Seminera
1 Petera 1–5


1 Petera 1–5

“Tsara lavitra noho ny volamena”

Sary
Taorian’ny nampijaliana azy ireo ara-batana dia nanohy nitory tamin’ny olona tamin’ny anaran’i Kristy i Petera sy i Jaona.

Mety ho tsaroanao hoe nianatra momba ny finoana sy fahazotoan’ny Apôstôly Petera ianao tamin’ny nandalina ny tapany voalohany amin’ny Testamenta Vaovao ianao. Ny epistily voalohany nosoratan’i Petera dia nosoratana taloha kelin’ny nahafatesan’i Petera, taona maro taorian’ny niara-nandehanany sy niara-niresahany tamin’i Jesoa Kristy nandritra ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto an-tany. Tao amin’ny epistiliny voalohany, i Petera, izay lehiben’ny Apôstôly, dia nifantoka tamin’ireo fomba nataon’ny Olomasina mba hampatanjaka azy ireo manoloana ireo fitsapana goavana izay niainany fony izy ireo teo ambany fahefan’ny Romana. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra kokoa ny tanjon’ Andriamanitra amin’ny famelana anao handalo fitsapana ary afaka manamafy orina ny fahavononanao hiaritra fitsapana amim-pahatokiana.

Nahoana isika no miatrika zava-tsarotra eo amin’ny fiainana?

Ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa hiaina zavatra toa tsy rariny isika rehetra. Jereo ilay horonan-tsary “Zavatra tsy rariny mahasendaotra,” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka eo amin’ny mari-potoana 3:19 hatramin’ny 4:12, na vakio ity fanambarana manaraka ity:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, janoary 2016.

Tsy hay hazavaina ny zavatra tsy ara-drariny sasany. Mahasendaotra ny zavatra tsy ara-drariny tsy hay hazavaina. Ny fiainana ao anatin’ny vatana tsy tonga lafatra na mety maratra na iharan’ny aretina no miteraka ny zavatra tsy ara-drariny. Tsy maintsy itrangan-javatra tsy ara-drariny ny fiainana an-tany. Misy olona teraka ao anatin’ny fanambinana, ny hafa kosa tsia. Ny sasany manana ray aman-dreny be fitiavana, ny hafa kosa tsia. Ny sasany miaina an-taonany maro, ny hafa taona vitsy fotsiny. Dia ohatr’izay hatrany hatrany. Misy olona sasany manao fahadisoana mandratra na dia rehefa miezaka manao ny tsara aza. Ny sasany misafidy ny tsy hiady amin’ny tsy rariny nefa afaka manao izany. Mampalahelo fa misy olona mampiasa ny fahafahana misafidy nomen’ Andriamanitra azy handratrana ny hafa nefa tsy tokony hanao izany velively.

(Dale G. Renlund, “Zavatra tsy rariny mahasendaotra,” Liahona, mey 2021, 42)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nampiasa ny teny hoe “mahasendaotra” ny Loholona Renlund mba hamaritana ny sasany amin’ireo zavatra tsy rariny izay iainantsika eo amin’ny fiainana?

  • Iza no olona fantatrao fa miaina na niaina fitsapana izay toa tsy rariny mampisendaotra? Nahoana araka ny hevitrao no mamela izany hitranga ny Tompo?

Tamin’ny taona 64 dia ravan’ny afo ny ampahany betsaka tamin’ny tanànan’i Roma. Niampanga ny mpikamban’ny Fiangonana ho nanomboka ny afo ireo mpitarika Romana ambony, ka izany dia nitarika fanenjehana goavana ny Kristiana nandritra ny Fanjakana Romana. Azo inoana fa nanoratra ny epistiliny voalohany i Petera taoriana kelin’io zava-nitranga io mba hanatanjahana ny finoan’ny Olomasina sy hampahatsiahivana azy ireo ny valisoa mandrakizay azon’izy ireo noho ny faharetana fitsapana amim-pahatokiana. Rehefa mandalina ianao dia henoy tsara ny bitsiky ny Fanahy Masina izay afaka manampy anao hahatakatra ny sasany amin’ireo antony mahatonga ny fitsapana mahazo anao manokana sy ny fomba ahafahanao miantehitra amin’i Jesoa Kristy mba hanampy anao hiaritra izany amim-pahatokiana.

