Seminera
Asan’ny Apostoly 3


Asan’ny Apostoly 3

Ny fanasitranana ilay lehilahy nalemy tongotra

Sary
Peter reaches out his hand to a crippled man and commands him to rise and walk.

Nentina nankany amin’ny tempoly tao Jerosalema isan’andro ny lehilahy iray tsy afa-nandeha nandritra ny androm-piainany mba hahafahany mangataka vola. Nifanena tamin’i Petera sy i Jaona izy, izay nanome azy fanomezana lehibe lavitra noho ny vola nangatahany. Nanasitrana ilay lehilahy i Petera tamin’ny fampiasana ny fahefan’ny fisoronana sy tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Izany zavatra niainana izany dia nanome an’i Petera sy ireo Apôstôly hafa fahafahana maro hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanamafy orina ny finoanao fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia afaka manampy anao handresy ireo olana atrehinao.

Fanamboarana ny lesona hifanaraka amin’izay ilain’ny mpianatra. Ny fampianarana amin’ny alalan’ny Fanahy dia mitaky fanomanana lesona amim-pahazotoana sy amim-pitandremana, ka tafiditra ao anatin’izany ny fampiasana ny fandaharam-pampianarana nomena. Na izany aza, ny fampianarana amin’ny alalan’ny Fanahy dia mitaky vavaka sy eritreritra ary fanovana ny lesona ihany koa mba hakana antoka fa afaka mitondra ny zavatra ilain’ny mpianatra tsirairay ny Fanahy ary manampy ireo mpianatra hampihatra fitsipika amin’ny toe-javatra iainany manokana. Rehefa miomana hampianatra ianao dia mikatsaha fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina mahakasika ny fomba hampifanarahana ny lesona iray mba hitondrana ny zavatra ilain’ny mpianatra.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina olana na fahoriana atrehan’izy ireo manokana ka hitadiavany fanampiana sy tanjaka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mba handresena izany. Asao izy ireo handalina ny Asan’ny Apostoly 3:1–8 miaraka amin’io olana na fahoriana io ao an-tsaina ary hitady fahamarinana afaka hanampy azy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Fandraisana ny herin’ Andriamanitra manasitrana

Misy fomba maro samy hafa azo ampianarana ny votoatin’ny Asan’ny Apostoly 3 . Ireto sahanasa fianarana manaraka ireto dia manome fomba iray ampianarana ity toko ity. Jereo ny fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny” any amin’ny faran’ny lesona ho an’ireo sahanasa fianarana hafa izay azo ampiasaina.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireo teny hoe Olana sy fahoriana . Azonao atao ihany koa ny manoratra ny valin-tenin’ny mpianatra amin’ilay fanontaniana manaraka.

  • Inona avy ireo olana na fahoriana ara-batana, ara-panahy, na ara-pihetseham-po iainan’ny olona eo amin’ny fiainana?

Makà antoka fa manana toerana malalaka manodidina azy ireo ny mpianatra hamitana ity sahanasa manaraka ity ao anatin’ny diary fandalinany mba tsy hahitan’ny hafa ny zavatra nosoratany. Raha toa ka tsy azo atao izany dia asao fotsiny ny mpianatra hieritreritra momba ny fanamby na olana atrehan’izy ireo ary avy eo hanoratra ny valin-tenin’izy ireo amin’ireo fanontaniana telo manaraka.

Saintsaino ny olana na fahoriana atrehanao manokana izay tianao hikatsahana fanampiana sy tanjaka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mba handresena izany. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao izany, ary ampidiro ao koa ny valin-teninao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no zavatra nataonao mba handraisana fanampiana ho an’io olana na fahoriana io?

  • Inona no efa fantatrao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ka manome anao fahatokiana fa hanampy anao Izy Ireo?

  • Inona no fanontaniana na ahiahy anananao momba ny fandresena io olana na fahoriana io?

Nanasitrana lehilahy nalemy tongotra i Petera sy i Jaona

Amin’ity lesona ity dia hanana fahafahana hianatra fahamarinana vitsivitsy ao amin’ny filazantsara ianao avy amin’ny tantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly 3 momba an’i Petera sy i Jaona nanasitrana lehilahy nalemy tongotra iray. Rehefa mandalina ianao dia henoy tsara ireo fitaomam-panahy azonao. Katsaho ny hampatanjaka ny finoanao fa i Jesoa Kristy dia afaka manampy anao amin’ireo olana atrehinao eto amin’ny fiainana an-tany.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 3:1–3 , ka mitadiava antsipiriany momba ity lehilahy ity, izay efa 40 taona mahery (jereo ny Asan’ny Apostoly 4:22). Mety hanampy ny fahafantarana fa ny “fiantrana” voalaza ao amin’ny andininy 2–3 dia zavatra natolotry ny olona ho an’ny mahantra.

