Seminera
Famerenana Fifehezana Fotopampianarana 24


Famerenana Fifehezana Fotopampianarana 24

Fampiharana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Sary
A small group of youth on a street. One is reading a book to the others.

Iray amin’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampy anao hianatra ny fomba hampiharana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana eo amin’ny fiainanao manokana. Ity lesona ity dia hanome fahafahana anao hampihatra ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sasany amin’ny toe-javatra maro isan-karazany izay azo tsapain-tanana.

Mampihatra ireo fitsipiky ny filazantsara

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany, dia nanazava ny maha zava-dehibe ny fampiharana ny fitsipiky ny filazantsara. Jereo ny horonan-tsary “Ny amin’ny hoe tsisy fitaka,” manomboka avy amin’ny mari-potoana faha 11:24 ka hatramin’ny 12:02, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, na vakio ity fanambarana manaraka ity.

Avereno jerena ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Jereo vetivety ireto andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manaraka ireto ary eritrereto ny zavatra izay nataonao mba hiainana izany.

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao: 1 Korintiana–Apokalypsy

1 Korintiana 6:19–20

“Tempolin’ny Fanahy Masina ny vatanao.”

1 Korintiana 11:11

“Kanefa ao amin’ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.”

1 Korintiana 15:20–22

“Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.”

1 Korintiana 15:40–42

Amin’ny Fitsanganana amin’ny maty, dia misy ambaratongam-boninahitra telo.

Efesiana 1:10

“Hahatanterahany ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonany indray ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy.”

Efesiana 2:19–20

Ny Fiangonana dia “natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apôstôly sy ny mpaminany, ary Jesoa Kristy no fehizoro indrindra.”

2 Tesaloniana 2:1–3

“Tsy ho avy … ny Fiavian’i Kristy, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana.”

2 Timoty 3:15–17

“Ny soratra masina … izay mampahendry anareo ho amin’ny famonjena.”

Hebreo 12:9

Ny Ray any An-danitra dia “Rain’ny fanahintsika.”

Jakoba 1:5–6

“Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra.”

Jakoba 2:17–18

“Ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.”

1 Petera 4:6

“Fa noho izany [no] nitoriana ny filazantsara tamin’ireo izay maty.”

Apokalypsy 20:12

“Ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky … araka ny asany.”

Mampihatra ireo fahamarinana eo amin’ny fiainana

Mety hanampy ny mijery ny fomba ampiharan’ny hafa ny fahamarinan’ny filazantsara. Raha azo atao, dia jereo ny horonan-tsary “Teachings of Thomas S. Monson: Rescuing those in need” (0:30 hatramin’ny 5:01), azo jerena ihany koa ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Tadiavo ny fomba niainan’ny olona tamin’ny fahamarinana hoe “ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy” (Jakoba 2:17).

  • Ahoana no nampiharan’ny olona io fahamarinana io?

Eritrereto ny fomba nanampian’ny fahalalana sy ny fiainana ny fahamarinan’ny filazantsara anao taloha, sy anampiany anao ankehitriny ary ny mbola hanampiany anao amin’ny hoavy. Ataovy ity sahanasa manaraka ity mba hanampiana anao hampihatra ireo fahamarinana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay nohalalininao.

1. Vitao ao anatin’ny diary fandalinanao ireto dingana manaraka ireto.

Lasa

Mieritrereta fotoana iray izay nianteheranao tamin’ny iray amin’ireo fahamarinana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Raha tsy afaka mieritreritra fotoana manokana eo amin’ny fiainanao ianao, dia mieritrereta olona iray fantatrao na olona iray avy amin’ny tantara iray ao amin’ny soratra masina izay voatahy rehefa nanao zavatra mifanaraka amin’ny fahamarinana iray ao amin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

Raketo an-tsoratra ireo fitahiana azo avy amin’ny fiainana izany fahamarinana izany. Ataovy azo antoka ny hanazavana ny fomba nitomboana na mety hampitomboan’ny fahatokianao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Ankehitriny

Eritrereto ny zavatra ilainao sy ny toe-javatra misy anao ankehitriny. Avereno jerena ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana, ary mifidiana andalan-tsoratra masina iray izay tsapanao fa azonao arahina tsara kokoa eo amin’ny fiainanao. Raketo an-tsoratra ny zavatra izay azonao atao mba hanaovana asa amim-pinoana sy hampiharana ilay andinin-tsoratra masina.

Hoavy

Misafidiana andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray, ary manorata rafi-tantara iray izay mety hitranga aminao amin’ny hoavy izay ahafahan’ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ilay andinin-tsoratra masina manampy anao hanao asa amim-pinoana.

Saintsaino ny fiantraikan’ny fahalalana sy ny fampiharana ny fahamarinana eo amin’ny fiainanao sy ny fanapahan-kevitra raisinao.

  • Ahoana no nanampian’ny fiainana ny filazantsara hanamafy orina ny finoanao an’i Kristy?

  • Inona no azonao atao mba hahatsiarovanao kokoa ny fahamarinan’i Kristy rehefa manao safidy ianao amin’ny hoavy?