Seminera
Etera 2: “Notarihin’ny tanan’ny Tompo lalandava”


“Etera 2: ‘Notarihin’ny tanan’ny Tompo lalandava,’” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Etera 2,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Etera 2

“Notarihin’ny tanan’ny Tompo lalandava”

Sary
Ny tanana mitariky ny Mpamonjy

Efa niatrika fanapahan-kevitra sarotra na olana ve ianao ary sahiran-tsaina momba ny zavatra tokony hatao? Rehefa nanamboatra sambo hiampitana ny ranomasimbe ny rahalahin’i Jareda sy ny olony, dia nifanena tamina olana lehibe maromaro izy ireo. Nanao asa tamim-pinoana ny tompo ny rahalahin’i Jareda ary nikatsaka ny fitarihany tamin’ny zava-tsarotra tsirairay. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahafantatra ny fomba fikatsahana ny fanampian’ny Tompo amin’ny famahana ny olanao.

Olana sy fanapahan-kevitra

Alaovy sary an-tsaina hoe misy olona iray ao amin’ny tambajotran-tserasera nanao lisitry ny zavatra heveriny ho olana sy rarin-tsaina telo voalohany mateti-pitranga indrindra atrehin’ny zatovo ankehitriny. Io olona io dia nitanisa ireto manaraka ireto:

  • Tsindry mba hahay any am-pianarana

  • Fifandraisana amin’ny namana

  • Fanaovana drafitra ho an’ny hoavy

  • Miombon-kevitra amin’ny safidin’io olona io ve ianao? Nahoana, na nahoana no tsia?

  • Olana na rarin-tsaina hafa inona no mety hampidirinao ao amin’ilay lisitra? Nahoana?

Makà fotoana hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no rarin-tsaina sy olanao lehibe inrindra?

  • Mikatsaka ny fanampian’ny Tompo amin’izy ireny ve ianao? Amin’ny fomba ahoana?

  • Ahoana ny fatokianao fa afaka mandresy ny rarin-tsaina sy olanao amin’ny fanampian’ny Tompo ianao?

Misafidiana iray amin’ireo olana na fanapahan-kevitra noeritreretinao ka ilanao ny fanampian’ny Tompo. Rehefa mandalina ianao, dia mikatsaha fahamarinana izay afaka mitarika anao handray fanampiana avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amn’ny olana na fanapahan-kevitra nosafidinao.

Miomana ho amin’ny fanampian’ny Tompo

Nanaraka ny fitarihan’ny Tompo ny Jaredita ary nanamboatra sambo “nitany rano maro” (Etera 2:6) mandra-pahatongan’izy ireo teo amoron’ny “ranomasina lehibe” (Etera 2:13). Avy eo dia nandidy azy ireo hanamboatra sambo indray ny Tompo “araka ny fomban’ny sambofiara izay efa namboarin’[izy ireo] hatrizao” (Etera 2:16) mba hiampitana ny “ranomasina lehibe” ho any amin’ilay tany nampanantenaina. Tojo zava-tsarotra goavana maro ny rahalahin’i Jareda rehefa nikatsaka ny hanaraka ny toromariky ny Tompo tamina dia lavitra toy izany.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Mamoròna tabilao iray tahaka ity anankiray manaraka ity ao amin’ny diary fandalinanao. Vakio ny Etera 2:16–25; 3:1, 4, 6 ary ampidiro ny valiny hitanao. Mariho ireo fomba samy hafa namalian’ny Tompo ny rahalahin’i Jareda.

Inona no nataon’ny rahalahin’i Jareda sy ny olony?

Inona no fanontaniana na fanahiana nananan’ny rahalahin’i Jareda?

Ahoana no namalian’ny Tompo ny fanontaniany?

  • Ahoana no mety hiharan’ireo andininy ireo amin’ny fiainantsika?

Fitsipika iray azontsika ianarana ny hoe rehefa miantso ny Ray any An-danitra am-bavaka isika ary manao ny anjarantsika mba hamahana ny olantsika, dia afaka mahazo ny fanampian’ny Tompo.

  • Inona avy no fomba samy hafa amalian’ny Tompo ireo fanontanian’ny rahalahin’i Jareda? (Jereo ny Etera 2:19–23.)

Araka ny hevitry ny Filoha Harold B. Lee (1899–1973), ny fanontanian’ny Tompo ao amin’ny Etera 2:23, hoe “Inona no tianao hataoko mba hanananareo hazavana ao amin’ny sambonareo?,” dia nitovitovy tamin’ny fitenenana ity manaraka ity:

“Inona no arosonao hoe tokony hataontsika mba hananana hazavana?” …

… Ohatra ireny hoe niteny taminy ireny ny Tompo hoe, “Indro, nomeko saina hieritreretana ianao, ary nomeko fahafaha-misafidy hampiasana izany. Ataovy amin’izay izay azonao atao hanampiana ny tenanao amin’io olana io; ary avy eo, rehefa vitanao izay azonao atao, dia hiditra hanampy anao Aho.” …

… Raha mila fitahiana ianao, dia aza mandohalika sy mivavaka momba izany fotsiny. Miomàna amin’ny fomba azo eritreretina rehetra azonao atao mba hahatonga ny tenanao ho mendrika handray ny fitahiana katsahinao. (Harold B. Lee, Stand Ye in Holy Places [1974], 243–44)

  • Nahoana no mety hanome tari-dalana manokana ny Tompo amina toe-javatra sasantsasany nefa amin’ny fotoana hafa dia tiany handroso vahaolana sy hikatsaka ny fanampiany hamahana ny olantsika isika?

  • Nahoana no mety hila ny eritreritra sy ezaka ataontsika miaraka amin’ny vavaka ataontsika ny Tompo?

  • Ahoana no mety hahafahan’ny fomba amalian’ny Tompo ny fanontaniantsika manampy antsika hitombo?

  1. Vitao ireto manaraka ireto:

    Mba hanampiana anao hisaintsaina ny fomba mety hiharan’io fitsipika io amin’izao androntsika izao, dia manaova iray amin’ireto sahanasa manaraka ireto:

    1. Manorata momba ny fomba namalian’ny Tompo anao na olona iray fantatrao tamina torolalana manokana hamahana olana iray na ny fomba nilany anao handroso vahaolana sy hikatsaka ny fitahiany. Raketo ny zavatra nianaranao avy tamin’ilay zavatra niainana.

    2. Fanteno izay heverinao fa iray amin’ireo olana na rarin-tsaina mateti-pitranga indrindra amin’ny zatovo ankehitriny. Eritrereto ny zavatra azon’ny olona iray atao mba handresena io olana io sy ny fomba mety hikatsahany ny fanampian’ny Tompo.

Fampiharana ataon’ny tena manokana

Hevero ilay olana na fanapahan-kevitra nosafidinao tany am-piandohan’ny lesona. Ampidiro ao amin’ny tabilaonao ireto manaraka ireto:

Inona no nataoko na azoko natao mba hamahana na handresena ny olako?

Inona no fanontaniana na fanahiana ananako ka azoko entina eo amin’ny Tompo?

Amin’ny fomba ahoana no mety hahafahan’ny Tompo manampy na mamaly ahy?

Katsaho ny fanampian’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hahafantarana ny zavatra tokony hataonao. Tsarovy ny zavatra fantatrao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ka manome anao fatokiana hikatsaka ny fanampian’ Izy Ireo.