Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 21


Famerenana fifehezana fotopampianarana 21

Ampiharo ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Sary
Tanora mijery soratra masina.

Anisan’ny tanjona iray amin’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampiana anao hahatakatra bebe kokoa ireo fampianaran’ny Mpamonjy sy ny mba hahafahanao manazava izany amin’ny teninao manokana ary hampihatra izany eo amin’ny fiainanao. Ity lesona ity dia hanome anao fahafahana hampihatra ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao amin’ny toe-javatra samihafa.

Avereno jerena ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Avereno jerena ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ireto andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manaraka ireto. Hevero ny fomba hampiharana eo amin’ny fiainanao ny fotopampianarana ao amin’ny andinin-tsoratra masina tsirairay.

Ampifandraiso amin’ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina mifanaraka aminy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Any amin’ny faran’ity lesona ity no ahitana ireo valiny marina.

  1. Hebreo 12:9 

  2. Jakoba 1:5–6

  3. Jakoba 2:17–18

  4. 1 Petera 4:6

  5. Apokalypsy 20:12

  1. “Ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.”

  2. Ny Ray any An-danitra dia “Rain’ny fanahintsika.”

  3. “Ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky, araka ny asany.”

  4. “Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra.”

  5. “Fa noho izany [no] nitoriana ny filazantsara tamin’ireo izay maty.”

Ampiharo ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Manome izao torohevitra manaraka izao ny kiboky For the Strength of Youth [Ho zatovo mahery!]: “Ianaro isan’andro ny soratra masina ary ampiharo eo amin’ny fiainanao ny zavatra novakinao. Ny soratra masina dia loharano mahery vaika ahazoana fanambarana manokana sy fitarihana ary hery tsy tapaka ho an’ny fijoroana ho vavolombelona anananao” ([2011], 42).

  • Inona avy ireo karazan-javatra ataonao ka manampy anao hampihatra ny zavatra nianaranao avy ao amin’ny soratra masina eo amin’ny fiainanao?

  • Inona ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray izay nanampy anao teo amin’ny fiainanao? Ahoana ny fomba nanampian’izany anao?

Ity fampiharana manaraka ity dia hanampy anao hampihatra ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sasany eo amin’ny fiainanao manokana. Rehefa mamita ilay fampiharana ianao dia mivonòna handray fanambarana ho an’ny tena manokana. Ny Fanahy Masina dia mety hitaona anao hieritreritra na hihevitra mikasika ny fomba ahafahanao mampihatra ny soratra masina eo amin’ny fiainanao manokana. Miomàna hanoratra izay fitaomam-panahy rehetra azonao.

1. Vitao ao anatin’ny diary fandalinanao ity manaraka ity:

  1. Mamarita rafi-tantara anankiray maneho toe-javatra tena misy na mametraha fanontaniana anankiray izay mifandray amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray na maromaro ato amin’ity lesona ity (Hebreo 12:9; Jakoba 1:5–6; Jakoba 2:17–18; 1 Petera 4:6; Apokalypsy 20:12).

  2. Mizarà traikefa iray izay mifandray amin’ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ilay andinin-tsoratra masina. Mety ho traikefa manokana izany, na zavatra niainan’ny olona iray fantatrao, na zavatra niainana voarakitra ao amin’ny soratra masina.

  3. Zarao ny fomba ahafahanao mampihatra ilay fotopampianarana amin’ny fiainanao na ny zavatra anampian’izany anao hahatakatra momba ny Ray any An-danitra na i Jesoa Kristy.

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no azonao atao amin’ity herinandro ity mba hampiharanao ny soratra masina eo amin’ny fiainanao?

  • Ahoana ny fomba ahafahan’ny fanaovana izany manampy anao hanakaiky kokoa ny Mpamonjy?

Valin’ny andiam-panontaniana: 1-b, 2-e, 3-a, 4-f, 5-d