Seminera
Asan’ny Apostoly 1–5


Asan’ny Apostoly 1–5

Topimaso ankapobeny

Nanompo ireo mpianany nandritra ny 40 andro i Jesoa Kristy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty. Nilaza tamin’ireo Apôstôliny Izy fa aorian’ny fandehanany, dia handefa “ny Mpananatra dia ny Fanahy Masina” (Jaona 14:26) ny Ray. Lehilahy iray izay tsy afaka nandeha nandritra ny androm-piainany no nifanena tamin’i Petera sy i Jaona, ary tamin’ny alalan’ny fampiasana ny fahefan’i Jesoa Kristy no nanasitranan’i Petera ilay lehilahy. Nosamborina i Petera sy i Jaona ary nampidirina an-tranomaizina noho ny nanasitranan’izy ireo sy nijoroany ho vavolombelona tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy, ary nafahan’ny anjely iray izy ireo.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Asan’ny Apostoly 1

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fitarihan’i Jesoa Kristy ny Fiangonany amin’ny alalan’ireo apôstôly sy mpaminany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba ho tonga vonona hizara ohatra izay maneho ny fitarihan’i Jesoa Kristy ny Fiangonany amin’ny andro farany.

  • Taratasy zaraina: Ny taratasy zaraina momba ny fomba izay nitarihan’i Jesoa ny Fiangonany tamin’ny alalan’ireo Apôstôly

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hanao fitsapan-kevitra an-tserasera tsy mitonona anarana mba hanaovana fanombantombanan-tena eny am-piandohan’ny lesona ary hampiasana ireo valin-tenin’ny mpianatra mba hitarihana ny ambin’ny lesona. Azo ampiasaina ity sary eto ambany ity mba hanehoana ireo valin-teny azo safidiana amin’ilay fitsapan-kevitra.

Sary
Diagram with words Strongly Disagree and Strongly Agree.

Asan’ny Apostoly 2

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao mba hanampiana ireo mpianatra handalina ny fahatakarany ireo fomba izay ahafahan’ny Fanahy Masina mitahy sy manampy azy ireo hianatra ny fomba fanasana ireo fitahiana ireo eo amin’ny fiainany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hifanakalo hevitra miaraka amin’ny olona iray akaikin’ny fony momba ireo fomba nahitany fa miaraka amin’izy ireo hatrany ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainany. Asao ihany koa ireo mpianatra mba ho tonga vonona hizara ireo fanontaniana izay mety hanitikitika azy ireo momba ny Fanahy Masina.

Asan’ny Apostoly 3

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy amin’ny fanamafisana orina ny finoan’ireo mpianatra fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia afaka manampy azy ireo handresy ireo zava-tsarotra izay atrehan’izy ireo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisaintsaina momba ny fanamby na ny fahoriana iray atrehan’izy ireo manokana izay tiany hikatsahana fanampiana avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy na hikatsahana ny herin’Izy Ireo mba handresena izany. Asao izy ireo handalina ny Asan’ny Apostoly 3:1–8 miaraka amin’io olana na fahoriana iray io ao an-tsaina ary hitady ireo fahamarinana izay afaka hanampy azy ireo.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’alalan’ny visio-conférence: Asehoy ireo sary izay hita ao amin’ny fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny”, ary asao ireo izay manolo-tena hampiasa ireo sary ireo mba hamintinana ireo zavatra nitranga voalaza ao amin’ny Asan’ny Apostoly 3:1–8 .

Asan’ny Apostoly 4–5

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahatsapa fitomboam-paniriana hankatò an’ Andriamanitra mihoatra ny olon-kafa.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra ho tonga vonona hizara toe-javatra ahitana ny mety hahasarotra ny fankatoavana an’ Andriamanitra noho ny fanerena ataon’ny hafa.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 12

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanome fotoana hahafahan’ireo mpianatra hahita ny toerana misy sy hanisy marika ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 13 farany izay hita ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Fanamarihana: Azo ampianarina ho solon’ity lesona famerenana ity ny lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na ny mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra mba hahazoana antoka fa hampianarina avokoa ireo lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny fotoana ampianarana ny seminera.

  • Tabilao: Tabilaon’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja amin’ny soratra masina izay tokony haseho

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’alalan’ny visio-conférence: Zarao anaty vondrona mitokana anaty Salles de discussion ireo mpianatra. Omeo fotoana izy ireo hanisy marika ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny soratra masiny (raha misafidy ny hanao izany izy ireo), dia mametraha fanontaniana momba ny hoe “Mba hahafantarana anao kokoa” ary mifanakaloza hevitra momba ny soratra masina alalinin’izy ireo. Aorian’ny fotoana voatondro, dia ovaovao ny mpianatra anaty salles de discussion mba hahafahan’ny mpianatra manana namana hafa hiarahana miasa sy hifanakalozana hevitra.