Seminera
1 Korintiana 12


1 Korintiana 12

Ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy

Sary
Mankafy ny fiarahan’izy ireo ny vondrona zatovolahy sy zatovovavy iray eo am-piarahan’izy ireo manao fitsidihana any Paris France.

Nanoratra ho an’ ireo Olomasina tao Korinto i Paoly mba hanampiana azy ireo hamantara fa ilan’izy ireo ny ho iray ao amin’i Kristy. Nampianatra izy fa raha toa ka mahatakatra sy mampiasa ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy noraisiny avy amin’ny Tompo ny mpikambana rehetra, dia ho toy ny ampahany maro momba ny tena amin’ny vatana miara-miasa miaraka izy ireo. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hamantatra ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy nomen’ny Tompo anao mba hitahiana ny hafa sy hampatanjahana ny Fiangonany.

Mandray fanomezam-pahasoavana

  • Inona no fanomezana manan-danja efa noraisinao?

  • Inona no fiantraikan’io fanomezana io teo amin’ny fiainanao? Afaka nanao inona ianao noho ny fisian’ izany?

  • Inona no tsapanao momba ilay olona nanome anao ilay fanomezana?

Rehefa mandalina ny 1 Korintiana 12 ianao dia hianatra momba ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy omen’ny Ray any An-danitra ho an’ireo zanany. Tadiavo ny antony anomezany ireo fanomezam-pahasoavana ireo, ary angataho ny fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina hanampy anao hamantatra ny fanomezam-pahasoavana nomena anao.

Manome antsika fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ny Tompo

“Ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy dia fitahiana na fahaiza-manao nomen’ Andriamanitra ny zanany amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina” (Sujets de l’Évangile, “Dons spirituels,” topics.ChurchofJesusChrist.org).

Mianatra mikasika ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy amin’ny alalan’ny famakiana ny 1 Korintiana 12:3–11. (Mariho fa ny teny hoe “rehetra” ao amin’ny andininy 11 dia midika hoe “tena manokana” na “tsirairay avy.”)

  • Inona avy ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy sasantsasany voatanisa ao amin’ireo andininy ireo?

Maro samihafa ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy. Raha tianao ny hianatra momba ireo hafa dia vakio ny Môrônia 10:8–18; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:11–26; ary ity teny manaraka nataon’ny Loholona Marvin J. Ashton (1915–94) ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Sarin’i Marvin J. Ashton.

Mamelà ahy hilaza fanomezam-pahasoavana vitsivitsy izay tsy voatery mibaribary sy hita miavaka foana kanefa tena manan-danja tokoa … : ny fanomezam-pahasoavana mangataka; ny fanomezam-pahasoavana mihaino; ny fanomezam-pahasoavana mandre sy mampiasa ny feo tony sy malefaka; ny fanomezam-pahasoavana afaka mitomany; ny fanomezam-pahasoavana misoroka ny fifandirana; … ny fanomezam-pahasoavana mikatsaka ny marina; ny fanomezam-pahasoavana tsy mitsara; ny fanomezam-pahasoavana mibanjina an’ Andriamanitra hahazoana fitarihana; … ny fanomezam-pahasoavana mikarakara ny hafa; ny fanomezam-pahasoavana afaka misaintsaina; ny fanomezam-pahasoavana manolotra vavaka; ny fanomezam-pahasoavana mijoro ho vavolombelona mahery.

(Marvin J. Ashton, “There Are Many Gifts,”,” Ensign, Nov. 1987, 20)

  • Iza no tahin’ny Tompo amin’ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ireo?

  • Amin’ny fomba ahoana no anampian’izany anao hahatakatra momba ny Tompo?

Ny fahamarinana iray mety ho fantatrao dia ny hoe manome ny mpikamban’ny Fiangonany tsirairay fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy iray farafahakeliny ny Tompo mba hitahiana ny hafa

Saintsaino hoe inona ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy tsapanao fa nomen’ Andriamanitra anao. Raha manana olana ianao amin’ny famantarana ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy anananao dia hevero ny hnontany ray aman-dreny na mpitarika iray. Ny tsodranon’ny patriarika izay anao dia mety manambara ny sasantsasany amin’ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy anananao ihany koa.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no tsapanao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, rehefa fantatrao fa notahian’Izy Ireo tamin’ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ianao?

  • Miantraika amin’ny fomba fijerinao mikasika ny toetranao amin’ny maha Andriamanitra amin’ny fomba ahoana ny fahalalana fa nomena fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ianao?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manome fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay avy Andriamanitra fa tsy ho an’ny mpikambana vitsivitsy fotsiny ihany?

Tian’ny Tompo hifampitahy isika

Vakio ny 1 Korintiana 12:14–20 mba hahitana ny fampitahana nampiasain’i Paoly hanampiana antsika hamantatra ny maha zava-dehibe ny fandraisana anjara antsika tsirairay.

  • Inona ilay ampitahan’i Paoly amin’ny Fiangonana ao amin’io andalana io? Inona no ampianarin’io fampitahana io anao mikasika ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana anao tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ananan’ny hafa?

ChurchofJesusChrist.org  Eo am-pijerenao izany dia henoy tsara ny bitsiky ny Fanahy Masina mikasika ny fomba ahafahanao mampiasa ny fanomezam-pahasoavana anananao hitahiana ny hafa.

Saintsaino ny fomba nitahiana anao tamin’ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy nomena anao ireo sy ny fomba ahafahanao mampiasa izany hitahiana ny fianakavianao, ny paroasy na sampana ary ny hafa. Azonao atao ny manoratra ao anatin’ny diary fandalinanao ny zavatra tsapanao avy amin’ny Fanahy Masina momba ny fanomezam-pahasoavana anananao.

