Seminera
Apokalypsy 2–3, Fizarana 1


Apokalypsy 2–3, Fizarana 1

“Fantatro ny asanao”

Sary
PAINTING BY GREG Olson of Christ knocking on a door

Mahafantatra antsika tsirairay avy i Jesoa Kristy. Fantany ny zavatra tsara izay ataontsika, ary fantany ihany koa ny zavatra izay azontsika hatsaraina mba hahatongavana ho tahaka Azy kokoa. Tao anatin’ny hafatra samihafa ho an’ny fiangonana fito tany Azia, dia noraketin’i Jaona an-tsoratra ny feon’i Jesoa Kristy izay niaiky ny asa tsara nataon’ny Olomasina ary nampitandrina azy ireo ny amin’ny zavatra izay tokony hovain’izy ireo. Ity lesona ity dia afaka mamporisika anao handre ny feon’ny Mpamonjy izay manaiky ny asa tsara ataonao sy manome anao ny fanitsiana ilaina atao.

Henoy ny feon’ny Mpamonjy

Sary
Jesus Christ depicted knocking on a door. Christ is portrayed wearing red and white robes. The painting illustrates the concept of Christ “knocking on the door,” as described in scripture. There is no doorknob depicted in the painting, symbolizing that the door must be opened from within.

Jereo ity sarin’i Jesoa Kristy ity ary saintsaino ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona avy ireo fahatsapana mety anananareo raha nahare olona nandonòna tao amin’ny varavaran’ny tranonareo ianareo ka nahita fa ny Mpamonjy no tao? Nahoana?

Tao amin’ny hafatra izay napetrany ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Laodikia (izay niorenan’ny anankiray tamin’ireo fiangonana fito izay nanoratan’i Jaona tany Azia; jereo ny Apokalypsy 1:11), dia nofaranan’i Jaona tamin’ny fanasana avy tamin’i Jesoa Kristy izany.

Vakio ny Apokalypsy 3:20 ary fantaro ny fanasana izay nomen’ny Mpamonjy.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona araka ny hevitrao no dikan’ilay sariohatra hita ao amin’ny Apokalypsy 3:20 ?

  • Nahoana araka ny hevitrao no mandondòna eo am-baravarana ny Mpamonjy fa tsy tonga dia miditra avy hatrany?

  • Ahoana no fomba ahafahanao manokatra ny varavarana ho an’i Jesoa Kristy sy mikatsaka ny hihaino tsaratsara kokoa ny feony?

  • Inona no zavatra nataonao tato ho ato mba handrenesana ny feony sy hanokafana ilay varavarana?

Na dia i Jaona aza no nitondra ny hafatra, dia i Jesoa kosa no feon’ny hafatra ho an’ireo fiangonana fito. Rehefa mandalina ireo hafatra ao amin’ny Apokalypsy 2–3 ianao, dia henoy ny feon’i Jesoa Kristy ao aminao. Hevero ny hamantatra ireo fomba izay ahafahanao manokatra ny varavarana mba hamela ny Mpamonjy hiaraka aminao sy hampatanjaka anao.

Na dia miavaka avokoa ny tsirairay amin’ireo hafatra anankifito ireo, dia misy ihany koa ny zavatra izay itovizany.

Tadiavo ary asio marika ilay andian-teny miverimberina hoe “Fantatro ny asanao” ao amin’ny Apokalypsy 2:2, 9, 13, 19 ; 3:1, 8, 15 . Ao amin’ireo andininy ireo dia noraketin’i Jaona ny feon’i Jesoa Kristy, izay maneho ihany koa ny sitrapon’ny Ray any An-danitra.

  • Nahoana no mety ho zava-dehibe ny mahatakatra fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia “mahafantatra ny asa[nao]”?

Fahamarinana anankiray ho hitantsika ao amin’ny Apokalypsy 2–3 dia ny hoe satria mahafantatra antsika tsirairay ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, dia afaka manaiky ny asa tsara ataontsika Izy Ireo ary mampitandrina antsika amin’ny fiovana ilaina. Mitadiava porofon’izany fahamarinana izany rehefa mandalina ny torohevitra ho an’ireo fiangonana fito ianao.

Torohevitra ho an’ireo fiangonana fito

Sary
Map of the Mediterranean.

Jereo ny sarin’ireo fiangonana fito ary misafidiana fiangonana anankiroa farafahakeliny hohalalinina. Tadiavo ny asa tsara izay eken’i Jesoa Kristy ao amin’ireo fiangonana sasany sy ny fanitsiana izay omeny ny fiangonana tsirairay avy.

  1. Efesosy ( Apokalypsy 2:1–7): Ny Nikolaita dia antokom-pivavahana izay nilaza fa afaka manao firaisana ara-nofo tsy misy sazy izy ireo satria ny fahasoavan’ Andriamanitra no hamonjy azy ireo.

  2. Smyrna ( Apokalypsy 2:8–11)

  3. Pergamosy ( Apokalypsy 2:12–17): Ny fampianaran’i Balama dia manondro ny fandikana ny didin’ Andriamanitra mba hanomezana fahafaham-po ny faniriana araka izao tontolo izao na hikatsahana ny voninahitry ny olombelona (jereo ny 2 Petera 2:15). Mariho ny famaritana ny Nikolaita etsy ambony.

