Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 11: Ianaro tsianjery sy takaro


“Famerenana fifehezana fotopampianarana 11: Ianaro tsianjery sy takaro,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Famerenana fifehezana fotopampianarana 11,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Famerenana fifehezana fotopampianarana 11

Ianaro tsianjery sy takaro

Sary
mpianatra manangan-tanana hametraka fanontaniana

Ny fianarana tsianjery ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny fanakarana ny fotopampianarana ampianarin’izy ireo dia afaka manasa ny Fanahy Masina ho eo amin’ny fiainanao sy hanampy anao ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanao tsianjery andian-teny manan-danja avy ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ary hikatsaka fahatakarana misimisy kokoa amin’ny alalan’ny fametrahana sy famaliana fanontaniana nentanin’ny Fanahy.

Ataovy tsianjery ireo toko sy andininy sy ireo andian-teny manan-danja

Ampiasao ity tabilao manaraka ity mba hamerenana ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Misafidiana andian-teny manan-danja roa hatramin’ny telo izay mbola tsy nataonao tsianjery. Soraty amina taratasy kely na ao amin’ny diary fandalinanao, eo am-panononana mafy ireo teny, ilay andalan-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja. Avereno imbetsaka io dingana io mandra-pahavitanao manonona ny andian-teny manontolo tsy an-kijery. Avy eo dia mirosoa amin’ny andalan-tsoratra masinao manaraka.

Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany sy andian-teny manan-danja

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2024)

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

1 Nefia 3:7

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:25

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:27

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Afaka izy na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay … na … ny fahababoana sy ny fahafatesana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 26:33

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 28:30

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Andriamanitra dia “hanome ny zanak’olombelona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:3

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:8–9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 2:17

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 2:41

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ireo izay mitandrina ny didin’Andriamanitra … dia tahiana amin’ny zava-drehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 3:19

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“[Esory] ny maha-olona araka ny nofo [ary tongava] olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 4:9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Minoa an’ Andriamanitra … minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 18:8–10

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Aoka hatao “batisa … amin’ny anaran’ny Tompo ho vavolombelona … fa efa nanao fanekempihavanana taminy ianareo.”

Mametraka fanontaniana entanim-panahy

Ny fanontaniana nentanim-panahy dia ampahany tena ilaina amin’ny dingana fianarana. Nandritra ny asa fanompoany tetỳ an-tany dia matetika ny Mpamonjy no nametraka fanontaniana izay nanasa ny mpianatra hieritreritra, sy hahatsapa, ary hanao zavatra araka ireo fahamarinana nampianariny (jereo ny Matio 16:13–16; Jaona 6:66–69). Angamba efa nahatsikaritra ray aman-dreny, na mpampianatra na mpitarika ao amin’ny Fiangonana nametraka fanontaniana izay nanampy anao hahatakatra tsara kokoa ny filazantsara na hampifandray ny zavatra ianaranao amin’ny fiainanao ianao. Ny fametrahana sy famaliana fanontaniana nentanim-panahy dia afaka mahatonga ny dingana fianarana ho zavatra iainana mahasarika sy manan-danja kokoa aminao.

Misy karazany maro samy hafa ny fanontaniana. Anio ianao dia hanana fahafahana hizatra hametraka sy hamaly fanontaniana nentanim-panahy mba hanampiana anao hahatakatra andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

Ireto manaraka ireto dia ohatra amin’ny karazana fanontaniana samy hafa izay azo ampiasaina rehefa mandalina ny soratra masina. Ireo fanontaniana ohatra dia mifandray amin’ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny 2 Nefia 32:8–9.

Fanontaniana hanampiana anao hahatakatra ny sahan-kevitry ny soratra masina

Fanontaniana hanampiana anao hahatakatra ny votoatiny sy hevitry ny soratra masina

Ireo fanontaniana ireo dia afaka manampy antsika hamantatra fotopampianarana sy fitsipika.

  • Inona no tian’ny mpanoratra hianarantsika?

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “mivavaka mandrakariva ka tsy reraka”? (2 Nefia 32:9).

Fanontaniana hanampiana anao hahatakatra ny fotopampianarana sy fitsipika ao amin’ny soratra masina

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny fivavahana mandrakariva miantraika amin’ny fifandraisantsika amin’ny Ray any An-danitra?

  • Inona no afaka manampy antsika hivavaka mandrakariva, na dia amin’ny fotoana tsy itiavantsika manao izany aza?

  1. Vitao ireto manaraka ireto:

    Misafidiana iray amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana eo anelanelan’ny 1 Nefia 3:7 sy ny Môzià 18:8–10. Manorata fanontaniana telo—iray isaky ny sokajy eo ambony—izay ahafahanao manontany momba ilay andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Jereo ny ohatra teo aloha raha mila fanampiana ianao. Valio ny tsirairay amin’ireo fanontaniana soratanao.

    Hevero ny handalina ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana nosafidinao miaraka amina ray aman-dreny, iray tam-po, na namana ary hangataka azy ireo hamaly ireo fanontanianao.