“Fanokanana,” Lohahevitra sy fanontaniana (2023)
Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara
Fanokanana
Manokana zavatra ho an’ny tanjona masina
Moa ve ianao efa niahy olona iray fatratra ka ho nataonao daholo izay azonao natao ho azy? Mitaky fotoana sy faharetana ny fanolorantenanao ho an’izany olona izany saingy manamafy orina ny fifandraisanareo koa izany.
Izany karazana fanolorantena an-tsitrapo izany dia mampahatsiahy antsika ny dikan’ny hoe manokan-tena ho an’ny Tompo. Amin’ny alalan’ny fanokanana, dia manolo-tena ho an’ Andriamanitra isika satria tia Azy. Ary rehefa manao izany isika dia manamafy orina ny fifandraisantsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Inona no atao hoe fanokanana?
Ny fanokanana dia fanokanana zavatra ho masina ho an’ny asan’ny Tompo. Ny Olomasin’ny Andro Farany dia manokana an-tsitrapo ny fotoanany sy ny talentany ary izay fomba eo am-pelatanany amin’ny fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra. Ny Loholona David A. Bednar dia nampianatra fa ny fanokanana “dia atosiky ny fiantrana ary miteraka faniriana lehibe kokoa hanompo.” Manao fanekempihavanana ny hitandrina ny lalàn’ny fanokanana ny mpikamban’ny Fiangonana ao amin’ny tempoly. Ny endrika ambony indrindra amin’ny fanokanana dia ny fanomezana izay rehetra ananantsika sy izay rehetra azontsika ahatongavana amin’ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra.
Topimaso momba ny lohahevitra: Fanokanana
Torolalana amin’ny fandalinana ny filazantsara mifandray amin’izany: Fanekempihavanana sy ôrdônansy, Fahafoizan-tena, Fanafiana masina sy famehezana any amin’ny tempoly, Mikarakara ireo izay sahirana
Fizarana 1
Manampy antsika ho tonga masina tahaka Azy ny Tompo amin’ny alalan’ny fanokanana
Rehefa manokana zavatra ho an’ Andriamanitra isika dia manokana izany ho an’ny fananganana ny fanjakan’ny Tompo. Rehefa manokana zavatra ho an’ Andriamanitra isika noho ny fitiavantsika Azy dia lasa masina izany.
Na dia afaka manokana ny fotoanantsika sy ny talentantsika ary izay fomba eo am-pelatanantsika ho an’ny Tompo aza isika, ny “fanokanana faratampony dia ny fanolorana ny tena ho an’ Andriamanitra.” Eo amin’io heviny io, ny fanokanana dia tsy tena zava-miseho iray na fomba fanao iray mba hanomezana zavatra iray fa dingana izay manampy antsika hahafantatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izany. Rehefa manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy momba ny fanokanana ny fiainana ho masina isika dia afaka ny ho tonga masina tahaka Azy.
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Mitaky fotoana sy fikirizana ny fanokanana ny tenantsika ho an’ Andriamanitra. Hevero ny hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:2 ka saintsaino ny dikan’ny hoe manompo an’ Andriamanitra “amin’ny fo, ny hery, ny saina ary ny tanjatsika rehetra”. Ahoana no ahafahanao manakaiky kokoa ny fanokanana izay “rehetra” eo am-pelatananao ho an’ny Tompo? Inona no zavatra azonao atokana ho Azy izay hanampy anao hahafantatra Azy tsara kokoa? Mandraisa andraikitra eo anatrehan’izay fahatsapana voarainao.
