Seminera
1 Tesaloniana 1–3


1 Tesaloniana 1–3

Manaraka an’i Jesoa Kristy amin’ny fanompoana amim-pitiavana

Sary
Zatovovavy iray miresadresaka amin’ny zatovo hafa

Oviana ny asa fanompoana nataon’ny olona iray no nampahatsiahy anao an’i Jesoa Kristy? I Paoly sy ireo mpiara-manompo aminy dia nanompo ireo Olomasina Tesaloniana tamin’ny fomba tahaka ny an’i Kristy, mba hanentanana azy ireo hanohy ny fiainana amim-pahatokiana ny filazantsara na dia niatrika fanenjehana aza. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitahy sy hitaona ny hafa, eo am-piezahana manompo tahaka ny ataon’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika.

Ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy

Jereo ireo sarin’i Jesoa Kristy ireo na mieritrereta tantara hafa ao amin’ny soratra masina izay mitantara ny nifaneraserany tamin’ny hafa. Ataovy lisitra ao anatin’ny diary fandalinanao ireo teny sy andian-teny izay mamariparitra ny zavatra ataon’ny Mpamonjy amin’ireo olona izay mifanerasera Aminy.

Sary
I Jesoa mipetraka miaraka amin’ny ankizilahy iray eo am-pofoany. Sombin-tsary ahitana olona ao anatin’ny trano tany Kapernaomy, i Filipo, i Jesoa, i Jaona, i Petera, i Matio, i Jesoa mipetraka eo amin’ny latabatra miaraka amina mpianatra vitsivitsy izay naseho ary i Maria Magdalena.
Sary
Nahiratra ilay lehilahy iray jamba. Sombin-tsary ahitana an’i Jesoa manosotra ny masony, ary mankao amin’ny farihy Siloama.
Sary
Mampianatra ao amin’ny tempoly i Jesoa Kristy ary manatona Azy ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna manontany Azy ny loharanon’ny fahefany. Manontany azy ireo i Kristy raha avy any an-danitra na avy amin’ny olona ny batisan’i Jaona Mpanao Batisa. Ahitana sombin-tsary maneho ny olona teo anivon’ny vahoaka sy maneho an’i Kaiafa.
Sary
Fanehoana an-tsary an’i Jesoa sy ilay vehivavy tratra nijangajanga. Samy mandohalika izy ireo ary mitazona ny tanan’i Jesoa ilay vehivavy. Sombin-tsary ahitana lehilahy tezitra nitondra ilay vehivavy ary nanipy azy teny amin’ny tany. Nivonkina teo amin’ny tany ilay vehivavy, nandohalika teo akaikiny ny mpamonjy, ary dia nampitsangana azy i Jesoa ka niara-nijoro taminy ny mpamonjy.
  • Raha ohatra ka anisan’ireo olona niaraka tamin’ny Mpamonjy ianao dia inona no mety ho tsapanao noho ny zavatra izay nataon’ny Mpamonjy? Nahoana?

  • Raha jerena ny lisitra nataonao, inona no teny na andian-teny tianao hampiharina rehefa manompo ny hafa? (Azonao atao ny manisy marika na manasongadina ireo teny izay manan-danja indrindra aminao.)

Ao amin’ny Fiangonana, dia matetika isika no miantso ny asa toy ireny hoe fanompoana.

Ny Rahalahy David L. Beck, Filohan’ny Zatovolahy maneran-tany teo aloha dia nampianatra hoe:

Sary
Sary ôfisialy faran’i David L. Beck, filohan’ny Zatovolahy maneran-tany, aprily 2009. Nisaorana nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2015.

Midika fitiavana sy fikarakarana ny hafa ny fanompoana. Midika fanampiana azy ireo amin’ireo zavatra ilaina eo amin’ny ara-nofo sy ara-panahy izany. Raha tsorina, midika fanaovana izay mety hataon’ny Mpamonjy raha teo Izy izany.

(David L. Beck, “Ny adidinareo masina dia ny hanompo,” Liahona, mey 2013, 55)

  • Inona no zavatra nisongadina taminao ao amin’ny teny nambaran’ny Rahalahy Beck?

  • Raha jerena ny teny nambaran’ny Rahalahy Beck sy ireo teny izay nasianao marika tao amin’ilay lisitra izay nataonao, araka ny hevitrao, toy ny ahoana ny fahitanao ny tenanao amin’ny fanompoana ny hafa?

Mety manana fanontaniana na ahiahy momba ny fanompoana ny hafa ianao. Hevero ny hanoratra izany ao anatin’ny diary fandalinanao ary mitadiava valiny rehefa mandalina ny 1 Tesaloniana 1–3ianao anio. Azonao atao ihany koa ny manasa ny Fanahy mba hanampy anao hitady ireo fomba izay ahafahanao mitahy sy mitaona ny hafa rehefa miezaka manompo tahaka ny nataon’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika ianao. Raketo an-tsoratra ireo eritreritra sy fahatsapana ao aminao mba hahafahanao manao zavatra ombam-bavaka eo anatrehan’izany.