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny roa na ny mihoatra izany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Araka ny eritreritrao, inona no tian’ny Tompo ho takatrao momba ny tenanao sy ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy anananao?

  • Inona no famporisihana omenao ny olona iray izay mahatsapa ho toy ny tsy manana fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy?

  • Inona no fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy irinao? Inona no azonao atao hikatsahana izany fanomezam-pahasoavana izany? (Nanasa antsika hikatsaka ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ny Tompo; jereo ny 1 Korintiana 12:31; 14:1; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:7–9.)

  • Inona avy ireo fomba ahafahanao mampiasa ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy anananao hitahiana ny hafa? Ahoana no fomba hanampian’izany anao ho lasa hitovy kokoa amin’ny Mpamonjy?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Ahoana no ahafahako mampiasa ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ananako hanompoana ny hafa?

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia nizara ny fomba ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy:

Sary
Sary tapaka ôfisialin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2006. Nantsoina ho Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, 3 febroary 2008. Nanao ny sary tapaka ôfisialy tamin’ny 2008 ho solon’ilay sary tapaka nalaina tamin’ny 2004.

Rehefa mieritreritra ny Mpamonjy aho dia maka sary an-tsaina Azy matetika miaraka amin’ny tanana mitsotra mba hankahery, hanasitrana, hitahy ary haneho fitiavana. Ary niresaka hatrany tamin’ny olona tao anatin’ny fanajana azy ireo foana Izy. Tiany ireo manetry tena sy malemy fanahy ary niara-nandeha tamin’izy ireo Izy, ka nampianatra azy ireo ary nanolotra fanantenana sy famonjena. 

Izany no nataony nandritra ny fiainany teto an-tany; izany ihany koa no ho nataony raha toa ka niara-niaina tamintsika Izy amin’izao fotoana izao; ary izany no tokony hataontsika amin’ny maha mpianany sy mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro–Farany antsika. … 

Rehefa maka tahaka ny ohatra tonga lafatra nomeny antsika isika dia afaka ho lasa tanany ny tanantsika, ho lasa masony ny masontsika ary ho lasa fony ny fontsika.

(Dieter F. Uchtdorf, “Ianareo no tanako,” Liahona, mey 2010, 68)

Nampianatra toy izao ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona David A. Bednar, sary ôfisialin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. 2020.

Mandray ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy isika mba hitahiana ny hafa. Raha maniry hahazo fanomezam-pahasoavana isika satria te hanana izany, dia inoana marimarina fa tsy hahazo izany isika. Rehefa mikatsaka ny hanompo ny hafa araka ny fampianaran’i Jesoa Kristy isika dia voatahy amin’ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy sy ar mitombo ny fahafahana hahatonga ny asa fanompoana ho tanteraka.

(David A. Bednar, ao amin’ny “Fahatakarana ny drafitry ny Ray any An-danitra,” ChurchofJesusChrist.org/prophets-and-apostles/unto-all-the-world/understanding-heavenly-fathers-plan)

Inona no tokony ataoko raha toa ka tsy tsapako fa manana fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy manan-danja aho?

Ny torohevitry ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia hita ao amin’ilay horonan-tsary hoe “Ireo hira hiraina sy tsy hiraina” (manomboka amin’ny mari-potoana 0:57 ka hatramin’ny 2:57). ChurchofJesusChrist.org

Ny Loholona John C. Pingree Jr. ao amin’ny Fitopololahy dia nizara ohatra iray momba ny rahavavy iray izay nahalala momba ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy nananany nefa nataony tsinontsinona:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona John C. Pingree Jr. Nalaina tamin’ny martsa 2017

Indray andro ny rahavavy iray feno hakiviana dia nitalaho hoe: “Tompo ô! Inona no asa fanompoako manokana?” Namaly Izy hoe: “Ny mahatsikaritra ny hafa.” Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy izany! Nanomboka teo dia nahitany fifaliana ny mahatsikaritra ny fisian’ ireo izay adino matetika, ary niasa tamin’ny alalany Andriamanitra mba hitahiana olona maro. Raha toa ny sasany amin’ ireo fanomezam-pahasoavana ananantsika mety tsy hahatonga antsika ho olona miavaka araka ny fenitr’ izao tontolo izao, dia tena manan-danja izy ireny amin’ Andriamanitra sy ny asany.

(John C. Pingree Jr., “Manana asa ho anao aho,” Liahona, nôv. 2017, 33–34)

Inona no tokony hataoko rehefa mahatsapa aho fa tsy mahavita ny asa nanendrena ahy ao amin’ny Fiangonana?

Nampianatra ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Sary
Sary tapaka ôfisialin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2006. Nantsoina ho Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, 3 febroary 2008. Nanao ny sary tapaka ôfisialy tamin’ny 2008 ho solon’ilay sary tapaka nalaina tamin’ny 2004.

Mety mieritreritra ianao hoe misy hafa izay afaka ny hanao izany sy manana traikefa bebe kokoa hanaovana izany antso sy andraikitra izany, kanefa ny Tompo dia nanolotra anao izany andraikitrao izany noho ny antony manokana. Mety misy olona sy fo izay ianao ihany no afaka ny hanampy sy hahakasika azy ireo. Angamba tsy misy afaka manao an’izay amin’ny fomba hanaovanao azy mihitsy.

(Dieter F. Uchtdorf, “Ampaherezo izay eo amin’ny tandrify anao,” Liahona, nôv. 2008, 56)