Avia, hanaraka Ahy
8–14 jolay. Asan’ny Apostoly 6–9: -Inona no tianao hataoko?-


“8–14 jolay. Asan’ny Apostoly 6–9: -Inona no tianao hataoko?-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“8–14 jolay. Asan’ny Apostoly 6–9,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
I Paoly teny amin’ny lalana mankany Damaskosy

Aoka isika hanana fiainana mitovy amin’izany, nataon’i Sam Lawlor

8–14 jolay

Asan’ny Apostoly 6–9

“Inona no tianao hataoko?”

Halalino ny Asan’ny Apostoly 6–7 dia raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao. Izany dia hanampy anao handray fanambarana mikasika ny fomba hanampiana ny mpianatra hanatona kokoa an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandalinan’izy ireo an’ireto toko ireto.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny anaran’ny sasany amin’ireo olona voaresaka ao amin’ny Asan’ny Apostoly 6–9, toa an’i Stefana, Saoly, Filipo, Ananiasy, Petera, ary i Tabita na Dorkasy. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara zavatra izay nianarany avy tamin’ny iray amin’ireo olona ireo nandritra ny fandalinana nataon’izy ireo tamin’ity herinandro ity.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Asan’ny Apostoly 7

Ny fanoherana ny Fanahy Masina dia mety hitarika amin’ny fandavana ny Mpamonjy sy ireo Mpaminaniny.

  • Inona avy ireo fahamarinana izay nianaran’ireo mpianatra tamin’ny famakiana ilay tantaran’i Stefana tamin’ity herinandro ity? Diniho ny hanasana ny mpianatra handalina ireo fampianaran’i Stefana ao amin’ny Asan’ny Apostoly 7:37–53, ary asaivo karohan’izy ireo ny mampitovy an’ireo mpitarika Jiosy amin’ireo Isiraelita fahiny izay nandà ireo mpaminany. Afaka mifantoka amin’ny tenin’i Stefana mikasika ireo mpitarika ireo ianao ao amin’ny Asan’ny Apostoly 7:51. Ahoana no hahafahan’ny 2 Nefia 28:3–6; 33:1–2; Môsià 2:36–37; Almà 10:5–6; ary ny Almà 34:37–38 hanampy ireo mpianatra hahatakatra izany teny izany? Fa nahoana isika no mety “manohitra ny Fanahy Masina”? Inona no azontsika atao mba hamantarana sy hanarahana tsara kokoa ny fitaoman’ny Fanahy Masina?

Asan’ny Apostoly 8:9–24

Ny fontsika dia tokony ho “mahitsy eo anatrehan’ Andriamanitra.”

  • Ny fandalinana ny tantaran’i Simona dia afaka manampy ireo mpianatra hanombatombana ireo antony mahatonga azy ireo hiaina ny filazantsara. Mba hahafahan’ny mpianatra miara-mandalina io tantara io dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana ireto Iza moa i Simona? Inona no zavatra notadiaviny? ary Inona no nezahany natao mba hahazoana izany? Asao ny mpianatra tsirairay hamaky ny Asan’ny Apostoly 8:9–24, ary hitady ny valin’ireo fanontaniana ireo. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Simona?

  • Mba hanampiana ireo mpianatrao hahatakatra ny hevitry ny hoe “[mampahitsy ny fon’izy ireo] eo anatrehan’ Andriamanitra” (Asan’ny Apostoly 8:21), dia azonao atao ny manasa azy ireo handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:41–46, ary hikaroka ireo teny na andian-teny izay mamariparitra hoe tokony ho toy ny ahoana ny fontsika rehefa miezaka manompo an’ Andriamanitra sy mandray ireo fanomezam-pahasoavany. Azon’ny mpianatra atao ny mampitaha ireo hevitra ireo amin’ny tantaran’i Simona hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly 8:9–24. Inona avy ireo fahamarinana izay tsy mbola takatr’i Simona? Ahoana no ahafahantsika manova ny fontsika ho “mahitsy eo anatrehan’ Andriamanitra”?

