Seminera
Mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy


Mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy

Manasa ny Fanahy Masina hampianatra anao

Sary
Young woman kneeling by her bed praying. Shot in Brazil.

Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia maniry ny hanambara amintsika ny fahamarinana amin’ny alàlan’ny herin’ny Fanahy Masina. Ity lesona ity dia hanampy anao hahatakatra ny fomba hanampian’ny Fanahy Masina anao hianatra fahamarinana sy handray fanambarana ho an’ny tena manokana. Hianaranao koa ny fomba hanasana ny Fanahy Masina hampianatra anao sy ny fomba hahafantarana fa mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy ianao.

Alaivo sary an-tsaina hoe nanasa namana iray vao sambany hanatrika seminera ianao. Nandritra ny iray tamin’ireo fotoam-pianarana seminera natrehan’ilay namanao voalohany dia nanazava ny maha-zava-dehibe ny fanasana ny Fanahy Masina ho mpampianatra marina mandritra ny seminera sy ny fandalinana soratra masina manokana ny mpampianatra. Nijoro ho vavolombelona ilay mpampianatra fa amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ireo mpianatra dia afaka mandray hafatra manokana avy amin’ny Ray any An-danitra izay tsy ambara mafy akory ao an-dakilasy. Nanontany anao ny namanao hoe inona no dikan’ny hoe mianatra avy amin’ny Fanahy Masina.

Rehefa mieritreritra ny fomba hamalianao izany ianao dia saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto. Saino lalina ny eritreritra sy ny fahatsapana tonga ao aminao rehefa mandalina ity lesona ity ianao.

  • Inona araka ny eritreritrao no mety ho niova teo amin’ny zavatra niainan’ny namanao tao amin’ny seminera raha tsapany fa nifandray taminy Andriamanitra rehefa nandalina ny filazantsara izy?

  • Manao ahoana ny fahatsapanao ny fahatokian-tenanao eo amin’ny famantarana ny fitarihan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainanao sy ny fanasana Azy hampianatra anao?

Inona no ataon’ny Fanahy ho antsika?

Rehefa mandalina ny filazantsara ianao dia afaka manome anao fanambarana ho an’ny tena manokana ny Fanahy Masina. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Tsy mila manontany tena mikasika izay marina ianareo [jereo ny Môrônia 10:5 ]. Tsy mila manontany tena ianareo hoe iza no azonareo itokiana. Amin’ny alalan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana, no ahafahanareo mahazo fijoroana ho vavolombelona anareo manokana fa tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna, fa mpaminany i Joseph Smith ary ity no Fiangonan’ny Tompo. Na inona na inona mety holazain’ny hafa na hataony, dia tsy misy olona afaka hanaisotra ny fijoroana ho vavolombelona napetraka tao am-ponareo sy ao an-tsainareo momba izay marina.

Mamporisika anao aho hampitombo ny fahafahanao ara-panahy amin’izao fotoana izao handray fanambarana ho an’ny tenanao manokana. … Eny, mbola maro ireo zavatra tian’ny Rainao any An-danitra ho fantatrao. …

… Ny fahamarinana manan-danja indrindra izay hijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona aminao dia, i Jesoa no Kristy, Zanak’ Andriamanitra velona. Velona Izy!

Valio ao amin’ny diary fandalinanaony iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto farafahakeliny:

1.

  • Inona no nanaitra anao tao anatin’ny teny nambaran’ny Filoha Nelson?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no ilay hoe, i Jesoa no Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra velona, no fahamarinana manan-danja indrindra izay azon’ny Fanahy Masina ijoroana ho vavolombelona?

  • Ahoana no fomba hamintinanao amin’ny namanao amin’ny alalan’ny fehezan-teny iray na roa ny maha-zava-dehibe ny fanambarana ho an’ny tena manokana ao amin’ny fandalinany ny filazantsara?

Ahoana no fomba ahafahantsika mahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina?

