Boky torolalana sy antso
0. Topimaso fampahafantarana


“0. Topimaso fampahafantarana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (2020).

“0. Topimaso fampahafantarana,” Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

0.

Topimaso fampahafantarana

0.0

Teny fanolorana

Nampianatra ny Tompo hoe: “Aoka ny olona tsirairay hianatra ny andraikiny ary hiasa amin’ny zotom-po rehetra ao amin’ny anjara fanompoana izay anendrena azy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:99). Amin’ny maha-mpitarika anao ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, dia tokony hikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana ianao hanampy anao hianatra sy hanatanteraka ireo andraikitra mifandraika amin’ny antsonao.

Ny fandalinana ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpaminanin’ny andro farany dia hanampy anao hahatakatra ny andraikitrao sy hanatanteraka izany. Rehefa mandalina ny tenin’ Andriamanitra ianao dia ho mora kokoa aminao ny mandray ny fitaoman’ny Fanahy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:85).

Mianatra ny andraikitrao ihany koa ianao amin’ny alalan’ny fandalinana ny toromarika ao amin’ity boky torolalana ity. Ireo torolalana ireo dia afaka manamora ny fahazoana fanambarana raha toa ka ampiasaina mba hahatakarana ireo fitsipika sy lalàna ary fomba fiasa ampiharina rehefa mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy.

0.1

Ity boky torolalana ity

Ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manolotra taridalana ho an’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana maneran-tany sy eo an-toerana. Ahitana fizarana maromaro izany:

  • Fototra ara-potopampianarana: Ireto toko ireto dia manolotra ny fotopampianarana sy ireo fitsipika fototra iorenan’ny fanompoana ato amin’ny Fiangonana. Hazavaina ao amin’ireo:

    • Ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fahasambarana, ny asany ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana, ary ny tanjon’ny Fiangonana.

    • Ny anjara toeran’ny fianakaviana eo amin’ny drafitr’ Andriamanitra, ny asany ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ao an-tokantrano, ary ny fifandraisana misy eo amin’ny tokantrano sy ny Fiangonana.

    • Ireo fitsipiky ny fisoronana.

    • Ireo fitsipika ho an’ny fitarihana ao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy.

  • Firafitry ny Fiangonana: Ireto toko ireto dia manome toromarika ho an’ireo fiadidian’ny tsatòka sy ireo episkôpà, ireo mpitarika ny kôlejy ao amin’ny fisoronana, ireo mpitarika rafitra ao amin’ny tsatòka sy paroasy, ary ireo hafa izay manompo ao amin’ny Fiangonana.

  • Ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana: Ireto toko ireto dia mampianatra momba ny asa fototry ny Fiangonana:

    • Miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

    • Mikarakara ireo izay sahirana

    • Manasa ny rehetra handray ny filazantsara

    • Mampitambatra ireo fianakaviana ho mandrakizay

  • Fitantanana ny Fiangonana: Ireto toko ireto dia manolotra torolalana hitantanana ny Fiangonana. Ny lohahevitra hita ao dia ireo fivoriana, antso, firaketana, fitantanam-bola ary ireo lalàna.

Ireo lohateny sy fanampin-dohateny ao anatin’ity boky torolalana ity dia misy laharana mba hahamora ny fitadiavana ireo lohahevitra sy ho mora hiverenana. Ohatra, omena ao amin’ny 27.3.1 ireo torolalana momba ny olona azo fehezina any amin’ny tempoly. Ny tarehimarika 27 dia manambara ny toko, ny tarehimarika 3 dia manambara fizarana iray ao amin’io toko io, ary ny tarehimarika 1 dia manambara zana-pizarana.

0.2

Fampifanarahana amin’ny zava-misy sy loharanon-kevitra azo isafidianana

Tsy voatery hitovy avokoa ny zavatra ilaina any amin’ny tsatòka sy paroasy rehetra. Ity boky torolalana ity dia ahitana torolalana ho an’ny fomba fampifanarahana amin’ny zava-misy ary koa loharanon-kevitra azo isafidianana:

  • Ny Torolalana ho an’ny fomba fampifanarahana amin’ny zava-misy ( ) dia ahitana toromarika mikasika ny fomba fampifanarahana ireo rafitra sy fandaharan’asan’ny Fiangonana amin’ny zava-misy any amin’ireo rantsana izay samihafa avokoa ny zavatra ilainy sy ny loharanom-pitaovana ananany.

