Seminera
1 Jaona 2–4


1 Jaona 2–4

“Ry malala, aoka hifankatia isika”

Sary
A painting of a mass of people from different ethnic backgrounds. Submission for the 11th Annual Art Competition.

Nahoana no sarotra ny maneho fitiavana ny hafa indraindray? Ahoana no ifandraisan’ny fitiavantsika an’ Andriamanitra amin’ny fitiavana ny hafa? Ny Apôstôly Jaona dia nampianatra ny Olomasina ny fomba itaoman’ny fitiavan’ Andriamanitra azy ireo hitia an’ Andriamanitra sy ny hafa (jereo ny 1 Jaona 4:11, 19). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra sy hampihatra ny didy izay mitaky ny hitiavana ny hafa tahaka ny itiavanao an’ Andriamanitra.

Mitia ny hafa

Mieritrereta fomba maromaro azonao hamaranana ireto fehezan-teny manaraka ireto:

Mora ny mitia ny hafa rehefa …

Sarotra kokoa ny mitia ny hafa rehefa …

Saintsaino izao fanontaniana manaraka izao:

  • Inona no mamporisika na mananosarotra anao amin’ny fanehoana fitiavana ny hafa?

Ny fampianaran’i Jaona momba ny fitiavana

Ny Apôstôly Jaona dia nampianatra tamim-pahasahiana mikasika ny ilàna ny fitiavana ny hafa.

Vakio ny 1 Jaona 3:16–17 ; 4:7–11, 19–21 ary asio marika ireo fahamarinana izay heverinao fa hanampy anao rehefa mandinika ireo olana eo amin’ny fitiavana ny hafa ianao. (Marihina fa ny teny hoe avotra [ao amin’ny 1 Jaona 4:10 ] dia midika hoe sorompanavotana izay manome fahafaham-po ny fahamarinan’ Andriamanitra.)

  • Inona no zavatra hitanao fa mahaliana na manan-danja avy amin’ireo fampianaran’i Jaona? Nahoana?

Iray amin’ireo fahamarinana izay nampianarin’i Jaona ao amin’ireo andalan-tsoratra masina ireo ny hoe raha tia an’ Andriamanitra isika dia ho tia ny hafa ihany koa. Azonao asiana marika ity fahamarinana hita ao amin’ny 1 Jaona 4:21 ity.

1. Ataovy ao anaty diary fandalinanao soratra masina ity sahanasa manaraka ity:

Mba hanampiana anao hisaintsaina ireo fitahiana azo avy amin’ny fitiavana ny hafa dia misafidiana iray amin’ireo ohatra etsy ambany ary valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

a. Ohatra iray avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy rehefa naneho fitiavana ny hafa Izy

b. Olona fantatrao izay ohatra tsy miovaova amin’ny fitiavana ny hafa

d. Ny zavatra niainanao manokana tamin’ny fiezahana hitia ny hafa, na ny zavatra niainana’ny hafa hanehoana fitiavana anao

e. Ohatra amin’ny fanehoana fitiavana ny hafa avy amin’ireo lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany na horonan-tsary ato amin’ny Fiangonana, toy ny “Taking upon Ourselves the Name of Jesus Christ” manomboka avy amin’ny mari-potoana faha 4:43 ka hatramin’ny 6:15 (izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org)

  • Inona no nataon’io olona io/ianao mba hanehoana fitiavana?

  • Ahoana no anehoan’ny fihetsiny/fihetsikao ny fitiavana an’ Andriamanitra?

  • Inona no vokatry ny fanehoan’izy ireo/fanehoanao fitiavana?

  • Inona no zavatra nianaranao avy tamin’io ohatra io?

Mandray ny fitahiana avy amin’ny fitiavana ny hafa

Vakio ny 1 Jaona 3:17–18 mba hahitana ny fomba namporisihan’i Jaona antsika ho tia ny hafa.

  • Inona araka ny eritreritrao no mety ho dikan’ny hoe mitia ny hafa “amin’ny asa sy amin’ny marina”? ( 1 Jaona 3:18).

Mety ho ilaina ihany koa ny mamaky ny sasany amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy mikasika ny fifankatiavana izay voarakitra ao amin’ny Matio 5:43–44 ; 22:37–40 sy ao amin’ny Jaona 13:34 , mba hitadiavana ny fomba nampianaran’ny Mpamonjy fa tokony ho tia ny hafa isika. (Jereo ihany koa ny Jaona 15:12, 17 .)

Mamoròna lisitr’ireo fomba ahafahanao maneho fitiavana ny hafa “amin’ny asa sy amin’ny marina,” na tahaka ny nitiavan’ny Mpamonjy antsika. Mety hanampy ny mandinika ireo fomba izay hanehoana fitiavana olona samihafa, toy ny havana, namana, na mpiara-mianatra.

Raha toa ka manampy ny mahita ohatra vitsivitsy amin’ny fitiavana ny hafa “amin’ny asa sy amin’ny marina,” dia hevero ny hijery ny “Now Serving” (2:18) ho ohatra. Io horonan-tsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona amin’ireo hevitra fanehoana fitiavana no nisongadina indrindra taminao? Nahoana?

  • Nahoana no zava-dehibe ny fanaovantsika zavatra amin-kitsimpo?

  • Manampy antsika mba ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa amin’ny fomba ahona ny fanaovana tsy tapaka ireo fihetsika amin-kitsimpo ireo?

