Seminera
Fifehezana fotopampianarana: 1 Korintiana 11:11


Fifehezana Fotopampianarana: 1 Korintiana 11:11

Samy manan-danja amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra avokoa na ny lehilahy na ny vehivavy

Sary
Mpivady tanora mijoro eo ivelan’ny tempolin’i Ogden Utah. Mitazana ny tempoly eo alohan’izy ireo izy ireo ary ny anjely Môrônia no eo amin’ny faritra faratampony afovoany amin’ilay sary. Manao costard manga matroka miaraka amin’ny lobaka fotsy ilay lehilahy. Manao akanjo fotsy ilay vehivavy. Hariva ny andro.

Tao amin’ny fandalinanao ny 1 Korintiana 11, dia nianatra momba ny fahitan’ Andriamanitra ireo anjara asa miavaka sy masin’ny vehivavy sy ny lehilahy ianao. Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy anao hampitombo ny fifehezanao ireo fampianarana ireo rehefa manao tsianjery ny toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny 1 Korintiana 11:11 ianao, sy manazava ny fotopampianarana, ary mampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Hazavao sy ianaro tsianjery

Jereo ny tananao. Diniho hoe inona no mampitovy sy tsy mampitovy azy ireo.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Koa satria afaka miasa samirery ny tanana tsirairay, nahoana araka ny eritreritrao no nataon’ny Ray any An-danitra hanana tanana anankiroa ireo zanany?

  • Amin’ny fomba ahoana no anampian’ny fahasamihafan’ireo tananao anao hanatontosa asa na hampiasa ny talentanao?

  • Inona no zavatra izay mety ifandraisan’io fandinihana momba ny tananao io amin’ny 1 Koritianina 11:11?

Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy anao hitadidy ny toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 1 Korintiana 11:11 sy ny andian-teny manan-danja ao aminy izay manao hoe, “Kanefa ao amin’ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.”

Soraty ilay andian-teny mana-danja ao amin’ny soratra masina sy ilay toko sy andiny ao amin’ny soratra masina. Vakio na averimbereno imbetsaka ilay andian-teny sy ny toko sy andininy, dia mamafà teny isaky ny mandeha. Tohizo hatrany izany mandrapahafahanao mamerina tsara tsy an-kijery ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina sy ilay toko sy andinin-tsoratra masina.

Fizàrana mampihatra

Raketo an-tsoratra, ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy manaraka ireto:

  1. Manao asa amim-pinoana

  2. Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  3. Mikatsaha fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana izay nosafidin’ Andriamanitra

Farito ao anatin’ny fehezan-teny roa na telo ny fitsipika tsirairay. Azonao atao ny mijery ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022) mba hanamarinana ny fahalalanao sy hanampiana ny fampahalalana manan-danja izay mety tsy hitanao.

Tao amin’ny 1 Korintiana 11:11, ianao dia nianatra fa ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra, dia tena manan-danja avokoa na ny vehivavy na ny lehilahy.

  • Ahoana no hisehoan’ny tsy fahatakarana na fanaovana tsinontsinona ity fahamarinana ity eo amin’ny fiarahamonina?

  • Inona avy ireo toe-javatra sasantsasany eo amin’ny fiainanao ahafahanao mampianatra na miaro ity fahamarinana ity?

Misafidiana anankiray amin’ireto rafi-tantara manaraka ireto, ary eritrereto ny fomba ahafahan’ny fampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ireo manampy olona iray mba hahatakatra ny fahamarinana ao amin’ny 1 Korintiana 11:11 mikasika ny anjara asan’ny lehilahy sy ny vehivavy ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

  1. I Ravaka zandrivavin’i Mirana dia nandre ankizilahy nilaza tany am-pianarana fa ny lehilahy dia mana-danja kokoa noho ny vehivavy. Nanontany an’i Ravaka i Mirana hoe, “Moa ve aho tsy manan-danja mitovy amin’ny ankizilahy?”

  2. Manahy mafy i Rina satria nandre ny sasany amin’ireo mpikambana namany ao amin’ny kôlejy miresaka tsy amim-panajana momba ny vehivavy izy.

  3. Taorian’ny nijerena sarimihetsika malaza anankiray, dia nisy mpinamana maromaro naneso ny fihetsika mahatsikaiky izay nataon’ilay raim-pianakaviana. Maro no miombon-kevitra fa tsy nilaina akory ilay raim-pianakaviana, ary nilaza ny namana anankiray hoe, “Izany no antony tsy ilanao lehilahy mba hitaizana fianakaviana sambatra.”

  4. Miomana ny hanambady any amin’ny tempoly i Aina sy i Narindra. Mandroso hevitra ny mba hiresahana ny fomba hanatanterahan’ny tsirairay ireo anjara asa sy andraikitra samihafa ao amin’ny ankohonany amin’ny ho avy ny ray aman-drenin’izy ireo.

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny telo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

Manao asa amim-pinoana

  • Inona avy ireo fomba ahafahanao na ny olona ao amin’ny rafi-tantara manao asa amim-pinoana ho setrin’ilay olana izay nipetraka?

  • Ahoana ny fomba ahafahan’ny fanomezan-danja ny anjara asa miavaka sy manan-danjan’ny vehivavy sy ny lehilahy manampy anao amin’ny fanarahana ny dian’i Jesoa Kristy?

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  • Inona ny zavatra fantatrao momba ny Ray any An-danitra sy ny drafiny izay mety hanampy raha toa ka sendra toe-javatra tahaka izao ianao?

  • Inona avy ireo andraikitry ny lehilahy sy ny vehivavy ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana izay nosafidian’ Andriamanitra

  • Ahoana no fomba ahafahan’ny fahatakarana sy ny fijoroanao ho vavolombelona momba ireo fahamarinana izay ampianarina ao amin’ny 1 Korintiana 11:11 ireo manampy anao hisedra izao toe-javatra izao?

  • Inona avy ireo fampianarana nentanim-panahy hafa avy ao amin’ny soratra masina na avy tamin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana afaka manampy anao hamaly amim-pahatokiana?