Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Famerenana fitsapam-pahaizana 1


Fifehezana fotopampianarana: Famerenana fitsapam-pahaizana 1

Matio 5:14–16 hatramin’ny Jaona 17:3

Ity famerenana fitsapam-pahaizana momba ny fifehezana fotopampianarana ity dia natao ho traikefa fianarana mba hanampiana ireo mpianatra hamerina hijery ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 11 izay hita ao amin’ny Matio, sy Lioka, ary Jaona. Izany dia hanampy ihany koa ireo mpianatra amin’ny fiomanana ho amin’ny fitsapam-pahaizana ho avy (“Fifehezana Fotopampianarana: fitsapam-pahaizana 1”) ary hamela azy ireo haneho ny fahatakarany sy ny fampiharany an’ireo andinin-tsoratra masina ireo.

Ity lesona famerenana ity dia natao hampiasaina ho traikefa fianarana manokana na ho fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence.

Ampiasao ity famerenana ity ary ataovy ny fitsapam-pahaizana momba ny fifehezana fotopampianarana rehefa avy nampianarina avokoa ireo andalan-tsoratra masina ao amin’ny fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Matio, sy Lioka, ary Jaona. Mety ilaina ny mampianatra ny sasany amin’ireo lesona fifehezana fotopampianarana alohan’ny hisehoan’izany araka ny filaharany ao amin’ny soratra masina mba hahafahana manao ny fitsapam-pahaizana mialoha ny faran’ny fotoam-pianarana.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny maha-zava-dehibe ny Fifehezana fotopampianarana

Hevero ny hamantatra ireo zavatra izay ilain’ny mpianatra, ary misafidiana ampahany amin’ity famerenana ity izay hanampy azy ireo tsara indrindra amin’ny fiomanana amin’ny fitsapam-pahaizana momba ny fifehezana fotopampianarana voalohany (“Fifehezana fotopampianarana: Fitsapam-pahaizana 1”). Mandritra ity famerenana ity dia asao ireo mpianatra hanamarika ireo andalan-tsoratra masina izay dia tsy hainy ary hanao drafitra fandalinana sy famerenana ireo andinin-tsoratra masina ireo mba ho fiomanana ho amin’ny fitsapam-pahaizana.

Apetraho ity fanontaniana manaraka ity, ary hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny iray na roa amin’ireo toe-javatra izay nozarain’ireo mpianatra, na asao fotsiny izy ireo mba hitadidy ireo toe-javatra. Ny sahanasa famerenana fahatelo dia manome fotoana ahafahana mampiasa ireo toe-javatra ireo.

  • Inona avy ireo toe-javatra izay mety hanampian’ny fahafantaranao hoe aiza no misy andalan-tsoratra fifehezana fotopampianarana?

Ireo andiam-panontaniana ao amin’ny sahanasa famerenana 1 sy 2 etsy ambany dia soso-kevitra afaka manampy ireo mpianatra hamerina hijery ireo toko sy andininy sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Azo ampiasaina ireo sahanasa samihafa mba hanatanterahana izany araka ny filan’ireo mpianatra.

Sahanasa famerenana 1: Fantaro ireo toko sy andininy sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Asehoy ity andiam-panontaniana manaraka ity, na omeo tahadikan’izany ireo mpianatra.

Fomba iray hafa ahafahana manatontosa ity sahanasa manaraka ity ny fandikana ireo toko sy andininy 11 eny amin’ny solaitrabe. Avy eo dia vakio mafy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina tsirairay mba hahitana raha hitan’ireo mpianatra ao anatin’ny 15 segondra (na fe-potoana hafa apetraka) ny toko sy andininy marina. Rehefa tapitra ny fotoana, dia asao ireo mpianatra hilaza ilay toko sy andininy.

Fomba iray hafa hanampiana ireo mpianatra mba havitribitrika kokoa ny manoratra eny amin’ny solaitrabe ireo toko sy andininy miisa 11. Ataovy printy ary apetaho amin’ny toerana samihafa ao amin’ny efitrano ireo andian-teny manan-danja ao anaty soratra masina. Asaivo mandehandeha eraky ny efitrano ireo mpianatra, hitady ireo andian-teny rehetra miisa 11, ary jereo raha hitany ireo toko sy andininy mifandray amin’ny andian-teny tsirairay izay hitan’izy ireo.