Afon’ny mpandrendrika

Vakio ny 1 Petera 1:3–9 ka tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Apôstôly Petera momba ireo fitahiana miandry ireo izay miaritra amim-pahatokiana ny fitsapana manjo azy ireo. Ny teny hoe fakam-panahy ao amin’ny andininy 6 dia ilazana ireo fitsapana sy fahoriana (jereo ny 1 Petera 1:6 ).

  • Araka ny eritreritrao, inona avy ireo teny na andian-teny avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo izay mety hanampy anao na ny hafa ny fahatsiarovana azy rehefa mandalo fitsapana? Nahoana?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nampitahain’i Petera tamin’ny volamena voadio tamin’ny afo ny fitsapana ny finoan’ireo Olomasina?

Ity manaraka ity dia sarina memy. Ny memy dia fatana fandrendrehana izay hanadiovana metaly toy ny volamena. Rehefa voadio ny metaly dia hafanaina sy empoina izany mba hanalana ny lotony sy hanatsarana ny vokatra vita amin’ny farany.

Sary
Fanehoana an-tsary ny fandrendrehana iray misy metaly narendrika izay araraka ao anaty lasitra iray
  • Amin’ny fomba ahoana no mety haha-“tsara lavitra noho ny … volamena” ny finoana nandalo fizahan-toetra na fisedrana? (1 Petera 1:7).

Fahamarinana iray azo fantarina avy amin’ireo andinin-tsoratra masina vao avy nianaranao ireo ny hoe rehefa maharitra amim-pahatokiana ireo fitsapana isika dia mihatsara sy mihamatanjaka ny finoantsika an’i Jesoa Kristy. Hevero ny hanoratra io fahamarinana io ao anatin’ny soratra masinao na ny diary fandalinanao.

  • Inona ao amin’ny fandalovana fitsapana sarotra no mampatanjaka ny finoantsika an’i Jesoa Kristy?

Na dia mety ho mampivoatra ara-panahy ho an’ny olona maro aza ny misedra fahoriana, dia misy ny olona sasany lasa feno fankahalana na manamafy ny fony aorian’ny fitsapana sarotra iray (jereo ny Almà 62:41).

  • Inona araka ny eritreritrao no afaka manampy antsika hanova ny fisedrana ho lasa fitahiana fa tsy ho zavatra niainana mampihena ny finoantsika?

  • Inona no zavatra efa niainanao, na inona no zavatra niainan’ny olona fantatrao, rehefa nohatanjahana ny finoanao na ny finoan’ny hafa noho ny faharetana amim-pahatokiana ireo fitsapana sarotra?

  • Inona no ampianarin’ireo zavatra niainana ireo anao momba ny Tompo?

Jereo ny horonan-tsary “The Refiner’s Fire [Ny afon’ny mpandrendrika]” (5:02), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, mba hahitana ohatra iray momba ana olona iray nohatanjahan’ny Mpamonjy rehefa niaritra tamim-pahatokiana fitsapana izy.

Nanoro hevitra ireo Olomasina i Petera

Ny lohahevitra iray hita ao amin’ny epistily voalohany nosoratan’i Petera dia ny fomba ahafahan’ny mpianatr’i Jesoa Kristy miaritra amim-pahatokiana ny fijaliana sy ny fanenjehana. Ny torohevitr’i Petera dia afaka manome fanantenana sy famporisihana ary hery ho an’izay rehetra miaina fitsapana eto amin’ny fiainana an-tany.

1. Ataovy ao anaty diary fandalinanao ity sahanasa manaraka ity:

Manaova sarina memy tsotsotra, tahaka ilay hitanao tao amin’ny lesona teo aloha. Tanisao ao anatin’ilay memy ny sasany amin’ireo fitsapana sy fahoriana nolalovanao na manjo amin’izao fotoana izao.

Rehefa mandalina bebe kokoa ny tenin’i Petera ianao dia tadiavo ireo fampianarana izay afaka manampy anao amin’ireo fitsapana notanisainao tao amin’ny sarinao. Soraty eo ivelan’ilay sarina memy nataonao ireto fampianarana ireto.

Mifidiana farafahakeliny roa amin’ireto andian-tsoratra masina manaraka ireto hohalalinina rehefa mitady fitsipika azonao ampiana ao amin’ny sarinao ianao. Rehefa manao izany ianao dia saintsaino ity fanontaniana manaraka ity: Ahoana no ahafahan’ireo fampianarana ireo manampy ahy na ny olon-kafa miatrika fitsapana sarotra?

