Seminera
Mahazo fahalalana ara-panahy


“Mahazo fahalalana ara-panahy,” Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2021)

“Mahazo fahalalana ara-panahy,” Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana

Sary
zatovolahy mamaky soratra masina

Mahazo fahalalana ara-panahy

Andriamanitra no loharanon’ny fahamarinana rehetra

  1. Mahafantatra ny zavatra rehetra Andriamanitra ary loharanon’ny fahamarinana rehetra. Satria tia antsika ny Raintsika any An-danitra ary tiany isika hivoatra ho lasa toa Azy dia namporisika antsika Izy “hikatsaka ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118). Eo am-pikatsahantsika ny fahamarinana dia afaka matoky Azy tanteraka isika sy miantehitra amin’ny fahendreny sy ny fitiavany ary ny heriny hahafahany mampianatra sy mitahy antsika. Nampanantena ny hanambara fahamarinana ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Andriamanitra raha toa ka vonona hitady Azy amim-pahazotoana isika.

  2. Mba hanampiana antsika dia nampianarin’ny Ray any An-danitra antsika ny fomba hahazoana fahalalana ara-panahy. Napetrany ireo fepetra tsy maintsy arahantsika mba hahazoana fahalalana toy izany. Ny lamina masina napetrak’Andriamanitra dia mitaky ny hananantsika faniriana amin-kitsimpo hahafantatra ny fahamarinana sy ny fahavononantsika hiaina amin’ny fomba mifanaraka amin’izay nambaran’ Andriamanitra. Ny faniriana amim-kitsimpo ananantsika dia hitarika antsika hikatsaka fahamarinana amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fandalinana amim-pahazotoana ny tenin’ Andriamanitra.

  3. Mety hahita fampahalalana vaovao isika indraindray na hanana fanontaniana mikasika ny fotopampianarana na ny fomba fanao na ny tantaran’ny Fiangonana izay toa sarotra takarina.

    Ampahany manan-danja amin’ny ezaka ataontsika hianarana fahamarinana ny fametrahana fanontaniana sy ny fitadiavana valim-panontaniana. Mety ho avy amin’ny fitaoman’ny Fanahy Masina ny sasany amin’ireo fanontaniana izay tonga ao an-tsaintsika ireo. Ireo fanontaniana avy amin’ny fitaomam-panahy dia tokony horaisina ho fanomezana avy amin’ Andriamanitra izay manome fahafahana ho antsika hampitombo ny fahatakarantsika sy hampatanjaka ny fahatokiantsika fa vonona hampianatra antsika ny Tompo. Na inona na inona mety ho loharanon’ny fanontaniantsika dia nomena fahafahana isika hieritreritra sy hisaintsaina ary hahazo ny fitaoman’ny Tompo izay hanitatra ny saintsika ary hampivelatra ny fahatakarantsika. Ny toe-panahy sy ny finiavana entintsika hametrahana fanontaniana sy hikatsahana valim-panontaniana dia hisy fiantraikany lehibe eo amin’ny fahafahantsika mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

  4. Ireto fitsipika telo manaraka ireto dia afaka mitarika antsika rehefa mikatsaka ny hianatra sy hahatakatra fahamarinana mandrakizay isika ary hamaha fanontaniana na olana:

    • Manao asa amim-pinoana.

    • Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

    • Mikatsaha fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra.

Fitsipika 1: Manao asa amim-pinoana

  1. Manao asa amim-pinoana isika rehefa misafidy ny hatoky an’ Andriamanitra sy hitodika any Aminy voalohany indrindra amin’ny alalan’ny vavaka amin-kitsimpo sy ny fandalinana ireo fampianarany ary ny fankatoavana ireo didiny.

  2. Rehefa mikatsaka ny hampitombo ny fahatakarantsika sy hamaha ireo olana isika dia zava-dehibe ny hianteherantsika amin’ny fijoroana ho vavolombelona izay efa ananantsika momba an’i Jesoa Kristy sy ny Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsarany ary ireo fampianaran’ireo mpaminany voatendriny. Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Rehefa tonga ireny fotoana ireny ka mitranga ny olana dia tsy ho tonga avy hatrany ny vahaolana, mifikira amin’izay efa fantatrao ary matanjaha hatrany mandra-pahazoanao fahalalana fanampiny” (“Tompo ô, Mino aho,” Liahona, mey 2013, 94). Ny Tompo mihitsy no nanasa antsika “[hibanjina Azy] amin’ny eritreritra rehetra; tsy hiroanàhana, tsy hatahotra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36).

