Avia, hanaraka Ahy
22–28 jolay. Asan’ny Apostoly 16–21: -Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara-


“22–28 jolay. Asan’ny Apostoly 16–21: -Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“22–28 jolay. Asan’ny Apostoly 16–21,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
i Paoly teo Areopago

22–28 jolay.

Asan’ny Apostoly 16–21

“Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara”

Alohan’ny hijerena ity rindran-damina ity dia vakio amim-bavaka ny Asan’ny Apostoly 16–21 ka tsarovy ao an-saina ireo mpianatrao. Ireto hevitra manaraka ireo dia afaka manampy ny fitaomam-panahy voarainao avy amin’ny Fanahy.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Asao ny mpianatra hizara andian-tsoratra masina avy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 16–21 izay mampahatsiahy azy ireo ny zavatra iray niainany rehefa nizara ny filazantsara.

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Asan’ny Apostoly 16–21

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy isika sy mizara ny filazantsarany.

  • Koa satria ny Asan’ny Apostoly 16–21 dia mitantara ny roa amin’ireo dia fitoriana filazantsara nataon’i Paoly, dia mety ho afaka ny hianatra avy amin’ireo toko ireo ny fomba hijoroana ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy sy hizarana amim-pahombiazana ny filazantsarany ny mpianatra. Mba hitarihana ny mpianatra hifanakalo hevitra momba io lohahevitra io dia azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy hivonona hizara hevi-baovao azon’izy ireo avy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 16–21 mikasika ny fizarana ny filazantsara. Mba ho lalina kokoa ny fifanakalozan-kevitra dia afaka mizara teny nambara avy amin’ny lahateny tamin’ny fihaonambe vao haingana mikasika ny asa fitoriana izy ireo. Afaka mitady hafatra iray samirery izy ireo, na azonao atao ny manolotra ny iray amin’ireo hafatra ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”

  • Hafatra iray manan-danja ao amin’ireo toko ireo ny anjara asa manan-danjan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fizarana ny filazantsara. Ohatra, afaka mamantatra ny fomba nanampian’ny Fanahy Masina an’i Paoly si i Silasy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 16:6–15 ny mpianatra. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mamaky ny 2 Nefia 33:1 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:14 ary mizara ireo fahamarinana hitany mikasika ny maha-zava-dehibe ny fananana ny Fanahy rehefa mizara ny filazantsara (jereo koa ny teny nambaran’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”). Azon’ny mpianatra atao tsara ny mizara zavatra niainana tamin’ny nitarihan’ny Fanahy Masina ny ezaka nataon’izy ireo hizara ny filazantsara. Inona avy ireo zavatra niainantsika tamin’ny fizarana ny filazantsara tamin’ny olona iray izay nampihaonin’ny Tompo tamintsika? (jereo koa ny Torio ny Filazantsarako, 4–5).

  • Ahoana no fomba ahafahanao mampiasa ny zavatra niainan’i Paoly mba hanampiana ny mpianatrao hanana herim-po rehefa taomin’ny Fanahy hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany izy ireo? Iaraho mijery ireo tantara ao amin’ny soratra masina izay mitantara momba an’i Paoly mijoro ho vavolombelona, toy ny zavatra niainany tao Makedonia (jereo ny Asan’ny Apostoly 16:19–34), sy tany Atena (jereo ny Asan’ny Apostoly 17:16–34), ary tao Korinto (jereo ny Asan’ny Apostoly 18:1–11). Inona no porofo hitantsika izay maneho ny herim-po sy ny fahasahian’i Paoly? Inona no fotopampianarana nampianarin’i Paoly (sy takany) ka nanome azy fatokian-tena tao anatin’ny hafany? Nahoana isika indraindray no matahotra hizara ny filazantsara, ary ahoana no hahafahantsika mandresy izany tahotra izany? Azo atao angamba ny manasa ny misiônera manompo amin’ny fotoana feno hitsidika ny kilasinao ary hizara ny fomba nahazoany herim-po hijoroana ho vavolombelona. Amporisiho ny mpianatra hieritreritra fomba iray izay azon’izy ireo hanarahana ny ohatra nasehon’i Paoly sy hanana herim-po bebe kokoa eo amin’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Kristy.

Asan’ny Apostoly 17:16–34

Terak’ Andriamanitra isika.

  • Tao Areopago i Paoly dia nampianatra momba ny Ray any An-danitra tamin’ny andian’olona zara raha nahafantatra mikasika ny toetoetran’ Andriamanitra marina. Mba hamakafakana ireo fampianarana ireo dia afaka mamaky ny Asan’ny Apostoly 17:24–31 ny mpianatra ary manoratra eny amin’ny solaitrabe ireo fahamarinana hitany momba ny Ray any An-danitra, sy ny rohim-pihavanantsika Aminy, ary ny rohim-pihavanana misy eo amintsika samy isika. Inona no zavatra niainana izay azon’ireo mpianatra zaraina ka nahatsapan’izy ireo ny fahamarinan’ny teny nambaran’i Paoly hoe Andriamanitra dia “tsy mba lavitra antsika rehetra”? (andininy 27).