Tsy voatery atao: Te hianatra bebe kokoa ve ianao?

1 Petera 2:20. Nahoana i Petera no nampianatra fa tokony hiaritra amim-paharetana ny fitsapana isika?

Ny Loholona Neal A. Maxwell (1926–2004) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra izao manaraka izao:

Sary
Sary ôfisialy faran’ny Loholona Neal A. Maxwell, 1992.

Ny faharetana dia mifamatotra akaiky amin’ny finoana ny Raintsika any An-danitra. Raha ny zava-misy, milaza isika rehefa tsy manam-paharetana loatra fa fantatsika izay tsara indrindra—tsara kokoa noho ny ataon’ Andriamanitra. Na, azo lazaina koa fa manamafy isika fa tsara kokoa noho ny Azy ny fandaharam-potoanantsika. … Araka izany, araka ny efa voalaza, ny faharetana dia soatoavina tena ilaina amin’ny fiainana an-tany mifandray amin’ny finoantsika, ny fahafahantsika misafidy malalaka, ny toe-tsaintsika manoloana ny fiainana, ny fanetrentenantsika ary ny fijaliantsika. … Tsy misy tsotra izao ny fomba hafa hitrangan’ny tena fitomboana marina.

(Neal A. Maxwell, “Patience” [fampaherezam-panahy natao tao amin’ny Oniversite Brigham Young, 27 nôv. 1979], 1, 4, speeches.byu.edu)

Ahoana no ahafahako mandresy ireo fitsapana iainako?

Nampianatra izao manaraka izao ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, aogositra 2010.

Manàna faharetana miaritra ao anatin’ny memin’ireo fitsapana eto an-tany, dia hitondra hazavana, fahatakarana, fiadanana, ary fanantenana ny hery manasitran’ny Mpamonjy. Mivavaha amin’ny fonao manontolo. Ampatanjaho ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy ny fisiany ary ny fahasoavany. … Jereo ny hoavy. Tena misy ireo olanao sy fahorianao, saingy tsy haharitra mandrakizay izany. Hisinda ny haizina eo amin’ny fiainanao, satria ny Zanaka … [dia nitsangana] miaraka amin’ny fanasitranana ao amin’ny elany.

(Neil L. Andersen, “Maratra,” Liahona, nôv. 2018, 85)

Ahoana no ahitako fahasambarana mandritra ny fahorian’ny fitsapana?

Ny Loholona Joseph B. Wirthlin (1917–2008) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka momba ny fahitana fahasambarana mandritra ny fahoriana sy ny nahatsiarovany ny torohevitry ny reniny hoe: “Avelao ho avy izay ho avy, dia tiavo izany.”

Sary
Sary ôfisialy faran’ny Loholona Joseph B. Wirthlin tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2004. Nodimandry tamin’ny 1 desambra 2008.

Ahoana no ahafahantsika mankafy ireo andro feno alahelo? Tsy afaka isika—raha ny amin’ny fotoana itrangan’izany aloha. Heveriko fa tsy nanoro hevitra ny hamafa ny fahakiviana na handà ny zava-misy iainana amin’ny fanaintainana akory ny reniko. Heveriko fa tsy nanoro hevitra izy ny mba hanafenantsika ny zava-misy marina izay manorisory ka mody hanao hoe sambatra ihany isika. Saingy mino aho fa ny fihetsika ataontsika manoloana ny fahoriana dia mety ho antony lehibe mahatonga ny fifaliana sy ny fahombiazana eo amin’ny fiainana. Raha manatona ny fahoriana amim-pahendrena isika, dia ho lasa fotoan’ny fitomboana lehibe indrindra ny fotoan-tsarotra indrindra lalovantsika, ary hitarika ho amin’ny fotoan’ny fahasambarana lehibe indrindra. …

Raha mikatsaka fahaizana mihomehy isika, mikatsaka fahaizana mijery ny mandrakizay, ka mahatakatra ny fitsipiky ny fanonerana izay mety ho very, ary manatona ny Raintsika any An-danitra, dia afaka hiaritra ny fotoan-tsarotra sy ny fitsapana. Afaka miteny toa an’i Neny isika hoe: “Avelao ho avy izay ho avy, dia tiavo izany.”

(Joseph B. Wirthlin, “Come What May, and Love It,” Liahona, nôv. 2008, 26–28)