokony ho fantatrao rehefa miatrika olana”. Soraty eo amin’ny farany ambanin’ilay taratasy ny valin-teninao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona ny fitsipika ilainao hifantohana indrindra eo amin’ny fiainanao amin’izao fotoana izao? Nahoana?

  • Inona no nianaranao momba ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy ka manampy anao hahatsapa fitiavana ho Azy Ireo sy avy amin’Izy Ireo?

Manasà mpianatra maromaro hamaly ireo fanontaniana teo aloha. Rehefa mizara izany ny mpianatra dia tadiavo ireo fomba hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy azy ireo. Hevero ny hizaranao ny eritreritrao sy ny fijoroanao ho vavolombelona manokana momba ny Mpamonjy.

  • Inona no tsapanao fa nitaoman’ny Fanahy anao mba hataonao avy amin’ny zavatra nianaranao sy tsapanao androany? Ahoana no hanaovanao izany?

Amporisiho ny mpianatra hampiasa ilay fahaiza-mandalina soratra masina hamantarana ireo fitsipika amin’ny fandalinany soratra masina manokana ary hilaza ny fahatsapana azony. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny maha-zava-dehibe an’io fahaiza-mandalina io. Fomba iray hanaovana izany ny fizarana zavatra niainana manokana tamin’ny fikarohana fitarihana hamahana olana iray mandritra ny fandalinana manokana ny soratra masina.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Nahoana aho no mijaly rehefa miezaka ny ho olo-marina?

Ny Loholona Matthew S. Holland ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra hoe:

Sary
Matthew S. Holland Official Portrait.

Misy Olona iray izay mahatakatra tanteraka ny zavatra iainanao, izay “mahery kokoa noho ny tany iray manontolo” [1 Nefia 4:1], ary “mahay manao mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahi[nao] na heverinao aza” [Efesiana 3:20]. Hitranga araka ny fombany ireo dingana ireo ary araka ny fandaharam-potoany, saingy eo i Kristy vonona hatrany hanasitrana hatramin’ny bitika indrindra amin’ny fahorianao sy izay endrika rehetra mety hisehoan’izany.

Rehefa mamela Azy hanao izany ianao, dia ho hitanao fa tsy very maina ny fijalianao. … Ny toetran’ Andriamanitra mihitsy sy tanjon’ny fiainantsika ety an-tany dia ny fahasambarana, saingy tsy afaka ho tonga olona tanteraka ao amin’ny fahasambarana araka an’ Andriamanitra isika raha tsy miaina zavatra izay misedra antsika, indraindray hatrany amin’ny faraherintsika mihitsy. Nilaza i Paoly fa ny Mpamonjy mihitsy no natao “tanteraka [na mandrakizay] tamin’ny fahoriana” [Hebreo 2:10]. Noho izany dia tsy maintsy mitandrina ianao amin’ilay bitsika avy amin’i Satana hoe raha olona tsara kokoa ianao dia hanalavitra ny fisedrana toy izany.

Tsy maintsy toherinao ihany koa ilay lainga mifandray amin’izany hoe ny fahorianao dia toa maneho fa tsy isan’ireo nofinidin’ Andriamanitra ianao, izay toa misosa fotsiny mitety ireo fitahiana mifandimby. …

Ry rahalahy sy anabavy isany, ny fitoerana ho marina hatrany na dia eo aza ny fahoriana dia manampy hahatonga anao ho isan’ireo olomboafidin’ Andriamanitra, fa tsy mampiavaka anao amin’izy ireo akory.

(Matthew S. Holland, “Ilay fanomezana tena fatratra an’ilay Zanakalahy,” Liahona, nôv. 2020, 46–47)

Sahanasa fianarana fanampiny

Fanovaovana ny zavatra hifantohan’ny lesona

Ampiasao ny tantaran’i Maria, sy i Marta ary i Lazarosy hanehoana ilay fitsipika hoe isika dia afaka mametraka ny fitokisantsika amin’ Andriamanitra, satria mahafantatra fa ny fahagagana ataon’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika dia tonga araka ny sitrapony sy ny fotoany. Azo atao izany amin’ny fampitahana sy fampifanoherana ilay tantara amin’ny tantaran’i Nefia ao amin’ny 3 Nefia 1:4–20 , na amin’ny famakiana ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity.

Sary
Matthew S. Holland Official Portrait.

Ny fitsipika voalohan’ny filazantsara dia ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo. Ny finoana dia midika hoe fahatokiana—fahatokiana ny sitrapon’ Andriamanitra, fahatokiana ny fomba fanaovany zavatra, ary fahatokiana ny fandaharam-potoany. Tsy tokony hiezaka hametraka ny fandaharam-potoantsika eo ambonin’ny Azy isika. Ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe:

“Ny olana amintsika dia ny tsy fahampian’ny fatokisana an’ Andriamanitra ka hatoky koa ny fotoany. Raha afaka tena mino isika fa ao am-pony izay mahasoa antsika dia tsy afaka mamela ny drafiny hizotra araka izay mety Aminy ve isika? Toy izany ihany koa amin’ny fiaviany fanindroany sy amin’ireo zava-mitranga rehetra izay ilana ny finoantsika hanana finoana amin’ny fotoan’ny Tompo ho antsika manokana fa tsy amin’ny drafitra sy ny fikasany amin’ny ankapobeny ihany” (Even As I Am [1982], 93).

(Dallin H. Oaks, “Timing,” Ensign, Oct. 2003, 12)

Fomba hafa hanombohana ny lesona

Asao ny mpianatra hamantatra ireo fahagagana nataon’i Jesoa sy ny zavatra nasehon’ireo fahagagana ireo fa hananany fahefana ny mandresy izany. Ohatra vitsivitsy amin’izany ny fahefana mandresy ny fahafatesana (jereo ny Lioka 7:11–18), ny fahefana mandresy ny olana ara-tsaina (jereo ny Lioka 8:27–35), ary ny fahefana hanampy amin’ny fiainana andavanandro (jereo ny Matio 17:24–27 ; Lioka 5:1–6).

Asao ny mpianatra hieritreritra zavatra ilan’izy ireo ny fanampian’ny Mpamonjy ary hikaroka ireo fitsipika izay afaka manampy azy ireo hahafantatra ny fomba handraisana ny fanampiany.