Seminera
Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany 1


Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany 1

Manao asa amim-pinoana

Sary
zatovolahy misaintsaina ny soratra masina

Isan’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana ny fanampiana anao hianatra sy hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hitoviana kokoa amin’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatakatra sy hampihatra ilay fitsipika manokana amin’ny fanaovana asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy rehefa misy fanamby sy fanontaniana sarotra mitranga.

Rehefa misy fanamby sy fanontaniana sarotra mitranga

Mandritra ny fiainana an-tany dia mandalo fanamby sy fanontaniana izay mety ho sarotra vahana isika. Vakio ireto rafi-tantara manaraka ireto eo am-pieritreretana traikefa mitovy amin’izay niainanao na niainan’ny olona iray fantatrao.

Misy zatovolahy manana fanontaniana maro momba ireo fitsipiky ny Fiangonana ary manomboka manontany tena raha tena marina tokoa ny Fiangonana.

Mahita zavatra iray aely eny amin’ny tambajotran-tserasera ny zatovovavy iray izay mampametra-panontaniana momba ny fotopampianarana iray an’ny Fiangonana. Izao izy dia manomboka manontany teny momba izany fotopampianarana izany.

Manontany tena ny zatovovavy iray raha tena voavaly tokoa ny vavaka taorian’ny fijalian’ny anadahiny sy ny fahafatesany noho ny aretina mafy iray, na dia teo aza ireo vavaka sy tsodrano natao ho azy.

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany azon’ny olona safidiana atao rehefa miatrika fanamby na fanontaniana sarotra tahaka ireo izy ireo?

Makà fotoana hisaintsainana ny zavatra niainanao rehefa niatrika fanamby sy fanontaniana sarotra. Mety hanampy ny hieritreritra momba ireto fanontaniana manaraka ireto: Nahomby ve ny fikarohanao valiny? Inona no nanampy anao hahita fiadanana? Inona no tsy nanampy?

  • Inona avy ireo fanontaniana na fanamby anananao (na ananan’ny olona fantatrao) izay saro-bahàna?

  • Nahoana araka ny hevitrao no avelan’ Andriamanitra hanana fanontaniana tsy voavaha isika fa tsy hoe manome antsika ny valiny foana Izy?

Rehefa misy fanontaniana mipoitra dia zava-dehibe ny hahatsiarovana faa ny Tompo dia namporisika antsika mba hametraka fanontaniana ary hikaroka valiny (jereo ny Matio 7:7–8; Jakoba 1:5–6; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:61). Ny fametrahana fanontaniana sy ny fikarohana valiny dia ampahany tena manan-danja amin’ny ezaka ataontsika hianatra fahamarinana, arahan’ny fampiharana sy fiainana ny zavatra izay nianarantsika tao amin’ny fikarohantsika ny ho lasa tahaka ny Mpamonjy sy ny Raintsika any An-danitra kokoa.

Ireto misy fitsipika telo izay afaka mitarika antsika rehefa mikatsaka ny hamaha fanontaniana sy fanamby isika sy hitombo fahatakarana ny fahamarinana mandrakizay:

  • Manao asa amim-pinoana.

  • Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

  • Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra.

Zava-dehibe ny hampiasanao ireo fitsipika telo rehetra ireo rehefa miatrika fanontaniana sy fanamby izay saro-bahàna na miaina fitsapana ianao.

Manao asa amim-pinoana

Ity lesona ity dia natao hanampy anao hahatakatra izao fitsipika manaraka izao: rehefa manao asa amim-pinoana isika dia hanome antsika fiadanana sy hery ny Tompo eo am-pikarohantsika ny valin’ireo fanontaniana sy fanamby ananantsika.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe manao asa amim-pinoana?

Halalino ny fahatakaranao ny dikan’ny hoe manao asa amim-pinoana amin’ny alalan’ny fanaovana ny sahana fianarana etsy ambany. Mety hanampy ny mandalina miaraka amin’ny olona iray hafa mba hahafahanao manao fampiharana manazava ny fahatakaranao sy mianatra avy amin’ny hafa.

Inona no dikan’ny hoe manao asa amim-pinoana?

Vakio ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022) “Mahazo fahalalana ara-panahy,” andiam-pehezan-teny 1–2 ary 5–7, ary ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Rehefa mandalina ianao dia tadiavo ny dikan’ny hoe manao asa amim-pinoana sy ny zavatra afaka manampy anao hampihatra ity fitsipika ity rehefa manana fanontaniana ianao.

Sary
Loholona Neil L. Andersen

Tsy tonga amintsika noho ny kisendrasendra ny finoana, na mitoetra eo amintsika noho ny fizokiana. … Ny finoana an’i Jesoa Kristy dia fanomezana avy any an-danitra izay tonga rehefa misafidy ny hino sy hikatsaka ary hifikitra amin’izany isika. … Ny finoanao amin’ny ho avy dia tsy avy amin’ny kisendrasendra, fa avy amin’ny safidy. …

Ny finoana dia tsy mangataka velively ny hahazo valiny ho an’ny fanontaniana rehetra fa mikatsaka ny antoka sy ny herimpo mba hirosoana hatrany, sady manaiky indraindray hoe, “tsy mahafantatra ny zavatra rehetra aho, saingy ampy ny zavatra fantatro mba hanohizako ny lalana maha-mpianatry ny Tompo.”

