Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 19


Famerenana fifehezana fotopampianarana 19

Ataovy tsianjery ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Ny fitadidiana ireo andinin-tsoratra masina sy ireo fahamarinana izay ampianarina ao anatin’izy ireny dia afaka manampy anao amin’ny fomba maro. Ity lesona ity dia natao mba hanampiana anao hitadidy ny sasany amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. 

Ataovy tsianjery ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany izay nampiasan’ny Mpamonjy ny soratra masina nandritra ny fiainany teto an-tany?

Rehefa nalain’i Satana fanahy ny Mpamonjy, dia nampiasa fahamarinana avy tamin’ny soratra masina Izy mba hanampy Azy handresy ireo fakam-panahy ireo (jereo ny Matio 4:1–11). Nampiasa soratra masina matetika ihany koa Izy tao amin’ny fampianarana izay nataony (jereo ny Lioka 4:17–27; Matio 19:4–5; Matio 24:37–40; Marka 12:26). Rehefa mitadidy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina amin’ity lesona ity ianao, dia eritrereto ny fomba ahafahan’ireo andinin-tsoratra masina ireo manampy anao sy ny hafa. Raha sendra ka mbola tsy nanisy marika ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ireo ao amin’ny soratra masinao ianao dia hevero ny hanao izany.

Andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Andinin-tsoratra masina

Hebreo 12:9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Andriamanitra no “Rain’ny fanahy.”

Andinin-tsoratra masina

Jakoba 1:5–6

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra.”

Andinin-tsoratra masina

Jakoba 2:17–18

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.”

Andinin-tsoratra masina

1 Petera 4:6

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Fa noho izany [no] nitoriana ny filazantsara tamin’ireo izay maty.”

Andinin-tsoratra masina

Apokalypsy 20:12

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky … araka ny asany.”

Adikao ao amin’ny diary fandalinanao ilay tabilao teo aloha. Ny fanononana amin’ny feo mafy ny teny rehefa manoratra azy ireny ianao dia mety hanampy amin’ny fitadidiana azy ireny. Avereno mafy im-betsaka ireo andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina rehefa voasoratra.

Manaova anankiroa farafaharatsiny amin’ireto sahanasa manaraka ireto:

  1. Manokàna minitra vitsy hiezahana mba hitadidy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Avy eo dia takony ireo andinin-tsoratra masina ary miezaha milaza ireo andinin-teny amin’ny alalan’ny fijerena ireo andian-teny manan-danja fotsiny ihany. Avy eo dia takony indray ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ary miezaha miteny azy ireo amin’ny alalan’ny fijerena ireo andinin-tsoratra masina fotsiny ihany.

  2. Miaraha miasa amin’ny namana ka asaivo milaza andinin-tsoratra masina anankiray ny iray ary ny iray hafa kosa miteny mafy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izay mifanandrify amin’izany. Avereno im-betsaka amin’ny andian-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja tsirairay izany, ary ezaho tadidiana ireo andinin-tsoratra masina sy andian-teny ireo. Avy eo dia miezaha manao izany tsy an-kijery an’ilay tabilao. Avy eo dia ampifamadiho ny andraikitra.

  3. Rehefa avy nandany minitra vitsivitsy tamin’ny fitadidiana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina, dia ezaho fenoana ny banga ao amin’ireto andinin-tsoratra masina sy teny manan-danja ao amin’ny soratra masina misy banga manaraka ireto. Azonao atao ihany koa ny mampiasa ny application Maîtrise des Écritures mba hanazaran-tena amin’ny famenoana ny banga.

    • Hebreo :9. Andriamanitra n’ny.

    • 1:5–6. Arymisytsy, aokahangatakaGod.

    • Jakoba 2:. Ny finoana,tsymisy, dia.

    • 1 Petera:6. Fanonytamin’izay.

    • 20:12. Arymatynotsaraina …ny.

  4. Misafidiana anankiray amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ary ezaho tadidiana ny toko na andininy iray manontolo. Manorata avy amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dimy sy andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina araka izay fitadidinao.

Mandiniha

Misafidiana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiray na roa avy amin’izay niasanao androany ary vakio manontolo ilay andinin-tsoratra masina. Saintsaino ny antony maha-mendrika ny hotadidiana an’io andinin-tsoratra masina io.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona amin’ireo fahamarinana izay ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dimy ireo no manan-danja indrindra aminao? Nahoana?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hahafahan’ny fahalalana ireo fahamarinana ireo manome anao fahafahana hanampy ny hafa?

  • Inona no zavatra azonao atao hitadidiavana sy hampiharana tsaratsara kokoa ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ireo?