I Paoly manompo ireo Tesaloniana

Nandritra ny dia fitoriana ny filazantsara faharoa izay nataony dia nahita fahombiazana tokoa ny Apôstôly Paoly sy ireo mpiara-manompo aminy raha nitory tamin’ny olona tao Tesalonika, saingy noroahin’ny mpitarika Jiosy hiala tao an-tanàna izy ireo (jereo ny Asan’ny Apostoly 17:1–9). Taty aoriana dia fantatr’i Paoly fa nijanona ho mahatoky sy nizara ny hafatry ny filazantsara hatrany ireo Olomasina tao Tesalonika, na dia niatrika fanenjehana noho ny fanaovana izany aza (jereo ny 1 Tesaloniana 1:6–8). Feno fankasitrahana noho ny finoana sy ny fanantenan’izy ireo an’i Jesoa Kristy ny taratasy izay nosoratan’i Paoly voalohany ho an’ny Tesaloniana (jereo ny 1 Tesaloniana 1:2–3).

Vakio tsara ny 1 Tesaloniana 2:7–14; 3:9–13. Azonao atao ny manisy marika ireo teny sy andian-teny hitanao izay mampahatsiahy anao ny fitiavana sy fiahiana izay ho nomen’ny Mpamonjy. Hevero ny hampiditra ny hevi-baovao izay hitanao ao anatin’ny lisitrao.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Tamin’ny fomba ahoana ny fanompoana nataon’i Paoly sy ireo mpiara-manompo aminy no nitovy tahaka ny nataon’ny Mpamonjy?

  • Ahoana no mety hitahiana ny fiainanao amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa tahaka izay nataon’i Jesoa Kristy? Ahoana no mety hitahian’izany ny fiainan’ireo izay tompoinao?

Ireo fitahiana avy amin’ny fanompoana

Fahamarinana iray momba ny fanompoana izay azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo ny hoe rehefa manompo ny hafa amim-pitiavana isika dia afaka manampy azy ireo ho tonga mpanara-dia an’i Jesoa Kristy tsara kokoa (jereo ny 1 Tesaloniana 2:10–14).

Sary
Sarin’ny mpilalao an-tsehatra iray izay maneho an’i Jesoa Kristy ao amin’ireo horonan-tsary momba ny Baiboly.

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

Mieritrereta fotoana iray izay nanompoan’ny olona iray anao tamim-pitiavana.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanarahan’io olona io ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy rehefa nanompo anao izy?

  • Ahoana no nanampian’ny ezaka nataon’io olona io anao mba ho tonga mpanara-dia tsara kokoa an’i Jesoa Kristy?

Manompo amim-pinoana sy amim-pitiavana

Indraindray dia manome fahafahana anao hanompo amin’ny fomba ôfisialy ireo andraikitra ao amin’ny Fiangonana. Mazàna kokoa dia hanana fahafahana manompo mandritra ny fifaneraserana isan’andro amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana, namana, ary ny hafa ianao.

Ny Filoha Jean B. Bingham, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany, dia nizara hevitra vitsivitsy mikasika ny fomba fanompoana tahaka ny nataon’i Jesoa Kristy. Jereo ny horonan-tsary “Manompo tahaka ny ataon’ny Mpamonjy” manomboka amin’ny mari-potoana 0:45 ka hatramin’ny 1:54, na vakio ny tenin’ny Filoha Bingham. Azonao ampiana ao amin’ny lisitry ny fanompoana nosoratanao ny sasany amin’ireo soso-kevitra nomeny.

Sary
Sary ôfisialin’ny Rahavavy Jean B. Bingham. Nalaina tamin’ny 2017.

Indraindray isika dia mieritreritra fa mila manao zavatra goavana sy mitaky herim-po vao “raisina” ho manompo ny namantsika. Kanefa ny fanaovana asa fanompoana tsotra dia afaka ny hisy fiantraikany lalina amin’ny hafa, sy amintsika ihany koa. Inona no nataon’ny Mpamonjy? ChurchofJesusChrist.orgTamin’ny alalan’ireo fanomezana lehibe indrindra avy Aminy dia ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganany amin’ny maty … “tsy nisy olona hafa nanana akony teo amin’ireo rehetra efa niaina sy ireo mbola hiaina eto an-tany” [“Ilay Kristy Velona,” ]. Kanefa Izy koa dia nitsiky, niresaka, niara nandeha, nihaino, nanokana fotoana, namporisika, nampianatra, namoky sy namela heloka. Nitovy ny nanompoany ny fianakaviana sy ny namana, ny mpiray monina sy ny vahiny, ary nanasa ireo olom-pantatra sy ireo olon-tiany Izy mba higoka ireo fitahiana lehibe entin’ny filazantsarany. Ireo asa fanompoana sy fitiavana “tsotra” ireo dia manome ny maodely arahina ho an’ny fanompoana ataontsika ankehitriny.

