Seminera
Fifehezana fotopampianarana: fitsapam-pahaizana 2


Fifehezana fotopampianarana: fitsapam-pahaizana 2

1 Korintiana 6:19–20 hatramin’ny Apokalypsy 20:12

Mandritra ny tapany faharoa amin’ity fandaharam-pianarana ity dia handalina ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 13 izay hita ao amin’ny 1 Korintiana hatramin’ny Apokalypsy ireo mpianatra. Ity fitsapam-pahaizana ity dia natao hanombanana ny fahafahan’ny mpianatra mahita ny toerana misy ireo andalan-tsoratra masina ireo ary mampiasa azy ireo amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana. Izany koa dia mba hanombanana ny fahatakarany ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

Ataovy ity fanaovana tombana momba ny fifehezana fotopampianarana ity amin’izay fotoana rehetra aorian’ny nampianarana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra manomboka amin’ny 1 Korintiana hatramin’ny Apokalypsy. Mety ilaina ny mampianatra ny sasany amin’ireo lesona fifehezana fotopampianarana alohan’ny hisehoan’izany araka ny filaharany ao amin’ny soratra masina mba hahafahana manao ny fitsapam-pahaizana mialoha ny faran’ny fotoam-pianarana.

Raha azo atao, dia ataovy ifanatrehana mivantana ity fitsapam-pahaizana ity mba hahafahan’ireo mpianatra manao fanitsiana miaraka amin’ny iray kilasy avy hatrany aorian’ny nahavitan’izy ireo izany.

Ankoatra ny fanaovana tombana ny fahalalan’ireo mpianatra amin’izao fotoana izao, ny fanaovana sy fanitsiana ny fitsapam-pahaizana dia natao ho zavatra manan-danja sy mampiorim-paka ny fijoroana ho vavolombelona ho an’ireo mpianatra. Eo am-panaovana ny fanitsiana ny fanontaniana 7–12, dia asao ireo mpianatra hilaza ny antony nisafidianany ny valiny izay narosony ary hanazava ny fomba ahafahan’ilay andalan-tsoratra masina nosafidiany manampy amin’ireo toe-javatra voalazalaza ao amin’ny fitsapam-pahaizana ireo. Ampio ireo mpianatra hahatakatra ireo fanontaniana izay mety tsy voavaliny araka ny tokony ho izy. Makà fotoana hamaliana ireo fanontaniana fanampiny izay mety manitikitika ny mpianatra.

Fifehezana fotopampianarana ho an’ny Testamenta Vaovao: Fitsapam-pahaizana 2

Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Ho an’ny fanontaniana 1–3, dia soraty ilay litera mifandray amin’ny toko sy andininy eo amin’ny banga eo akaikin’ilay andian-teny tsirairay. Iangaviana ianao tsy hampiasa ny soratra masinao amin’ity ampahany amin’ny fitsapam-pahaizana ity.

1. ____ “Ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.”

a. 1 Korintiana 11:11

2. ____ “Amin’ny fotoampitantanan’ny fahafenoam-pahasoavana hanangonany indray ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy.”

b. Efesiana 1:10

3. ____ “Kanefa ao amin’ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.”

d. 2 Timoty 3:15–17

e. Jakoba 2:17–18

f. Apokalypsy 20:12

Andian-teny manan-danja ao anaty soratra masina

Ho an’ny fanontaniana 4–6, fenoy ny banga ao amin’ireo andian-teny manan-danja ao anaty soratra masina fifehezana fotopampianarana. Iangaviana ianao tsy hampiasa ny soratra masinao amin’ity ampahany amin’ny fitsapam-pahaizana ity.

4. “Ny __________ nareo dia __________ ’ny __________ __________” (1 Korintiana 6:19–20).

5. Ny Fiangonana dia “natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny __________ sy ny mpaminany, ary ___________ __________ no fehizoro indrindra” (Efesiana 2:19–20).

6. “Ny [fiavian’i Kristy] … [dia] tsy ho __________, raha tsy efa tonga aloha ny __________” (2 Tesaloniana 2:1–3).

Azonao atao ny mampiasa ny soratra masinao amin’ny ambin’ny fitsapam-pahaizana.

Ho an’ny fanontaniana 7–9, dia mitadiava andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray na maromaro izay afaka manampy olona iray ao anatin’ireto toe-java-misy manaraka ireto.

7. Nodimandry vao haingana ny olona iray akaikin’ny fon’ny namanao. Manana fanontaniana maro momba ny zavatra mitranga amintsika aorian’ny fahafatesana ny namanao.

8. Toa sahirana ny rahalahinao ka manontany tena raha tena mahalala ny fisiany tokoa Andriamanitra.

9. Mangataka anao ny mpitarika anankiray ao amin’ny Fiangonana mba hanome torohevitra ireo namanao mandritra ny lesona iray manaraka ho an’ny Sekoly Alahady momba ny fomba ahafahan’izy ireo mijanona ho mahatoky rehefa miatrika hevi-diso sy fakam-panahy.

