Seminera
Tombano ny fianaranao 10


Tombano ny fianaranao 10

Galatiana–2 Tesaloniana

Sary
Zatovolahy iray misalotra fitaovam-piarovana tamin’ny vaninan’andron’ny Testamenta Vaovao sady mihazona sabatra sy ampinga.

Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanao tombana ireo tanjona napetrakao sy ny fivoaranao manokana nandritra ny fandalinanao ny Testamenta Vaovao. 

Ny fivoaranao ara-panahy

Mieritrereta fahaiza-manao, talenta, na toetra iray izay trandrahinao ka mitaky ezaka mandrakariva avy aminao.

  • Inona ny mamporisika anao handany fotoana sy hanao ezaka izay takina mba hanatsarana izany?

  • Rehefa miezaka mafy mba hivoatra ianao dia inona ny zavatra izay antenainao hitranga ka hanampy anao hahafantatra fa misy dikany ny ezaka ataonao?

Manana fahafahana maro isika mandritra ny androm-piainantsika eto an-tany izay ahafahantsika miasa mba ho lasa tahaka ny Mpamonjy kokoa, izay manomana antsika hiverina hiaraka hiaina Aminy sy ny Raintsika any An-danitra. Mety hanampy ny fanaovana tombana matetitetika ny fivoarana izay misy eo amintsika sy manao fanitsiana raha toa ka ilaina izany.

Ny tanjon’ity lesona ity dia ny mba hanomezana fahafahana anao hanao tombana ny fandrosoanao ara-panahy. Hanana fahafahana ianao hanaovana tombana ny zavatra izay nianaranao avy tamin’ny Testamenta Vaovao sy hanaovana tombana ny fivoaranao ihany koa izay mifandray amin’ireo tanjona izay mety ho napetrakao noho ny zavatra nianaranao.

Makà fotoana hieritreretana ny fandalinana izay nataonao vao haingana momba ny Testamenta Vaovao sy ireo asa izay nataonao noho ny zavatra nianaranao. Azonao atao ny mamerina mijery ny zavatra nosoratanao tao amin’ny diary fandalinanao soratra masina na ny zavatra nasianao marika tao amin’ny soratra masinao vao haingana mba hahafahanao mamantatra ireo tanjona izay napetrakao sy ireo fahatsapana noraisinao.

  • Inona ny zavatra izay nianaranao avy tao amin’ny Testamenta Vaovao ka nanampy anao hanatona akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy?

  • Inona ny zavatra niavaka nianaranao momba Azy tao amin’ny Testamenta Vaovao?

1. Misafidiana ary manaova roa amin’ireto sahanasa manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina mba halefanao ho an’ity lesona ity.

Sahanasa A: Hazavao ny Apôstazia Lehibe sy ny Famerenana amin’ny laoniny

Sary
Fiara Chevrolet 1946 tranainy

Jereo ireto sary roa ireto ary eritrereto ny dikan’ny hoe mamerina zavatra iray amin’ny laoniny.

  • Nahoana no mila averina amin’ny laoniny ny zavatra iray?

  • Ahoana ny fomba ahafahana mampitaha ireo sary ireo amin’ny Apôstazia sy ny Famerenana amin’ny laoniny?

Mba hamerenana mijery ny fifandraisan’ny Apôstazia sy ny Famerenana amin’ny laoniny, dia ataovy ity sahanasa manaraka ity:

Alaovy sary an-tsaina hoe mampianatra ny iray amin’ireo namanao ao an-tokantranonao ireo misiônera. Mangataka anao izy ireo mba hampianatra ny ampahany amin’ny lesona izay hatao manaraka momba ny Apôstazia sy ny Famerenana amin’ny laoniny. Fantatrao fa mahalala tsara ny Baiboly ny namanao, ka toa hevitra tsara ny hampiasana andinin-tsoratra masina sasantsasany avy ao amin’ny Testamenta Vaovao mandritra fampianarana ny lesona.

Ampiasao Asan’ny Apostoly 3:21; Efesiana 1:10; Efesiana 2:19–22 ary ny 2 Tesaloniana 2:1–3 (na koa andinin-tsoratra masina hafa nosafidinao), soraty ny zavatra izay mety holazainao mandritra ny lesona mba hanampiana ny namanao hahatakatra ny antony mety nilavan’ny Mpamonjy hamerenana amin’ny laoniny ny filazantsarany teto an-tany.

Raha nisafidy ny hanao ity sahanasa ity ianao dia raketo ny zavatra holazainao amin’ny namanao.

Sahanasa B: Ampitomboy ny fitiavanao an’i Jesoa Kristy sy ny fanirianao hanompo Azy

Ao amin’ny lesona “Filipiana 3” dia nomena fahafahana ianao mba hanoratra taratasy ho an’ny tenanao manokana amin’ny hoavy izay nahitanao ireo fahafoizan-tena azonao atao ka afaka manampy anao hahafantatra kokoa an’i Jesoa Kristy sy mba hiomananao ho amin’ny fiainana mandrakizay.

Raha nanao izany ianao, dia jereo ny taratasy izay nosoratanao. Ampitahao amin’ny fahatsapana sy ny faniriana nananao tamin’ny fotoana nanoratra izany taratasy izany ny fahatsapana izay anananao momba an’i Jesoa Kristy amin’izao fotoana izay na ny fanirianao hanompo Azy. Raha toa ka misy zavatra mbola tianao hampiana ao anatin’ilay taratasy, miainga amin’ny zavatra izay niainanao vao haingana, dia aza misalasala manao izany dieny izao.

Raha nisafidy ny hanao ity sahanasa ity ianao, dia valio ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Rehefa namerina nijery ny taratasinao ianao, dia nahatsikaritra fiovana teo amin’ny fitiavanao an’i Jesoa Kristy ve ianao? Raha eny dia nahoana araka ny hevitrao no nisy fiovana izany?

  • Inona ny zavatra niainanao vao haingana ka nampitombo ny fitiavanao an’ Andriamanitra sy ny fahavononanao hanompo Azy?

  • Inona no zavatra tsapanao fa ny sasany amin’ireo dingana manaraka izay azonao atao mba hanampiana anao hampitombo ny fitiavanao an’ Andriamanitra?

Sahanasa D: Tafio avokoa ny fiadian’ Andriamanitra

Sary
Pejy avy ao amin’ny estamenta Vaovao: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra Seminera Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra.
  • Inona ny zavatra tadidinao momba ny fitaovam-piadina fiarovan-tena avy amin’ Andriamanitra? Inona ny zavatra tadidinao momba ny dikan’ny singa tsirairay avy amin’izany? Raha mila fanampiana ianao, dia jereo ao amin’ny Efesiana 6:14–18 mba hahitana ny valiny.

  • Ahoana no hamintinanao ny dikan’ny hoe “Tafio avokoa ny fiadian’ Andriamanitra”? (Efesiana 6:11).

Raha nisafidy ny hamita ity sahanasa ity ianao dia ataovy ity sahanasa manaraka ity ary valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

Manaova sarin’olona tsotratsotra ao anaty diary fandalinanao soratra masina. Use

  • Inona avy ireo ezaka izay ataonao mba hitafianao ny fiadian’ Andriamanitra ianao?

Ataovy sary ny ampahana fitaovam-piadina fiarovan-tena iray na maromaro maneho ireo ezaka izay ataonao.

  • Efa avy nahazo vokatra avy tamin’ireo ezaka izay nataonao ve ianao? Raha eny dia inona no zavatra niainanao? Raha tsia dia inona ny vokatra heverinao fa mety ho azo avy amin’ny fanohizana ireo ezaka izay ataonao?