Seminera
Asan’ny Apostoly 1


Asan’ny Apostoly 1

Fampahafantarana ny bokin’ny Asan’ny Apostoly

Sary
The eleven apostles of Jesus Christ (all except Judas Iscariot) gathered together in Galilee. Two angels (dressed in white) are standing with the apostles and pointing to the heavens. The apostles are looking upward. The painting depicts the ascension of the resurrected Jesus Christ into the heavens. Christ is not depicted in the picture. (Mark 16:19-20) (Luke 24:50-53) (Acts 1:9-11)

Nanompo ny Apôstôliny nandritra ny 40 andro i Jesoa Kristy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty. Nandritra izany fotoana izany dia nanomana ny Apôstôliny hitarika ny Fiangonany taorian’ny niakarany tany an-danitra Izy. Tahaka ny nataony fahiny, i Jesoa Kristy dia manohy mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ireo Apôstôly nofinidiny ankehitriny. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fitarihan’i Jesoa Kristy ny Fiangonany amin’ny alalan’ireo apôstôly sy ireo mpaminany.

Fankasitrahana ny fandraisan’anjaran’ny mpianatra. Samy manana ny tantaram-piainany, ny zavatra mahaliana azy, sy ny fanantenany ary ny fanamby azy manokana ny mpianatra tsirairay avy. Rehefa mizara traikefa sy ny fahatakarany ao am-pianarana ny mpianatra dia matetika izy ireo no taomin’ny toe-javatra iainany manokana. Ireo traikefa sy fahatakarana ireo dia afaka mitahy ireo mpianatra hafa ary afaka manampy ny mpampianatra hanombana ny zavatra ilain’ny mpianatra ary hampianatra araka izany.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra ho tonga vonona hizara ohatra izay maneho ny fitarihan’i Jesoa Kristy ny Fiangonany amin’ny andro farany.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny fiakaran’i Kristy any an-danitra

Amboary hifanaraka amin’ny filan’ny mpianatra ity rafi-tantara manaraka ity. Azon’ny mpianatra atao ny milalao an-tsehatra ary mifandimby mamaly ilay namana ao anatin’ity rafi-tantara ity.

Alaivo sary an-tsaina hoe manontany anao ny namanao, izay tsy mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, hoe: “Iza no nanomboka ny fiangonana ivavahanao, ary iza no mitarika izany ankehitriny?”

  • Inona no havalinao? Nahoana?

Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia mamariparitra ny zavatra niainan’ireo Apôstôly taorian’ny niakaran’i Jesoa Kristy tany an-danitra. Mety ho asa tena sarotra ho an’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana ny nampandroso ny Fiangonan’ny Mpamonjy rehefa tsy niaraka tamin’izy ireo mivantana intsony Izy. Tsy irery anefa ireo Apôstôly tamin’ny ezaka nataon’izy ireo. Ny zavatra niainan’ireo Apôstôly voarakitra ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia maneho ny fahamarinana fa I Jesoa Kristy dia mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ireo apôstôliny sy ireo mpaminaniny.

Eritrereto ny fahatsapanao manokana momba an’i Jesoa Kristy mitarika ny Fiangonany. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao izao manaraka izao:

  1. Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra fa mitarika ny Fiangonany i Jesoa Kristy?

  2. Inona no antenainao ho hita ao amin’ny fiangonana tarihin’i Jesoa Kristy?

  3. Amin’ny fampiasana ity ambaratonga manaraka ity dia farito hoe hatraiza no hiombonanao hevitra amin’ity teny ity: “I Jesoa Kristy dia mitarika ny Fiangonany ankehitriny amin’ny alalan’ny apôstôly sy ny mpaminany.” Hazavao ny valin-teninao.

Sary
New Testament Seminary Teacher Manual- 2023

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia henoy tsara ny bitsiky ny Fanahy izay afaka manampy anao hahatsapa fa nitarika ny Fiangonany i Jesoa Kristy taorian’ny niakarany tany an-danitra ary mbola manohy mitarika ny Fiangonany Izy ankehitriny.

Manohy mitarika ny Fiangonany i Jesoa Kristy taorian’ny niakarany tany an-danitra

Soraty ao anatin’ny diary ny lohateny hoe “Ohatra momba an’i Jesoa Kristy mitarika ny Fiangonany.” Mandritra ity lesona ity dia ampio ohatra ao anatin’ny diarinao ary saintsaino ny fomba hanamafisan’izany ny fijoroana ho vavolombelona ananao momba an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany.

Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1–5 ireto ka tadiavo ny fomba nanohizan’i Jesoa Kristy ny fanampiana ireo Apôstôliny taorian’ny niakarany tany an-danitra. Eritrereto ny fomba nanehoan’ireo zava-nitranga ireo fa nitarika ny Fiangonany tokoa i Jesoa Kristy. Ampio ireo hevi-baovao hitanao ao anatin’ny diarinao.

Omeo ny mpianatra ity taratasy zaraina manaraka ity. Azonao zaraina ho vondrona misy mpianatra efatra izy ireo. Afaka mandalina tantara iray avy ny olona tsirairay ao amin’ny vondrona ary mitady porofo momba an’i Jesoa mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ny Apôstôly. Avy eo izy ireo dia afaka mizara ny valin-teniny amin’ny hafa ao amin’ny vondrona misy azy.

Sary
New Testament Seminary Teacher Manual - 2023

Andininy hohalalinina

Ireo antsipiriany tokony ho fantatrao alohan’ny handalinanao ireo andininy ireo

Asan’ny Apostoly 1:23–26

Nivory mba hifanakalo hevitra ny amin’izay olona hisolo an’i Jodasy Iskariota ho iray amin’ireo Apôstôly Roambinifolo ny Apôstôly sy ireo mpanara-dia an’i Kristy hafa.

Asan’ny Apostoly 2:37–43

Raha niangona tao Jerosalema ireo Apôstôly fotoana fohy taorian’ny niakaran’i Kristy tany an-danitra, dia nilatsaka tamin’izy ireo tsirairay tamin’ny fomba mahery vaika ny Fanahy Masina (jereo ny Asan’ny Apostoly 2:1–8). Nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy i Petera rehefa heniky ny Fanahy (jereo ny Asan’ny Apostoly 2:14–36). Ity andalan-tsoratra masina ity dia mamariparitra ny fiantraikan’io firotsahan’ny fanahy io tamin’ny olona maro izay nanatri-maso izany.

Asan’ny Apostoly 3:1–8 ; 4:8–10

Nifanena tamin’ny lehilahy nalemy tongotra iray tao amin’ny tempoly tao Jerosalema i Petera sy i Jaona.

Asan’ny Apostoly 5:12–16

Efa nampitandrina ireo Apôstôly ny mpitarika Jiosy mba tsy hiresaka intsony momba an’i Jesoa Kristy (jereo ny Asan’ny Apostoly 4:13–18).

Asan’ny Apostoly 5:17–25

Nogadraina i Petera sy i Jaona rehefa avy nanohy nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy nanao fahagagana tamin’ny anarany.

  • Inona no nianaranao momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ireo andininy ireo ka misy fiantraikany amin’ny finoanao sy ny fatokianao Azy?

  • Ahoana no hanehoan’ireo zava-nitranga ireo fa nitarika ny Fiangonany tamin’ny alalan’ireo Apôstôliny ny Mpamonjy?

Mbola manohy mitarika ny Fiangonany i Jesoa Kristy ankehitriny

Sary
All the members of the First Presidency and the Quorum of the Twelve Apostles are seated or standing with the Christus Statue and statues of the Original Twelve at the Visitors’ Center in Rome, Italy. Front Left to Right: Dieter F. Uchtdorf, Jeffrey R. Holland, M. Russell Ballard, Dallin H. Oaks, Russell M. Nelson, Henry B. Eyring, David A. Bednar, Quentin L. Cook, D. Todd Christofferson, Gary E. Stevenson, Ronald A. Rasband, Neil L. Andersen, Dale G. Renlund, Gerrit W. Gong, Ulisses Soares

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra momba ny fomba anohizan’ny Mpamonjy ny fitarihana ny Fiangonany ankehitriny.

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Fa isika amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’ny Tompo antsika dia mahafantatra hoe iza no lohan’ny Fiangonana: I Jesoa Kristy Izy Tenany. …

Noho izany, inona no lanjan’ny anarana iray? Rehefa ny anaran’ny Fiangonan’ny Tompo no resahina, ny valin’izany dia hoe “Ny zava-drehetra!” I Jesoa Kristy dia nitarika antsika mba hiantso ny Fiangonany amin’ny anarany satria Fiangonany io, ary heniky ny heriny.

