Seminera
Fampahafantarana ny fifehezana fotopampianarana


Fampahafantarana ny fifehezana fotopampianarana

Ny tanjon’ny fifehezana fotopampianarana

Sary
Seminary student studying in Ecuador

Ity lesona ity dia hampahafantatra anao ny fifehezana fotopampianarana sy ny fomba ahafahan’izany mitahy ny fiainanao sy manampy anao hanorina ny fototrao ara-panahy eo amin’i Jesoa Kristy.

Azo avy amin’ny fanentanam-panahy sy mifanojo amin’ny fotoana ilàna azy. Ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanao izao fanambarana manaraka izao tamin’ny mpampianatra seminera sy institiota: “Azo avy amin’ny fanentanam-panahy sy mifanojo amin’ny fotoana ilàna azy ny [Fifehezana fotopampianarana]. Hisy fiantraikany tena tsara eo amin’ny tanorantsika izany. Na dia izany aza, ny fahombiazan’ny fifehezana fotopampianarana … dia hiankina aminao amin’ny fomba lehibe” (M.Russell Ballard, “The Opportunities and Responsibilities of CES Teachers in the 21st Century (Ireo zavatra azo atao sy andraikitry ny mpampianatra ao amin’ny DFF amin’ny taonjato faha-21)” [takariva iarahana amin’ny Manampahefana Ambony, Feb. 26, 2016], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org).

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisafidy iray amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana hitany fa mahaliana azy ireo, na afaka manampy amin’ny zavatra ilain’ny tena manokana, na mamaly fanontaniana iray ananan’izy ireo. Ny lisitry ny andalana dia hita ao amin’ny application Doctrinal Mastery na eo akaikin’ny faran’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana.

Ireo asa azo atao ao anatin’ny fianarana

Manorina fototra eo amin’i Jesoa Kristy

Sary
Tornado, building and power lines in Cordele, Georgia, on April 5. 2017. (vert)

Nampitandrina momba ny tadio ara-panahy ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Official portrait of Elder Neil L. Andersen of the Quorum of the Twelve Apostles, 2010, August.

Mampiahiahy kokoa noho ireo horohoron-tany sy ady [amin’ny andro farany] ireo tadio ara-panahy izay mety hanaisotra anao amin’ireo fototra ara-panahy hiorenanao ka hametraka ny fanahinao amin’ny toerana tsy mbola noeritreretinao mihitsy hoe hahatongavanao, ary indraindray zara raha tsikaritrao hoe nafindra ianao.

(Neil L. Andersen, “Tadio ara-panahy,” Liahona, mey 2014, 18)

  • Inona avy ireo tadio ara-panahy izay miezaka manongotra antsika amin’ireo fototra iorenantsika ara-panahy?

Mieritrereta tadio ara-panahy mety hatrehinao. Vakio ny Helamàna 5:12 ary mitadiava fomba hanoherana an’io tadio io.

  • Inona no hitanao fa afaka manampy anao hahatohitra tadio ara-panahy?

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe manorina ny fototra eo amin’i Jesoa Kristy?

  • Amin’ny fomba ahoana no hahazoanao tombony manokana amin’ny fanorenana fototra mafy orina eo amin’i Jesoa Kristy?

Ireto teny ambara manaraka ireto dia natao hanampiana ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra tsapany mahakasika ny fototra ara-panahy iorenan’izy ireo manokana. Afaka manampy ny mpianatra koa ireo mba hahita ireo lafiny hafa azon’ny fifehezana fotopampianarana hanampiana azy ireo. Diniho ny hampiseho ireo teny ambara ireo na hanoratra izany eny amin’ny solaitrabe.

Ny fototra iorenako ara-panahy

Eritrereto ny fototra iorenanao ara-panahy ary tombantombano ny misy ny tenanao ao anatin’ireto teny ambara manaraka ireto amin’ny alalan’ny fisafidianana ny iray amin’ireto: “Manaiky,” “Somary manaiky,” “Somary tsy miombon-kevitra,” na “Tsy miombon-kevitra.”

  1. Manorina fototra matanjaka eo amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany aho.

  2. Mampitombo ny fahalalako momba an’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany aho.

  3. Mahazo aina aho mampiasa ny soratra masina mba hanazavana ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy.

  4. Afaka mahita ny valin’ireo fanontaniako na ny an’ny hafa momba ny filazantsara aho.

Sary
Spiritual Foundation handout

Fifehezana fotopampianarana

Ny seminera dia afaka manampy anao hanorina ny fototrao eo amin’i Jesoa Kristy rehefa mianatra ny fotopampianarany sy manatona Azy ary tonga mpianany ianao (jereo ny 3 Nefia 11:39). Vakio ireo andinin-tsoratra roa voalohany ao amin’ny fizarana “Fampahafantarana ny fifehezana fotopampianarana” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022), mba hitadiavana ireo fomba ahafahan’ny seminera manampy anao hanorina ny fototrao eo amin’i Jesoa Kristy.

