Seminera
2 Korintiana 5


2 Korintiana 5

“Ny fanompoana fampihavanana”

Sary
Fihinin’ny ray aman-dreniny ilay lehilahy nositranina tamin’ny andro Sabata, tazana eo aoriana i Jesoa. Jamba hatry ny fahaterahany izy. Isan’ny zavatra nitranga tsy hita eto amin’ny sary ilay lehilahy sitrana mamihina eo an-tongotr’i Jesoa, sy ireo ray aman-dreniny. lehilahy-jamba-sitrana-ray aman-dreny-mifaly

Efa nahatsapa ho lavitra an’ Andriamanitra ve ianao? Misy olon-kafa fantatrao efa nahatsapa toy izany ve? Nampahatsiahy ny Olomasina tao Korinto momba ny famindram-po nasehon’i Jesoa Kristy azy ireo i Paoly. Nampianatra ny olona i Paoly fa ny fahotana no nampisaraka azy ireo tamin’ Andriamanitra. Soa ihany, fa noho ny Sorompanavotan’i Kristy dia afaka nifandray tsara tamin’ Andriamanitra indray izy ireo ary nandray ny fahamarinan’i Kristy (jereo ny 2 Korintiana 5:16–21). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra sy ho lasa ilay tiany hahatongavanao.

Ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra

Avereno jerena ireto rafi-tantara manaraka ireto. Eritrereto ny fitoviana na ny fahasamihafan’ny toe-javatra misy anao manokana amin’ireo rafi-tantara ireo.

  1. Mpianatra mahatokin’i Jesoa Kristy i Vero. Maro ny namana no mihevitra azy ho fakan-tahaka. Kanefa, rehefa manao fahadisoana izy dia kivy ary miahiahy ny amin’ny hoe ho afaka hiverina any amin’ny Ray any An-danitra indray ve izy indray andro any.

  2. Manana fahazarana izay fantany fa tsy tsara i Nary, ary sarotra aminy ny mahita ny fomba ahafahany ho voavela heloka sy miova. Manontany tena izy raha mbola hahatsapa ho akaiky an’ Andriamanitra, ary tsy azony antoka raha mendrika ny hanaovana ezaka izany. Tsy te hiresaka amin’ny ray aman-dreniny na ny evekany momba ny olany izy.

Eritrereto ny fifandraisanao manokana amin’ny Ray any An-danitra. Farito ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny toe-javatra iainanao manokana sy ny fifandraisanao Aminy. Azonao atao ny mampiditra ny fotoana nahatsapanao ho akaiky sy ny nahatsapanao ho lavitra Azy ary koa ny fanirianao hifandray Aminy amin’ny hoavy.

Rehefa mandalina ianao dia tadiavo ireo fahamarinana afaka manampy anao hahatakatra ireo fitahiana avy amin’ny fanatonana an’ Andriamanitra sy ny fomba ahafahanao manatona Azy.

Fihavanana

Ao amin’ny 2 Korintiana5 dia nanoratra i Paoly fa raha mbola miaina ety an-tany isika dia “mitaraina” sy mahatsapa “vesatra,” maniry ny hiverina any amin’ny Raintsika any An-danitra (jereo 2 Korintiana 5:1–5). Eritrereto ireo fotoana teo amin’ny fiainanao izay nahatsapanao zavatra tahaka ilay nofaritan’i Paoly.

Vakio ny 2 Korintiana 5:17–20, ka tadiavo ireo fahamarinana azonao ampiharina eo amin’ny fiainanao rehefa mahatsapa ho lavitra an’ Andriamanitra ianao. Mariho fa ao amin’ireo andininy ireo, ny hoe mampihavana sy fampihavanana dia midika hoe miverina ho amin’ny firaisankina sy fankasitrahana avy amin’ Andriamanitra rehefa avy tafasaraka taminy.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no teny sy andian-teny ato amin’ireto andininy ireto (2 Korintiana 5:17–20) izay mamaritra tsara indrindra ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho anao?

  • Inona no anjara asan’ny Ray any An-danitra amin’ny fanampiana anao hiverina Aminy? (Jereo ny 2 Korintiana 5:18–19.)

  • Inona no fitahiana azontsika rehefa miezaka miaina “ao amin’i Kristy” isika? ( 2 Korintiana 5:17.)

Fahamarinana iray ampianarina ao amin’ny 2 Korintiana 5:17–20 ny hoe afaka mihavana amin’ Andriamanitra sy ho tonga olom-baovao isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Nampianatra ihany koa i Paoly momba ny hoe nahoana isika no afaka ho lasa olom-baovao ary hoe inona no ny dikan’izany.

Vakio ny 2 Korintiana 5:21, ka tadiavo ireo andinin-tsoratra masina momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary momba anao.

  • Inona no zavatra nianaranao avy amin’io andininy io?

Vakio ity andiam-pehezan-teny manaraka ity, ary mitadiava hevi-baovao fanampiny izay manan-danja aminao.

