Seminera
2 Korintiana 2


2 Korintiana 2

“Tokony hamela heloka ianareo”

Sary
zatovovavy mampahery zatovovavy iray hafa

Tena mety ho sarotra tokoa ny mamela ny hafa. Nanoratra ho an’ny Olomasina Korintiana momba ny famelana heloka ny mpandika lalàna iray tao amin’ny fiarahamonina nisy azy ireo i Paoly. Nanasa azy ireo i Paoly mba hamela heloka, mba ho tombontsoan’ilay olona voavela heloka sady ho tombontsoan’ny tenan’izy ireo ihany koa. Rehefa mandalina ianao dia katsaho ny hampitombo ny fahatakaranao ny maha-zava-dehibe ny famelan-keloka sy ny fanirianao hamela ny hafa.

Inona no fihetsika hasehonao?

Alaivo sary an-tsaina ny mety ho fihetsikao sy ny hafa manodidina anao amin’ireto toe-javatra manaraka ireto:

  • Mihanalaza fa nanao fahotana lehibe, toy ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, ny mpikambana iray tao amin’ny paroasy na sampana misy anao.

  • Misy olona iray ao amin’ny paroasy na sampana misy anao manohitra ampahibemaso ireo mpitarika ny Fiangonana.

Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Na dia nihaona tamin’ireo mpitarika ny Fiangonana aza ireo olona ao anatin’ireo toe-javatra ireo ary niezaka ny hibebaka, dia ahoana no mety hiresahan’ny hafa momba azy ireo sy ny ataony amin’izy ireo?

  • Nahoana no mety ho sarotra ho an’ny olona sasany ny mitondra azy ireo amim-pitiavana sy amim-pamelana?

Ao amin’ny 2 Korintiana 2 i Paoly dia nanoratra momba ny toe-javatra mitovy amin’izany tany Korinto rehefa nisy olona nandika lalàna ka nofaizin’ny mpikamban’ny Fiangonana.

Saintsaino ny fomba hitondranao ireo manodidina anao izay mety nandika lalàna. Saintsaino ireto fanontaniana manaraka izay napetraky ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ireto:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Jeffrey R. Holland. Nalaina tamin’ny Janoary 2018.

Misy olona mila famelan-keloka ve eo amin’ny fiainanao? Moa ve misy olona ao an-tokantranonao, olona ao amin’ny fianakavianao, olona eo amin’ny manodidina anao, nanao zavatra tsy ara-drariny na tamin-karatsiam-panahy na tsy mendrika ny maha-Kristiana? Samy meloka amin’ny fandikan-dalàna toy izany avokoa isika rehetra, koa azo antoka fa mbola misy olona any mila ny famelan-keloka avy aminao.

(Jeffrey R. Holland, “I Stand All Amazed,” Ensign, Aug. 1986, 72)

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia tadiavo ny fanampian’ny Fanahy Masina hampitomboana ny fahatakaranao ny maha-zava-dehibe ny famelan-keloka tahaka ny an’i Kristy sy ny fomba ahafahanao mamela heloka ny hafa.

Nampianatra momba ny famelan-keloka i Paoly

1. Adikao ao amin’ny diary fandalinanao ity tabilao manaraka ity ary fenoy izany:

Vakio ny 2 Korintiana 2:5–11, ary jereo hoe inona no fahamarinana azonao fantarina ao amin’ireto sokajy manaraka ireto:

Ahoana no tokony hitondrantsika ny olona iray izay nampaory antsika?

Nahoana no amin’izany fomba izany no tokony hitondrantsika ny olona?

  • Inona no zavatra nianaranao tamin’ny fandalinana io andalan-tsoratra masina io?

Fitsipika roa mety ho hitanao ny hoe: amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy, dia afaka mamela heloka sy manolo-tanana ny hafa amim-pitiavana isika sy ny hoe raha tsy mamela ny hafa isika dia hanana tombony amintsika i Satana.

  • Inona avy ireo ohatra amin’ny fomba ahafahanao mamela heloka, na mampionona, na manamafy ny fitiavanao ny olona iray izay nandika lalàna na naneho haratsiam-panahy?

