Seminera
Matio 1:1–17


Matio 1:1–17

I Jesoa Kristy no ilay Mesia nampanantenaina

Sary
Jesus teaches about the Good Shepherd and His other sheep.

I Matio, izay fantatra ihany koa amin’ny anarana hoe Levy, no mpanoratra ny Filazantsara voalohany ao amin’ny Testamenta Vaovao. Ny iray amin’ireo tanjony tamin’ny fanoratana dia ny hampiseho fa nanatanteraka ireo faminaniana ao amin’ny Testamenta Taloha mikasika ny Mesia i Jesoa. Mandritra ity lesona ity dia ho afaka hianatra momba an’i Jesoa Kristy ho ilay Mesia nampanantenaina ianao ary hahatsapa fankasitrahana bebe kokoa ho Azy.

Nahoana i Jesoa Kristy no manan-danja aminao

Amin’izao androntsika izao dia “maro ireo olona eto an-tany no tsy mahalala firy momba an’i Jesoa Kristy” (Neil L. Andersen, “Miresaka an’i Kristy isika,” Liahona, nôv. 2020, 88).

  • Nahoana araka ny eritreritrao no betsaka eto an-tany no zara raha mahalala momba an’i Jesoa Kristy?

Vitao ao amin’ny diary fandalinanao ity asa atao manaraka ity:

1.

Alaivo sary an-tsaina hoe manana iray minitra ianao hilazana amin’ny olona iray, izay tsy mahafantatra an’i Jesoa Kristy, ny momba ny hoe iza ny Mpamonjy sy ny antony maha-manan-danja Azy aminao. Soraty eo afovoan’ny taratasy kely na ao amin’ny diary fandalinanao ny hoe “Jesoa Kristy”. Soraty manodidina ny anarany ireo antsipirian-javatra manan-danja izay tianao hozaraina ao anatin’ireo 60 segondra ireo. Hevero ny hanampy antsipiriany hafa ao amin’ny taratasinao mandritra ny lesona.

Hanana fahafahana hanampiana zavatra ao anatin’ity asa atao ity ianao any amin’ny faran’ny lesona.

Nijoro ho vavolombelona i Matio fa i Jesoa Kristy no ilay Mesia

Tahaka ireo olona maro eto amin’izao tontolo izao ankehitriny izay tsy mbola mahatakatra ny maha-manan-danja an’i Jesoa Kristy, dia maro ihany koa ireo niaina tamin’ny andron’ny Mpamonjy no tsy nahafantatra ny maha-manan-danja Azy.

I Matio dia iray tamin’ireo Apôstôly Roambinifolon’i Jesoa Kristy (jereo ny Matio 10:2–4) ary nanatri-maso ny maro tamin’ireo zava-nitranga maro notantarainy avy tamin’ny fiainan’ny Mpamonjy. Nanoratra ny Filazantsaran’i Matio izy mba hanampiana ny olona, indrindra ireo Jiosy izay tsy nino ny Mpamonjy, mba hahafantatra an’i Jesoa Kristy hoe iza Izy. Nasongadin’i Matio manokana ilay fahamarinana hoe I Jesoa Kristy no ilay Mesia nampanantenaina tamin’ny alalan’ny firesahana matetika ireo faminaniana fahiny momba ny Mesia izay notanterahin’i Jesoa Kristy.

Nanomboka ny fitantarany tamin’ny firaketana ny tantaram-pianakavian’i Jesoa i Matio. Nampiditra olona sy antsipirian-javatra manan-danja izy (jereo ny Matio 1:1–17). Vakio ny Matio 1:16 , hitadiavana ny andian-teny hoe “Jesoa, ilay atao hoe Kristy.” Hevero ny hanipika io andian-teny io ao amin’‘ny soratra masinao.

  • Inona no fantatrao momba ny dikan’ilay anaram-boninahitra hoe “Kristy”?

