Seminera
Jakoba 1


Jakoba 1

“Mangataha amin’ Andriamanitra”

Sary
A young woman prays by her bedside.

Tsapanao ve fa afaka mangataka fanampiana amin’ Andriamanitra ianao rehefa manana fanontaniana tsy voavaly na mila ny fahendreny amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra lehibe? Nanambara i Jakoba fa na iza na iza tsy manana fahendrena dia afaka “mangataka amin’ Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra … ary dia homena azy izany” (Jakoba 1:5). Ity lesona ity dia natao hanamafisana ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa hanome fahendrena anao ny Ray any An-danitra ho valin’ny vavaka ataonao.

Valiny manan-danja

Jereo tsirairay ireto fanontaniana manaraka ireto ary saintsaino ireto zavatra tsirairay ireto: (1) Moa ve aho nahazo valiny avy amin’ Andriamanitra? (2) Moa ve aho mikatsaka valiny avy amin’ Andriamanitra izay tsy mbola azoko? (3) Mbola tsy liana amin’ny fikatsahana valiny ve aho?

  • Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ve no Fiangonana marina?

  • I Jesoa Kristy tokoa ve no Mpamonjy ahy?

  • Amin’inona no tokony hifantohako mba hahatonga ahy ho mpanaradia an’i Jesoa Kristy tsara kokoa?

Rehefa mandalina ny tenin’ny Apôstôly Jakoba ao amin’ny Jakoba 1 ianao dia tadiavo ireo fitsipika afaka manampy anao hahita ny valin’ireo fanontaniana manan-danja eo amin’ny fiainanao.

Vakio ity fampahalalana momba an’i Jakoba manaraka ity. Eritrereto ireo fanontaniana mety ho nikatsahany valiny nandritra ny androm-piainany.

  1. Azo inoana fa rahalahin’i Jesoa Kristy iray reny aminy izy (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Jakoba, Rahalahin’ny Tompo ,” ChurchofJesusChrist.org).

  2. Tahaka ireo rahalahin’ny Tompo hafa rehetra, dia mety tsy nino izy tamin’ny voalohany fa i Jesoa no Kristy (jereo Jaona 7:3–5).

  3. Taty aoriana i Jakoba dia lasa Apôstôly ary araka ny voalazan’ireo mpanoratra Kristianina tany am-boalohany dia lasa eveka voalohany an’ny Fiangonana tao Jerosalema izy (jereo ny Asan’ny Apostoly 12:16–17 ; 21:17–18 ; Galatiana 1:18–19 ; 2:9).

Vakio ny Jakoba 1:1 hahitana hoe tamin’iza i Jakoba no nanoratra.

Ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa “i Jakoba dia niresaka tamin’ny … olona izay tokony mbola hangonina, mbola tsy nandray ny filazantsara, ary tokony mbola hiditra ao amin’ny valan’i Kristy” (Doctrinal New Testament Commentary [1973], 3:243).

  • Inona avy ireo fanontaniana mety ho ananan’ny olona izay mbola tsy nandray ny filazantsara?

Vakio ny Jakoba 1:5–6 dia tadiavo ireo fahamarinana nampianarin’i Jakoba izay afaka manampy antsika rehefa manana fanontaniana manan-danja isika ary afaka manampy ireo izay mikatsaka ny fahamarinan’ny filazantsara. (Mety hanampy ny mahafantatra fa ny hoe mandatsa dia midika hoe mitsikera na mibedy.)

  • Inona no hitanao?

  • Inona no zavatra ianaranao momba ny Rainao any An-danitra avy amin’ireo andininy ireo?

Fahamarinana iray hita ato amin’ity andalana ity ny hoe Andriamanitra dia hitahy antsika amin’ny fahendrena raha mangataka Aminy amim-pinoana isika.

  • Inona araka ny eritreritrao no atao hoe mangataka amim-pinoana, tsy misalasala? ( Jakoba 1:6).

  • Nahoana no tian’ny Ray any An-danitra hitodika Aminy isika mba hahazo valiny?

Eo am-panohizanao ny fandalinanao dia eritrereto ireo hevitra sy fahatsapana ary zavatra niainanao rehefa nikatsaka fahendrena, na valin’ireo fanontanianao, avy amin’ Andriamanitra ianao.

Ny ohatra nasehon’i Joseph Smith

Sary
Joseph Smith, Jr. depicted kneeling in the Sacred Grove during the First Vision. A ray of light can be seen coming from the sky down through the trees toward Joseph.

Mety hanampy ny misaintsaina ohatra iray maneho ilay fitsipika fa hitahy antsika amin’ny fahendrena Andriamanitra raha mangataka Aminy amim-pinoana isika. Nisy fiantraikany lalina teo amin’i Joseph Smith ny fikatsahana fahendrena avy amin’ Andriamanitra.

Jereo ny horonan-tsary “Joseph Smith: Ilay mpaminanin’ny famerenana amin’ny laoniny” manomboka amin’ny minitra faha 5:07 ka hatramin’ny 8:42, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, ka tadiavo ny fiantraikan’io fahamarinana io teo amin’ny fiainan’i Joseph.

1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no tena nanohina anao tamin’ny zavatra niainan’i Joseph Smith?