Ao amin’ny 2 Korintiana 5:21 i Paoly dia mampianatra fa na dia tsy meloka tamin’ny fahotana mihitsy aza i Jesoa, dia tao amin’ny Sahan’i Getsemane sy teo amin’ny hazofijalian’i Kalvary no nitondrany teo Aminy ny vesatry ny fahotantsika, sy ny lanjany ary ny vokany. Rehefa mikatsaka fatratra ny hahazo famelan-keloka sy ho tonga “olom-baovao” isika, dia manaiky ny fanoloran’i Jesoa Kristy fa raha manam-pinoana Azy isika sy mibebaka amin’ny fahotantsika dia hanala ny fahotantsika Izy ary afaka mahazo ny fahamarinany isika. Amin’izany no hahatonga antsika ho madio tsy misy hafa Aminy (jereo koa ny Kolosiana 2:13–14; 1 Petera 2:24).

  • Ahoana no ahafahan’ny fampianarana ao amin’ny 2 Korintiana 5:21 manampy anao hahatakatra kokoa ny antony ahafahantsika ho tonga olom-baovao ao amin’i Kristy sy ny tena dikan’izany?

  • Inona no eritreritra sy fihetseham-po mety niainan’ilay Zanak’ Andriamanitra tsy nanam-pahotana rehefa nitondra an-tsitrapo ny fahotanao teo Aminy Izy mba hahafahanao mihavana amin’ Andriamanitra sy hiova? (Vakio ny Isaia 49:16 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:18 alohan’ny hamaliana io fanontaniana io.)

Mba hahitana ohatra maoderina momba ny olona iray mihavana amin’ Andriamanitra sy lasa “olom-baovao” amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, dia jereo ny “I Know His Grace Is There When I Fall (Fantatro fa eo ny fahasoavany rehefa lavo aho)” (6:24). Hita ap amin’ny ChurchofJesusChrist.org izany horonan-tsary izany.

Saintsaino ny fomba niainanao, na niainan’ny olona iray fantatrao, ilay fanasitranana sy ilay fampihavanana izay natolotry ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany.

Ny fisaintsainana ireo fitsipiky ny filazantsara dia afaka manampy antsika hahatakatra sy hahatsapa kokoa ny maha-zava-dehibe azy ireny. Avereno vakiana ny famaritana ny toe-javatra iainanao ankehitriny sy ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra izay nosoratanao tany am-piandohan’ny lesona. Makà minitra vitsy hisaintsainana ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Mety ho tahaka ny ahoana ny fisehony sy ny fahatsapana ny hoe mihavana amin’ Andriamanitra mandrakizay?

  • Ahoana no fomba tianao hahatongavana ho olom-baovao amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

  • Inona no zavatra niainanao teo amin’ny fiainana ka mampiseho ny fahavononan’i Jesoa Kristy hanampy anao hiova?

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no fanampiana nentin’ny fisaintsainana?

  • Inona no nianaranao tato amin’ity lesona ity momba ny fihetseham-pon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy momba anao sy ny faniriany ho anao?

Mianatra, mahatsapa ary manao zavatra

Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay zavatra nianaranao sy tsapanao androany ka nanan-danja indrindra taminao ary ny anton’izany. Soraty ny zavatra tsapanao fa anentanan’ny Fanahy anao mba hataonao ka afaka manampy anao hihavana amin’ Andriamanitra sy ho tonga “olom-baovao” ao amin’i Kristy. Inona no fiovana tianao ho hita amin’ny tenanao (ao anatin’ny herintaona, na roa taona, na dimy taona) amin’ny maha olona tena niova marina anao ao amin’i Kristy?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao? 

Ahoana no ahafahan’izany manampy ahy hiaina ny filazantsaran’i Kristy sy ho tonga “olom-baovao” ao Aminy?

Nanazava ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Ulisses Soares, Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Izany fitomboana finoana sy fiovampo izany dia hanampy antsika hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy hitandrina izany, izay hampatanjaka ny faniriantsika hanaraka an’i Jesoa Kristy ary hitarika fiovana ara-panahy tena izy ao amintsika, izay lazaina ihany koa hoe lasa olom-baovao, araka ny nampianarin’i Paoly Apôstôly ao amin’ny epistiliny ho an’ny Korintiana (2 Korintiana 5:17). Izany fiovana izany dia hanome antsika fiainana sambatra sy mamokatra, ary mahasoa kokoa ary hanampy antsika hanana fomba fijery mifantoka amin’ny mandrakizay hatrany.

(Ulisses Soares, “Ahoana no ahafahako mahatakatra?,” Liahona, mey 2019, 6)

2 Korintiana 5:17–21. Ahoana no ahafahako mahatakatra kokoa ny zavatra nampianarin’i Paoly ao amin’ireo andininy ireo?

Ity fanazavana manaraka ity dia mety hanampy anao hahatakatra ireo teny sy andian-teny sasany ao amin’ireo andininy ireo:

Ny hoe tonga “olom-baovao” dia midika fa “[hiova] ny fontsika sy ny tarehintsika ary ny toetrantsika ka ho tonga tahaka ny Mpamonjy” (Benjamin M. Z. Tai, “Ny herin’ny Bokin’i Môrmôna eo amin’ny fiovam-po,” Liahona, mey 2020, 47).

Ny hoe Kristy “tsy nanisa ny fahadisoany” dia midika fa rehefa mihavana amin’ Andriamanitra isika dia tsy isaina amintsika ny fahotantsika noho izay nataon’i Kristy ho antsika.