Seminera
3 Nefia 11:12–17: “Mankanesa aty Amiko”


“3 Nefia 11:12–17: Mankanesa aty Amiko,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“3 Nefia 11:12–17,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

3 Nefia 11:12–17

“Mankanesa aty Amiko”

Sary
Asehon’i Jesoa Kristy an’ilay vehivavy Nefita ny ratra tamin’ny tanany

Rehefa avy nampahafantarina amin’ny maha-Zanaka Malalan’ny Ray any An-danitra Azy i Jesoa Kristy, dia nanasa ny vahoaka Izy hanatri-maso fa efa novonoina noho ny fahotan’izao tontolo izao Izy. Nanatona Azy tsirairay izy ireo ary nitsapa ny holatra teo amin’ny lanivoany sy ny diam-pantsika teo amin’ny tanany sy ny tongony. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahazo na hanatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa nijaly sy maty ho anao i Jesoa Kristy.

Raiso an-tanana ny fijoroana ho vavolombelona anananao

Eritrereto ny fomba iharan’ity fanasana manaraka avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson ity aminao.

Miangavy anareo aho mba handray an-tanana ny fanananareo fijoroana ho vavolombelona. Miasà ho an’izany. Mandraisa andraikitra mahakasika izany. Karakarao izany. Kolokoloy izany mba hitomboany. Fahano fahamarinana izany. Aza mandoto izany amin’ny filôzôfia sandoka ataon’ny lehilahy sy vehivavy tsy mino ary avy eo manontany tena hoe nahoana no mihalefy ny fijoroana ho vavolombelona ao anatinareo. (Russell M. Nelson, “Safidy ho an’ny Mandrakizay” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony, 15 mey, 2022], ChurchofJesusChrist.org)

  • Nahoana, araka ny eritreritrao, no manan-danja amin’ny olona tsirairay ny “mandray an-tanana” ny fijoroana ho vavolombelona ananany?

Iray amin’ireo fahamarinana manan-danja indrindra azontsika ananana fijoroana ho vavolombelona ny hoe i Jesoa Kristy no Zanak’ Andriamanatra sy Mpamonjy izao tontolo izao. Saintsaino hoe nahoana no mila mahafantatra izany momba Azy ny olona. Azonao atao ny mandalina ny Jaona 14:6 sy ny Môzià 3:17 mba hanampy anao hahita ny sasany amin’ireo antony ireo.

Makà fotoana hanombanana ny finoanao sy ny fahatsapanao momba an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny famaliana ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinanao:

  • Tsapanao ve fa manana fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy amin’ny maha Zanak’ Andriamanitra sy Mpamonjy izao tontolo izao Azy ianao?

  • Inona no nanampy anao mba hahatsapa ny zavatra tsapanao momba ny Mpamonjy?

Anio ianao dia handalina fifaneraserana masina nananan’i Jesoa Kristy tamin’ny Nefita. Rehefa mandalina ianao, dia eritrereto ny zavatra azonao atao mba hahazoana na hanatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy.

Nanasa ny Nefita hitsapa ny holatry ny ratrany i Jesoa Kristy

Sary
I Jesoa Kristy niseho tamin’ny Nefita teo amin’ny tempolin’i Soafeno

Tsarovy fa raha mbola niangona tany amin’ny tanin’i Soafeno ny andiana Nefita, dia nidina avy any an-danitra ilay Tompo efa Nitsangana tamin’ny maty. Nambarany fa Izy no Jesoa Kristy ary nanome voninahitra ny Ray tamin’ny alalan’ny fijaliany noho ny fahotan’izao tontolo izao Izy (jereo ny 3 Nefia 11:1–11). Ny vahoaka dia nahitana lehilahy sy vehivavy ary ankizy, niisa teo ho eo amin’ny olona 2500 teo (jereo ny 3 Nefia 17:25).

Vakio ny 3 Nefia 11:12–15, hitadiavana ny fanasana voalohany nataon’ny Tompo efa Nitsangana tamin’ny maty tamin’ny olona.  ChurchofJesusChrist.org

Rehefa mandalina ianao, dia miezaha maka sary an-tsaina ny tenanao hoe isan’ireo vahoaka. Ny fakana sary an-tsaina ireo trangan-javatra na hevitra avy ao amin’ny soratra masina dia afaka manasa ny Fanahy Masina ho eo amin’ny fandalinanao. Raketo an-tsoratra ny eritreritra sy fahatsapana rehetra izay tonga aminao rehefa mandalina sy misaintsaina ary maka sary an-tsaina ianao.