Fantatro fa velona Andriamanitra. I Jesoa no Kristy. Mitarika ny Fiangonany Izy ankehitriny.

(Russell M. Nelson, “Ny anarana marin’ny Fiangonana,” Liahona, nôv. 2018, 88–89)

  • Amin’ny fomba ahoana no misy fiantraikany eo amin’ny fiainanao ny fahalalana fa mitarika ny Fiangonany i Jesoa Kristy ankehitriny?

Ampahatsiahivo ny mpianatra ny hampiasa na hireritreritra ireo zavatra niomanany mba hanatrehana ny fampianarana rehefa mamaly ity fanontaniana manaraka ity izy ireo. Raha mila fanampiana amin’ny famaliana ireo mpianatra dia azonao atao ny mizara ohatra vitsivitsy, toy ny fitomboan’ny Fiangonana, ny fipoirana sy ny fandikan-tenin’ny Bokin’i Môrmôna, ny fanambarana izay nanitatra ireo fitahian’ny fisoronana ho an’ny lehilahy mendrika rehetra, ireo fahagagana mitranga eo amin’ny fiainan’ny mpikamban’ny Fiangonana, na ohatra hafa.

  • Inona avy ireo ohatra avy amin’ny fiainanao manokana na avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana ka manampy anao hahita fa mbola manohy mitarika ny Fiangonany i Jesoa Kristy ankehitriny? (Aza adinoina ny manampy ireto ohatra ireto ao amin’ny ny diarinao.)

  • Ahoana no fomba anampian’ireo ohatra momba ny Mpamonjy mitarika ny Fiangonany ireo anao amin’ny fahatakarana ny zavatra tsapany momba antsika?

Saintsaino

Avereno jerena ny lisitry ny ohatra momba ny Mpamonjy mitarika ny Fiangonany izay noforoninao androany. Hevero ny hanampy ao amin’io io firaketana io rehefa manohy mandalina ny Asan’ny Apostoly ianao ary dia mahazoa fampianarana fanampiny momba ny Mpamonjy sy ny Fiangonany. Azonao atao ny mirakitra ao amin’ny diarinao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba io fahamarinana io.

Asao ny mpianatra hizara ny lisitr’izy ireo. Azonao atao ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona manokana ananao momba ny fomba itarihan’ny Mpamonjy ny Fiangonana amin’izao fotoana izao, ary manasà mpianatra izay manolo-tena hijoro ho vavolombelona momba izany ihany koa.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Iza no nanoratra ny bokin’ny Asan’ny Apostoly?

I Lioka no nanoratra ny bokin’ny Asan’ny Apostoly izay “faharoa amin’ireo asa soratra roa. … Ilay asa soratra voalohany dia fantatra amin’ny hoe ny Filazantsara araka an’i Lioka” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Asan’ny Apostoly ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org; jereo koa ny Lioka 1:1–4 ; Asan’ny Apostoly 1:1).

Inona no resahin’ity boky ity?

Ny Asan’ny Apostoly dia mampitohy ny rakitsoratry ny tantaran’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany ao amin’ireo Filazantsara efatra amin’ireo rakitsoratra sy asa nataon’ireo Apôstôliny. Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia mampiseho ny fomba nanohizan’ny Mpamonjy nitarika ny Fiangonany tamin’ny alalan’ny fitaoman’ny Fanahy Masina tamin’ireo izay nihazona ny fanalahidin’ny fisoronana. Nanambara fahamarinana tamin’ireo Apôstôly ny Fanahy Masina, ary avy eo dia izy ireo no nitarika sy nampianatra ny Fiangonana. Nanatanteraka fahagagana tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy ihany koa ireo Apôstôly.

Nanazava ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Manomboka amin’ny andininy voalohany [amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly] dia nambara fa mbola hitohy hotarihin’ Andriamanitra ny Fiangonana fa tsy hotarihin’olombelona. … Raha ny marina dia lohateny feno kokoa azo nomena ny bokin’ny Asan’ny Apostoly sady mety tsara aminy ny hoe “Ny Asan’ilay Kristy nitsangana tamin’ny maty amin’ny alalan’ny Fanahy Masina teo amin’ny fiainana sy ny fanompoana nataon’ireo Apôstôliny voatendry.” …

“Nitovy tamin’izany hatrany ny fomba fitarihana ny Fiangonana. Ny toerana misy ny Mpamonjy no niova fa ny fitarihana sy fitantanana ny Fiangonana dia mitovy tanteraka.”