(Jean B. Bingham, “Manompo tahaka ny ataon’ny Mpamonjy,” Liahona, mey 2018, 104)

  • Inona no ampianarin’ny tenin’ny Rahavavy Bingham anao momba ny fanompoana tahaka ny nataon’i Jesoa Kristy?

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahatsiaro fa ny fanompoana dia azo tanterahina amin’ny alalan’ny fanaovana asa tsotra?

Avereno jerena ny lisitra nataonao mikasika ny dikan’ny hoe manompo, ary ampio izay eritreritra fanampiny avy amin’ny zavatra nianaranao androany izany. Mitadiava teny roa na telo izay afaka manampy anao ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa rehefa manompo.

Tadiavo ombam-bavaka ny fanampian’ny Ray any An-danitra mba hahafantarana hoe iza no tiany hotompoinao anio sy ny fomba ahafahanao manao izany. Mety ho efa nahazo fitaomana avy tamin’ny Fanahy ianao ny amin’ny zavatra izay azonao atao amin’izao fotoana izao.

Raha toa ka tsy misy anaran’olona iray tonga ao an-tsaina, dia mivavaha mba hahazo ny fanampian’ny Ray any An-danitra ka hahafantarana ny fahafahana manompo sy manao zavatra rehefa tonga izany fotoana izany. Matokia fa hitarika anao Izy rehefa miezaka ny hanompo tahaka ny nataon’ny Mpamonjy ianao.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Ahoana raha tsy dia tena haiko ny fomba fanompoana ny hafa?

Nanamafy ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, aogositra 2010.

Ny olona iray tsara fanahy dia afaka manampy olona hanamboatra kodiarana, mitondra namana mpiray efitra amin’ny tena mankany amin’ny mpitsabo, miara-misakafo amin’ny olona malahelo, na mitsiky dia miarahaba mba hampamiratra ny andron’ny olona iray.

Fa ho an’ny mpanaraka ny didy voalohany [dia ny mitia an’ Andriamanitra amin’ny fony rehetra] dia mandeha ho azy ny manampy ireo asa fanompoana manan-danja ireo, [amin’ny] famporisihana ilay olona izay efa mitandrina tsara ny didy sy mizara torohevitra feno fahendrena mba hampatanjahana ny finoan’ny olona iray izay solafaka na mila fanampiana mba hiverenana eo amin’ilay lalana nodiaviny taloha.

(Neil L. Andersen, “A Holier Approach to Ministering” [fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young, Apr. 10, 2018], 3, speeches.byu.edu)

Ny Eveka W. Christopher Waddell ao amin’ny Episkôpà Mpiahy dia nilaza hoe:

Sary
Eveka W. Christopher Waddell, mpanolotsaina faharoa ao amin’ny Episkôpa Mpiahy, sary ôfisialy 2017

Mety hanontany tena isika hoe ahoana no fomba tsara indrindra hanompoana, saingy ny Tompo dia mahafantatra, ary hahazo fitarihana isika eo amin’ny ezaka ataontsika, amin’ny alalan’ny Fanahiny … rehefa miezaka ho tonga fitaovana eo am-pelatanan’ny Tompo mba hitahiana ny zanany. Rehefa mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy isika ka mahatoky ny Tompo, dia hapetraka amin’ny toerana sy toe-javatra izay hahafahantsika mandray andraikitra sy mitahy, na amin’ny teny hafa hoe, manompo.

(W. Christopher Waddell. “Tsy misy hafa amin’izay nataony,” Liahona, mey 2019, 21)

Ny Rahalahy David L. Beck, Filohan’ny Zatovolahy maneran-tany teo aloha, dia nampahatsiahy antsika hoe:

Sary
Sary ôfisialy faran’i David L. Beck, filohan’ny Zatovolahy maneran-tany, aprily 2009. Nisaorana nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2015.

Tsy zavatra fanaontsika fotsiny ihany ny fanompoana—fa mamaritra ny maha-isika antsika izany.

Manompoa isan’andro. Feno zavatra atao manodidina anareo. Tadiavo ireny. Hangataho ny Tompo mba hanampy anao ahafantatra azy ireny. Hahita ianareo fa ny ankamaroan-javatra dia avy amin’ny asa kely sy matotra izay manampy ny hafa ho tonga mpanara-dia an’i Jesoa Kristy.

(David L. Beck, “Ny adidinareo masina dia ny hanompo,” Liahona, mey 2013, 57)

Mba hahazoana hevitra na ohatra misimisy kokoa momba ny fanompoana dia jereo ireto lahatsoratra roa ao amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana ireto:

  • Ilay tanjona izay hanova ny fomba hanompoantsika,” Liahona, jan. 2019, 8–11

  • Eric B. Murdock, “Servir à la manière du Sauveur,” Liahona, déc. 2018, 32–35

Azonao atao ihany koa ny mijery ny pejy “Izao no fanompoana” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.