  3. Mandritra ireo fotoana izay mety tsy hahitantsika avy hatrany ny valin’ireo fanontaniantsika dia hanampy ny mahatsiaro fa na dia nambaran’ny Ray any An-danitra aza ireo zavatra rehetra izay ilaina amin’ny famonjena antsika dia tsy mbola nanambara ny fahamarinana rehetra Izy. Rehefa manohy mikatsaka valim-panontaniana isika dia tsy maintsy miaina araka ny finoana: matoky fa ho azontsika ireo valim-panontaniana katsahintsika amin’ny farany. Rehefa mahatoky amin’ny fahamarinana sy ny fahazavana efa azontsika isika dia hahazo misimisy kokoa. Matetika ireo valin’ny fanontaniana sy vavaka ataontsika no tonga “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika” (2 Nefia 28:30).

Fitsipika 2: Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  1. Mba hamakafakana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ireo hevi-dehibe sy fanontaniana ary olana ara-piarahamonina mikasika ny fotopampianarana dia raisintsika amin’ny sahan-kevitry ny drafitry ny famonjena sy ireo fampianaran’ny Mpamonjy izy ireny. Mikatsaka ny fanampian’ny Fanahy Masina isika mba hahitana ireo zavatra amin’ny fomba hahitan’ny Tompo azy ireny. Izany no ahafahantsika mamerina mandrafitra ilay fanontaniana (hijerena ilay fanontaniana amin’ny fomba hafa) sy mandinika ireo hevitra mifototra amin’ny fenitry ny fahamarinan’ny Tompo toy izay hanaiky ny fihevitr’izao tontolo izao. Afaka manao izany isika amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy ny hoe “Inona no zavatra efa fantatro momba ny Ray any An-danitra sy ny drafiny ary ny fomba hifandraisany amin’ireo zanany?” sy ny hoe “Inona avy ireo fampianaran’ny filazantsara izay mifandray amin’io foto-kevitra na olana io na manazava azy io?”

  2. Na ireo fanontaniana izay mifandray amin’ireo zava-nitranga ara-tantara aza dia mety ilaina fakafakaina amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay. Afaka mahita ireo olana ireo amin’ny fomba mazava kokoa isika rehefa miorim-paka amin’ny fahatokisantsika ny Raintsika any An-danitra sy ny drafitry ny famonjeny. Mety hanampy ihany koa ny mamakafaka ireo fanontaniana ara-tantara ao anatin’ilay sahan-kevitra ara-tantara tokony ho izy amin’ny alalan’ny fieritreretana ny kolontsaina sy ny fenitra nisy tamin’ny fotoan’andro nitrangany toy izay manery hampanjaka ny fomba fijery sy ny fitondrantena ankehitriny.

  3. Zava-dehibe ny mahatsiaro fa tsy mitondra ny hery manavotry ny ôrdônansy sy ny fanekempihavanana ary ny fotopampianarana ireo antsipirian-javatra ara-tantara. Ny hoe variana amin’ny antsipirian-javatra tsy dia manan-danja loatra ka tsy mahita ireo fahagagana mitranga amin’ny Famerenana amin’ny laoniny dia toy ny mandany fotoana amin’ny famakafakana boaty iray namonosana fanomezana ka tsy miraharaha ny hatsaran’ilay tena fanomezana.

Fitsipika 3: Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

  1. Anisan’ny dingana nofidin’ny Tompo mba hahazoana fahalalana ara-panahy ny nametrahany loharano izay hanambarany fahamarinana sy fitarihana ho an’ny zanany. Ireo loharanom-pahalalana ireo dia ahitana ny fahazavan’i Kristy, ny Fanahy Masina, ny soratra masina, ny ray aman-dreny ary ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. Ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo—ireo mpaminanin’ny Tompo eto ambonin’ny tany amin’izao fotoana izao—dia loharanom-pahamarinana tena iankinan’ny aina. Nisafidy sy nanendry ireo olona ireo mba hiresaka eo amin’ny toerany ny Tompo.

