Seminera
Fandalinana ny soratra masina


Fandalinana ny soratra masina

Henoy ny feon’ny Tompo amin’ny alalan’ny soratra masina

Sary
A row of hands holding scriptures or electronic devices.

Nampianatra i Jesoa fa mijoro ho vavolombelona momba Azy ny soratra masina (jereo ny Jaona 5:39). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanatona an’i Kristy sy hahafantatra Azy bebe kokoa rehefa mandalina ny tenin’Andriamanitra amin’ny alàlan’ny fanampiana anao hampivelatra ny fahaizanao mandalina soratra masina sy hametraka tanjona kendrena amin’ny fandalinanaosoratra masina.

Nahoana no mandalina ny soratra masina?

Alaivo sary an-tsaina hoe milaza an’izao ny namanao iray: “Tsy manam-potoana handalinana ny soratra masina aho miaraka amin’ny zavatra hafa rehetra efa ataoko. Tsy azoko akory izy ireny!”

  • Inona no ho lazainao amin’ilay namanao?

  • Inona koa ireo antony hafa mety tsy handalinan’ny olona ny soratra masina isan’andro?

Ataovy ilay fanombantombanana ny fandalinana soratra masina. Hojerenao any aoriana mandritra ny fotoam-pianaranaireo valin-teninao.

Fanombantombanana ny fandalinana soratra masina

Valio amim-pahitsiana ny fanontaniana tsirairay amin’ny alalan’ny fampiasana ireto valiny manaraka ireto:

(a) Tsy mbola nisy mihitsy (b) Mahalana (d) Tsindraindray (e) Matetika (f) Tsy tapaka

____ Mandalina isan’andro ny soratra masina aho.

___ Hitako ny lanjanny rehefa manokana fotoana handalinana soratra masina isan’andro aho.

___ Fantatro ary ampiasaiko ny fahaizana mandalina soratra masina izay manampy ahy hahatakatra ireo fahamarinana ao amin’ny soratra masina.

___ Rehefa mandalina aho dia tonga ao an-tsaiko ireo hevitra mbola tsy hitako teo aloha.

___ Raisiko an-tsoratra ireo fahatsapana sy ny hevitra ara-panahy avy amin’ny fandalinako.

Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona no mandeha tsara ao amin’ny fandalinanao soratra masina? Inona no mety azonao hatsaraina kokoa?

Vakio ity teny manaraka nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson ity ka tadiavo izay azontsika ianarana momba ny antony hoe, tsy mahafaty antoka ny fanokanana fotoana sy fanaovana ezaka handalinana ny soratra masina tsy tapaka.

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Rehefa mikatsaka ny ho mpianatr’i Jesoa Kristy isika, ny ezaka ataontsika amin’nyfihainoana Azydia mila finiavana bebe kokoa. Mila ezaka an-tsitrapo sy tsy tapaka ny famenoana ny fiainantsika isan’andro amin’ny teniny, ny fampianarany, ireo fahamarinany. …

…Aizaisikano mandeha raha hihaino Azy?

Afaka mitodika any amin’ny soratra masina isika. Ny soratra masina dia mampianatra antsika momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany, ny halehiben’ny Sorompanavotany, ary ny drafitra lehiben’ny fahasambarana sy ny fanavotan’ny Raintsika. Ny filomanosana isan’andro ao amin’ny tenin’ Andriamanitra dia zava-dehibe ho an’ny fiavotana ara-panahy, indrindra fa ao anatin’izao andro isian’ny fiovana sarotra tsy mitsaha-mitombo izao. Rehefa mivoky amin’ny tenin’i Kristy isan’andro isika, dia ny tenin’i Kristy no hanambara amintsika ny fomba hiatrehana ireo zava-tsarotra izay tsy noheverintsika mihitsy ho atrehana. …

Inona no hitranga rehefa mihaino sy mitandrina ary manaraka amin’ny nahim-po kokoa izay nolazain’ny Mpamonjy sy izay lazainy amin’izao fotoana izao amin’ny alalan’ny mpaminaniny ianareo? Mampanantena aho fa hotahiana amin’ny hery lehibe kokoa ianareo hahafahana miatrika ny fakam-panahy sy ny ady ary ny fahalemena. Mampanantena fahagagana aho eo amin’ny fanambadianareo, sy ny fifandraisan’ny mpianakavy, ary ny asanareo andavanandro. Ary mampanantena aho fa hitombo ny fahafahanareo mahatsapa fifaliana na dia mitombo aza ireo zavatra misafotofoto eo amin’ny fiainanareo.

Russell M. Nelson, “Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 89, 90

Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny roa farafahakeliny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

1.

  • Inona no nianaranao avy tamin’ity teny nambara ity mikasika ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy mitahy anao rehefa mandalina ny soratra masina ianao?

  • Inona no fitahiana azonao rehefa nandalina tsy tapaka ny soratra masina ianao?