  • Raha miainga avy amin’ny zavatra fantatrao momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy, nahoana no tiany hifamela heloka sy hifaneho fitiavana isika? Ahoana no fomba hanampiany antsika hanao izany?

Nampianatra ny Loholona Massimo De Feo ao amin’ny Fitopololahy hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Massimo De Feo nalaina tamin’ny martsa 2017.

Tia mamela heloka ny tena mpianatra. Fantany fa ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia mandrakotra ny fahotana sy ny fahadisoana rehetra ataontsika tsirairay. Fantany fa ny sarany izay nefainy dia “sarany mahafaoka ny rehetra.” Tafiditra ao avokoa ny hetra, ny sarany, ny fandaniana ary ny trosa mifandray amin’ny fahotana sy ny fahadisoana ary ny zavatra ratsy natao. Ny tena mpianatra dia mailaka ny hamela heloka sady mailaka ny mangataka famelan-keloka.

Ry rahalahy sy ranabavy malalako isany, raha sahirana amin’ny fahitana ny hery hamelana heloka ianareo dia aza eritreretina ny zavatra nataon’ny hafa taminareo, fa diniho kosa ny zavatra efa nataon’ny Mpamonjy taminareo, dia hahita fiadanana ao amin’ireo fitahiana manavotry ny Sorompanavotany ianareo.

  • Oviana ianao no nahita ohatra momba ny olona iray namela heloka ny hafa ary avy eo nanolo-tanana an’io olona io tamim-pitiavana?

  • Ahoana no ahazoan’i “[Satana] tombony … [amin]tsika” noho ny tsy famelana heloka? ( 2 Korintiana 2:11).

2. Ataovy ao anaty diary fandalinanao soratra masina ity sahanasa manaraka ity:

Alaivo sary an-tsaina fa, tahaka ny Korintiana, ny olona ao amin’ny paroasy misy anao dia mila mampitombo ny fitiavany sy ny famelany ny helok’ireo izay nanota. Noho izany dia manasa anao ny evekanao hizara ny hevitrao fohifohy momba ny famelan-keloka any am-piandohan’ny fivorian’ny kilasy na ny kôlejy misy anao. Makà minitra vitsivitsy ary mamorona famintinana ny zavatra azonao lazaina. Ampidiro ao anatin’izany ireto zavatra manaraka ireto:

  1. Farafahakeliny, andininy na andian-teny iray avy ao amin’ny 2 Korintiana 2:7–11.

  2. Soratra masina iray hafa na teny nataon’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana. (Azonao ampiasaina ny teny nambaran’ny Loholona Duncan Kevin R. Duncan etsy ambany, ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina resahiny, na ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina manaraka ny teniny.)

  3. Ny eritreritrao sy ny fijoroana ho vavolombelona anananao manokana momba ny fanomezana fitiavana sy famelan-keloka ny hafa sy ny fomba ahafahan’izany manampy antsika hanakaiky kokoa ny Mpamonjy.

Fampianarana momba ny famelan-keloka

Hoy ny Loholona Kevin R. Duncan ao amin’ny Fitopololahy hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Kevin R. Duncan. Nalaina tamin’ny martsa 2017

Resy lahatra aho fa ny ankamaroantsika dia te hamela heloka, kanefa hitantsika fa sarotra ny manao izany. Rehefa niharan’ny tsy rariny isika, dia mety halaky hiteny hoe: “Nanao ny tsy mety io olona io. Mendrika fanasaziana izy. Aiza ny fahamarinana?” Mieritreritra am-pahadisoana isika hoe raha mamela heloka isika, dia tsy ho tontosa ny rariny amin’ny lafiny iray ary tsy hihatra ny sazy.

Tsy izay tsotra izao no izy. Hanome sazy ara-drariny ho an’ny rehetra Andriamanitra, satria ny famindram-po dia tsy afaka mandroba ny fahamarinana (jereo ny Almà 42:25). Manome toky ho ahy sy ho anao Andriamanitra hoe: “Aoka ho Ahy irery ny fitsarana, fa Ahy izany ary Izaho no hamaly. [Ho] aminareo kosa anie ny fiadanana” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:23].