Alaivo sary an-tsaina hoe manomboka mampiseho fahalianana amin’ny fo madio ny mba hahazo fanambarana avy amin’ Andriamanitra ilay namanao. Saingy hoy izy taminao hoe: “Tsy fantatro tsara raha efa nahazo fanambarana aho teo aloha. Ahoana no hamantarako ny Fanahy Masina?”

Mba hanampiana anao hamaly izany dia vakio ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto. Mariho ny fomba namaritana ny fitaoman’ny Fanahy.

Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto farafahakeliny:

2.

  • Iza amin’ireo famaritana novakinao momba ny Fanahy Masina no tianao hozaraina amin’ny namanao? Nahoana?

  • Ahoana no hamaritanao ireo fomba niainanao ny fitaoman’ny Fanahy Masina rehefa nandalina ny filazantsara?

Ahoana no fomba hanasantsika ny Fanahy Masina hampianatra antsika?

Tia antsika ny Raintsika any An-danitra ary maniry ny hiresaka amintsika amin’ny alalan’ilay feo tony sy malefaka an’ny Fanahy Masina. Saingy isika tsirairay no manapa-kevitra raha vonona ny hitady fatratra fanambarana avy Aminy. Ankoatra izany, rehefa mivory amin’ny maha-mpianakavy, na amin’ny maha-iray kilasy, na amin’ny maha-iray paroasy isika dia mety hisy fiantraikany amin’ireo olona hafa manodidina antsika ny faniriantsika, ny fihetsitsika ary ny zavatra ataontsika.

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fomba manan-danja vitsivitsy ahafahantsika manasa ny Fanahy Masina hampianatra antsika.

Sary
Elder David A. Bednar, Quorum of the Twelve Apostles official portrait. 2020.

Ny fandraisana ny Fanahy Masina dia manomboka amin’ny faniriantsika amin-kitsimpo sy tsy tapaka ny ho namany eo amin’ny fiainantsika. …

Miseho amin’ny fomba maro ny fanasantsika ny Fanahy Masina ho namana: amin’ny alalan’ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana; amin’ny fivavahana amin-kitsimpo isam-batan’olona sy isam-pianakaviana; amin ’ny fandinihana am-pahazotoana ny soratra masina; amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fifandraisana araka ny tokony ho izy amin’ny fianakaviana sy ny namana; amin’ny fikatsahana eritreritra, asa ary fomba fiteny tsara; ary amin’ny alalan’ny fitsaohana ao an-tokantrano, sy any amin’ny tempoly masina ary any am-piangonana.

(David A. Bednar, “Raiso ny Fanahy Masina,” Liahona, nôv. 2010, 96)

  • Inona amin’ireo fihetsika na asa noresahin’ny Loholona Bednar no nanampy anao hanasa ny Fanahy eo amin’ny fiainanao?

  • Ahoana ny fomba fahitanao ny fihetsika na ny safidin’ny olona iray izay nanamora kokoa (na nanasarotra kokoa) ny fampianaran’ny Fanahy ny olona hafa ao amin’ny fianakaviana na ao amin’ny kilasy?

3.

  • Inona no fiantraikan’ny zavatra nianaranao androany teo amin’ny fanirianao sy ny fahaizanao mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy?

  • Inona no tianao hianarana bebe kokoa mahakasika ny fanambarana ho an’ny tena manokana sy ny fampianarin’ny Fanahy ny tena?

  • Inona no hataonao any an-trano sy any amin’ny seminera mba hanasana ny Fanahy hiaraka aminao rehefa mandalina ny Testamenta Vaovao ianao?

Tsy voatery atao: Te hianatra bebe kokoa ve ianao?

Tena vonona ny hanambara zavatra amiko ve ny Tompo?

Nanazava ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Anisan’ireo zavatra napetraky ny Fanahy imbetsaka tato an-tsaiko … ny hoe hatraiza ny fahavononan’ny Tompo hanambara ny sainy sy ny sitrapony. Ny fananana tombontsoa handray fanambarana dia anisan’ireo fanomezana lehibe indrindra avy amin’ Andriamanitra ho an’ireo zanany.

