Seminera
2 Petera 1


2 Petera 1

Tonga tahaka an’i Jesoa Kristy

Sary
I Kristy miaraka amin’ny ankizy kely.

Nanoratra ho an’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy izay natanjaka tamin’ny finoany i Petera. Rehefa nadiva hifarana ny fiainany dia naniry ny hanampy ireo Olomasina ireo i Petera mba hanampiana azy ireo hahatsiaro ireo fitahiana lehibe nampanantenaina ny mahatoky. Namporisika ny Olomasina izy mba hampivelatra ireo toetran’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanao dingana mba ho tonga kokoa tahaka an’i Jesoa Kristy.

Zava-bita tsikelikely

  • Inona no tanjona manan-danja tianao hotratrarina?

  • Inona no ataonao amin’izao fotoana izao mba hanatanterahana izany tanjona izany?

Ny Loholona Scott D. Whiting ao amin’ny Fitopololahy dia nizara lesona iray nianarany sy ny vadiny nandritra ny fihanihana ny Vohitra Fuji tany Japana. Mety hanampy anao hanatratra ireo tanjonao ny lesona nianaran’izy ireo. Azonao jerena ny horonan-tsary “Becoming like Him [Tonga tahaka Azy],” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka eo amin’ny mari-potoana 2:35 ka hatramin’ny 3:09, na vakio ity teny nambara manaraka ity:

Sary
Ny Vohitra Fuji, any Japana, mijoalajoala ao an-damosina ao anatin’ny takarivan’ny faramparan’ny fararano. Hita eny amin’ny ilany andrefan’ny tehezan-tendrombohitra rakotry ny ranomandry ireo sombin’ny tara-masoandro farany. Hita eo aloha ny Farihy Kawaguchi miaraka amin’ny tanànan’i Fujikawaguchiko izay miorina eo afovoan’ilay farihy sy tendrombohitra. Nandrakotra ilay tanàna sy ireo hazo teo amin’ny manodidina ny ranomandry maivana.
Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Scott D Whiting. Nalaina tamin’ny martsa 2017.

Taona vitsivitsy lasa izay no nijoroanay mivady teo amin’ny fiantombohan’ny lalana kely mananika ny tendrombohitra farany avo any Japana, dia ny Vohitra Fuji. Rehefa nanomboka ny fiakaranay izahay dia niandrandra ny tendrony izay tena lavitra ka nanontany tena raha toa ka ho tonga eny.

Raha nandroso izahay dia nanomboka nahatsapa harerahana sy fanaintainana teo amin’ny hozatra ary ny vokatry ny haavo. Raha ny ara-tsaina dia lasa zava-dehibe taminay ny tsy mifantoka afa-tsy amin’ny dingana manaraka. Niteny izahay hoe: “Mety tsy ho tonga haingana eny an-tampony aho, saingy azoko atao ity dingana manaraka ity izao ankehitriny izao.” Rehefa nandeha ny fotoana dia lasa azo tratrarina ihany ilay zavatra nahasadaikatra—dingana iray isaky ny mandeha.

(Scott D. Whiting, “Ho tonga tahaka Azy,” Liahona, nôv. 2020, 12)

  • Ity ohatra ity dia azo ampiharina amin’ny fanatrarana tanjona maro samihafa. Inona no afaka manampy antsika hahatakatra ny tanjona mba ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy?

Makà fotoana kely hisaintsainana ny zavatra nataonao sy ataonao mba ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy.

  • Inona no sarotra amin’ny fiezahana hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy?

  • Inona no nanampy anao handroso mba ho tonga kokoa tahaka an’i Jesoa Kristy?

Tsarovy fa zava-dehibe ny mijery ny fivoaranao amin’ny fahatongavanao kokoa tahaka an’i Jesoa Kristy ho toy ny dingana miandalana sy tsikelikely. Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia tadiavo ny zavatra azonao atao amin’ny alalan’ny fanampian’ny Mpamonjy mba hanaovana ny dingana manaraka.

Toetra araka an’ Andriamanitra

Tao anatin’ny taratasy iray ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana izay efa nanam-pinoana an’i Jesoa Kristy, dia naneho ny faniriany hahazo ireo fitahiana avy amin’ny fahafantarana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny toetran’izy ireo araka an’ Andriamanitra ny Apôstôly Petera.

Vakio ny 2 Petera 1:2–4 ary tadiavo ireo fitahiana izay mety ho tonga amintsika amin’ny alalan’izany fahalalana izany.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “miombona amin’ny fomban’ Andriamanitra”? (2 Petera 1:4).

Manana toetra araka an’ Andriamanitra isika tsirairay satria isika dia “fanahy izay zanakalahy na zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra” (“Ny fianakaviana: Fanambarahan ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org). Afaka manampy antsika hamboly sy hanatsara ireo toetra tahaka ny an’i Kristy i Jesoa Kristy rehefa miezaka manaraka ny ohatra tonga lafatra nasehony sy miantehitra Aminy mba hanampy antsika hiova isika.

1. Vitao ao anaty diary fandalinanao ity sahanasa manaraka ity: Ampio izany mandritra ny lesona.

Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao ny sarin’ny Vohitra Fuji na tendrombohitra hafa tianao. Soraty eo amin’ny tendrombohitrao ny toetran’i Jesoa Kristy vitsivitsy.

  • Inona amin’ireo toetran’i Jesoa Kristy no tena tianao? Nahoana?