-
Afaka mitahy antsika koa ny Tompo amin’ny alalan’ny fanokanana na fanaovana izay hahamasina ny fitsapana lalovantsika. Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna i Lehia dia nilaza tamin’i Jakôba zanany lahy fa ny Tompo dia “hanokana ny fahorianao ho tombontsoanao”. Vakio ny teniny ao amin’ny 2 Nefia 2:1–2. Tamin’ny fomba ahoana no nanokanan’ny Tompo ny olanao ho tombontsoanao? Ahoana no nanampiany anao mba hampiasa ireo zavatra niainana ireo mba hitahiana ny fiainan’ny hafa? Raketo an-tsoratra izay eritreritra tonga ao aminao momba ny fomba nanavaon’ireo fitsapana nolalovanao anao ho lasa masina kokoa sy ny fomba nampanakaikezan’izany anao kokoa an’i Kristy.
Sahanasa entina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Tao anatin’ny lahateny iray nandritra ny fampaherezam-panahy maneran-tany iray tamin’ny 2017 izay mitondra ny lohateny hoe “Mpaminany, fitarihana, ary lalàn’ Andriamanitra,” dia nanasa ny tanora ny Russell M. Nelson mba hanokana ny sasany amin’ny fotoanan’izy ireo mba handalinana momba an’i Jesoa Kristy. Hoy izy hoe: “Raha mizotra mianatra ny zavatra rehetra azonareo ianarana momba an’i Jesoa Kristy ianareo dia mampanantena anareo aho fa ny fitiavanareo Azy, ary ny fitiavanareo ny lalàn’ Andriamanitra dia hitombo hihoatra lavitra noho izay azonareo eritreretina ankehitriny. Mampanantena anareo aho fa hitombo ny fahaizanareo hiala amin’ny fahotana. Ny fanirianareo hitandrina ireo didiny dia hitombo izaitsisy. Hahita ny tenanareo ho afaka ny hiala kokoa amin’ny rendrarendra sy ny fandrik’ireo izay manarabiraby ny mpanara-dian’i Jesoa Kristy ianareo”. Miaraha mamaky ny lahatenin’ny Filoha Nelson. Ahoana no ahafahan’ny fanokananao ny fotoana mba handalinana momba an’i Jesoa Kristy manampy mba hahatonga anao ho masina? Angamba azonareo atao ny mifampizara hevitra momba ny fomba hanokananareo tsara kokoa ny fotoananareo mba hianarana momba Azy. Mandraisa andraikitra eo anatrehan’izay fahatsapana voarainao.
-
Mety ho toy ny sarotra ny fanokanana zavatra ho an’ Andriamanitra mba ho ampiasainy, saingy ny fanokanana fiainana ho masina raha ny marina dia aorina amin’ny alalan’ireo safidy tsotra ataontsika isan’andro. Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany volana aprily 2015 dia nampianatra ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe: “Afaka ny ho lasa afo miredareda eo amin’ny fiainana feno fanolorantena na ny asa faran’izay bitika indrindra ataon’ny mpianatra na ny finoana faran’izay kely aza, raha omban’ny faharetana sy fikirizana izany. Raha ny marina dia toy izany no fiandohan’ny ankamaroan’ny afo miredareda, pitik’afo kely”. Ifanakalozy hevitra ny momba ireo zavatra toa bitika eo amin’ny andavanandrom-piainana izay azonao atokana ho an’ny Tompo mba hanampiana anao ho lasa masina kokoa tahaka Azy.
Hianatra misimisy kokoa
-
(Dieter F. Uchtdorf, “Ny avy ao am-pontsika manontolo,” Liahona, mey 2022, 122–124
-
D. Todd Christofferson, “Reflections on a Consecrated Life,” Liahona, nôv. 2010, 16–19
-
Neal A. Maxwell, “Consecrate Thy Performance,” Ensign, mey 2002, 36–38
Fizarana 2
Manao fanekempihavanana mba hankatò ny lalàn’ny fanokanana ny Olomasin’ny Andro Farany any amin’ny tempoly
Manao fanekempihavanana ny hitandrina ny lalàn’ny fanokanana ny mpikamban’ny Fiangonana ao amin’ny tranon’ny Tompo. Amin’ny alalan’ny lalàn’ny fanokanana, ny mpikambana dia afaka manampy amin’ny fikarakarana ireo zavatra ilain’ny hafa ara-batana sy ara-panahy sy ny fampandrosoana ny asan’ny Tompo eto an-tany. Afaka mitondra fitahiana maro ny fanajana ny fanekempihavanana mba hitandrina ny lalàn’ny fanokanana, ka tafiditra ao anatin’izany ny “fahazoana bebe kokoa ny herin’ Andriamanitra sy ny fahazoana bebe kokoa fitiavana, fiadanana, fampiononana ary fifaliana maharitra.”