  • Inona no nanampy na afaka nanampy anao hanokana fotoana tsy tapaka handalinana ny soratra masina?

Ahoana no fomba ahafahako mampiasa ny fanamarihana eny ambanin’ny pejy amin’ny fomba mahomby?

Fomba iray ahafahanao mampivoatra ny fandalinana soratra masina bebe kokoa ny fampiasana ny fanamarihana eny ambanin’ny pejy. Ny fanamarihana eny ambanin’ny pejy dia hita ao amin’ny soratra masina natonta printy amin’ny taratasy eny ambanin’ny pejy ary hita ao amin’ny soratra masina amin’ny endrika elektrônika amin’ny alalan’ny fanoratana ireo tarehintsoratra kely eo akaikin’ny teny sasany ao amin’ireo andinin-tsoratra masina. Ireo fanamarihana ireo dia ahitana filazana andininy hafa na fitaovana fanampiny izay afaka manampy anao hahatakatra bebe kokoa izay ampianarina.

Sary
A portion of a page from the Bible. Line art for seminary manual

Ho hitanao matetika eny amin’ny fanamarihana eny ambanin’ny pejy ao amin’ny Testamenta Vaovao (amin’ny teny Anglisy) ny fanamarihana momba ny Dikantenin’i Joseph Smith. Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia fanitsiana na dikantenin’ny Baiboly izay azo avy amin’ny fitaomam-panahy, izay notanterahin’i Joseph Smith. Mamerina ireo fahamarinana very tao amin’ny Baiboly izy io ary manampy fanazavana an’ireo fampianarana ao amin’ny Baiboly. Tao ao anatin’ny fahazoana fitaomam-panahy no nanitsian’ny Mpaminany andininy miisa 3.400 mahery tao amin’ny Baiboly, ary maro amin’izany no hita ao amin’ny fanamarihana eny ambanin’ny pejin’ny edisiônan’ny Baiboly navoakan’ny Olomasin’ny Andro Farany, saingy misy andalana lava kokoa any amin’ny fampahalalana fanampiny any amin’ny faran’ilay Baiboly.

Ny Lioka 2 dia mamaritra ny tantaran’i Josefa sy i Maria nahita an’i Jesoa tamin’izy 12 taona tao amin’ny tempoly rehefa avy nitady Azy nandritra ny telo andro (jereo ny Lioka 2:40–45). Ny Lioka 2:46 dia ohatra iray izay hanazavan’ny Dikantenin’i Joseph Smith ny zavatra ampianarina ao amin’ilay andalana. Izany koa dia manampy amin’ny fanaovana ny dikany hifanaraka amin’izay ampianarina ao amin’ny andininy 47 .

Halalino tsy misy fijerena fanamarihana eny ambanin’ny pejy ny Lioka 2:46, ary tadiavo ny zavatra ianaranao momba an’i Jesoa Kristy.

Halalino indray ny andalan-tsoratra masina, ka ampiasao ny fanamarihana eny ambanin’ny pejin’ny amin’ity indray mitoraka ity, tafiditra ao anatin’izany ilay iray manomboka amin’ny “GR.” Midika hoe “Grika” ny “GR” , izay fiteny nanoratana tany am-boalohany ny ankamaroan’ny Testamenta Vaovao natao sora-tanana. Ity fanamarihana eny ambanin’ny pejy ity dia manampy antsika hahatakatra ny dikan’ilay lahatsoratra amin’ny teny Grika mety ho hita hafa.

Answer the following question in your study journal:

2.

  • Ahoana no nanatsaran’ireo fitaovana fandalinana soratra masina ireo ny zavatra ampianarin’ilay andinin-tsoratra masina momba an’i Jesoa Kristy?

Tanjona mba hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy

Iray amin’ireo tanjona voalohan’ny seminera ny hanampy anao hanaraka an’i Jesoa Kristy sy ho tonga mpianany. Ny fandalinana tsy tapaka ny soratra masina dia iray amin’ireo fomba tsara indrindra hahatonga anao ho mpanara-dia feno fahafoizan-tena an’i Jesoa Kristy. Iray amin’ireo zavatra takina koa izany mba hahazoana ilay fahavitana ny famenoana fepetra ao amin’ny seminera. Afaka mangataka fampahalalana amin’ny mpampianatra anao ianao momba ny zavatra takina amin’ny fandalinana soratra masinaraha manana fanontaniana.

Mety ho sarotra ny mahita fotoana handalinana manokana ny soratra masina. Nanolotra ity torohevitra ity ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Elder David A. Bednar, Quorum of the Twelve Apostles official portrait. 2020.

