Seminera
Môrônia 10:1–7: Mandray ny fijoroana ho vavolombelonao manokana momba ny Bokin’i Môrmôna


“Môrônia 10:1–7: Mandray ny fijoroana ho vavolombelonao manokana momba ny Bokin’i Môrmôna,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Môrônia 10:1–7,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Môrônia 10:1–7

Mandray ny fijoroana ho vavolombelonao manokana momba ny Bokin’i Môrmôna

Sary
zatovo mamaky ny Bokin’i Môrmôna

Nahatsapa fahatsapana na fihetseham-po avy amin’ny Fanahy ve ianao fa marina ny Bokin’i Môrmôna? Raha toa ka izany, inona no zavatra niainana na asa natao nanampy anao hahazo izany? Ao amin’ny sasany amin’ny zavatra nosoratany farany, i Môrônia dia nanantitrantitra fa Andriamanitra no loharanon’ny fahamarinana rehetra. Amin’ny alalan’ Andriamanitra, isika dia afaka mandray fijoroana ho vavolombelona manokana momba ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna, sy ny fisian’i Jesoa Kristy marina ary “ny fahamarinan’ny zavatra rehetra” “amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina” (Môrônia 10:5). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahalala amin’ny tenanao manokana fa marina ny Bokin’i Môrmôna.

Fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna

Eritrereto hoe iza amin’ireto fanambarana ireto no takatrao indrindra tamin’ny fotoana nanombohanao nandalina ny Bokin’i Môrmôna:

  • Tsy azoko antoka hoe fantatro fa marina ny Bokin’i Môrmôna.

  • Atokisako ny hafa izay nilaza tamiko fa marina ny Bokin’i Môrmôna.

  • Nahatsapa fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina aho fa marina ny Bokin’i Môrmôna.

Diniho ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Bokin’i Môrmôna amin’izao fotoana izao. Rehefa mandalina ianao, dia eritrereto ny dingana manaraka hampanaovin’ny Tompo anao mba hahazoana, sy hampitomboana ary hijanonana ho mafy amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao.

Ny famporisihan’i Môrônia

Rehefa avy nirakitra an-tsoratra ireo fampianaran-drainy i Môrônia, dia nampianatra ny fomba ahafahan’ny olona rehetra mahafantatra amin’ny tenany manokana fa marina ny Bokin’i Môrmôna.

Vakio ny Môrônia 10:3–5 ary hevero ny hanisy marika ny zavatra nolazain’i Môrônia momba ny fomba ahafahantsika mahafantatra ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna. Mety ho azonao heverina ihany koa ny hijery ilay horonantsary hoe “Manasa ny rehetra hanatona an’i Kristy i Môrônia” manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 4:39 hatramin’ny 5:32, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Ny Môrônia 10:4–5 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Ao amin’ny lesona manaraka ianao dia hanana fahafahana hanazatra tena hampihatra ny fotopampianarana nampianarina tao amin’io andininy io amina fanontaniana na toe-java-misy iray.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ny fanontaniana eo ambanin’ny roa amin’ireto lohateny telo manaraka ireto.

Vakio ny Bokin’ i Môrmôna

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nilazalaza ny sasany amin’ireo fitahiana azontsika raisina amin’ny alalan’ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna. Eritrereto ny mety ho niainanao ireo fitahiana ireo rehefa nandalina azy io ianao.

Mampanantena anareo aho fa rehefa mandalina ombam-bavaka ny Bokin’i Môrmôna isan’andro ianareo dia handray fanapahan-kevitra tsara kokoa ianareo, isan’andro. Mampanantena aho fa rehefa misaintsaina ny zavatra halalininareo ianareo dia hisokatra ny varavaran’ny lanitra, ka handray ny valin’ny fanontanianareo sy torolalana ho an’ny fiainanareo ianareo. (Russell M. Nelson, “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?,” Liahona, nôv. 2017, 62–63)

  • Efa nisy niainanao ve ireo fitahiana izay nampanantenain’ny Filoha Nelson an’ireo izay mandalina ny Bokin’i Môrmôna?