Ny mamela ny tena ho feno fisalasalana, fahanan’ny valinteny avy amin’ny kely finoana sy ny tsy mpino, dia mampalemy ny finoan’ny olona iray an’i Jesoa Kristy sy ny Famerenana amin’ny laoniny. “Ny olona izay araky ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ny Fanahin’ Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany” [1 Korintiana 2:14]. …

Na dia kely aza ny afon’ny finoanareo izay vao miforona, dia hitondra fahatokiana lehibe kokoa an’ Andriamanitra ireo safidy marina ataonareo, ary hitombo ny finoanareo.

Neil L. Andersen, “Ny finoana dia tsy avy amin’ny kisendrasendra fa avy amin’ny safidy,” Liahona, nôv. 2015, 65–67)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny manao asa amim-pinoana rehefa manana fanontaniana sy fanamby isika?

  • Inona ny zavatra nianaranao avy tamin’ireo vakiteny ireo momba ny dikan’ny hoe manao asa amim-pinoana?

Tsarovy ireo fanontaniana sy fanamby atrehinao, na avereno jerena ireo rafi-tantara tany am-piandohan’ny lesona. Ataovy ao an-tsaina ny iray amin’ireo ary ampiharo ny zavatra nianaranao momba ny fanaovana asa amim-pinoana amin’ny alalan’ny famaliana amin’ny antsipiriany izay azonao omena an’ireto fanontaniana manaraka ireto.

2. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona ilay fanamby na fanontaniana nosafidianao hanaovana fampiharana ny fanaovana asa amim-pinoana?

  • Milazà fomba roa na telo azon’ny olona iray atao amim-pinoana amin’io toe-java-misy io?

  • Inona amin’io toe-java-misy io no mety hahatonga ny fanaovana asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy ho sarotra? Ahoana no ahafahanao mandresy ireo fanamby ireo?

  • Inona manokana no tianao hotsaroana momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa ao anatin’io toe-javatra io ianao? Ahoana no mety hanampian’ny fahatsiarovana ireo zavatra ireo anao?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Mahadiso ve ny mametra-panontaniana momba ny filazantsara?

Nampianatra momba ny lanjan’ny fanontaniana amin-kitsim-po ny Filoha Dieter F. Uchtdorf tao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Sary
Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf

Voajanahary ny fananana fanontaniana—ny voa kelin’ny fangatahana amin-kitsimpo matetika dia nitsimoka ary nitombo ka lasa hazo lehiben’ny fahatakarana. Misy mpikambana vitsivitsy ato amin’ny Fiangonana izay tsy niady mafy nametraka fanontaniana lehibe na manohina, tao anatin’ny fotoana iray na ny fotoana hafa. Iray amin’ireo tanjon’ny Fiangonana ny mikolokolo sy mikarakara ny voan’ny finoana, eny fa na dia ao anatin’ny tany feno fasiky ny ahiahy sy ny fisalasalana aza indraindray. Ny finoana dia fanantenana ny zavatra izay tsy hita nefa marina.

Noho izany, ry rahalahiko sy anabaviko malala isany, ry namako malala isany, miangavy anareo aho hoe ny ahiahinareo aloha no ahiahio alohan’ny hiahiahianareo ny finoanareo. Tsy tokony hamela ny ahiahintsika mihitsy isika hanagadra sy hanakana antsika tsy hahazo ilay fitiavan’ Andriamanitra sy ny fiadanany ary ireo fanomezam-pahasoavana izay tonga amin’ny alalan’ny finoana ny Tompo Jesoa Kristy.

(Dieter F. Uchtdorf, “Andao hiaraka aminay,” Liahona, nôv. 2013, 23)

Ahoana no ahafahako mampitombo ny fahaizako manao asa amim-pinoana?

Nampianatra dingana iray azontsika raisina mba hampitomboana ny finoantsika ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Mitombo ny finoantsika isaky ny mampihatra ny finoantsika Azy isika. Izany no dikan’ny hoe mianatra amim-pinoana.

Ohatra, isaky ny manana finoana isika hankatoavana ireo lalàn’ Andriamanitra, eny fa na manambany antsika aza ny hevitr’izao tontolo izao, na koa isaky ny mahatohitra ny fampifalifaliana na hevi-dravina izay manindrahindra fandikana fanekempihavanana, dia mampihatra ny finoantsika isika, ary izany indray avy eo no mampitombo ny finoantsika.

(Russell M. Nelson, “Raiso amim-pinoana ny hoavy,” Liahona, nôv. 2020, 75)

Rafi-tantara tena misy amin’ny fiainana momba ny olona manao asa amim-pinoana.

Eritrereto ny hijery ny iray na izy roa amin’ireto horonan-tsary manaraka ireto, ka tadiavo ny zavatra azonao ianarana avy amin’ireo olona ireo izay afaka manampy anao hanao asa amim-pinoana rehefa manana fanontaniana na fanamby ianao.

Nahoana aho no hatahotra fanontaniana tsy voavaha?