Noho ny firotorotoan’ny fiainantsika dia tsy ampy ireo fikasana tsara sy ny “fanantenana” fotsiny mba hanana fotoana handalinana ny soratra masina. Hitako araka ny zavatra niainako fa ny fotoana iray voafaritra sy raikitra izay atokana isan’andro ary ny fakana toerana manokana, araka izay azo atao, ho an’ny fandalinana dia mampitombo tokoa ny fahombiazan’ny fikarohana ataontsika sy ny fandalinana ny soratra masina.

(David A. Bednar, “Because We Have Them before Our Eyes,” New Era, Apr. 2006, 6)

Eritrereto ny zavatra nianaranao sy tsapanao androany, ary avereno dinihana indray ny valin-teny nataonaotamin’ ny fanombantombanana ny fandalinana soratra masina. Manaova tanjona amin’ny fandalinana soratra masina ao amin’ny diary fandalinanao. Azonao atao tanjona ara-panahy ho an’ny fandaharan’asan’ny Ankizy sy Zatovo izany na mamorona tanjona iray hafa mihitsy. Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa mametraka ny tanjonao ianao:

  • Inona no fantatrao na inoanao momba ny soratra masina? Nahoana no mampitombo ny fanirianao handalina azy ireo ny zavatra fantatrao na inoanao momba azy ireo?

  • Inona ireo olana natrehinao teo amin’ny fandalinanao soratra masina? Ahoana no ahafahanao mamaha azy ireny?

  • Hatraiza no hohalalininao? Aiza ary rahoviana no hanaovanao izany?

3. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny tanjonao mahakasika ny fandalinana ny soratra masina sy ny drafitrao hanatanterahana izany.

Tsy voatery atao: Te hianatra bebe kokoa ve ianao?

Inona ireo fitahiana azo avy amin’ny fandalinana soratra masina?

Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinfolo dia nijoro ho vavolombelona momba ireo fitahiana azo avy amin’ny fandalinana soratra masina.

Ahoana no ahafahako mandalina ny soratra masina amin’ny fomba mahomby?

Nizara izao hevi-baovao izao ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Portrait of Elder D. Todd Christofferson. Photographed in March 2020.

Rehefa miteny aho hoe “mandalina,” dia zavatra mihoatra noho ny mamaky no tiako holazaina. Zavatra tsara indraindray ny mamaky bokin-tsoratra masina iray ao anatin’ny fotoana voafaritra mba hahafantarana ny dikan’ny hafatra entiny amin’ny ankapobeny, saingy ho an’ny fiovam-po dia tokony hiraharaha bebe kokoa mikasika ny habetsahan’ny fotoana lanianao amin’ny soratra masina ianao toy izay mikasika ny habetsahan’ny zavatra vakinao ao anatin’izany fotoana izany. Indraindray dia azoko sary an-tsaina ianareo mamaky andininy vitsivitsy, miato mba handinika izany, mamaky amim-pitandremana indray ireo andininy, ary rehefa iny mieritreritra momba ny hevitra tian’izy ireo ambara iny, mivavaka mba hahatakatra izany, mametra-panontaniana ao an-tsainareo, miandry fahatsapana ara-panahy, ary manoratra ireo zavatra tsapa sy hevi-baovao izay tonga mba hahafahanareo mitadidy sy mianatra bebe kokoa. Rehefa mandalina toy izany ianareo, dia mety tsy mamaky toko na andininy maro ao anatin’ny antsasan-kadiny, saingy hanisy toerana ho an’ny tenin’ Andriamanitra ao am-ponareo ianareo ary hiresaka aminareo Izy.

(D. Todd Christofferson, “When Thou Art Converted,”EnsignorLiahona, May 2004, 11)

Anisan’ny fitaovana sy loharano vitsivitsy hanampiana anao handalina ny soratra masina amin’ny fomba mahomby ny:

Ireto fitaovana manaraka ireto dia azo jerena ao amin’ny fizarana “Aides à L’étude” ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile na amin’ny fanoroam-pejin’ny triptikanao:

  • Ny Torolalana ho an’ny soratra masina , izay afaka manampy anao amin’ny fandalinana amin’ny alalan’ny lohahevitra na amin’ny fitadiavana soratra masina mifandray, na famaritana, na fanazavana ara-tsahan-kevitra.

  • Sarintany ao amin’ny Baiboly , izay afaka manampy anao hahatakatra bebe kokoa ireo sahan-kevitra ara-jeôgrafia an’ireo tantara ao amin’ny soratra masina.

  • Ny fitaovana Sarin’ny toerana voalaza ao amin’ny Baiboly, izay misy ny sarin’ireo toerana ao amin’ny Tany Masina dia afaka manampy anao hahazo sary an-tsaina kokoa ny tantara ao amin’ny Baiboly.

  • Ny Filaharan’ireo Filazantsara , izay fanoroam-pejy ahitanao ireo tantara isan-karazany ao amin’ireo tantara ao amin’ny Filazantsara tsirairay, dia manampy anao hampitombo ny fahatakaranao ireo zava-nitranga ireo.