  • Moa ve ireo mpianatrao nampitaha an’i Stefana sy i Filipo tamin’i Simona nandritra ny fandalinan’izy ireo manokana, araka ny soso-kevitra ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana? Inona no nianaran’izy ireo raha nanao izany izy ireo? Azonao atao ny manasa azy ireo hitady porofo ao amin’ireo toko ireo fa ny fon’ireo olona sasany dia nahitsy—olona tahaka an’i Filipo sy ilay lehilahy Etiopiana (Asan’ny Apostoly 8:26–40) ary i Saoly (Asan’ny Apostoly 9:1–22).

Asan’ny Apostoly 8:26–39

Ny Fanahy Masina dia hanampy antsika hitarika ny hafa ho any amin’i Jesoa Kristy.

  • Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’izy ireo mitarika ny hafa ho any amin’i Jesoa Kristy (jereo Asan’ny Apostoly 8:31), dia afaka manasa mpianatra roa ianao hipetraka mifanatrika ary hamaky ny resaka nifanaovan’i Filipo sy ilay lehilahy Etiopiana ao amin’ny Asan’ny Apostoly 8:26–39. Misy mpianatra fahatelo afaka mamaky ireo teny tsy ao anaty fifampiresahana. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Filipo mikasika ny fampianarana ny filazantsara amin’ny hafa?

  • Mba hahafahana mahita ohatra maoderina amin’ny tantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly 8:26–39, dia afaka mizara ny zavatra niainan’izy ireo ny mpianatra mikasika ny fizarana ny filazantsara na tamin’ny nidiran’izy ireo ho mpikambana tato amin’ny Fiangonana. Ahoana no fomba nanampian’ny Fanahy Masina azy ireo? Inona no nataon’ny olona iray tamin’ny fitarihana azy ireo? Asao ny mpianatra handinika izay olona azon’izy ireo tarihina ho ao amin’ny filazantsara.

Asan’ny Apostoly 9

Rehefa manao ny sitrapon’ny Tompo isika dia afaka ho tonga fitaovana eo am-pelatanany.

  • Afaka mianatra fahamarinana mahery vaika mikasika ny fiovam-pon’izy ireo manokana ny mpianatra amin’ny alalan’ny fandalinana ny zavatra niainan’i Saoly, anisan’izany ilay fahamarinana hoe afaka mibebaka sy miova ny tsirairay raha manam-piniavana. Azonao asaina ireo mpianatra hampitaha ny zavatra niainan’i Saoly amin’ny an’i Almà (jereo ny Môsià 17:1–418; 26:15–21) sy ny an’i Lamana sy Lemoela (jereo ny 1 Nefia 3:28–31). Inona avy ireo toetran’i Saoly sy Almà izay nanampy azy ireo hibebaka sy hiova? Inona avy ireo toetra izay nanakana an’i Lamana sy Lemoela tsy hiova? Inona no fitarihana tsara nananan’i Saoly sy Almà taorian’ny fiovam-pon’izy ireo? Inona avy ireo hafatra hitantsika ho an’ny fiainantsika manokana avy amin’ireo tantara ireo?

  • Mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra ny traikefan’i Saoly eo amin’ny tenan’izy ireo, dia afaka manasa mpianatra vitsivitsy ianao hiomana hizara ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’ny fizarana tsirairay ao amin’ny lahatenin’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe “Miandry eny amin’ilay lalana mankany Damaskosy” (Liahona, mey 2011, 70–77). Ahoana no fomba iandrasantsika eo amin’ny lalantsika manokana mankany Damaskosy indraindray? Araka ny voalazan’ny Filoha Uchtdorf, inona no zavatra afaka manampy antsika handre kokoa ny feon’ Andriamanitra ? Mba hanentanana ireo mpianatra hanaraka ny ohatra nasehon’i Saoly sy hanontany ny Tompo hoe: “Inona no tianao hataoko?” dia mifanakaloza hevitra mikasika ny traikefan’ny Filoha Thomas S. Monson hita ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Mety afaka hizara ny zavatra niainan’izy ireo ny mpianatra mikasika ny fikatsahana sy fanarahana ny sitrapon’ Andriamanitra.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hanentanana ireo mpianatra hamaky ny Asan’ny Apostoly 10–15 mandritra ny herinandro ho avy, dia azonao zaraina ny sasany amin’ireo tranga mampientanentana ao amin’ireo toko ireo—ny fahavakisan’ny fonja tamim-pahagagana sy ireo misiônera izay noheverina fa andriamanitra Romana, ary ilay apôstôly notoraham-bato sy novonoina ho faty—dia velona indray avy eo.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Asan’ny Apostoly 6–9