  • Rehefa miara-mamakafaka ireo andininy ireo ianareo dia hifanakalozy hevitra ilay fahamarinana ampianarina ao amin’ny andininy 29 hoe “terak’ Andriamanitra isika,” izay midika hoe rain’ny fanahitsika ara-bakiteny ny Ray any An-danitra. Mba hanaovana izany dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny hoe Satria zanak’ Andriamanitra isika sy ny hoe Raha tsy fantatsika fa zanak’ Andriamanitra isika. Asao ny mpianatra hanolotra hevitra hamenoana ireo fehezan-teny ireo. Ohatra, mampianatra inona antsika momba an’ Andriamanitra sy momba ny tenantsika ary momba ny fomba tokony hifampitondrantsika ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika? Mety ho hafa manao ahoana ny fiainantsika raha tsy nahafantatra ny rohim-pihavanana marina misy eo amintsika sy Andriamanitra isika? Izany dia mety hitarika ho amin’ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny fomba ahafahantsika manampy ny hafa hahatakatra fa zanak’ Andriamanitra izy ireo. Ny teny nambaran’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” koa dia azo hanamafisana io fifanakalozan-kevitra io.

Asan’ny Apostoly 19:1–7

Ny batisa dia tsy maintsy arahan’ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina.

  • Ny Asan’ny Apostoly 19 dia soratra masina tsara hanantitranterana ny maha-zava-dehibe ny handraisana antsika ho mpikambana aorian’ny nanaovana batisa antsika. Zarao ity teny nambaran’ny Mpaminany Joseph Smith ity: “Ny batisan’ny rano dia antsasaky ny batisa ihany, ary tsy misy dikany raha tsy misy an’ilay antsasany hafa—dia ny batisan’ny Fanahy Masina” (Enseignements des Présidents de l’Église: Joseph Smith, 2007], 97). Ahoana no hanamafisan’ny fampianaran’i Paoly ao amin’ny Asan’ny Apostoly 19:1–7 ny teny nambaran’i Joseph Smith? Afaka mahazo tombony ihany koa ny mpianatra amin’ny famakafakana ny “Fanomezana ny Fanahy Masina” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina mba hianarana misimisy kokoa mikasika ny fitahiana azo avy amin’ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina.

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Mba hamporisihana ny mpianatra hamaky ny Asan’ny Apostoly 22–28 mandritra ny herinandro manaraka, dia ametraho fanontaniana tahatahaka izao izy ireo: “Raha nanana fahafahana ianao ny hiresaka momba ny filazantsara amin’ny mpitarika ny firenentsika dia inona no holazainao? Lazao azy ireo fa ho fantany ao amin’ny Asan’ny Apostoly 22–28 ny zavatra nolazain’i Paoly tamin’ny sasany tamin’ireo mpitarika manam-pahefana indrindra tamin’ny androny.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Asan’ny Apostoly 16–21

Hafatra momba ny asa fitoriana.

Zanak’Andriamanitra daholo isika.

Ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao” dia mizara fahamarinana mandrakizay momba ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra: “Ny olombelona rehetra—na lahy na vavy—dia nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra. Ny tsirairay dia fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra, ary araka izany, ny tsirairay dia samy manana toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra” (Liahona, nôv. 2010, 129).

Ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka momba ny maha-zava-dehibe ny fahitantsika ny tenantsika voalohany indrindra ho toy ny fanahy zanak’ Andriamanitra:

“Mitandrema amin’ny fomba hamaritanareo ny tenanareo. Aza mamaritra ny tenanareo amin’ireo toetra tsy maharitra. Ny hany toetra tokana tokony hamaritra antsika dia ny hoe zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra isika. Izany fahamarinana izany dia ambony lavitra noho ireo toetra rehetra, tafiditra ao anatin’izany ny na ny volon-koditra, na ny asa atao, na ireo toetoetra ara-batana, na ny voninahitra, na ny fivavahana arahana aza. …

“Manana ny fahafahantsika misafidy isika, ary afaka misafidy izay toetra hamaritana antsika. Kanefa mila mahafantatra isika fa rehefa misafidy ny hamaritra ny tenantsika na hampahafantatra ny tenantsika amin’ny alalan’ny toetra sasantsasany izay tsy maharitra na tsy manan-danja, dia manamaivan-danja ny zavatra tena manan-danja momba antsika, ary manindrahindra be loatra ny zavatra izay tsy dia tena manan-danja. Afaka hitarika antsika ho eo amin’ny lalana diso izany ary hanohintohina ny fivoarantsika mandrakizay” (“Be Wise” [Brigham Young University–Idaho devotional, nôv. 7, 2006], byui.edu).

Manatsara ny fampianarantsika

Asao ny tanora handray anjara amin’ny lesona ampianarinao. Raha mampianatra zatovo ianao, dia tsarovy fa matetika izy ireo no afaka mahatakatra ny zavatra izay lalovan’ireo namany. Rehefa mijoro ho vavolombelona ny tanora iray na mampianatra fotopampianarana, dia mety ho voakasika amin’ny fomba izay tsy ho azonao tahafana ireo tanora hafa. Omeo fahafahana ireo zatovo hifampianatra. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 28.)