Valiny: 1-e, 2-h, 3-d, 4-i, 5-f, 6-l, 7-k, 8-a, 9-g, 10-b, 11-j

Ampifandraiso amin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana marina ao amin’ny tsanganana ankavanana ireto andian-teny manan-danja ao amin’ny tsanganana ankavia ireto.

1. ___ “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao. … Tiava ny namanao.”

a. Matio 5:14–16

2. ___ “Fa ny matoatoa no tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.”

b. Matio 11:28–30

3. ___ Ary hoy i Jesosy taminy, “Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra.”

d. Matio 16:15–19

4. ___ “Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’ Andriamanitra izy.”

e. Matio 22:36–39

5. ___ “Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tananan’i Davida, dia Kristy Tompo.”

f. Lioka 2:10–12

6. ___ “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy.”

g. Lioka 22:19–20

7. ___ “Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fotopampianarana izy.”

h. Lioka 24:36–39

8. ___ “Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo.”

i. Jaona 3:5

9. ___ Nandidy i Jesoa Kristy ny handraisana ny fanasan’ny Tompo “ho fahatsiarovana ahy.”

j. Jaona 3:16

10. ___ “Mankanesa aty amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.”

k. Jaona 7:17

11. ___ “Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanany lahitokana.”

l. Jaona 17:3

Sahanasa famerenana 2: Fantaro ireo toko sy andininy sy ireo andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina

Asehoy ity andiam-panontaniana manaraka ity, na omeo tahadikan’izany ireo mpianatra.

Hevero ny handika eny amin’ny solaitrabe ireo valim-panontaniana 15 amin’ireto fanontaniana dimy manaraka ireto amin’ny filaharana kisendrasendra. Asaivo manapaka taratasy mba ho lasa taratasy kely 15 ireo mpianatra ary hanoratra valiny marina iray eo amin’ny taratasy kely tsirairay. Avy eo dia omeo ireo mpianatra amin’ny alalana taratasy zaraina ireto fanontaniana dimy manaraka ireto ary asao izy ireo hanandrana hametraka ireo tapa-taratasy 15 ireo eo amin’ny toerana banga tokony ho izy mba hamaranana ny andian-teny tsirairay.

Valiny: (1) mankanesa; asa; fitsaharana; (2) manome; fanalahidy; fanjakana; (3) teraka; Mpamonjy; Tompo; (4) fanahy; nofo; taolana; (5) mandrakizay; mahalala; Andriamanitra

Fenoy amin’ireo teny tsy nosoratana ao amin’ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ny banga.

  1. “__________ aty amiko, hianareo rehetra izay __________ sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo __________” ( Matio 11:28–30).

  2. Ary hoy i Jesoa taminy, “__________ anao ny __________ ny __________” ( Matio 16:15–19).

  3. “Fa __________ ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida ny __________, dia Kristy __________” ( Lioka 2:10–12).

  4. “Fa ny __________ tsy manana __________ sy __________, tahaka izao ahitanareo Ahy izao” ( Lioka 24:36–39).

  5. “Ary izao no fiainana __________, dia ny __________ Anao, ilay hany __________ marina, sy Jesoa Kristy” ( Jaona 17:3).

Sahanasa famerenana 3: Ampiharo ny fotopampianarana

Ity sahanasa manaraka ity dia hanampy ireo mpianatrahaneho ny fahatakarany ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny alalan’ny famelana azy ireo hanazava ny fomba azo ampiharana izany amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana. Avelao ireo mpianatra hampiasa ny soratra masiny mba hanampiana azy ireo hisafidy andalan-tsoratra fifehezana fotompampianarana iray na maromaro izay tsapany fa afaka manampy ilay olona voalaza ao amin’ilay sahanasa. Asao izy ireo hanazava ny fomba ahafahan’ilay andinin-tsoratra masina nosafidiny manampy ilay olona. Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana maro no azo ampiharina amin’ireo toe-javatra tsirairay.

Ity sahanasa ity dia azo atao anaty vondrona, mandeha tsirairay, miaraka amin’ny iray kilasy, na atao amin’ireo telo rehetra ireo. Ho solon’ny fampiasana ireo toe-javatra izay natolotra, dia azonao atao ny manasa ireo mpianatra hampiasa ireo toe-javatra izay nozarain’izy ireo tany am-panombohan’ny fotoam-pianarana.

