Seminera
Teny fanolorana ny fifehezana fotopampianarana


“Fampahafantarana ny fifehezana fotopampianarana,” Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2021)

“Fampahafantarana,” Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana

Sary
tanora mifampiresaka

Fampahafantarana ny fifehezana fotopampianarana

Nampianatra ireo zanakalahiny ny mpaminany Helamàna tao amin’ny Bokin’i Môrmôna hoe: “Eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika, dia i Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra, no tsy maintsy anorenantsika ny fototsika” (Helamàna 5:12). Ny fanorenana fototra eo amin’i Jesoa Kristy—izay ahitana ny fahatakarana sy ny finoana ary ny fiainana araka ny fotopampianarany—dia hampiorim-paka ny fiovam-pontsika sy ny fanolorantenantsika amin’ny maha-mpianany antsika, sy hiaro antsika amin’ireo fitaoman’ny fahavalo, ary hanampy antsika hitahy ny fiainan’ny hafa.

Anisan’ireo fomba hanatontosantsika izany ny fiaraha-mandalina ny soratra masina misesy ao an-dakilasy. Ny fomba iray hafa hanorenantsika ny fototsika eo amin’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany dia amin’ny alalan’ny ezaka iray antsoina hoe fifehezana fotopampianarana.

Mifototra amin’ny vokatra roa ny fifehezana fotopampianarana:

  1. Mianatra sy mampihatra ireo fitsipika avy amin’ Andriamanitra mba hahazoana fahalalana ara-panahy. Nanambara ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy ny Ray any An-danitra. Ireo fitsipika ireo dia ahitana ny fanaovana asa amim-pinoana, sy ny famakafakana ireo hevi-dehibe sy fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay, ary ny fikatsahana fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra. Mitombo ny fifehezantsika fotopampianarana rehefa mampihatra ireo fitsipika ireo mandritra ny kilasy sy any ivelany ary mikatsaka valinteny ho an’ireo fanontaniana ara-potopampianarana sy an’ny tena manokana, sy ara-piarahamonina ary ara-tantara, amin’ny fomba izay manasa ny Fanahy Masina hampatanjaka ny finoantsika ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy.

  2. Mahafehy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay ampianarin’izy ireo. Izany vokatra izany dia ho tratra amin’ny alalan’ny:

    1. Fahafantarana ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

    2. Fanazavana mazava tsara ny fotopampianarana amin’ny fampiasana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

    3. Fahaizana mitadidy sy mahita ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ary mahatadidy ireo andian-teny fototra avy ao amin’ny soratra masina.

    4. Fampiharana ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy eo amin’ny safidy ataontsika isan’andro sy eo amin’ny fihetsika asetrintsika ireo olana sy fanontaniana ara-potopampianarana sy an’ny tena manokana, sy ara-piarahamonina ary ara-tantara.