(Kevin R. Duncan, “Ilay diloilo manasitran’ny famelan-keloka,” Liahona, mey 2016, 33–34)

  • Inona no nianaranao ka afaka manampy ireo mpikambana ao amin’ny paroasinao hahatakatra bebe kokoa ny famelan-keloka sy hamela heloka?

  • Ahoana no ahafahan’ny famelana ny heloky ny hafa mitondra azy ireo hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy?

Saintsaino ny fomba fihetsikao amin’ireo nandika lalàna. Mikatsaha fitaomam-panahy avy amin’ny Ray any An-danitra mikasika ny zavatra azonao atao mba “hamela heloka … ary … hanamafy ny fitiavanao” azy ireo (2 Korintiana 2:7–8). Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fahatsapanao sy ny eritreritrao, ao anatin’izany ny fihetsika rehetra tsapanao fa tokony hataonao.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Ahoana no ahafahan’ny famelan-keloka mitahy anao manokana?

Nampianatra ny Filoha James E. Faust (1920–2007) tao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Sary
Sary tapaka ôfisialy farany an’ny Filoha James E. Faust, fony izy nanompo tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, 2001. Nodimandry tamin’ny 10 aogositra 2007.

Raha toa ka tonga ao am-pontsika ny famelan-keloka an’ireo izay nandratra sy nanindrona antsika, dia hiakatra ho amin’ny fahatsiarovan-tena sy ny fahasambarana ambony kokoa isika.

(Jereo ny James E. Faust, “The Healing Power of ForgivenessLiahona May 2007, 68)

Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Jeffrey R. Holland. Nalaina tamin’ny Janoary 2018.

Amin’ny alalan’ilay fahefana nomen’ny Mpamonjy an’izao tontolo izao an’ireo Apôstôly no ijoroako ho vavolombelona ny amin’ny fiadanan’ny fanahy izay hoentin’ny famitranam-pihavanana amin’ Andriamanitra sy eo amintsika samy isika raha malemy fanahy sy be herim-po tokoa isika amin’ny fanaovana izany.

(Jeffrey R. Holland, “Ny fanompoana fampihavanana,” Liahona, nôv. 2018, 79)

Ahoana no ahafahan’i Jesoa Kristy manampy anao hamela heloka?

Nampianatra ny Loholona Kevin R. Duncan ao amin’ny Fitopololahy hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Kevin R. Duncan. Nalaina tamin’ny martsa 2017

Ny famelan-keloka no tena antony nandefasan’ Andriamanitra ny Zananilahy, koa aoka isika hifaly amin’ny fanatitra nataony mba hanasitranana antsika. Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia tsy natao fotsiny ho an’ireo izay mila mibebaka; fa natao ihany koa ho an’ireo izay mila mamela heloka. Raha manana fahasahiranana ianao amin’ny famelàna ny heloky ny hafa na ny an’ny tenanao aza dia angataho Andriamanitra mba hanampy anao. Fitsipika feno voninahitra sy manasitrana ny famelan-keloka. Tsy voatery ho voa indroa isika. Afaka mamela heloka isika.

(Kevin R. Duncan, “Ilay diloilo manasitran’ny famelan-keloka,” Liahona, mey 2016, 35)

 ChurchofJesusChrist.org

Ahoana no ahatakarako kokoa ny atao hoe famelan-keloka?

Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Jeffrey R. Holland. Nalaina tamin’ny Janoary 2018.

Tsy nilaza i [Jesoa Kristy] hoe: “Tsy mahazo mahatsapa fahoriam-be na alahelo lalina avy amin’ireo zavatra niainana tena mandratra izay nihatra taminareo noho ny zavatra nataon’ny hafa ianareo.” Tsy nilaza koa Izy hoe: “Mba hamelana heloka tanteraka dia tsy maintsy manohy fifandraisana mandratra fo na miverina miaina toe-javatra feno fanararaotana sy manimba ianareo.” Kanefa na dia eo aza ny fanafintohinana faran’izay mahatsiravina mety hitranga amintsika, dia tsy afaka mandresy ny fahoriantsika isika raha tsy rehefa mametraka ny tongotsika eo amin’ny lalan’ny fahasitranana marina ihany.

(Jeffrey R. Holland, “Ny fanompoana fampihavanana,” Liahona, nôv. 2018, 79)