  • Inona no fiantraikan’ny valintenin’ Andriamanitra, izay tonga tao amin’ny Fahitana Voalohany, teo amin’ny fiainan’i Joseph? Ahoana no fiantraikan’izany teo amin’izao tontolo izao? Ahoana no fiantraikan’izany taminao?

Ny zavatra niainanao

2. Ataovy ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

Soraty ny eritreritra sy ny fahatsapana ary ny zavatra niainanao nandritra ny fikatsahana fahendrena avy amin’ Andriamanitra. Azo atao anisan’izany ity manaraka ity:

  • Ny eritreritrao sy ny fahatsapanao momba ny fahavononan’ Andriamanitra hamaly ny fanontanianao (jereo ny Jakoba 1:5–6).

  • Ny eritreritrao sy fahatsapanao momba ny zavatra niainan’i Joseph Smith tamin’ny fangatahana fahendrena tamin’ Andriamanitra.

  • Ny zavatra niainanao na iainanao ankehitriny tamin’ny fikatsahana fahendrena avy amin’ Andriamanitra sy ny fahazoana valiny. (Ireo zavatra niainana ireo dia mety ahitana ny fikatsahana ny valin’ireo fanontaniana any am-piandohan’ny lesona.)

  • Ireo fomba tianao hikatsahana fahendrena avy amin’ Andriamanitra amin’izao fotoana izao na amin’ny hoavy.

  • Ireo fahatsapana azonao avy amin’ny Fanahy Masina nandritra ity lesona ity ka mety hanampy anao.

Eritrereto ny fahazaranao manokana mivavaka sy mangataka fahendrena ary valim-panontaniana avy amin’ Andriamanitra. Oviana no fotoana farany nangatahanao tamin’ny Rainao any An-danitra fahendrena na ny valin’ireo fanontanianao? Inona no ataonao anio hanombohana manontany amin-kitsimpo sy matetika kokoa? Raketo ao anatin’ny diarinao ny zavatra tsapanao fa tian’ny Ray any An-danitra hataonao noho ny zavatra nianaranao androany.

Nahoana no zava-dehibe ny mandray fahendrena avy amin’ Andriamanitra sy mahazo ny fijoroana ho vavolombelona avy Aminy manokana?

Eritrereto ilay fanontaniana teo aloha rehefa mijery ilay horonan-tsary “Origin” (4:57) ianao, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Tena te hiresaka aminareo ve Andriamanitra? Eny! …

Tsy mila manontany tena mikasika izay marina ianareo [jereo ny Môrônia 10:5]. Tsy mila manontany tena ianareo hoe iza no azonareo itokiana. Amin’ny alalan’ny fanambarana ho an’ny tena manokana, no ahafahanareo mahazo fijoroana ho vavolombelona anareo manokana fa tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna, fa mpaminany i Joseph Smith ary ity no Fiangonan’ny Tompo. Na inona na inona mety holazain’ny hafa na hataony, dia tsy misy olona afaka hanaisotra ny fijoroana ho vavolombelona napetraka tao am-ponareo sy ao an-tsainareo momba izay marina. …

Mpanaradia an’i Jesoa Kristy isika. Ny fahamarinana manan-danja indrindra azon’ny Fanahy Masina hijoroana ho vavolombelona aminareo dia hoe i Jesoa no Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra velona. Velona Izy!

(Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 95–96)

Jakoba 1:6 . Inona no dikan’ny hoe “mangataka amim-pinoana”?

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka momba ny Jakoba 1:5–6 ary nanazava hoe:

Sary
Elder David A. Bednar, Quorum of the Twelve Apostles official portrait. 2020.

Jereo tsara ny zavatra takina ao anatin’ny fangatahana amim-pinoana izay raha ny fahatakarako azy dia ahitana ny hoe filana manao asa fa tsy hoe mangataka am-bava fotsiny, sy ilay adidy roa dia ny miangavy sy ny manatanteraka, ary ilay fitakiana mba hifandray sy hiasa. …

Tsy nifantoka tamin’ny zavatra nilainy ho fantarina fotsiny ihany ny fanontanian’i Joseph fatamin’ny zavatra tokony hatao ihany koa! Ny vavaka izay nataony, dia tsy hoe “Aiza no Fiangonana marina?” Fa ny fanontaniany dia hoe: “Aiza no Fiangonana tokony hidirako?” Nandeha tany amin’ilay ala kely i Joseph mba hangataka tamim-pinoana, ary tapa-kevitra ny hanao zavatra izy.

Ny finoana marina dia mifantoka amin’i Jesoa Kristy Tompo sy ny momba Azy ary mitarika foana any amin’ny fanaovana asa tsara. … Mandroso hatrany isika ary maharitra ao amin’ilay asa mifono fanoloran-tena avy amin’ny vavaka, aorian’ny fitenenantsika hoe “amena,” amin’ny alalan’ny fandraisantsika andraikitra momba ireo zavatra izay nambarantsika tamin’ny Ray any An-danitra.

Ny fangatahana amim-pinoana dia mitaky fanaovana ny marina, ezaka, fanoloran-tena ary faharetana.

(David A. Bednar, “Mangataha amim-pinoana,” Ensign na Liahona, mey 2008, 94–95)