Ny teny Hebreo handikana ny “Kristy” dia “Mesia.” Vakio ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ny teny iditra hoe “ Mesia ” mba hianarana bebe kokoa momba ny dikan’ity anaram-boninahitra niantsoana Azy ity sy ny antony tsy naneken’ny Jiosy maro an’i Jesoa ho Kristy.

  • Inona no ianaranao momba ny iraka nampanaovina ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny fahatakarana ny dikan’ireo anaram-boninahita niantsoana azy hoe “Kristy” sy hoe “Mesia”?

Fahiny dia nohosorana ny olona rehefa hiomana hisahana andraikitra manokana. Ny Filazantsaran’i Matio dia feno ohatra momba an’i Jesoa Kristy izay nanatanteraka ireo faminaniana fahiny nanosorana Azy mba hotanterahiny. Tadiavo ao amin’ny soratra masinao ny roa na telo amin’ireto ohatra ireto (jereo ity tabilao manaraka ity). Eritrereto ny antony nanambaran’ny Ray any An-danitra ny antsipiriany momba izay zavatra ataon’i Kristy taona maro talohan’ny nahatongavany.

Faminaniana momba ny Mesia ao amin’ny Testamenta Taloha

Fahatanterahan’izany tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy

Ny Mesia dia ho taranak’i Abrahama sy i Davida (jereo ny Jeremia 23:5–6 ; Genesisy 22:18).

Matio 1:1, 6, 17

Hateraky ny virijiny ny Mesia Isaia 7:14 ; Almà 7:10).

Matio 1:21-23

Ho teraka ao Betlehema ny Mesia Mika 5:2).

Matio 2:4-6

Ho avy any Nazareta ny Mesia (jereo ny 1 Nefia 11:13).

Matio 2:23

Hanasitrana ny marary ny Mesia (jereo ny Isaia 53:4 ; Môzià 3:5).

Matio 8:16-17

Hampianatra amin’ny alalan’ny fanoharana ny Mesia (jereo ny Salamo 78:2).

Matio 13:35

Hiditra ao Jerosalema mitaingina ampondra ny Mesia (jereo ny Zakaria 9:9).

Matio 21:1–7

Nijoro ho vavolombelona i Jesoa Kristy fa Izy no ilay Mesia

Ny fahatanterahan’ny faminaniana iray hafa ao amin’ny Testamenta Taloha dia voarakitra ao amin’ny Lioka 4:16–21 . Rehefa nitsidika ny tanàna niaviany tao Nazareta i Jesoa, dia nankany amin’ny sinagôga (fiangonana) izy ary namaky avy ao amin’ny bokin’i Isaia faminaniana momba ny asa masina nanirahana ny Mesia. Rehefa avy namaky izany i Jesoa dia nanambara fa Izy no Mesia tamin’ny filazany fa tanteraka ankehitriny ny faminanian’i Isaia.

Vakio ny Isaia 61:1–2 mba hitadiavana izay faminaniana nambaran’i Isaia mikasika ny zavatra nahavoahosotra ny Mesia mba hataony. Asio marika ireo teny na andian-teny izay tsapanao fa mampiseho fa mifanaraka amin’ilay famaritana noraketin’i Isaia i Jesoa Kristy.

  • Inona ny teny na andian-teny avy ao amin’ny Isaia 61:1–2 izay porofo ho anao fa i Jesoa Kristy no ilay Mesia nambara tamin’ny faminaniana?

  • Ahoana no nahatanterahan’ny Mpamonjy ireo faminaniana ireo teo amin’ny fiainanao na teo amin’ny fiainan’ny olona fantatrao?

Ampio antsipiriany momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ilay taratasy kely izay nanombohanao ny asanao tany am-piandohan’ny lesona. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto hanampiana anao hieritreritra ireo antsipiriany hampidirina.

  • Inona no ianaranao momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ireo faminaniana momba ny Mesia sy ny fahatanterahan’izany ireo?

  • Inona no nahatongavan’i Jesoa Kristy tety an-tany? Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra ny iraka nampanaovina Azy?

  • Nahoana no manan-danja aminao i Jesoa Kristy?