Ao amin’ny fanontaniana 10–11, asehoy ny fahalalanao sy ny fahaizanao mampiasa ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

10. Ahoana no hanazavanao ireto fitsipika momba ny fahazoana fahalalana ara-panahy telo manaraka ireto amin’ny olona iray izay mbola tsy mahalala firy ny momba izany?

  • Manao asa amim-pinoana.

  • Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

  • Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra.

11. Manana namana anankiray eo am-pamitana ny fianarany any amin’ny lisea ianao ary mitebiteby izy amin’ny fanapahan-kevitra lehibe horaisiny eo amin’ny fiainany mandritra ireo taona vitsivitsy ho avy. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no zavatra voafaritra tsara iray hanasanao azy mba hataony asa am-pinoana?

  • Ahoana no fomba hanampianao azy mba hahita ny toe-javatra misy azy amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

  • Ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia ohatra amin’ireo loharanom-pahalalana nosafidian’ Andriamanitra. Inona no andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mety hozarainao amin’ilay namanao? Nahoana?

12. Amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana miisa 13 nohalalininao nandritra ity enim-bolana ity, dia inona tamin’ireo no nisy fiantraikany indrindra taminao, ary nahoana? Inona no ampianarin’io andalan-tsoratra masina io anao mikasika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Sary
New Testament Seminary Teacher Manaul - 2023

Omeo fotoana ampy ny mpianatra hamitana ny fitsapam-pahaizana. Rehefa vitan’ny mpianatra izany dia iaraho dinihana amin’ny iray kilasy izany. Amin’ny maha mpampianatra anao, dia manapaha hevitra hoe hanampy ny mpianatra kokoa ve ny hanitsian’izy ireo ihany ny zavatra nataony sa omena mpiara-mianatra hafa izany hanitsiany azy.

Valiny

  1. d. Jakoba 2:17–18

  2. b. Efesiana 1:10

  3. a. 1 Korintiana 11:11

  4. tena[nareo]; tempoly; Fanahy Masina

  5. fototra; apôstôly; Kristy Jesoa

  6. avy; fihemorana; aloha

  7. Ny valiny mety ho hita dia ahitana ny 1 Korintiana 15:20–22 sy 1 Petera 4:6, saingy ny mpianatra dia afaka mahazo naoty noho ny fampiasana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba hanampiana azy ireo hanazava ny drafitr’ Andriamanitra ho antsika aorian’ny fahafatesana ara-batana.

  8. Ny valiny mety ho hita dia ahitana ny Hebreo 12:9 sy Jakoba 1:5–6, saingy afaka mahazo naoty ireo mpianatra amin’ny fampiasana izay andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba hanampiana azy ireo hanazava fa mahafantatra antsika Andriamanitra.

  9. Ny valiny mety ho hita dia ahitana ny 1 Korintiana 6:19–20 sy Apokalypsy 20:12, saingy ny mpianatra dia afaka mahazo naoty amin’izay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ahitana fahamarinana izay afaka manampy antsika hijanona ho mahatoky rehefa tojo hevi-diso sy fakam-panahy.

  10. Tokony ho afaka hanazava fohy ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ireo mpianatra. Hevero ny hanasa azy ireo hampitaha ny valin-teniny amin’ireo andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao anatin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022).

  11. Ny mpianatra dia tokony ho afaka hanazava ireo zavatra izay mifandray amin’ny fanaovana asa amim-pinoana sy ny famakafakana ireo hevitra sy fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay. Tokony hahita andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana koa izy ireo izay manampy antsika hahatakatra ny fomba hahazoana fitarihana ho an’ireo fanapahan-kevitra manan-danja eo amin’ny fiainantsika. Ny sasany amin’ireo andinin-tsoratra masina azon’ny mpianatra ampiasaina dia ahitana ny Efesiana 2:19–20 sy 2 Timoty 3:15–17.

  12. Rehefa mbola mamaly ity fanontaniana ity amin-kitsim-po sy manontolo ireo mpianatra dia tokony homena naoty tsara.

Mba hanampiana ireo mpianatra hanazava, sy hizara, ary hijoro ho vavolombelona, dia asao izy ireo hifanakalo hevitra momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay nosafidiany ho an’ny fanontaniana faha 12 sy ny antony nisafidianany izany. Mety hahomby ny fananana mpianatra betsaka araka izay azo atao mizara zavatra mandritra ny fotoana sisa tavela. Asao izy ireo hizara ny zavatra ampianarin’ilay andalan-tsoratra masina nosafidiany momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Amin’ny maha-mpampianatra anao dia hevero ny hizara andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manan-danja koa. Farano ny fitsapam-pahaizana amin’ny fizarana fijoroana ho vavolombelona momba ny herin’ny fahafantarana ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy araka ny hita ao amin’ny soratra masiny sy ny fahavononana hampihatra ny fampianarany amina toe-javatra izay tena misy eo amin’ny fiainana.