Seminera
Fitaovana fampahafantarana


Tahirin-kevitra fanolorana

Topimaso

Hianatra ny Testamenta Vaovao ianao amin’ity taonan-tseminera ity. Ireo lesona mandritra ity herinandro ity dia hanampy anao hiomana hianatra momba an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina mandritra ny fandalinanao amin’ity taona ity.

Miomana hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety ilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Fampahafantarana ny Testamenta Vaovao

Tanjon’ny lesona:Manampy ny mpianatra hanatona an’i Jesoa Kristy sy hanaraka Azy mandritra ny fandalinan’izy ireo ny Testamenta Vaovao.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny antony maha-manan-danja ny fandalinana ny Testamenta Vaovao amin’ity taona ity. Mety hitondra soa ny manasa azy ireo mba hanontany ny olona vitsivitsy ao amin’ny fianakavian’izy ireo ny antony iheveran’izy ireo fa hoe manan-danja izany.

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Alaivo antoka fa ny mpianatra tsirairay dia manana diary fandalinana soratra masina sy manana tahadikan’ny Testamenta Vaovao na izany amin’ny endriny nomerika na vita printy (Edisiôna navoakan’ny Olomasin’ny Andro Farany misy fanamarihana eny amin’ny farany ambanin’ny pejy, tovana sy ny sisa raha misy amin’ny fiteninareo).

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Hevero ny haka fotoana fohy mialoha ny lesona mba hampahafantarana ny tenanao amin’ny mpianatra sy hanampiana ireo mpianatra hifankafantatra.

Mandalina ny soratra masina

Tanjon’ny lesona: Manampy ny mpianatra hanatona an’i Kristy sy hahafantatra Azy tsara kokoa amin’ny alalan’ny fandalinan’izy ireo ny tenin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fampivelarana fahaiza-mandalina soratra masina sy ny fametrahana tanjona amin’ny fandalinana soratra masina.

  • Fanomanana ny mpianatra: Raha azo atao dia asaivo vitain’ny mpianatra andro vitsivitsy mialoha ny fotoam-pianarana ny fanombanana ny fandalinana ny soratra masina. Hevero ny hanamboatra izany amin’ny endriny nomerika na omeo ny mpianatra ilay taratasy zaraina fanaovana fanombanana mba hofenoin’izy ireo tsy an-kitonona anarana ka haverin’izy ireo mialoha ity lesona ity izany.

Mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy

Tanjon’ny lesona: Manampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba anampian’ny Fanahy Masina azy ireo amin’ny fianarana sy fandraisana fanambarana ho an’ny tena manokana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny Jaona 14:26–27 ary hieritreritra ireo zavatra niainana izay nahatsapan’izy ireo na nianaran’izy ireo zavatra avy amin’ny Fanahy Masina amin’ireo fomba nofariparitan’ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Hevero ny hampiasa ny tabilao fotsy mba hahafahan’ny mpianatra hitanisa ireo fomba namaritana ny Fanahy Masina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina notanisaina ao amin’ny lesona.

Mianatra amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy

Tanjon’ny lesona: Manampy ny mpianatra hahatakatra ny lanjan’ny fanaovana asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy mandritra ny fianaran’izy ireo ao amin’ny seminera.

  • Fanomanana ny mpianatra:Entano ny mpianatra hisaintsaina ity fanontaniana manaraka ity: Inona no zavatra efa nataonao ka tena manampy anao amin’ny fianarana ny filazantsara?

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Mitondrà taratasy lehibe iray, ho an’ny mpianatra tsirairay, izay ampy hozarain’ny mpianatra ho tsanganana telo.

Fampahafantarana ny fifehezana fotopampianarana

Tanjon’ny lesona: Mampahafantatra amin’ny mpianatra ny fifehezana fotopampianarana sy ny fomba hitahian’izany ny fiainanan’izy ireo ary manampy azy ireo hanorina ny fototra ara-panahin’izy ireo eo amin’i Jesoa Kristy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hifantina iray amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay hitan’izy ireo fa manan-danja amin’izy ireo, na mety hanampy amin’ny zavatra ilaina iray manokana, na mamaly fanontaniana iray ananan’izy ireo. Misy lisitr’ireo andinin-tsoratra masina Fifehezana fotopampianarana hita ao amin’ny application Maîtrise de la Doctrine na any amin’ny faran’ny Tahirin-kevitra fototra fifehezana fotopampianarana.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Hevero ny hampiasa ireo salles de réunions mba hanampiana ny mpianatra hifanakalo hevitra mombana fanontaniana iray na maro ao anatin’ny lesona.

  • Taratasy zaraina: Manomàna taratasy zaraina “Ny fototra ara-panahiko” ho an’ny mpianatra tsirairay.

  • Votoatin-javatra haseho: Miomànahampiseho ilay kisary izay maneho ireo singa ao amin’ireo lesona ho an’ny fifehezana fotopampianarana.