Seminera
Almà 10–11: “Araka ny Fanahin’ny Tompo”


“Almà 10–11: ‘Araka ny Fanahin’ny Tompo,’” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 10–11,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Almà 10–11

“Araka ny Fanahin’ny Tompo”

Sary
I Amioleka sy i Zezrôma

Efa voafitaka ve ianao? Tsaroanao ve hoe inona no fahatsapana nanananao? Rehefa nijoro ho vavolombelona tamin’ny vahoakan’i Amônihà i Almà sy i Amioleka, dia nifanehitra tamin’olona izay nampiasa fitaka nentina nanakanana azy ireo izy ireo. Nampahafantarina an’i Almà sy i Amioleka tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina io fitaka io. Ity lesona ity dia afaka manampy anao handray kokoa ny Fanahy Masina mba hahalalana ny fahamarinana sy hahafantarana ny fitaka saro-pantarin’ny fahavalo.

Mitandrema amin’ny ratsy

Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ity tantara manaraka ity izay momba ny namana iray izay niasa ho mpanao fanadihadiana ho an’ny fitondram-panjakan’i Etazonia. Tadiavo izay azonao ianarana avy amin’io zavatra niainana io momba ny fisorohana ny fitaka.

Nanao fikarohana mikasika ny fikambanana andian’olona mpanao heloka mitatitra zava-mahadomelina voararan’ny lalàna mankao Etazonia ny namako.

Indray mandeha dia nanatona trano fonenana iray izy sy ny mpiasa iray hafa izay ninoan’izy ireo fa nivarotan’ny lehilahy iray, izay fantatra fa mpivarotra zava-mahadomelina, kôkaina. Nitantara ny zava-niseho ny namako nanao hoe:

“Nandondòna ny varavaran’ilay mpivarotra zava-mahadomelina izahay. Namoha varavarana ilay noahiahiana fa olo-meloka, ary rehefa nahita anay izy dia niezaka nibahana nanakona ilay efitrano iray manontolo mba tsy ho hitanay. Saingy tara loatra izany fa efa hitanay ilay kôkaina teo ambonin’ny latabany.

“Nanomboka nanala avy hatrany ilay kôkaina ny lehilahy iray sy vehivavy iray teo amin’ilay latabatra. Tsy maintsy nanakana azy ireo tsy hanimba ny porofo izahay ka noho izany dia natosiko haingana ho eo amin’ny sisiny ilay mpivarotra zava-mahadomelina noahiahiana, izay nibahana ny varavarana. Rehefa natosiko izy dia nifanena ny masonay. Nahagaga fa tsy hita ho tezitra izy na natahotra. Nitsiky tamiko izy.

“Ny masony sy ny tsikiny izay toa nanaisotra ny maha meloka azy dia nahatonga ahy nihevitra fa tsy hanao na inona na inona aminay izy, noho izany dia navelako izy ary nanomboka nandroso nihazo ilay latabatra aho. Ao aoriako izao ilay olona noahiahiana. Tamin’izay fotoana izany dia nisy hevitra miavaka sy mahery vaika tonga tao an-tsaiko nanao hoe: -Mitandrema amin’ilay faharatsiana miafina ao ambadik’ilay maso mitsiky.-

“‘Niverina nitodika avy hatrany tany amin’ilay olona noahiahiana aho. Tao anatin’ny paosiny lehibe teo anoloana ny tanany. Nalaiko sy nosintoniko avy ao am-paosiny tsy ampim-pieritreretana ny tanany. Tamin’izay vao hitako, nofeheziny mafy tamin’ny tanany, ilay poleta semi-automatique izay efa voafahana. Zavatra maro be tao anatin’ny fotoana fohy no nitranga taorian’izay, ary noesoriko teny an-tanan’ilay lehilahy ilay fitaovam-piadiana.” (Neil L. Andersen, “Beware of the Evil behind the Smiling Eyes,” Ensign na Liahona, mey 2005, 46)

  • Inona no manan-danja aminao amin’ilay zavatra niainana nozarain’ny Loholona Andersen?

  • Inona avy no fomba mety hiezahan’i Satana mamitaka antsika ankehitriny?

Rehefa mandalina ianao anio, dia mitadiava fomba ahafahanao mahafantatra ny fitaka ka ahafahanao misoroka zavatra mety hanimba anao ara-panahy.

Ampitandremina amin’ny fitaka

Rehefa nijoro ho vavolombelona tamin’ny vahoakan’i Amônihà i Amioleka fanantsoin’ Andriamanitra izy dia gaga ny olona sasany (jereo ny Almà 10:12). Izy dia “lehilahy tsy dia kely laza” (Almà 10:4) teo anivon’ny olona, ary niaraka tamin’i Almà hijoro ho vavolombelona nanohitra azy ireo izy. Ny mpahay lalàna kinga sasantsasany dia naniry ny hamitaka an’i Almà sy i Amioleka sy hahazo vola amin’ny dingana arahina (jereo ny Almà 10:13; 11:20).