  • Inona avy ireo teny sasany azonao ampiasaina hilazana ity lehilahy ity sy ny toe-javatra misy azy? Nahoana?

  • Inona avy ireo zavatra mahazatra mety hataon’ny olona eo anatrehan’ny olona iray anatin’io toe-javatra io?

Vakio ny Asan’ny Apostoly 3:4–8 , ka tadiavo ireo fahamarinana azonao ianarana mikasika ny fandresena ireo olana na fahoriana atrehantsika avy amin’ity tantara ity.

  • Inona no hitanao fa nisongadina tamin’io tantara io?

  • Inona no anampian’io traikefa io anao amin’ny fianarana na fahatsapana momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Asao ny mpianatra hizara fahamarinana isan-karazany hitany tao amin’io tantara io. Angataho izy ireo hizara ny fomba nahitany izany fahamarinana izany tao amin’ny tantara ao amin’ny soratra masina sy ny antony iheveran’izy ireo fa manan-danja io fahamarinana io.

Nampianatra ireo izay nanatri-maso ilay fahagagana i Petera fa natao tamin’ny alalan’ny finoana ny anaran’i Jesoa Kristy izany (jereo ny Asan’ny Apostoly 3:16). Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’io tantara io ny hoe azo sitranina isika amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy.

  • Inona no azonao zaraina avy amin’ireo andininy ireo ka afaka manampy olona iray izay miaina ankehitriny ny iray amin’ireo olana na fahoriana ara-batana, ara-panahy, na ara-pihetseham-po izay hitanao tany am-piandohan’ny lesona?

  • Inona no azontsika atao mba handraisana ny herin’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy mba hanampiana antsika amin’ireo olana ireo?

  • Inona no nanaitra anao tamin’ny fampianarana nataon’ny Loholona Andersen?

Ho an’ilay fanontaniana manaraka dia hevero ny hizara ohatra manokana avy aminao. Na izany aza, ampahafantaro ireo mpianatra izay mamaly fa tsy tokony hizara zavatra mahakasika ny tena manokana loatra amin’ny iray kilasy izy ireo.

  • Inona no zavatra niainanao na fantatrao momba ny hoe avy aiza no ahafahan’ny Mpamonjy manome tanjaka na fanasitranana?

  • Inona no nianaranao na tsapanao momba an’i Jesoa Kristy androany ka tianao hotsaroana?

  • Inona no tsapanao fa nahazoanao fanentanam-panahy mba hatao noho ny zavatra nianaranao androany?

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Nahoana no tsy mahazo fanasitranana avy amin’ny Mpamonjy amin’ny fotoana sy amin’ny fomba aniriantsika izany isika?

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Ekeko fa indraindray dia toa tsy voavaly izany ny sasany amin’ireo vavaka tena vokatry ny fo ataontsika. Manontany tena isika hoe: “Fa nahoana?” Fantatro izany fahatsapana izany! Fantatro ireo tahotra sy ireo ranomaso amin’ny fotoana toy izany. Saingy fantatro koa fa tsy mba tsinontsinoavina mihitsy ireo vavaka ataontsika. Tsy mba tsy ankasitrahana mihitsy ny finoana ananantsika. Fantatro fa ny fomba fijerin’ny Ray any An-danitra iray feno fahendrena dia mivelatra lavitra noho ny antsika. Na dia fantatsika aza ny olantsika sy ny fanaintainantsika eto an-tany, dia fantany kosa ny fivoarantsika sy ny fahafahantsika tsy mety maty. Raha mivavaka mba hahafantatra ny sitrapony isika ary manaiky izany amin’ny faharetana sy ny herim-po, dia hitranga amin’ny fombany sy ny fotoany manokana ny fanasitranana avy any an-danitra.

(Russell M. Nelson, “Jesus Christ—the Master Healer,” Ensign na Liahona, Nov. 2005, 86)

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Elder David A. Bednar, Quorum of the Twelve Apostles official portrait. 2020.

Azo antoka tokoa fa ny fahamarinana sy ny finoana dia fitaovana ampiasaina amin’ny fanasitranana ny marary, ny marenina, na ny mandringa—raha ny fanasitranana toy izany no mahatanteraka ireo tanjon’ Andriamanitra ary mifanaraka amin’ny sitrapony. Noho izany, na dia manana finoana matanjaka aza isika, dia tendrombohitra maro no tsy hihetsika. Ary tsy ireo marary sy kilemaina rehetra no ho sitrana. Raha ny fifanoherana rehetra no ferana, raha ny aretina rehetra no esorina, dia ireo tanjona fototra tao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra no ho simba.

(David A. Bednar, Accepting the Lord’s Will and Timing Ensign na Liahona, Aug. 2016, 34)

Ahoana no ahafahako mahazo ny hery manasitran’ny Mpamonjy rehefa miaina fahoriana ara-panahy aho?