Fampiharana

Mieritrereta olona iray fantatrao fa mety tian’ny Tompo hanehoanao fitiavana bebe kokoa. Ezaho eritreretina ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy azy ireo. Eritrereto ny hivavaka amin’ny Ray any An-danitra. Henoy ary tsapao tsara ny fitaomam-panahy momba ny zavatra mety tiany hataonao mba hanehoanao fitiavana an’io olona io. Azonao atao ny mivavaka mba hahazoana fanampiana amin’ny ezaka izay ataonao. Mety hanampy koa ny mizara izay zavatra kasainao hatao amin’ny olon-dehibe na namana azo itokisana ary mangataka azy ireo hanampy anao.

1 Jaona 3:18 . Inona no dikan’ny hoe tia “amin’ny asa sy amin’ny marina”?

Ny Loholona Joseph B. Wirthlin (1917–2008) ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifololahy dia nanazava hoe:

Sary
Last official portrait of Elder Joseph B. Wirthlin of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004. Died December 1, 2008.

Matetika, ny fanehoana fitiavana lehibe indrindra dia ireo fihetsika faran’izay tsotra maneho hatsaram-panahy sy fiahiana ataontsika amin’ireo izay mifanojo amintsika eo amin’ny lalan’ny fiainana.

(Joseph B. Wirthlin, “Ny Didy Lehibe,” Ensign na Liahona, Nôv. 2007, 29)

Inona avy ireo fitahiana vitsivitsy azo avy amin’ny fitiavana ny hafa?

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany, dia nijoro ho vavolombelona momba ireo fitahiana azo avy amin’ny fitiavana ny hafa.

Sary
Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Satria ny fitiavana no didy lehibe indrindra, dia tokony ho ivon’ny zavatra rehetra izay ataontsika ao amin’ny fianakaviantsika manokana, eo amin’ny asa antsontsika ao amin’ny Fiangonana ary eo amin’ny fiainantsika izany. Ny fitiavana no balsama manasitrana izay mandravona ireo disadisa misy eo amin’ny fifandraisann’ny tena manokana sy ny fianakaviana ihany koa. Io no fatotra mampiray ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina ary ny firenena. Ny fitiavana no hery mamelona ny fisakaizana, ny fandeferana, ny fahalalam-pomba ary ny fifanajana. Io no loharano maharesy ny fisaratsarahana sy ny fifankahalana. Ny fitiavana no afo manafana ny fiainantsika amin’ny fifaliana tsy manam-paharoa sy ny fanantenana avy amin’ Andriamanitra. Tokony ho fitiavana no fandehantsika sy fitenintsika.

Rehefa takatsika marina ny dikan’ny hoe mitia tahaka ny nitiavan’i Jesoa Kristy antsika dia mivaha manaraka ny laharam-pahamehantsika avokoa ny fisafotofotoana rehetra. Lasa mahafaly kokoa ny diantsika amin’ny maha mpianatr’i Kristy antsika. Misy dikany vaovao ny fiainantsika. Lasa lalina kokoa ny fifandraisantsika amin’ny Raintsika any An-danitra.

(Dieter F. Uchtdorf, “Ny fitiavan’ Andriamanitra,” Ensign na Liahona, Nôv. 2009, 21)

1 Jaona 3:18 . Ahoana no ahafahantsika maneho fitiavana “amin’ny asa sy amin’ny marina” eo amin’ny fifandraisana amin’ny fianakaviantsika?

Jereo ny “The Eternal Blessings of Marriage” manomboka eo amin’ny 6:23 ka hatramin’ny 8:41 mba hahitana fitantaran’ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifololahy ireo asa soa nataon’izy mivady, na jereo ny “Two Brothers Apart” (6:12), izay mampiseho mpirahalahy mianatra mifankahazo sy mifankatia.

//media.ldscdn.org/webvtt/general-conference/april-2011-general-conference/2011-04-5010-elder-richard-g-scott-en.vtt

1 Jaona 4:12 . Inona no tian’i Jaona holazaina amin’ny hoe “tsy mbola nisy nahita an’ Andriamanitra na oviana na oviana”?

“Ny Dikantenin’i Joseph Smith an’io andininy io dia manazava ny fiheveran-diso izay manao hoe tsy afaka mahita an’ Andriamanitra ny olombelona: ‘Tsy mbola nisy olona nahita an’ Andriamanitra na oviana na oviana, afa-tsy izay mino’ (izay hita ao amin’ny 1 Jaona 4:12 , torolalana ho an’ny Soratra Masina). Nanohy ny fampianarana toy izao i Jaona: ‘Raha mifankatia isika, dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra, ary tanteraka ato amintsika ny fitiavany’ ( 1 Jaona 4:12). I Jaona mihitsy no efa nahita an’ Andriamanitra Ray (jereo ny Apokalypsy 5:1 ; F&F 67:11). Raha te hamaky bebe kokoa momba ny fahafahan’ny olombelona mahita an’ Andriamanitra, dia jereo ny Jaona 14:23 ; Asan’ny Apostoly 7:56 ; D&C 93:1 ; Joseph Smith—Tantara 1:16–17 ” (Boky torolalana ho an’ny mpianatra Testamenta Vaovao [2014], 517).

1 Jaona 4:20–21 . Iza ireo “rahalahintsika”?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanazava hoe:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Ny laharam-pahamehana indrindra eo amin’ny fiainantsika dia ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny fitiavana ny namantsika. Anisan’izany ny mpifanolobodirindrina amintsika, ny fiaraha-monina misy antsika, ny firenentsika ary ny tontolontsika.

(Russell M. Nelson, “Teach Us Tolerance and Love,” Ensign na Liahona, Mey 1994, 69)