Tsy voatery atao: Te hianatra bebe kokoa ve ianao?

Nahoana i Jesoa Kristy no mbola manan-danja ankehitriny?

Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ity fijoroana ho vavolombelona manarakamomba an’i Jesoa Kristy ity:

Sary
Official portrait of Elder Neil L. Andersen of the Quorum of the Twelve Apostles, 2010, August.

Tahaka ny kintana fitarik’andro eny amin’ny lanitra mazava no hanazavan’i Jesoa Kristy ny lalantsika. Tonga tety an-tany tao an-tranon’omby tsotra iray Izy. Nanana fiainana lavorary Izy. Nanasitrana ny marary Izy ary nanangana ny maty. Naman’ireo izay tsy noraharahiana Izy. Nampianatra antsika hanao ny tsara Izy, sy hankatò, ary hifankatia. Nohomboana tamin’ny hazofijaliana Izy, nitsangana tamim-boninahitra telo andro taty aoriana, izay nanome fahafahana antsika sy ireo izay tiantsika hiaina any ankoatry ny fasana. Tamin’ny alalan’ny famindram-pony sy ny fahasoavany dia nitondra teo Aminy ny fahotantsika sy ny fijaliantsika Izy, sady nitondra famelana rehefa mibebaka isika ary fiadanana ao anatin’ireo tafiotry ny fiainana. Tiantsika Izy. Deraintsika Izy. Arahintsika Izy. Izy no vatofantsiky ny fanahintsika.

(Neil L. Andersen, “ Miresaka an’i Kristy isika,” Liahona, nôv. 2020, 88)

Nahoana no zava-dehibe ny maha-taranak’i Davida an’i Jesoa Kristy?

Nanazava ny Loholona Bruce R. McConkie (1915–85) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Head and shoulders portrait of Elder Bruce R. McConkie.

Tsy nisy hevitra tokana niorina mafy tao an-tsain’ny Jiosy tamin’ny andron’i Jesoa afa-tsy ny finoana niraisan’ny rehetra fa Zanak’i Davida ny ho Mesian’izy ireo. … Nitady mpanafaka ara-batana izay handrodana ny ziogan’ny fambaboana Romana sy hanafaka an’i Isiraely indray izy ireo. Nitady mpanapaka izay hamerina indray ilay voninahitra sy fananana hery mitarika lehibe maneran-tany ary laza izay nankamamiana tamin’ny fotoana nipetrahan’ny Zanak’i Jese teo amin’ny seza fiandrianan’i Isiraely izy ireo.

(Bruce R. McConkie, The Promised Messiah [1978], 188)

Iza ireo vehivavy nampidirin’i Matio tao amin’ny tetiaran’i Kristy?

“Avy any Adolama, any amin’ny tanin’ny Kananita i Tamara (jereo ny Genesisy 38); Kananita avy any Jeriko i Rahaba (jereo ny Josoa 2:1–7); Moabita i Rota talohan’ny nanarahany ny fivavahana Jodaisma (jereo ny Rota 1:4); ary i Batseba dia vadin’i Oria, Hetita (jereo ny 2 Samoela 11:3). Araka izany, na tsy Israelita na nifandray tamin’ny tsy Israelita ireo [vehivavy] efatra ireo” (New Testament Student Manual [2018], 13). Ny fampidirana ireo vehivavy ireo ao amin’ny tetiaran’i Jesoa Kristy dia afaka mampianatra antsika fa miasa miaraka amin’ny olona rehetra Andriamanitra ary amin’ny fomba tsy ampoizina.

Manaporofo ihany koa izany fa “tsy miankina amin’ny fananana ilay –rohim-pirazanana– ny fahamarinan’ny tena manokana satria tsy lavorary ny rohim-pirazanan’i Jesoa Kristy. [Ary] ny fampidirana ireo vehivavy ao amin’ny [tantaram-pianakavian’ny] Mpamonjy dia maneho ilay fahamarinana manan-danja fa mitovy eo imason’ Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy” (New Testament Student Manual, 13)