(“Therefore, What?” [lahateny natao nandritra ny fihaonamben’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana momba ny Testamenta Vaovao, 8 aog. 2000], 6, si.ChurchofJesusChrist.org)

Inona no atao hoe Apôstôly?

Ahoana no fomba itarihan’ny Tompo ny Fiangonany ankehitriny?

Ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava hoe:

Sary
Official portrait of Elder Quentin L. Cook. Called to the Quorum of the Twelve Apostles on 6 October 2007.

Manàna fahatokiana fa ireo mpitarika efa ela nanompoana indrindra ato amin’ny Fiangonana izay miahy ireo tanjona masina nampandraiketina ny Fiangonana dia mandray fanampiana avy any an-danitra. Izany fitarihana izany dia avy amin’ny Fanahy ary indraindray dia avy amin’ny Mpamonjy mivantana. Samy omena ireo karazana fitarihana ara-panahy roa ireo. Feno fankasitrahana aho noho ny nandraisako fanampiana toy izany. Fa ny fitarihana dia omena araka ny fotoan’ny Tompo, andalana anampy andalana, fitsipika anampy fitsipika [jereo ny 2 Nefia 28:30 ; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:12 ; 128:21 ], rehefa “ninia nisafidy ny hampianatra antsika ny Tompo ilay manana ny fahalalana rehetra” [Neal A. Maxwell, All These Things Shall Give Thee Experience (2007), 31]. Ny fitarihana ho an’ny Fiangonana manontolo dia tsy omena afa-tsy amin’ny mpaminaniny ihany.

(Quentin L. Cook, “Miomàna hihaona amin’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2018, 117)

Ahoana no iantsoana ireo apôstôly sy ireo mpaminany maoderina?

Jereo ny “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika” manomboka amin’ny mari-potoana 9:41 ka hatramin’ny 11:49 na “Ny fon’ny mpaminany” manomboka amin’ny mari-potoana 4:08 ka hatramin’ny 6:40, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, mba hahitana ohatra.

Sahanasa fianarana fanampiny

Vavolombelon’i Kristy fahiny sy ankehitriny

Ohatra iray amin’ny fomba itarihan’ny Mpamonjy ny Fiangonany ny fanomezany vavolombelona momba Azy. Afaka mandalina ny fomba nijoroan’i Petera sy i Jaona ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny mpianatra araka ny voarakitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:32 ; 3:10–16 ; ary 5:32 . Azon’izy ireo atao ny mampitaha ireo fijoroana ho vavolombelona ireo amin’izay voasoratra ao amin’ny 2 Petera 1:16; 1 Jaona 1:1 ; sy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:22–24 ary ao amin’ireo fijoroana ho vavolombelona voarakitra ao amin’ny iray na maromaro amin’ireo horonan-tsary hoe “Témoins spéciaux du Christ” izay hita ao amin’ny https://www.churchofjesuschrist.org/media/collection/special-witnesses-of-christ-video-collection.

Amin’ny Fiaviany fanindroany dia hidina avy any an-danitra amim-boninahitra ny Mpamonjy

Ity sahanasa ity dia azo ampiasaina raha toa ka manana fanontaniana mikasika ny fomba hiverenan’ny Mpamonjy ny mpianatra. Asao ireo mpianatra hitady ilay fahamarinana etsy ambony ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1:1–12 . Hazavao fa ny Fiakaran’ny Mpamonjy tany an-danitra dia nitranga teo amin’ny Tendrombohitra Oliva (jereo ny andininy 12). Hazavao fa rehefa miverina indray ny Mpamonjy dia iray amin’ireo fomba hisehoany ny fidinany avy any an-danitra ka hijoro eo an-Tendrombohitra Oliva Izy (jereo ny Zakaria 14:4 ; ; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:47–53 ; 133:19–20). Izany dia hitranga alohan’ny hisehoany amin’izao tontolo izao, izay “hahitan’ny nofo rehetra Azy” ( Isaia 40:5). Azon’ny mpianatra atao ny mifanakalo hevitra momba ny antony maha-zava-dehibe ny fahafantarana fa ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany dia tena hazava sy hiharihary amin’izao tontolo izao. Amin’ny fomba ahoana no maha-fanehoam-pitiavany ho antsika izany?