  • Ny Loharanon-kevitra azo isafidianana ( ) dia ahitana fampahafantarana fanampiny sy taridalana izay mety hanampy an’ireo mpitarika eo anivon’ny tsatòka sy paroasy.

Ireo mpitarika dia mikatsaka ny fitaomam-panahy mikasika izay torolalana sy loharanon-kevitra azo isafidianana ho ampiasaina mba hikarakarana ny zavatra ilain’ireo mpikambana.

0.3

Fanavaozana

Havaozina ombieny ombieny ity boky torolalana ity. Ahitana ny lisitr’ireo fanovana vao tsy ela ao amin’ny “Famintinana ireo fanavaozana vao tsy ela.”

0.4

Fanontaniana mikasika ny toromarika

Rehefa misy fanontaniana mipetraka ka tsy voaresaka ao amin’ny soratra masina na ny tenin’ireo mpaminany velona, na ao amin’ity boky torolalana ity, dia tokony hiantehitra amin’ny fanekempihavanan’izy ireo tamin’ Andriamanitra ireo mpikambana, sy amin’ny torohevitr’ireo mpitarika eo an-toerana, ary ny fitaoman’ny Fanahy mba hahazoana fitarihana.

Raha manana fanontaniana mikasika ny fampahalalana hita ao amin’ity boky torolalana ity ireo mpitarika, na mikasika olana izay tsy voaresaka ato, dia tokony hifanakalo hevitra amin’izay manampahefana miahy azy ireo mivantana izy ireo.

0.5

Teny ampiasaina

Ankoatra ireo tranga voafaritra mazava hoe tsy mihatra:

  • Ireo teny hoe eveka sy episkôpà ao amin’ity boky torolalana ity dia mahafaoka ihany koa ny filohan’ny sampana sy ny fiadidian’ny sampana. Ireo teny hoe filohan’ny tsatòka sy fiadidian’ny tsatòka dia mahafaoka ihany koa ny filohan’ny distrika sy ny fiadidian’ny distrika. Mba hahitana famintinana mikasika ny maha samy hafa ny fahefana hazonin’ireo filohan’ny distrika amin’ny an’ireo filohan’ny tsatòka dia jereo ny 6.3.

  • Ny firesahana ny paroasy sy tsatòka amin’ny ankapobeny dia mihatra ihany koa amin’ireo sampana, sy distrika ary misiôna.

  • Ny firesahana ny hoe Alahady dia mihatra amin’izay andro hitandremana ny Sabata any an-toerana.

  • Ny teny hoe rantsana dia manambara ny paroasy sy ny sampana.

  • Ny firesahana ny hoe ray aman-dreny mazàna dia mihatra ihany koa amin’ireo mpiantoka voatendrin’ny lalàna.

Ny antson’ny eveka sy filohan’ny sampana dia tsy tena mitovy raha ny fahefany sy ny andraikiny, toy izany koa ny antson’ny filohan’ny tsatòka sy ny filohan’ny distrika. Anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana ny eveka ary ny Fiadidiana Voalohany ihany no manome lalana ny fanendrena. Ireo filohan’ny tsatòka dia antsoin’ny Manampahefana Ambony sy ny Fitopololahin’ny Vondromparitra.

0.6

Fifandraisana amin’ny Foiben’ny Fiangonana na ny Biraon’ny Vondromparitra

Ny toko sasantsasany ao amin’ity boky torolalana ity dia ahitana toromarika ny amin’ny tokony hifandraisana amin’ny foiben’ny Fiangonana na ny biraon’ny Vondromparitra. Ny toromarika hoe tokony hifandray amin’ny foiben’ny Fiangonana dia mihatra ho an’ireo izay any Etazonia sy Kanadà. Ny toromarika hoe tokony hifandray amin’ny biraon’ny Vondromparitra dia mihatra ho an’ireo izay any ivelan’i Etazonia sy Kanadà.