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Mety misy noho ny antony ara-panahy na koa ara-batana ny fahoriana. Tsaroan’i Almà Zanany fa tena nampahory mafy azy ny fahotany ka naniry ny “ho fongana, na fanahy na vatana, mba tsy hahazoana mitondra azy hijoro eo anatrehan’ Andriamanitr[a] hotsaraina amin’ny natao[ny]” [ [Almà 36:15 ]. Amin’ny fotoana toy izany, ahoana no hanasitranany antsika?

Afaka mibebaka tanteraka kokoa isika! Afaka ny hiova fo tanteraka kokoa isika! Amin’izay ny “Zanaky ny Fahamarinana” dia afaka mitahy antsika feno kokoa amin’ny alalan’ny tanany manasitrana.

… Ny finoana, fibebahana, batisa, ny fijoroana ho vavolombelona, ary ny fiovam-po maharitra dia mitondra mankamin’ny hery manasitran’ny Tompo.

(Russell M. Nelson, “Jésus-Christ: le Maître-guérisseur,” Ensign na Liahona, nov. 2005, 86)

Sahanasa fianarana fanampiny

Famintinana ireo fampianarana ao amin’ny Asan’ny Apostoly 3:1–8

Aorian’ny famakiana ny Asan’ny Apostoly 3:1–8 , dia asehoy ireto sary manaraka ireto ary angataho ny mpianatra hitantara ny tantara ao ambadik’ireo sary ireo amin’ny alalan’ny teniny manokana. Afaka manampy ireo mpianatra hitadidy ilay tantara ao an-tsainy izany.

(1)

Sary
Men carry a cripple since birth and set him on the steps.

(2)

Sary
Peter and John healing a man sitting on steps.

(3)

Sary
Peter reaches out his hand to a crippled man and commands him to rise and walk.

(4)

Sary
A man crippled since birth is healed by Peter and John, and he thanks them with an embrace.

Ny fiantraikan’io fahagagana io teo amin’ny hafa

Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny fanasitranana izay nitranga tao amin’ny tempoly tamin’io andro io dia nisy fiantraikany goavana tamin’olona maro. Halalino ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary tadiavo ny fiantraikan’io fahagagana io tamin’ireo olona voatanisa etsy ambany.

Hevero ny hizara ny mpianatra ho vondrona telo sy hanome ny vondrona tsirairay ny iray amin’ireto andian-tsoratra masina manaraka ireto mba hohalalinina (azo omena vondrona iray ny andinin-tsoratra masina roa voalohany).

Asan’ny Apostoly 3:8 —Ilay lehilahy sitrana Asan’ny Apostoly 3:9–13, 19 ; 4:4 —Ny olona tao amin’ny tempoly Asan’ny Apostoly 4:13–18 —Ny mpitarika Jiosy

Rehefa avy nandalina ny mpianatra dia ifanakalozy hevitra amin’izy ireo ny zavatra izay nianarany. Azonao atao ny mampiasa fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

Inona no tsikaritrao mikasika ny fiantraikan’io fahagagana io tamin’ireo vondron’olona samihafa?

Nahoana araka ny eritreritrao no samy hafa ny fiantraikan’izany tamin’ireo olona sasany?

Raha anisan’ireo olona tao amin’ny tempoly ianao dia mety ho niova toy ny ahoana araka ny eritreritrao ny fijerinao an’i Petera sy i Jaona rehefa avy nanatri-maso io fahagagana io ianao?

Asan’ny Apôstôly 3:19–21 . Ny fampodiana ny zavatra rehetra

Hazavao fa taorian’ny nanasitranan’i Petera sy i Jaona ilay lehilahy nalemy tongotra dia niely haingana ny vaovao momba ilay fahagagana. Olona maro no nivory hihaino an’i Petera sy i Jaona, isan’izany ny olona sasany izay nandà an’i Jesoa Kristy taloha.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 3:19–21 . Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny ka hitady ny zavatra nasain’ny Apôstôly Petera mba hataon’ny olona niangona teo.

Hazavao fa araka ny Asan’ny Apostoly 3:21 dia naminany i Petera fa hitoetra any an-danitra i Jesoa Kristy “mandra-piavin’ny andro fampodiana ny zavatra rehetra.” Tafiditra ao anatin’ny “fampodiana ny zavatra rehetra” ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara amin’ny andro farany.

Azonareo atao ny mifanakalo hevitra momba ana fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Araka ny voalazan’ny andininy 21 , dia iza koa no olona ankoatra an’i Petera naminany fa hisy ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara amin’ny andro farany?

  • Inona avy ireo trangan-javatra manan-danja efa nitranga izay mifandray amin’ny fahatanterahan’io faminaniana io?

Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa ireo mpaminanin’ny Tompo nandritra ireo vanim-potoana maro samihafa dia naminany mikasika izao fotoana iainantsika izao ary niandrandra ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara sy ny Fiavian’ny Tompo fanindroany.