  1. Ny olona iray izay mianatra momba ny Fiangonana dia te hahafantatra raha tena ilainy marina ny hanaovana batisa azy raha toa ka efa nanaiky an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy azy izy.

  2. Manana namana iray ianao izay manontany tena raha toa ka tia azy tokoa ny Ray any An-danitra.

  3. Manontany tena ny anabavinao/rahavavinao hoe ahoana no ahafahany ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy tsara kokoa.

Sahanasa famerenana 4: Ampiasao ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy

Hevero ny hampiasa ity toe-javatra manaraka ity mba hanampiana ireo mpianatra hamerina hijery ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Mety hitondra tombontsoa ho an’ireo mpianatra ny fanaovana ity sahanasa ity mandeha tsiroaroa na anaty vondrona kely.

Manana olana ny namanao amin’ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona an’ny tena manokana momba ny maha-avy amin’ Andriamanitra ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Fiangonana.

Ampianaro ny namanao ireto fitsipika momba ny fahazoana fahalalana ara-panahy telo manaraka ireto sy ny fomba ahafahany mampiasa izany mba hahazoana ny fanampian’ny Ray any An-danitra amin’ny olany:

Manao asa amim-pinoana.

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra.

  • Inona amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana avy amin’ity antsasaky ny fandaharam-pianarana ity no mety hanampy ny namanao? Ahoana no hanampian’ireo andalan-tsoratra masina ireo azy?

  • Nahoana no hoe manampy ny fampiasana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy rehefa mikatsaka ny valin’ireo fanontaniantsika na ny ahiahintsika isika?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nampiasanao ireo fitsipika ireo mba hanampiana ny hafa na hamahana ny olanao manokana?

Asao ireo mpianatra hisaintsaina hoe inona amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana no tena nisy fiantraikany indrindra tamin’izy ireo ary nanampy azy ireo nampitombo ny fahatakarany na ny fitiavany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Hazavao aminy fa hanana fahafahana hizara momba io andinin-tsoratra masina io sy ny zavatra ampianarin’izany momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izy ireo rehefa manao ny fitsapam-pahaizana.

Hevero ny hizara amin’ireo mpianatra ity taratasy zaraina manaraka ity mba hanampiana azy ireo hiomana amin’ny fitsapam-pahaizana (“Fifehezana fotopampianarana: Fitsapam-pahaizana 1”).

Sary
New Testament Seminary Teacher Manual - 2023

Fifehezana fotopampianarana: Fitsapam-pahaizana 1—Tari-dalana ho an’ny fandalinana

Ianaro tsianjery ny toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Ataovy fantatra tsara ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Azonao atao ny misintona sy mampiasa ny application Maîtrise de la doctrine mba hanampiana anao amin’ny famerenana.

Matio 5:14–16 . “Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo.”

Matio 11:28–30 . “Mankanesa aty Amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.”

Matio 16:15–19 . Hoy i Jesoa: “Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra.”

Matio 22:36–39 . “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao. … Tiava ny namanao.”

Lioka 2:10–12 . “Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.”

Lioka 22:19–20 . Nandidy i Jesoa Kristy hoe raiso ny Fanasan’ny Tompo “ho fahatsiarovana Ahy.”

Lioka 24:36–39 . “Fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.”

Jaona 3:5 . “Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’ Andriamanitra izy.”

Jaona 3:16 . “Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanany Lahitokana.”

Jaona 7:17 . “Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy.”

Jaona 17:3 . “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy.”

Ampiharo amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana ny fotopampianarana

  • Mampiasà andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray na maromaro mba hamaliana ny olona iray izay manontany hoe: “Inona no ampianarin’ny Testamenta Vaovao momba ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona manokana fa avy amin’ Andriamanitra ny fotopampianarana ampianarina ato amin’ny Fiangonana?”

  • Raha mampianatra olona iray momba ny fitiavan’ Andriamanitra azy ianao dia ho inona avy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao azonao ampiasaina? Ahoana no fomba ahafahanao mampiasa ireo andinin-tsoratra masina ireo mba hanazavana ny fitiavan’ Andriamanitra?

Miomàna hanazava hoe inona tamin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana no nisy fiantraikany indrindra teo aminao. Inona no ampianarin’izany andinin-tsoratra masina izany anao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy

Avereno jerena ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022).