Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Môrôna 10:4–5—“Amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra”


“Fifehezana fotopampianarana: Môrônia 10:4–5—‘Amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: Môrônia 10:4–5,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Fifehezana fotopampianarana: Môrônia 10:4–5

“Amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra”

Sary
zatovolahy iray mivavaka

Tamin’ny fandalinanareo ny Môrônia 10:1–7, dia nianatra ianao fa raha manontany an’ Andriamanitra amin-kitsimpo sy tena finiavana ary finoana an’i Kristy isika, dia afaka mahafantatra amin’ny alalan’ny herin’ny fanahy Masina fa marina ny Bokin’i Môrmôna. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanao tsianjery ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ao amin’ny Môrônia 10:4–5, sy hanazava ny fotopampianarana ary hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Ianaro tsianjery sy hazavao

Mizàra mitadidy ity andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ity amin’ny alalan’ny fitadidiana tsirairay ny tsirairay amin’ireto fizaràna manaraka ireto. Rehefa avy manao izany, dia miezaha mamerina ny andian-teny sy andinin-tsoratra masina manontolo tsy ankijery. Mizàra mamerimberina ity andian-teny sy andinin-tsoratra masina ity imbetsaka mandritra ny andro.

  • Môrônia 10:4–5

  • “Manontany amin-kitsimpo,

  • omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy. …

  • Mampianatra amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.

  • Azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.”

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ity fanontaniana manaraka ity.

    • Inona no azon’ny olona iray atao mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona fa marina ny Bokin’i Môrmôna?

Fampiharana hanazaran-tena

Makà minitra vitsy hamerenana mijery ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny alalan’ny famakiana ny andiam-pehezanteny 5–12 ao amin’ny fizaràna hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023).

  • Inona no fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy manan-danja indrindra aminao? Nahoana?

Alaovy sary an-tsaina hoe avoaka ao amin’ny fizaràna hoe “Fanontaniana sy Valiny” ao amin’ny gazetiboky Ho zatovo mahery! ity toe-javatra manaraka ity. Mba hahitana ohatra dia mijere famoahana vao haingana ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • “Mpikambana tao amin’ny Fiangonana aho tamin’ny ankabeazan’ny fiainako. Miezaka mitandrina ny didy, mamaky ny soratra masiko, mivavaka ary mandeha miangona aho. Maheno olon-kafa mizara ny traikefan’izy ireo momba ny fahatongavana amin’ny fahalalana fa marina ny Bokin’i Môrmôna aho. Nahoana no tsy nomen’ Andriamanitra karazana traikefa toy izany aho?”

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto.

    • Inona no fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy harosonao hoeritreretin’io olona io voalohany? Nahoana?

    • Ahoana no mety hahafahan’ilay fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Môrônia 10:4–5 manampy anao hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’io toe-javatra io?

Ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka manampy anao hieritreritra ny fomba ahafahan’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy manampy ny olona iray ao amin’io toe-javatra io.

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

  • Inona no teny na andian-teny ao amin’ny Môrônia 10:4–5 hamporisihanao mba hohalalinina sy ho takatr’io olona io bebe kokoa? Nahoana?

  • Inona avy no loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra izay afaka manampy io olona io hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna?

Manao asa amim-pinoana

  • Hanao ahoana raha ampiharina ny sasany amin’ny fanasan’i Môrônia ao amin’ny Môrônia 10:4–5 amin’io toe-javatra io? Ahoana no ifandraisan’ireo amin’ny fanaovana asa amim-pinoana?

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

  • Inona no fahamarinana momba an’ Andriamanitra, sy ny fomba ifandraisany amin’ny zanany ary ny fomba fijeriny, afaka manampy olona iray ao amin’io toe-javatra io?

  1. Valio ity fanontaniana manaraka ity.

    • Ahoana no ahafahanao mampiasa ny fotopampianarana ampianaina ao amin’ny Môrônia 10:4–5 mba hanampiana amina fanontaniana hafa tsy mifandray amin’ny Bokin’i Môrmôna?