“Inona no tianao hataoko?”

Rehefa nanatrika fivoriamben’ny tsatòka iray ny Filoha Thomas S. Monson, dia nanontany azy ilay filohan’ny tsatòka raha toa izy ka afaka hamangy zazavavy kely 10 taona iray antsoina hoe Christal Methvin, izay efa ho fatin’ny homamiadana. Ny fianakavian’io zazavavy io dia mipetraka 129 km avy eo amin’ilay toerana nanaovana ilay fihaonambe. Nizara izao manaraka izao ny Filoha Monson:

“Nojereko ny fandaharam-potoan’ny fivoriana. … Tena tsisy fotoana malalaka tsotra izao. Nisy soso-kevitra hafa tonga tao an-tsaina. Tsy azontsika atao ve ny mahatsiaro ilay zazavavikely ao amin’ny vavaka ampahibemaso mandritra ny fihaonambe? …

“… [Nandritra ny iray tamin’ireo fivoriana] raha nandamina ireo taratasiko aho hiomana ho eo amin’ny polipitra dia indro nahare feo niresaka tamin’ny fanahiko. Hafatra fohy izany ary teny tsy vaovao tamiko: -Avelao ny zaza hanatona ahy, ary aza raràna: fa an’ny toa azy ny fanjakan’ Andriamanitra.” (Marka 10:14.) Lasa nanjavozavo ny zavatra voasoratro. Nitodika tany amin’ny zazavavy kely iray nila tsodrano ny saiko. Tapaka ny hevitra. Novaina ny fandaharam-potoan’ny fivoriana. …

“… [Tao an-tranon’ny Methvin,] dia nobanjiniko ilay zazakely izay narary mafy tsy afa-nitsangana—reraka mafy nila tsy afa-niteny. Nampahajamba azy ny aretiny. Nahery vaika ny fahatsapako ny Fanahy hany ka tafandohalika aho, noraisiko ny tanany malefaka, ary niteny tsotra fotsiny aho hoe, -Christal, inty aho.- Nosokafany ny vavany ary hoy izy nibitsibitsika, -Rahalahy Monson, fantatro hoe ho avy ianao.” (“The Faith of a Child,” Ensign, nôv. 1975, 20–22).

Taona maro taty aoriana dia nozarain’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf io tantara io ary nanasa antsika izy “hiezaka ny ho anisan’ireo izay azon’ny Tompo itokisana mba hihaino ny bitsibitsiny sy hamaly toy ny nataon’i Saoly teny amin’ny lalany ho any Damaskosy hoe “Inona no tianao hataoko Tompo?’” (“Miandry eny amin’ilay lalana mankany Damaskosy,” Liahona, mey 2011, 75).

Manatsara ny fampianarantsika

Tariho ireo mpianatrao. Amin’ny maha mpampianatra anao dia afaka mitarika ireo mpianatrao ianao amin’ny alalan’ny soratra masina, toy ny nitarihan’i Filipo an’ilay lehilahy Etiopiana tamin’ny alalan’ny fampianarana azy avy tao amin’ny Isaia (jereo ny Asan’ny Apostoly 8:26–37). Mba hahafahana manao izany dia tsy maintsy “mikatsaka ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana” (FF 109:7) ianao.  Ny fahalalana izay azonao dia afaka ny ho hery feno tanjaka hoentina manampy ny mpianatrao hanana faniriana hitady samirery ny fahamarinana ary hiaina izany.