  4. Tyatira ( Apokalypsy 2:18–29)

  5. Sardisy ( Apokalypsy 3:1–6)

  6. Filadelfia ( Apokalypsy 3:7–13): Ity hafatra ity dia manaiky ny asa tsara fotsiny ihany.

  7. Laodikia ( Apokalypsy 3:14–22): Manitsy ny asa tsy lavorary fotsiny ihany io hafatra io. Mariho fa ny hoe matimaty dia midika fa hoe tsy manolo-tena tanteraka amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto ho an’ny fiangonana tsirairay izay nosafidinao:

  • Inona no asa tsara izay neken’i Jesoa Kristy? Ahoana no fomba nahitanao asa tsara mitovy amin’izany teo anivon’ny mpikamban’ny Fiangonana amin’izao androntsika ankehitriny izao?

  • Inona no fanitsiana na torohevitra izay nomen’i Jesoa ny fiangonana nosafidinao? Nahoana no tsara ho an’ny Fiangonana ankehitriny ihany koa izany torohevitra izany?

  • Nahoana no i Jesoa Kristy mihitsy no tena mahalala amin’ny fomba miavaka ny asa tsara izay ataontsika sy ny zavatra azontsika hatsaraina?

Torohevitra ho an’ny fiainanao manokana

Ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) dia namporisika antsika hanokatra ny varavarana sy hamela ny Mpamonjy hiditra ao amin’ny fiainantsika. Vakio ity fanambarana manaraka ity na jereo ny horonan-tsary “Mrs. Patton—the Story Continues” manomboka avy amin’ny mari-potoana faha 15:08 ka hatramin’ny 15:56, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Inona ilay “fitiavana voalohany” izay resahin’ny Apokalypsy 2:4 ?

Nofaizina ireo Olomasina tao Efesosy noho ny tsy firaharahany ny didy hitia an’ Andriamanitra (jereo ny Matio 22:37–38).

Apokalypsy 2:9 . Ahoana no hahafantarantsika ny fahantrana raha toa ka mbola manan-karena isika?

Nanaiky ny finoan’ireo Olomasina tao Smyrna ny Mpamonjy ary nanome toky azy ireo ny amin’ny harena mandrakizay izay nampanantenaina an’ireo izay mitandrina ny didiny (jereo ihany koa ny Jakoba 2:5 ; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:7).

Apokalypsy 2:14 . Iza moa i Balama?

“I Balama dia mpaminany tamin’ny Testamenta Taloha, ary ny asany dia voarakitra ao amin’ny Nomery 22–24 ; 31:16 . Hita toy ny nahatoky tamin’ny Tompo sy ny vahoakany izy tamin’ny voalohany, izay nandà hatrany ny fangatahan’i Balaka mba hanozona an’i Isiraely. Kanefa taty aoriana i Balama dia nanaiky ny fanoloran’i Balaka harena taminy ka nampianatra an’i Balaka ny fomba hahatonga ny miaramilan’i Isiraely hampaosa ny tenan’izy ireo amin’ny alalan’ny fahalotoam-pitondrantena sy ny fanompoan-tsampy (jereo ny Nomery 25:1–5 ; 31:13–16). Tafiditra tao anatin’ilay drafitra ny fangatahana ireo vehivavy Moabita haka fanahy ireo lehilahin’ny Isiraely hijangajanga ka handresy lahatra azy ireo hanolotra sorona ho an’ireo andriamanitry ny Jentilisa, ka araka izany dia nanimba azy ireo ara-panahy” (New Testament Student Manual [2014], 534).

Apokalypsy 3:14 . Nahoana i Jesoa no antsoina hoe “ny Amena”?

“Amin’ny teny Hebreo sy Grika, ny teny hoe -amena- dia midika hoe marina, na azo antoka. Ao amin’ny Apokalypsy 3:14 , ny fahatokiana sy ny fahamarinan’i Kristy amin’ny maha -Amena- lehibe Azy dia haseho ho toy ny zavatra mifanohitra amin’ny fihetsika tsy ampy fanoloran-tenan’ireo mponina tao Laodikia [jereo ihany koa ny Apokalypsy 3:15–16 ]” (New Testament Student Manual [2014], 536).

Ahoana no fomba ahafahako manasa an’ Andriamanitra hizara ny fankasitrahany sy ny fanitsiana amiko?

Nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Sary
Official Portrait of President Henry B. Eyring taken March 2018.

Rehefa mandinika ny fiainanao ianao mandritra ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo, dia manantena aho fa tsy mifantoka fotsiny amin’ny zavatra tsy tomombana ny eritreritrao fa mifantoka ihany koa amin’ny zavatra vitanao tsara—izay fotoana nahatsapanao fa ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy dia faly taminao. Mety haka fotoana mihitsy aza ianao mandritra ny fanasan’ny Tompo hangatahana amin’ Andriamanitra ny hanampiany anao hahita izany zavatra izany. Raha manao izany ianao, dia mampanantena aho fa hahatsapa zavatra ianao. Hahatsapa fanantenana ianao.

(Henry B. Eyring, “Hahatsiaro Azy mandrakariva,” Ensign na Liahona, 5 Feb. 2018)