Seminera
Apokalypsy 2–3, Fizarana 2


Apokalypsy 2–3, Fizarana 2

“Ho an’izay mandresy”

Sary
Painting of Jesus Christ by Mike Malm. Christ appears to be walking on the water with his arms outstretched to receive those who come, unto Him. There are clouds in the background with sunlight reflecting off the clouds. Light also emanates from around his head.

Efa nanontany tena ve ianao hoe ahoana no ahafahanao miatrika amim-pahombiazana ireo fanambin’ny fiainana an-tany? Nampianatra ny Olomasina avy amin’ireo fiangonana fito tany Azia ny fomba handresena ny fanenjehana, sy ny fahotana, ary ireo fanamby hafa ny Mpamonjy mba hahazoana ireo fitahiana izay nampanantenainy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatsapa faniriana bebe kokoa ny handresy ireo fanamby sy handray ireo fitahiana nampanantenain’ny Mpamonjy fa homeny.

Mahita ny farany hatrany am-piandohana

Alaivo sary an-tsaina ny tenanao amin’ity trangan-javatra nofaritan’ny Rahalahy Ahmad S. Corbitt ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy Maneran-tany manaraka ity. Jereo ny “You Can Gather Israel!,” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist,org, manomboka avy amin’ny mari-potoana faha 4:49 ka hatramin’ny 5:22, na vakio ity fanambarana manaraka ity.

Fandresena an’izao tontolo izao

Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara izao manaraka izao mikasika ny fandresena:

Sary
Official portrait of Elder Neil L. Andersen of the Quorum of the Twelve Apostles, 2010, August.

Azo atao ve ny mandresy an’izao tontolo izao sy mahazo ireo fitahiana ireo? Eny, izay mihitsy.

Ireo izay maharesy izao tontolo izao dia mampivelatra fitiavana mihoapampana amin’ny Tompo sy Mpamonjy antsika, dia i Jesoa Kristy. …

Ny fandresena an’izao tontolo izao dia tsy fotoana iray mamaritra ny androm-piainana, fa fotoana maharitra izay mamaritra ny mandrakizay.

(Neil L. Andersen, “Mandresy izao tontolo izao,” Liahona, Mey 2017, 59)

  • Inona no zavatra nianaranao avy tamin’ny Loholona Andersen momba ny fandresena?

Satria tia sy miahy antsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, dia te hanampy antsika izy ireo handresy izay rehetra ilaina hahazoana ny fisandratana.

2. Ataovy izao manaraka izao.

Misafidiana iray na maromaro amin’ireto sahanasa manaraka ireto (na iray hafa izay safidinao) mba hanampiana anao hamantatra izay zavatra azonao atao mba handresena ireo olana sy handraisana ireo fitahiana nampanantenain’ny Mpamonjy. Raketo an-tsoratra ny hevitrao.

  1. Vakio ny lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2017 izay mitondra ny lohateny hoe “Mandresy izao tontolo izao” izay nataon’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Mitadiava hevitra momba ny zavatra izay azonao atao mba handresena.

  2. Vakio ny Jaona 16:33 , ary ianaro ny fomba nandresen’ny Mpamonjy ny fakam-panahin’i Satana ao amin’ny Matio 4:1–11 . Tadiavo ny fomba ahafahanao manaraka ny torohevitry ny Mpamonjy sy ny ohatra izay nasehony rehefa miezaka mandresy ireo olana sy fahotana ianao.

  3. Tadiavo ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile na ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org ny teny hoe “mandresy”. Halalino ireo teny nalaina na andinin-teny hitanao mba hamantarana ny fomba ahafahanao mandresy. Raha tsy izany, dia azonao atao ny mandalina andinin-tsoratra masina avy amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ao aminny hoe “ Mandresy, Nandresy .”

Mieritrereta zavatra iray farafahakeliny azonao atao mba hanampiana anao handresy ilay olana na fahotana izay noeritreretinao tany aloha tao amin’ny lesona. Soraty ao anatin’ny diarinao manokana ny zavatra izay hataonao sy ny fahahafoizan-tenanao hanao izany. Hevero ny hizara ny drafitrao amin’ny ray aman-dreninao na amin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay azo itokisana.

3. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no zavatra nianaranao mikasika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy avy amin’ity lesona ity?

  • Inona no efa fantatrao momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany izay manome anao fahatokiana fa afaka manampy anao handresy ny zava-drehetra sy handray ireo fitahiana nampanantenainy Izy?

Apokalypsy 2:25 ; 3:5 . Inona no dikan’ny hoe “mifikitra mafy”?

Ny Kristianina izay nomelohin’ny manam-pahefana Romanina higadra na ho faty indraindray dia afaka nanavotra ny tenany tamin’ny fanozonana an’i Kristy sy ny fivavahana amin’ny emperora. Noraketin’i Jaona an-tsoratra ny fiderana ny Tompo ho an’ireo Olomasina tao Pergamosy noho ny “[fi]fikirana mafy” amin’ny anarany, na dia teo ambany fandrahonana ho faty aza ( Apokalypsy 2:13 ; jereo ihany koa ny Apokalypsy 2:25 ; 3:3, 11). Andian-teny miverimberina ao amin’ny Apokalypsy 2–3 ny fananarana mba “hifikitra mafy” amin’ny fahamarinana (jereo ny Apokalypsy 2:13, 25 ; 3:3, 11). Ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa ny hoe “mifikitra mafy” amin’ny fahamarinana, izay hita ao amin’ny tenin’ Andriamanitra, dia midika hoe “mihaino izany, manaraka ireo fitsipika ampianarina ao, ary mifikitra amin’ireo fitsipika ireo toy ny hoe: ny fiainantsika mihitsy no niankina tamin’izany—izay, raha miresaka momba ny fiainana ara-panahy isika, dia marina ara-bakiteny (“Be Strong in the Lord [Mahatanjaha amin’ny Tompo],” Ensign, Jolay 2004, 10).

Inona no dikan’ny hoe mandray ny fisandratana?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanazava hoe:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Raha zavatra mahakasika ny tsirairay ny fanavotana, ny fisandratana kosa dia zavatra mahakasika ny fianakaviana. Ireo izao manambady any amin’ny tempoly sy ireo izay voafehin’ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana ihany ny fanambadiany no hitohy ho mpivady ao aorian’ny fahafatesana ary handray ny ambaratongam-boninahitra ambony indrindra ao amin’ny voninahitra selestialy, na ny fisandratana.

(Russell M. Nelson, “Celestial Marriage [Fanambadiana selesialy],” Ensign na Liahona, Nôv. 2008, 92)

Rahalahy Brian K. Ashton, izay tao amin’ny Fiadidian’ny Sekoly Alahady maneran-tany teo aloha, dia nampianatra hoe:

Sary
Brother Brian K. Ashton - Sunday school General Presidency Second Counselor. Official Portrait 2018.

Namorona drafitra iray ny Ray izay hamela antsika, amin’ny toe-javatra sasany, hahazo vatana ara-nofo izay ho lasa tsy mety maty sy be voninahitra amin’ny Fitsanganana amin’ny maty; manambady sy manorina fianakaviana eto an-tany na, ho an’ireo mahatoky izay tsy nanana izany fahafahana izany, taorian’ny fiainana an-tany; fandrosoana ho amin’ny fahatanterahana; ary amin’ny farany dia miverina any amin’ny Ray aman-drenintsika any An-danitra ary miara-miaina amin’ Izy Ireo sy ny fianakaviantsika ao anatin’ny toetry ny fisandratana sy ny fahasambarana mandrakizay.

(Brian K. Ashton, “Ilay Ray,” Liahona, Nôv. 2018, 94)

Mba hahazoana hevi-baovao fanampiny momba ity lohahevitra ity, dia hevero ny handalina ny Lohahevitra ara-pilazantsara, “Becoming Like God (Tonga tahaka an’ Andriamanitra),” topics.ChurchofJesusChrist.org.