Zavatra tokony hosaintsainina
-
Mandrakizay ny lalàn’ny fanokanana. Notandremana tao anatina vanim-potoana samihafa izany fahiny tamin’ny alalan’ireo mpanara-dia an’ Andriamanitra ary naverina tamin’ny laoniny tamin’izao andro farany izao. Afaka mamaky ny momba ny fanokanana ianao ao amin’ny Asan’ny Apôstôly 4:32; 4 Nefia 1:1–3; ary Mosesy 7:18. Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “[iombonana] avokoa ny zavatra rehetra [ananana]” sy ny hoe “iray fo sy iray saina” amin’ny hafa? Ahoana no ahafahanao manaraka ireo filamatra ireo eo am-piezahanao ny hanaja ny lalàn’ny fanokanana? Soraty izay fahatsapana voarainao ary mandraisa andraikitra eo anatrehan’izany avy eo.
Sahanasa entina miara-mianatra amin’ny hafa
-
Ny fomba iray ahafahantsika manaja ny lalàn’ny fanokanana dia amin’ny alalan’ny fanampiana ny hafa hahazo ireo zavatra ilainy ara-batana sy ara-panahy. Vakio miaraka amin’ny vondrona ny Môzià 4:26. Resaho ireo fomba ahafahanareo manampy ireo izay sahirana amin’ny alalan’ny fanompoana, ny fahafolonkarena, ny fanatitra avy amin’ny fifadian-kanina, ny tetikasa fanaovana asa fanampiana olona ary amin’ny alalan’ny karazana asa fanompoana hafa. Afaka manao drafitra hanao asa fanompoana amin’ny maha-vondrona iray anareo mihitsy aza ianareo. Azonareo atao koa ny mifampizara zavatra niainana manokana hafa izay mampiseho ny fomba nitahian’ny fanampiana ny hafa ny fiainanareo sy ny fomba nampanakaikezan’izany anareo tamin’i Jesoa Kristy.
-
Ny fomba iray hafa ahafahantsika manaja ny lalàn’ny fanokanana dia rehefa manao izay tsara indrindra avy amintsika isika mba hanatanterahana ireo antsontsika sy andraikitsika ao amin’ny Fiangonana. Nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring hoe: “Ny antso iray mba hanompo dia tokony ho zavatra akaikin’ny fo voalohany indrindra. Amin’ny alalan’ny fanolorana ny fontsika iray manontolo an’ilay Mpampianatra sy amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny no ahafantsika mahafantatra Azy. Amin’ny farany, amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotana, dia voaova ny fontsika ary lasa tahaka Azy isika”. Asao ireo mpikambana ao amin’ny vondrona mba hieritreritra olona eo amin’ny fiainan’izy ireo izay nanompo tao anatina antso iray tamin’ny fony iray manontolo. Ifampizarao ny zavatra nianaranareo avy tamin’ny ohatra nasehon’izany olona izany mikasika ny fanokanana fiainana ho masina sy ny fomba izay inoanareo fa nanovan’izany ny fiainan’ny olona hafa.
Hianatra misimisy kokoa
-
Henry B. Eyring, “Fahafahana hanao zava-tsoa,” Liahona, mey. 2011, 22–26
-
Sujets de l’histoire de l’Église, “Consécration et intendance,” Médiathèque de l’Évangile