Ahoana no fomba hanasako ny Fanahy Masina hampianatra ahy?

Nanampy tamin’ny famaliana io fanontaniana io ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Sary
Elder Ulisses Soares, Quorum of the Twelve Apostles official portrait.

Mitaky fiantsoana an’ Andriamanitra sy fianarana ny fomba hitondrana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainantsika izany. Raha manao izany isika dia mampanantena aho fa hitondra fahamarinana ao am-po sy ao an-tsaintsika ny fitaoman’ny Fanahy Masina ary hijoro ho vavolombelona ny amin’izany, hampianatra ny zava-drehetra.

(Ulisses Soares, “Ahoana no ahafahako mahatakatra?,” Liahona, mey 2019, 7)

Inona no mety hanelingelina ahy amin’ny fandraisana fanambarana izay tian’ny Tompo halefa ho ahy?

Nizara ity hevi-baovao ity ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Elder David A. Bednar, Quorum of the Twelve Apostles official portrait. 2020.

Raha misy zavatra eritreretintsika na hitantsika na henontsika izay manalavitra antsika amin’ny Fanahy Masina dia tokony hijanona tsy hieritreritra na hijery na hihaino na hanao izany zavatra izany isika. Raha toa ny zavatra iray natao hampiala voly ohatra ka mampihataka antsika amin’ny Fanahy Masina dia azo antoka fa tsy natao ho antsika izany karazana fialam-boly izany. Satria tsy afaka mitoetra miaraka amin’ny zavatra kivalavala na mirefarefa amin’ny tany na tsy maotina ny Fanahy dia mazava ho azy fa tsy natao ho antsika ny zavatra toy izany.

(David A. Bednar, “That We May Always Have His Spirit to Be with Us,” Ensign or Liahona, May 2006, 30)

Nampianatra ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Official portrait of President M. Russell Ballard of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004.

Maro loatra ireo mamela ny tenany hiaina amin’ny fandaniana efa ho ny fiainany manontolo amin’ny internet eo amin’ny fitaovana elektrônika raitran’izy ireo, ny efijery manazava ny tarehiny andro aman’alina ary ny écouteur eny amin’ny sofiny manakana ilay feo tony sy malefaky ny Fanahy. Raha tsy mahita fotoana hialana amin’ireny fitaovana ireny isika dia mety ho very ireo fahafahana ananantsika hihainoana ny feony manao hoe: “Mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra” [Salamo 46:10].

(M. Russell Ballard, “Fanomezana sarobidy avy amin’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2018, 10)

Ahoana no ahafahako mamantatra fanambarana ao an-tsaiko?

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe:

Sary
Half-length frontal portrait of the Prophet Joseph Smith, Jr. Joseph’s head is turned to the side in a three-quarter view, right hand on hip and his left hand holds sheets of papers. He is depicted wearing a dark brown suit and a white shirt and tie.

Mety hahazo tombony amin’ny fahitana famantarana mangingina voalohany avy amin’ny fanahin’ny fanambarana ny olona iray; ohatra, rehefa mahatsapa faharanitan-tsaina madio mikoriana ao aminao ianao, dia mety manome hevitra tsara tampoka ho anao izany.

(Enseignements des présidents de l:’Eglise Joseph Smith [2007], 132)

Nizara ity hevi-baovao ity ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Half-length frontal portrait of the Prophet Joseph Smith, Jr. Joseph’s head is turned to the side in a three-quarter view, right hand on hip and his left hand holds sheets of papers. He is depicted wearing a dark brown suit and a white shirt and tie.

Ny eritreritra tonga ao an-tsaina dia tena miavaka. Heno na tsapa na voasoratra amin’ny antsipiriany ireo teny toy ireny torolalana tononina ireny.

(Richard G. Scott, “Helping Others to Be Spiritually Led” [address given to religious educators at a symposium on the Doctrine and Covenants and Church history, Brigham Young University, Aug. 11, 1998]; jereo ihany koa ny Teaching Seminary: Preservice Readings [2004], 55)