Sary
olona iray mikasika ny tanan’ny Mpamonjy
  • Inona, araka ny eritreritrao, no zavatra tsapan’ny olona rehefa nahita ny Mpamonjy izy ireo ary nifanerasera “tsirairay” Taminy? (3 Nefia 11:15).

  • Ampahany inona tamin’io tantara io no nosafidinao halaina sary an-tsaina? Inona no eritreritra sy fahatsapana vitsivitsy tonga tao aminao rehefa nanao izany ianao?

  • Inona no ampianarin’ireo andininy ireo anao momba ny fanirian’ny Mpamonjy ho an’ny tsirairay amintsika?

Ity manaraka ity dia fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’io tantara masina io: I Jesoa Kristy dia manasa ahy handray fijoroana ho vavolombelona an’ny tenako manokana fa Izy no Mpamonjy izao tontolo izao. Hevero ny hirakitra an-tsoratra io fitsipika io ao amin’ny soratra masinao na ao amin’ny diary fandalinanao.

Rehefa niresaka momba ny fanasana sy asa fanompoana manokan’ny Mpamonjy teo anivon’ny Nefita ny Eveka Gérald Caussé ao amin’ny Episkôpà Mpiahy, dia nampianatra hoe:

Io no tranga faratampony sy manan-danja indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Ny “vaovao mahafali[n’]” ny filazantsara manontolo dia voafintina ao amin’izany sarin’ny Mpamonjy maninjitra amim-pitiavana ny “sandrin’ny famindram-po[ny]” [Almà 5:33] izany, mba hanasana ny olona tsirairay hanatona Azy ary handray ireo fitahian’ny Sorompanavotany. …

… Tahaka ny nanasan’i Jesoa ny mpianatra Nefita tsirairay hitsapa ny feriny, no nahafatesany ho antsika tsirairay avy, ny isam-batan’olona, toy ny hoe izaho na ianao irery no hany olona eto an-tany. Manome fanasana manokana ho antsika Izy hanatona Azy ary hampiasa ireo fitahiana mahatalanjon’ny Sorompanavotana nataony. (Gerald Causse, “Vavolombelona velona an’ilay Kristy velona,” Liahona, mey 2020, 39–40)

  • Inona avy no fomba sasantsasany ahafahantsika mahazo ny fijoroantsika ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy izao tontolo izao?

“Hosana!”

Nisy fiantraikany lalina tamin’ny Nefita ny fifaneraseran’izy ireo manokana tamin’ny Mpamonjy.

Vakio ny 3 Nefia 11:16–17, hitadiavana ny fihetsika nasetrin’ny vahoaka taorian’ny zavatra niainan’izy ireo niaraka tamin’ny Tompo efa Nitsangana tamin’ny maty.

Mety hanampy ny fahafantarana fa ny hoe hosana dia teny hebreo midika hoe “vonjeo re” na “vonjeo re izahay.” Ampiasaina manerana ny soratra masina izany mba ho fanehoana fiderana sy fitalahoana ary zary fankalazana ny Mesia tamin’ny taona rehetra (jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Hosana,”scriptures.ChurchofJesusChrist.org.

Ireto manaraka ireto dia hanampy anao haka fotoana haneho ny fahatsapanao momba ny Mpamonjy na handalina momba ny hafa izay nizara ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba Azy.

  1. Misafidiana iray amin’ireto sahanasa manaraka ireto:

  1. Zarao amin’ny alalan’ny fanoratana taratasy any amin’ny olona iray tsapanao fa hahazo tombony amin’izany ny fijoroana ho vavolombelona manokana anananao momba an’i Jesoa Kristy.

  2. Misafidiana andininy iray ao amin’ny soratra masina na hira anaty fihirana iray izay mamaritra ny fahatsapanao momba ny hoe iza i Jesoa Kristy ary inona no nataony ho anao. Manorata fanazavana fohy momba ny antony mahatonga io andininy na hira anaty fihirana io manan-danja aminao.

  3. Manorata tononkalo na tononkira ho an’ny hira iray izay mamaritra ny fahatsapanao momba an’i Jesoa Kristy.

  4. Halalino ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny olona iray hafa momba an’i Jesoa Kristy. Fintino ny zavatra nohalalininao sy ny fahatsapana tonga tao aminao avy amin’izany tantara izany. Mety ho ohatra amin’izany ny Almà 26:1–16, 35–37 na ny “Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly” (ChurchofJesusChrist.org).