  • Inona no hitanao?

Misy valiny roa fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana izay hanampy anao hanorina ny fototrao eo amin’i Jesoa Kristy. Vakio ireo valiny roa ho an’ny fifehezana fotopampianarana ao amin’ny fizarana “Fampahafantarana ny fifehezana fotopampianarana” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana.

Isan-kerinandro ao amin’ny seminera dia ny fifehezana fotopampianarana no himasoanao. Ao amin’ny ankamaroan’ireto lesona ireto dia handalina ny iray amin’ireo andalan-tsoratra masina miisa 24 avy ao amin’ny Testamenta Vaovao ianao izay fantatra amin’ny hoe andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Ity kisary manaraka ity dia maneho ny zavatra hataonao ao amin’ireo lesona fifehezana fotopampianarana.

Hevero ny hampiseho ny kisary na hanao sary an’izany eny amin’ny solaitrabe. Ity kisary ity dia maneho ny fomba fandaminana ireo lesona fifehezana fotopampianarana.

Sary
Flow chart for doctrinal mastery

Fantaro ary hazavao ny fotopampianarana

Fantaro ny fahamatorana ara-panahin’ny mpianatra tsirairay. Katsaho ombam-bavaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina rehefa ampifanarahanao amin’ny zavatra ilain’ny mpianatra ny lesona.

Tany am-piandohan’ity lesona ity dia nanombantombana ny tenanao ianao mahakasika ny fahazoanao aina amin’ny fampiasana ny soratra masina mba hanazavana ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy. Na manao ahoana na manao ahoana ny fomba nanombantombananao ny tenanao, dia hampitombo ny fahalalanao ny Mpamonjy sy ny fotopampianarany ny fandalinana ny fifehezana fotopampianarana. Hitombo ny fahaizanao manazava ny fotopampianarany amin’ny alalan’ny fampiasana ny soratra masina.

Jereo ny lisitr’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao sy ireo andian-teny fototra avy ao amin’ny soratra masina. Afaka mahita an’ity lisitra ity any amin’ny faramparan’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana ianao. Misafidiana iray amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay hitanao fa mahaliana, na afaka manampy amin’ny zavatra ilain’ny tena manokana, na mamaly fanontaniana iray anananao.

Mety handray tombontsoa avy amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ity fanontaniana manaraka ity miaraka amin’ny mpiara-mianatra aminy ny mpianatra.

  • Andalan-tsoratra masina inona no nofidinao?

  • Inona no ampianarin’ity andalan-tsoratra masina ity anao momba an’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany?

  • Nahoana no mitahy ny fiainanao ny fahalalana ny fomba hanazavana ny fotopampianarana avy amin’ity andalan-tsoratra masina ity?

Mahazo fahalalana ara-panahy

Hiaina zavatra maro samihafa ny mpianatra miaraka amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Ampifanaraho amin’ny zavatra ilain’ny mpianatra sy ny fahaiza-manaony ity ampahan’ny lesona ity. Misy lesona misaraka miavaka tsara ao aoriana ao ao anatin’ity fandaharam-pampianarana ity ho an’ny tsirairay amin’ireo fitsipika telo momba ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Raha toa ny ankamaroan’ny mpianatra ka manana traikefa kely na tsy manana traikefa amin’ny fampiasana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy dia hevero hampianatra ireo lesona ao amin’ny “Mahazo fahalalana ara-panahy” fizarana 1, 2, ary 3 mialoha ny hampianarana ny lesona voalohany momba ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

Ao amin’ny lesona fifehezana fotopampianarana dia hanana fahafahana kokoa hianarana sy hampiharana ny fampiasana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ianao mba hanampiana anao hamaly ireo fanontaniana anananao manokana sy ireo fanontaniana ara-piarahamonina ary koa ireo fanontaniana momba ny fotopampianarana, ny fomba fanao na ny tantaran’ny Fiangonana. Ny fianarana sy ny fampiasana ireo fitsipika ireo dia hanampy anao hanorina ny fototrao eo amin’ny Mpamonjy ary hitodika any Aminy rehefa miatrika fanontaniana ianao. Ny telo amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy izay hampiharinao ao amin’ny seminera dia ny:

  • Manao asa amim-pinoana.

  • Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

  • Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra.

Raha tsy fantatrao ireo fitsipika ireo dia azonao atao ny mamaky ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny toko “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana.

  • Inona no zavatra fantatrao mikasika ireo fitsipika ireo?

  • Inona no zavatra efa niainanao avy tamin’ireo fitsipika ireo?