Vakio ny Almà 10:15–17, hitadiavana ny fihetsika navalin’i Amioleka ireo mpahay lalàna ireo.

  • Amin’ny lafiny inona ny fitaka no toy ny “fandrika”? (Almà 10:17).

Rehefa manohy ny fandalinanao ianao, dia tadiavo ny fomba nahafahan’i Amioleka nahafantatra ny eritreritra sy ny fandrik’ireo mpahay lalàna.

I Zezrôma, iray tamin’ireo mpahay lalàna izay “za-draharaha tamin’ny tetiky ny devoly” (Almà 11:21), dia nanao fandrika.

Vakio ny Almà 11:21–25 ka tadiavo ny fomba niezahan’i Zezrôma namitaka sy naka fanahy an’i Amioleka handà ny fisian’ Andriamanitra. Mety hanampy ny fahafantarana fa ny “aonty volafotsy enina,” (Almà 11:22) dia karaman’ny mpahay lalàna eo ho eo amin’ny enina herinandro (jereo Almà 11:3, 11–13).

  • Inona no zavatra nianaranao avy amin’ny valin-tenin’i Amioleka?

Na dia hoe handà an’ Andriamanitra aza i Amioleka, dia tsy nikasa ny hanome azy ilay vola mihitsy i Zezrôma; mba hiezahana mandoto sy “mamotika” an’i Amioleka fotsiny no nandrosoany izany (Almà 11:25).

Tatỳ aoriana i Almà dia nanazava tamin’i Zezrôma ny fomba nahafahan’i Almà sy i Amioleka nahafantatra ny fitaka sy fandrika nataony. Vakio ny Almà 12:2–7 hitadiavana ny valiny.

Fahamarinana iray azontsika ianarana ny hoe Andriamanitra dia afaka manampy antsika hahafantatra ny fitak’i Satana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

  • Amin’ny fomba ahoana ny tantaran’ny Loholona Andersen no ohatra amin’io fitsipika io?

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany iresahan’ny Fanahy Masina amintsika? (Raha ilaina dia hevero ny hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3; 9:7–9; 11:12 na handalina ny “Fanahy Masina” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.)

  • Inona no fiantraikan’ny safidy ataontsika amin’ny fahafahantsika hotarihin’ny Fanahy Masina?

Hevero ny hanisy marika ny andian-teny rehetra ao amin’ny Almà 11:22 izay mampiseho ny fahavononan’i Amioleka hanaraka ny Fanahy. Saintsaino ny fomba nanampian’izany safidy izany azy.

Misoroka ny fitaka amin’ny alalan’ny fahafantarana ny marina

Fomba iray ikatsahan’i Satana ny hamitaka antsika ny fanakorontanana ny fahatakarantsika momba an’i Jesoa Kristy.

Vakio ny Almà 11:26–37, 40–41, hitadiavana ny fampianaran-dison’i Zezrôma momba an’i Jesoa Kristy sy ny fomba namalian’i Amioleka.

Mba hanampiana anao hahatakatra ireo andininy ireo dia hevero ny hanao ity tabilao manaraka ity ao anatin’ny diary fandalinanao. Eo ambanin’ny fampianarana tsirairay dia manorata toe-tsaina na, hevitra, na fitondran-tena mety hitondran’ilay fampianarana.

Fampianaran-diso: i Jesoa Kristy dia hamonjy antsika “amin’ny fahotan[tsika]” tsy mila mibebaka (Almà 11:34).

Fampianarana marina: i Jesoa Kristy dia hamonjy antsika amin’ny fahotantsika rehefa mitodika any Aminy sy mibebaka amin-kitsimpo isika.

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahalala fa i Jesoa Kristy dia afaka mamonjy antsika amin’ny fahotantsika fa tsy ao amin’ny fahotantsika?

  • Inona no ianaranao avy amin’ny fomba namalian’i Amioleka ireo fanontanian’i Zezrôma?

  1. Vitao ireto manaraka ireto:

    Manaova lisitra fomba tena misy telo farafahakeliny mety hiezahan’i Satana mamitaka ny tanora ankehitriny. Mety ho azonao atao ny mampiditra ny fitaka natrehin’i Amioleka, toy ilay finoana diso momba an’ Andriamanitra, ilay fampanantenana harena na fahefana, na fanafihana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’ Andriamanitra. Fitaka hafa mety hiseho ny fanaovana zavatra tsara iray ho hita ho ratsy na ny mifamadika amin’izany (jereo ny Isaia 5:20) ary ilay lainga hoe tsy misy zavatra marina na diso izany (jereo ny 2 Nefia 28:22).

    Eo akaikin’ny fomba tsirairay mety hamitahan’i Satana antsika dia manorata fomba iray farafahakeliny ahafahantsika mikatsaka fanampiana avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba handresena izany fakam-panahy izany. Manorata zavatra manokana fantatrao momba ny Fanahy Masina ka afaka manampy.