Ny fahafantarana ireo fitahiana izay tonga avy amin’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna dia afaka manamafy fa marina izy io ary avy amin’ Andriamanitra.

Saintsaino ny famindrampon’ny Tompo

  • Inona no ohatra ara-tsoratra masina sasantsasany amin’ny olona nandray ny famindram-pon’ny Tompo? Mety ho afaka mijery vitsivitsy ianao, tahaka an’i Nefia (2 Nefia 4:20–25), i Almà Zanany (Almà 36:17–21), na ny Nefita nositranin’ny Mpamonjy nandritra ny fitsidihany (3 Nefia 17:6–9).

  • Inona avy no ohatra sasantsasany amin’ny famindrampon’ny Tompo eo amin’ny fiainanao na ny fiainan’ny olona iray fantatrao?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no afaka manampy anao handray fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny fisaintsainana ny famindram-pon’ny Tompo?

Manontany an’Andriamanitra amim-kitsimpo sy amin’ny tena finiavana ary finoana an’i Kristy

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe manontany an’ Andriamanitra amin-kitsimpo? Amin’ny tena finiavana? Miaraka amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy (Môrônia 10:4)? Raha mila fanampiana ianao amin’ny famaliana izany, dia vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:10–17, hitadiavana ny fomba niantomoran’i Joseph Smith tanora ny vavaka nataony tamin-kitsimpo, sy tena finiavana, ary finoana an’i Kristy. (Fanamarihana: Ny andian-teny hoe tena finiavana dia midika fa raha vao maharay valiny iray amin’ireo vavakao ianao, dia hanao asa amin-kitsimpo amin’ilay fanambarana noraisinao.)

  • Ahoana no ahafahan’ny fanaovana izany manampy antsika handray fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna amin’ny alalan’ny Fanahy Masina?

Ny fijoroana ho vavolombelona ananako manokana momba ny Bokin’i Môrmôna

Ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nizara ny zavatra niainany tamin’ny fampiharana ny tanjon’i Môrônia. Vakio ity fanambarana manaraka ity na jereo ilay horonatsary “Vavolombelona velona” manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 13:51 hatramin’ny 14:31, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Manantena aho fa efa nanandrana izany fampanantenana izany ho an’ny tenanareo manokana daholo ianareo na hanao izany ato ho ato. Mety tsy ho amin’ny alalan’ny zavatra iainana ara-panahy izay miseho indray mandeha sy mahery vaika ny valin’izany. Ho ahy dia tamin’ny fomba mangingina no nahatongavan’izany tamin’ny voalohany. Kanefa nihanahery ny fahatongavan’izany isaky ny namaky sy nivavaka mikasika ny Bokin’i Môrmôna aho.

Tsy miantehitra fotsiny amin’ny zavatra nitranga tamin’ny fotoana lasa aho. Mba hiarovako ny fitomboan’ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba ny Bokin’i Môrmôna, dia mandray matetika ilay fampanantenan’i Môrônia aho. Tsy raisiko ho fitahiana mandeha ho azy toy ny fanomezana voaray mandrakizay izany hoe fahazoana fijoroana ho vavolombelona izany. (Henry B. Eyring, “Fijoroana ho vavolombelona Mitombo,” Ensign na Liahona, mey 2011, 127)

  1. Valio farafahakeliny ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Ahoana no ahafahan’ny tenin’ny Filoha Eyring mihatra amintsika na impiry na impiry amakiantsika ny Bokin’i Môrmôna?

    • Amin’ny fomba ahoana no mety hijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona amintsika ny amin’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna?

    • Ahoana no ahafahan’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna manamafy orina ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy ny fijoroanao ho vavolombelona momba Azy Ireo?

Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny zavatra azonao atao hampiharana ireo fitsipika ampianarina ao amin’ny Môrônia 10:3–5. Eritrereto ny fomba ahafahanao manohy mandalina ny Bokin’i Môrmôna, misaintsaina ny famindrampon’ny Tompo, ary mangataka fijoroana ho vavolombelona amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Aiza ary rahoviana no hanaovanao ireo zavatra ireo? Ahoana no mety hamalian’ny Tompo ny vavakao?