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ireo fitsipika ireo manampy anao hanorina ny fototrao eo amin’i Kristy sy hahatohitra ny tadio ara-panahy?

Andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Isan-taona ao amin’ny seminera dia hamporisihina ianao hitadidy ireo andian-teny fototra avy ao amin’ny soratra masina ho an’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana miisa 24.

Nampianatra momba ny fitadidiana ny soratra masina ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Sary
Final official portrait of Elder Richard G. Scott of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004. Passed away 22 September 2015.

Misy hery lehibe azo avy amin’ny fitadidiana ny soratra masina. Toy ny manomboka finamanana vaovao ny fitadidiana soratra masina. Toy ny fiezahana mamantatra olona iray vaovao izay afaka manampy amin’ny fotoana ilana fanampiana izany, sy afaka manome fitaomam-panahy sy fankaherezana, ary afaka ny ho loharano hahazoana risim-po hanaovana ny fanovana izay ilaina.

(Richard G. Scott, “Ny herin’ny soratra masina,” Liahona, nôv. 2011, 6)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manampy ny fitadidiana andalan-tsoratra masina maro samihafa?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no afaka manampy anao hanorina ny fototrao eo amin’i Jesoa Kristy sy hahatohitra ny tadio ara-panahy ny fitadidiana ireo soratra masina?

Makà fotoana fohy hijerena indray ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana miisa 24 sy ireo andian-teny fototra avy ao amin’ny soratra masina ho an’ny taranja Testamenta Vaovao. Afaka mampiasa ny application Doctrinal Mastery ianao na ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianaranaAzonao atao ny manomboka mitadidy ilay andalana sy ny andian-teny fototra avy ao amin’ny soratra masina ho an’ilay andalana nofidinao teo aloha.

Fanamarihana sy fampahalalana voarakitra

Nahoana no zava-dehibe ny fifehezana fotopampianarana?

Nampianatra ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Official portrait of President M. Russell Ballard of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004.

[Ny fifehezana fotopampianarana] dia hifantoka amin’ny fanorenana sy amin’ny fanamafisana orina ny finoan’ireo mpianatsika an’i Jesoa Kristy ary amin’ny fampahatanjahana azy ireo hitombo fahaizana miaina sy mampihatra ny filazantsara eo amin’ny fiainan’izy ireo. Raha mampiasa ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany izy ireo dia hianatra ny fomba fanaovana asa amim-pinoana an’i Kristy mba hahazoana fahalalana ara-panahy sy fahatakarana ny filazantsarany. Ary hanana fahafahana hianatra ny fomba hampiharana ny fotopampianaran’i Kristy sy ireo fitsipiky ny filazantsara amin’ireo fanontaniana sy olana henony sy hitany isan’andro eo anivon’ireo mpiara-mianatra aminy sy ao amin’ny tamba-jotran-tserasera izy ireo.

Ireo asa fanampiny atao ao anatin’ny fianarana

Asa fanasiana marika soratra masina fifehezana fotopampianarana

Mba hanampiana ny mpianatra hanisy marika ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia diniho ny hampiasa an’ity asa atao ity. Tadiavo ny isan’ireo andalan-tsoratra masina ampiasaina ao amin’ity asa atao ity, ary omeo andalan-tsoratra masina iray ny mpianatra tsirairay (azo omena andalan-tsoratra masina mitovy ny mpianatra maro).

Omeo fotoana ny mpianatra hiomanana, ary asao izy ireo avy eo hanao izao manaraka izao: (1) mitsidika olona iray hafa ao amin’ny kilasy, (2) mifampizara ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana nomena azy ireo eo amin’ny izy samy izy, ary (3) manisy marika ireo andalan-tsoratra masina. Avereno imbetsaka ity asa atao ity.

Mba hanampiana karazan-javatra hafa ao amin’ilay asa atao, dia asao ireo mpianatra hamaly fanontaniana iray mba hanampiana azy ireo hifankahalala tsara, na hizara toe-javatra iray izay heverin’izy ireo fa manampy amin’ny fahalalana an’io soratra masina io.

Application Doctrinal Mastery

Ampio ny mpianatra haka ny application Doctrinal Mastery amin’ny finday. Ampiasao ny fotoam-pianarana hanampiana ny mpianatra hizatra amin’ny fampiasana ilay application ary hanao ny sasantsasany amin’ireo asa. Amporisiho ny mpianatra hampiasa ilay application any ivelan’ny fotoam-pianarana.

Fitadidiana soratra masina

Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina ny tenany ho misiônera, na ray aman-dreny, na mamaly ny fanontanian’ny namana iray momba ny filazantsara. Angataho ny mpianatra hizara ny fomba ahafahan’ny fitadidiana ny soratra masina manampy azy ireo amin’ireo toe-javatra ireo.