Vakio ny 2 Petera 1:5–7 ka tadiavo ireo toetran’i Kristy notanisain’i Petera. Ampio ireo toetra nosoratanao teo amin’ny tendrombohitrao ao amin’ny diarinao ireo toetra ireo.

Makà fotoana hieritreretana ny mety ho tian’i Petera holazaina amin’ilay andian-teny hoe “manaova izay zotom-po rehetra” (andininy 5).

  • Ahoana no mety hanehoanao izany ao amin’ny kisarinao?

Vakio ny 2 Petera 1:8–11 ary tadiavo izay nolazain’i Petera tamin’ny Olomasina fa hitranga raha mamboly ireo toetra ireo izy ireo.

  • Inona no fahamarinana nianaranao avy amin’io andinin-tsoratra masina io?

Eritrereto izay azonao ampiana ao amin’ny kisarinao noho ny zavatra ianaranao. Azonao atao ny manampy anarana fiantsoana eo ambonin’ny tendrombohitrao izay mamintina ny fahamarinana manan-danja iray nianaranao momba ny fahafantarana an’i Jesoa Kristy.

Azonao ampitahaina amin’ity ohatra manaraka ity ny kisary dia ampio izay antsipiriany hitanao fa manampy.

Sary
Kisarin’ny tendrombohitr’ireo toetra masina
  • Inona no azontsika atao mba hambolena ireo toetra tahaka ny an’i Kristy?

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no manampy antsika hahafantatra an’i Jesoa Kristy sy ho tonga tahaka Azy kokoa ny fambolena ireo toetra masina?

Mamboly ireo toetra tahaka ny an’i Kristy

Ny dia amin’ny fambolena ireo toetra tahaka ny an’i Kristy dia afaka manomboka amin’ny dingana tsotra voalohan’ny fisafidianana toetra iray sy ny fianarana bebe kokoa momba izany. Atombohy anio izany dia izany amin’ny alalan’ny fisafidianana ny iray amin’ireo toetra voatanisa ao amin’ny 2 Petera 1:5–7 sy voasoratra eo amin’ny kisarin’ny tendrombohitrao.

Fomba iray ahafahanao mianatra kokoa momba ilay toetra nofidinao ny fampiasana ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, na ny fikarohana ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile mba hahitana soratra masina na teny nambara mifandray amin’izany toetra izany.

Mandraisa an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao, ary asio marika ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina novakinao.

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no toetra tianao hifantohana?

  • Inona no nianaranao momba an’i Jesoa Kristy sy io toetra io avy amin’ny fandalinanao?

  • Amin’ny fomba ahoana no hoe mety hanatsara ny fiainanao ny fambolena io toetra tahaka ny an’i Kristy io?

  • Inona no ezaka vonona hoataonao mba hahatongavana kokoa tahaka ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fampivelarana io toetra io?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Inona no mila ataoko mba hananako toetra tahaka ny an’i Kristy?

Nanazava ny Loholona Scott D. Whiting ao amin’ny Fitopololahy hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Scott D Whiting. Nalaina tamin’ny martsa 2017.

Mba hahitana fivoarana tena marina dia mila manao ezaka tsy tapaka ianao. Mitovy amin’ny fianihana tendrombohitra iray izay mitaky fiomanana mialoha ny fianihana ary fitozoana sy faharetana mandritra ny fianihana, ity fiezahana ho tonga tahaka Azy ity ihany koa dia mitaky fiezahana marina sy fahafoizan-tena. Ny fiainana maha-Kristiana tena marina, izay hiezahantsika ho tonga tahaka ny Tompontsika, dia nitaky hatrany ny ezaka tsara vitantsika. …

Fantatro fa ny fahatongavana ho tahaka Azy amin’ny alalan’ny fanampiana masina sy tanjaka avy Aminy dia azo tratrarina tsikelikely. Raha tsy izany dia tsy ho nanome antsika izany didy izany Izy [jereo ny 1 Nefia 3:7].

(Scott D. Whiting, “Ho tonga tahaka Azy,” Liahona, nôv. 2020, 14)

Inona no mitranga rehefa miezaka ny hanana ireo toetra tahaka ny an’i Kristy aho?

Nanazava ny Loholona Robert D. Hales (1932–2017) ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Robert D. Hales tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2003

Ny toetran’ny Mpamonjy, araka ny fahitantsika azy, dia tsy soratra tokony arahina na lisitra tokony hohamarinina. Izy ireo dia toetra mifamatotra, mifanampy, izay mivoatra ao anatintsika amin’ny alalan’ny fifandraisany. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia tsy afaka mahazo toetran’i Kristy iray isika ka tsy hahazo sy haneho toetrany hafa koa. Rehefa mihamatanjaka ny toetra iray, dia mitombo koa ny maro hafa.

(Robert D. Hales, “Lasa mpianatr’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika,” Liahona, mey 2017, 46)

Nampianatra toy izao ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona David A. Bednar, sary ôfisialin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. 2020.

Ny fanampiana avy amin’ny Mpamonjy dia misy foana mandritra ny dia eto an-tany iray manontolo—miainga eo amin’ny ratsy mankany amin’ny tsara ary tonga any amin’ny tsara kokoa, dia manova ilay tena toetrantsika.

(David A. Bednar, “Ny Sorompanavotana sy ilay dia eto an-tany,” Liahona, apr. 2012, 14)