  2. Afaka mianatra fahamarinana amin’ny alalan’ny loharanom-pahalalana azo itokisana ihany koa isika. Na izany aza dia tokony ho mailo amin’ireo loharanom-pahalalana tsy azo itokisana ireo mpikatsaka marina ny fahamarinana. Isika dia miaina amin’ny fotoana izay maro no “hiantso ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy” (Isaia 5:20). I Satana no rain’ny lainga ary mikatsaka ny hanova ny fahamarinana izy sy handresy lahatra antsika hitodi-damosina amin’ny Tompo sy ireo mpanompony. Afaka miaro antsika amin’ny fampahalalana diso sy amin’ireo izay mikatsaka ny hamotika ny finoana ny fianarana mamantatra ireo loharano tsy azo itokisana sy miala amin’izany. Rehefa mikatsaka fanampiana avy amin’ny Fanahy Masina isika ka mitodika amin’ireo loharanom-pahalalana notendren’ny Tompo hahazoana valim-panontaniana sy fitarihana, dia afaka manavaka ny fahamarinana amin’ny fahadisoana. Afaka matoky ny fampanantenan’ny Tompo isika izay manao hoe: “Amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra” (Môrônia 10:5).

Manampy ny hafa hahazo fahalalana ara-panahy

  1. Rehefa manatona antsika mba hametraka fanontaniana na hianatra ny fotopampianarana, na ny fombafomba, na ny tantaran’ny Fiangonana ny hafa dia ahoana no ahafahantsika manampy azy ireo amin’ny fomba tsara indrindra amin’ny fitadiavan’izy ireo ny fahamarinana? Ireto manaraka ireto dia isan’ireo fomba ahafahantsika manampy azy ireo:

  2. Mihaino tsara sy ombam-bavaka. Mihainoa tsara mialoha ny hamalianao, ka katsaho ny hanazava sy hahatakatra ireo fanontaniana izay tena apetrak’izy ireo. Katsaho amim-pieritreretana ny hahatakatra ny tena tanjon’ny fanontanian’izy ireo sy ny fahatsapana ananany ary ny finoany. Mivavaha mba hahazo fitarihana mikasika ny fomba ahafahanao manampy tsara ireo izay manam-panontaniana.

  3. Mampianatra sy mijoro ho vavolombelona momba ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara. Mizarà fampianarana azo ampiharina avy ao amin’ny soratra masina sy avy amin’ireo mpaminany maoderina sy ny fomba nitondran’izy ireny fiovana teo amin’ny fiainanao. Ampio ireo izay iresahanao hamakafaka ny fanontanian’izy ireo na hanova ny firafitr’izany hifanaraka amin’ny sahan-kevitry ny filazantsara sy ny drafitry ny famonjena.

  4. Manasa azy ireo hanao asa amim-pinoana. Tsarovy fa ny Tompo dia mitaky antsika hikatsaka fahalalana ara-panahy ho an’ny tenantsika. Noho izany isika dia tsy maintsy manasa ny hafa hanao asa amim-pinoana amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fankatoavana ireo didy ary ny fandalinana amim-pahazotoana ny tenin’ Andriamanitra, ka hampiasa ireo loharanom-pahalalana voatendrin’ Andriamanitra, indrindra fa ny Bokin’i Môrmôna. Raha azo atao dia asao izy ireo hitadidy zavatra mety niainan’izy ireo ka nahatsapany ny Fanahy Masina, ary hifikitra amin’ireo fahamarinana maharitra mandrakizay izay efa nianaran’izy ireo mandra-pahatongan’ny fahalalana fanampiny.

  5. Manara-maso. Manolora tena hitady valinteny, ary manaova fanaraha-maso amin’ny alalan’ny fizarana ny zavatra nianaranao. Azonareo atao ihany koa ny miara-mitady ireo valim-panontaniana. Manehoa fahatokiana an’ilay fampanantenan’ny Tompo hoe hanome fanambarana ho an’ny tena manokana.