Seminera
Tombano ny fianaranao 11


Tombano ny fianaranao 11

1 Timoty–1 Jaona

Sary
YW Shares a Scripture with Friend

Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanao tombatombana ireo tanjona napetrakao sy ny fivoaranao manokana nandritra ny fandalinanao ny Testamenta Vaovao. 

Tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa

Tao amin’ny lesona teo aloha, ny hoe tonga tahaka an’i Jesoa Kristy dia nampitahaina tamin’ny fiakarana tendrombohitra avo.

  • Inona no fantatrao momba ny fiakarana tendrombohitra ka mahatonga an’izany ho fanoharana tsara?

  • Inona no tsapanao fa mahasarotra ny fahatongavana tahaka an’i Jesoa Kristy? Nahoana izany fanamby izany no mendrika ifoforana?

Raha efa nianika tendrombohitra ianao taloha, dia eritrereto izay tsapanao rehefa tonga teo an-tampony ianao. Raha tsy mbola nianika tendrombohitra ianao taloha, dia alaivo sary an-tsaina hoe hanao ahoana izany.

  • Ahoana no ahafahan’ny fitazonana ny tanjona farany ao an-tsainao hanosika anao mandritra ny fiakaranao ara-panahy?

Raha nahavita ny lesona teo aloha momba ny 2 Petera 1, ianao dia jereo ny sarin’ny tendrombohitra iray noforoninao ao amin’ny diary fandalinanao. Raha tsy nanao sary ho anao manokana ianao dia jereo ity sary manaraka ity:

Sary
Divine Attributes Mountain Diagram

Makà fotoana hieritreretana momba ireo toetra masina voatanisa ao amin’ny sary nataonao.

  • Iza amin’ireo toetra ireo no ezahinao kolokoloina? Manao ahoana ny fivoaranao?

Saintsaino ny fitiavanao an’i Jesoa Kristy sy ny fomba ahafantaranao Azy kokoa.

  • Inona no azonao atao mba hanohizanao ho tonga tahaka an’i Kristy kokoa?

Mampianatra tahaka an’i Jesoa Kristy

Sary
An actor portraying Jesus Christ holding a child on his lap. They are surrounded by people.
Sary
Jesus at the temple teaches His Apostles about the widow’s mites.
Sary
Jesus sitting at a table teaching.
Sary
Jesus blessing bread he is about to feed to the gathered multitude.
  • Inona avy ireo toe-javatra sy sehatra sasantsasany nampianaran’ny Mpamonjy?

Ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy dia manondro fa:

Tsy nitranga tany amin’ny sinagoga ny ankamaroan’ny fampianaran’ny Mpamonjy fa tany amin’ny toerana tsotsotra sy mahazatra—teo am-pisakafoanana niaraka tamin’ny mpianany, teo am-pakana rano tao amin’ny fantsakana, teo am-pandalovana ny hazo aviavy iray.

(“Araraoty ireo fotoana azo ampianarana tampoka,” Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2016], 16)

Saintsaino ireo fahafahana mety anananao mba hampianarana fitsipiky ny filazantsara iray na hanazavana zavatra inoana amin’olona iray.

  • Oviana ary aiza araka ny eritreritrao no ahafahanao mizara zavatra izay nianaranao na tsapanao vao haingana momba ny Mpamonjy?

Nampianatra antsika ny fomba itoviana amin’i Jesoa Kristy ny Apôstôly Petera rehefa nanoratra izy hoe: “Aoka ho vonona mandrakariva hianareo hanome … ny anton’ny fanantenana ao anatinareo” ( 1 Petera 3:15). Rehefa mizatra manazava ny zavatra inoantsika isika dia afaka ny ho vonona tsara amin’ireo fahafahana hampianatra amin’ny fotoana sy toerana hahatongavan’izy ireny.

1. Ataovy ao anaty diary fandalinanao ity sahanasa manaraka ity:

Misafidiana iray amin’ireto lohahevitra nianaranao tao anatin’ny herinandro vitsivitsy farany ireto, dia vitao ireo dingana manaraka.

Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (jereo ny Hebreo 9:11–15, 24, 28 ; 10:10–17)

Finoana an’i Jesoa Kristy (jereo ny Hebreo 11 ; Jakoba 2:17–18)

Andriamanitra no Rain’ny fanahintsika (jereo ny Hebreo 12:9 ; jereo koa ny Jaona 20:17 ; Asan’ny Apostoly 17:29 ; Romana 8:16–17)

a. Manorata toe-javatra tena mety hitranga marina izay hahafahanao, tahaka ny Mpamonjy, hanana fahafahana hampianatra olona iray na hamaly fanontaniana iray momba ity lohahevitra ity.

b. Raiso an-tsoratra ny fanontaniana iray mety ananan’ny olona iray momba io lohahevitra io.

d. Manomàna ny fomba hanazavanao io lohahevitra io dia valio ilay fanontaniana. Mampiasà andinin-tsoratra masina iray farafahakeliny ao amin’ny fanazavanao. (Ny soratra masina voatanisa ao anaty fononteny dia nomena mba hampahatsiahivana anao izay mety efa nianaranareo.)

Ny ezako handalina ny soratra masina sy hivavaka

Sary
Joseph Smith reading the Bible by candlelight.
  • Inona no nianaranao momba ny fandalinana ny soratra masina sy ny vavaka avy amin’ny fandalinana ny Testamenta Vaovao na ny zavatra niainan’i Joseph Smith?

2. Ataovy ao anaty diary fandalinanao ity atrikasa manaraka ity:

Soraty ny zavatra ataonao amin’izao fotoana izao, na ezahina hatao, na tianao hatao mba hanatsarana ny ezaka ataonao amin’ny fivavahana sy ny fandalinana ny soratra masina. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny tanjona napetrakao ao anatin’ny Ankizy sy Zatovo ho an’ny tenanao manokana na momba ny seminera manokana.

Mba hanampiana anao haka sary an-tsaina ny fivoaranao amin’io tanjona io dia ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao ity kisary manaraka ity. Ampio ny iray amin’ireto lohateny manaraka ireto eo ambonin’ny ampahany efatra tsirairay amin’ilay kisary: Lesona; Fitahiana; Sakana; Fivoarana amin’ny hoavy. Soraty eo ambanin’ny lohateny mifanentana amin’izany ny valin-teninao amin’ny tsirairay amin’ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana anao hanombantombana ny fivoaranao sy hanohy hivoatra.

Sary
An illustration of an arrow.
  • Inona no lesona nianarako tamin’ny alalan’ny vavaka sy ny fandalinana ny soratra masina?

  • Inona avy ireo fitahiana na valim-panontaniana hitako?

  • Moa ve aho miatrika sakana amin’ny fanatrarana ny tanjona fandalinana soratra masina napetrako? Raha izany no izy, ahoana no ahafahako mitodika amin’ny Tompo mba handresena izany?

  • Inona no fivoarana amin’ny hoavy tiako ho hita eo amin’ny vavaka sy ny fandalinako ny soratra masina?

Raha mbola tsy manana tanjona amin’ity sehatra ity ianao dia azonao atao ny mametraka tanjona iray ankehitriny ary manombatombana izany mandritra ny herinandro sy ny volana vitsivitsy manaraka. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina hahafantarana hoe toy ny ahoana ny hafalian’ ny Tompo amin’ireo ezaka ataonao amin’ny fivavahana sy ny fandalinana ny soratra masina. Katsaho ihany koa ny hahafantatra izay fiovana tokony ataonao mba hiainana ireo fitahiana sy handraisana ireo valiny tian’ny Tompo homena anao.